Malakia 2 :17 – 3 :4 : « Efa manasatra an'i Jehovah amin'ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no anasaranay Azy ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Jehovah ka ankasitrahany, na amin'ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana ?Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin*'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.(Na: Iraky)Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba. Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana. Dia ho mamin'i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny tamin'ny taona taloha ».
1. MIVONONA HIHAONA AMIN’NY TOMPONAO FA EFA TONGA NY IRANY
Ny lohahevitra izay iarahantsika mibanjina manerana ny sahan’ny FJKM dia fantatsika tsara hoe : « Mivononà hihaona amin’ny Tompo ». Izany lohahevitra izany, raha vakiana sy jerena maimaika, dia lohahevitra mety mitarika any amin’ny fahadisoan-kevitra. Satria nahoana ?
Rehefa tenenina ny olona iray hoe mivononà ianao hihaona amin’i Rakoto, na Rabe ohatra, ny dikan’izany dia hoe mbola tsy tonga ilay olona resahina. Fa amin’Andriamanitra ihany dia tsy marina kosa izany. Tsy maintsy azavaina tsara amin’ny lafin’ny Soratra Masina sy ny teolojia hoe inona no dikan’izany hoe « mivononà hihaona amin’ny Tompo ». Ny Tompo irery ihany no hany azo lazaina hoe efa tonga sady mbola andrasana. Efa tonga Izy satria efa miara miaina amintsika : efa afaka mamoaka devoly amin’ny anarany ianao dia mivoaka ny devoly ; ary mbola andrasana Izy satria ho avy ilay fahatongavany amin’ny fomba ofisialy, izay tsy azo vazivaziana intsony. Ary izay fahadisoan-kevitra mety mahazo ny olona izay no nahazo ny zanak’Isiraely ihany koa tamin’ny taon-jato faha-enina talohan’i Jesoa Kristy, satria tamin’ny taon-jato faha-enina talohan’i Jesoa Kristy Tompo no nosoratana ny bokin’i Malakia. Ary izay fahadisoan-kevitra izay, no tena nampalahelo, dia diso hevitra hatrany amin’ny mpisorona ( Pasteur izany mpisorona izany amin’izao fotoana), dia diso nanaraka azy daholo koa ny vahoaka. Dia tao anatin’izay fahadisoan-kevitry ny mpisorona izay no nirahina i Malakia ( Irako no dikany amin’ny teny hebreo) hanitsy an’ireo fahadisoan-kevitra maromaro izay ananan’ny vahoakan’ny Isiraely.
Ny fahadisoan-kevitra voalohany, ohatra, any amin’ny toko 1, dia zareo nieritreritra fa tsy tian’Andriamanitra intsony izy, satria ny vanim-potoana nisy tamin’izany, lasan’ny nabateana (arabo amin’izao fotoana) ny ampahan’ny faritanin-dry zareo. Dia hoe aiza koa izay Andriamanitra mpamonjy antsika eto ? Dia any amin’ny toko 1 izy manommboka manitsy hoe Jakoba no tiako, fa Esao no halako. Tiako ianareo na dia lasan’ny olona aza ny ampahan’ny taninareo.
Fahadisoan-kevitra faharoa ihany koa, izay avy any amin’ny mpisorona, dia nita tany amin’ny vahoaka, dia izao : na dia milaza aza ny Levitikosy 1 :3 fa rehefa manatitra fanatitra ho an’i Jehovah dia lahy tsy misy kilema no atolotra, atao fanatitra io tsinona, dia rehefa avy vonoina atao fanatitra iny, dia iny no sakafon’ilay mpisorona avy eo, dia iny no hakana rà hanaovana ny tso-drano, sns fanadiovana. Dia nony aman-jato taonany taty aoriana, tsy izay lahy tsara ho an’i Jehovah intsony no entina, fa jeren-ndry zareo izay efa jambajamba ny masony, hoe itony izao efa tsy lafo intsony, itony atao sorona ho an’i Jehovah ; jeren-dry zareo izay kapila kapila, izay no voalazan’ny tenin’Andriamanitra ; dia tsy miteny koa ilay mpisorona amin’io satria iny matsiro foana ; matsiro foana iny rehefa hohanina, na kapila na jamba, na maninona. Fa halan’i Jehovah, ka izany no anisan’ny nanitsiana ny zanak’Isiraely tamin’izany vanim-potoana izany.
Ny fahadisoana fahatelo nataon’ny mpisorona koa manomboka any amin’ny toko faharoa, dia nizaha tavan’olona ry zareo tamin’izany. Mizaha tavan’olona dia rehefa manan-karena, manam-pahefana no miresaka aminao, dia hoe « faly aminao Jehovah », « tena mety ity » ; fa rehefa olona mafimafy ady, « mibebaha ianareo », « tsy mety izao ». Dia enjana be ny Malakia 2, fa ianareo hoy izy rehefa mizaha tavan’olona tahak’izany, ho ataoko tsy hajain’ny olona intsony ianareo, ary ny tena loza ary dia hoe avadiko ozona ny tso-drano izay ataonareo. Ianao izany mitso-drano, manao hoe « raiso ny tso-drano ry havana », dia mivadika ozona iny, nohanin’ny valala ny tanànà, Malakia 3 :1. Dia izany no nasaina nahitsin’i Malakia.
Ary dia anisany nampitenenina an-dry zareo faha-efatra manaraka manomboka eo amin’ny Malakia 2 :17 : manasatra an’i Jehovah. Angaha moa izany Andriamanitra izany tsy hoe tsy mety sasatra, tsy mety reraka ? Fa lazain’Andriamanitra hoe manasatra Ahy ianareo, mandreraka ahy ianareo. Dia rehefa maninona hoy izy no manasatra an’i Jehovah ny olona ? Ny and. 17 dia hoe tsy maninona na tsara eo anatrahen’i Jehovah izay manao ratsy. Izay ilay and.17 : efa manao ratsy dia hoe aiza izay Andriamanitry ny fitsarana ? Izany ny fisainana tamin’izany : jereo fa ondry kapila no omenay, tsy taitra akory ilay Andriamanitra ; voalaza ao amin’ny toko 2 aza fa zavatra nangalarina no nomeny atao fanatitra ao am-piangonana, mankasitraka ihany ilay Andriamanitra. Dia ao anatin’izay amin’izay no nampitandreman’i Malakia : mivononà amin’izay ianao hihaona amin’ny Tomponao, satria efa tonga ny irany. Hitantsika izany eo amin’ny Malakia 3 :1 : « Indro, haniraka ny irako Aho ». Tahaka ny amin’izao fotoana izany dia efa fanaon’ny mpitondra fanjakana hatramin’izany, raha tena olona ambony ianao, tsy tonga fotsiny amin’izao any amin’ny birao an’olona, na any an-tanànan’olona, fa tsy maintsy misy iraka alefa aloa, farafaharatsiny dia ny sekreteranao no miantso aloa na miteny hoe ho avy eo hono i…., afaka handray ve ianao ? Raha mpitondra fanjakana ianao dia miaramila no mialoha anao any, na ny protocole, miteny hoe ho avy ny olona ohatran’izao, aiza io no hipetraka, aiza izy no hatory, aiza izy no apetrakareo… Raha tena olona ambony ianao, tsy mitontona fotsiny, tsy fantapantatra izany, fa tonga dia mazava tsara hoe ho avy eo i… amin’ny vanim-potoana ohatran’izao. Raha mandeha fiarakodia moa dia misy ireny mpisava lalana mandefa kloxon ireny, ka rehefa tonga ireny dia efa fantatrao fa efa akaiky izany ilay manam-pahefana.
Dia tahaka an’izany koa Jehovah Andriamanitsika : maniraka iraka ihany koa Izy aloa. Andriamanitra amin’ny ankapobeany, tsy mba mamely tampoka, Andriamanitra, tsy mikapoka tampoka, fa mandefa iraka Izy aloa ampiomana ny fonao. Ary izay rahateo ny Matio 3 :3 : « Injany! misy feon'ny miantso mafy any an'efitra hoe:
Amboary ny lalan'i Jehovah » ; mandefa iraka mialoha Izy miteny fa ho avy.
Ry havana malala ao amin’ny Tompo, aty amin’ny taona 2018 isika, ny irak’i Jehovah dia ny mpitoriteny, ny mpiandry mametra-tanana, ny irak’i Jehovah dia izay mitory ny tenin’Andriamanitra aminao, mampiomana anao fa ho avy ilay Jehovah Andriamanitrao. Raha i Jaona mpanao batisa manokana, tsy izy akory no Mesia, fa milaza mialoha amin’ny olona fotsiny izy fa ho avy ilay Mesia.
Ry havana malala ao amin’ny Tompo, raha ampifandraisina amin’ny Alahadin’ny fananana, dia azo lazaina hoe irak’i Jehovah ihany koa ny fananana ; irak’i Jehovah ka rehefa manomboka manomboamboatra trano fiangonana eo izany ny olona, ka mitsangana ny trano fiangonana, aza taitra ianao hoe maninona ary no asiana fiangonana eto, fa fampatsiahivana anao io, fa ho avy Jehovah. Tamin’ny 08 sy 09 Novambra dia nisy fiangonana maromaro sy synodam-paritany maromaro dia nanao fampisehoana ny fananana, araka izay antso natao. Anisan’ny nahafinaritra tao ny anareo FJKM Isotry Fitiavana : ny napetraka tao dia hoe manamboatra fiangonana iray isa-taona. Dia nosoratana tao hoe, taona 2015, tary ; 2017, tary… Dia be dia be no taitra ny mpitsidika tao hoe « izany ve dia hoe vita », « fa aiza no ahitan’Isotry Fitiavana vola amin’izany ». Manana hoy aho rehefa vonona, manana hoy aho rehefa irahin’ny Tompo. Ary jerena koa ireo fiangonana, vita tsara, fa misy koa mantsy manao fananana ho an’ny Tompo, fa ataony kitoatoa. Izany no antsoina hoe ondry kapila, fananana tsy ilain’Andriamanitra. Mivononà hihaona amin’ny Tomponao.
2. MIVONONA HIHAONA AMIN’NY TOMPONAO FA HO AVY IZY TENANY
Isika rehetra izao izany ry havana, rehefa tonga ny irak’i Jehovah, dia mba taitra, mivononà hihaona amin’ny Tomponao. Fa tsy vitan’ny hoe efa tonga ihany ny iraky ny Tompo, na ny irak’i Jehovah, fa Izy tenany mihitsy no tonga, rehefa tsy taitra ianao. Ao amin’ny Malakia 3 :1b manao hoe : « indro, tamy Izy ». Indraindray mantsy rehefa ilay iraka no alefa dia tsy raharahian’ny olona. « Ho avy eo hono ilay olona ambony » : « sshh, hay ve e, sao dia mampiresaka ianareo ». Izany no mitranga. « Ho avy eo hono ilay olona ambony » : « izany ve dia marina ». Fa rehefa mafy loha ianao, dia Izy tenany, ny Tompo mihitsy no tonga ary amin’izay fotoana izay Izy tonga amin’ny fahefany, tonga tsy azo ivalozana, tonga hitsara an’izao tontolo izao, ary tonga haka ny Azy. Dia enjana be ilay fanoharana izay raisin’ny Soratra Masina eto. Izao no voalaza eo amin’ny and.2 sy ny manaraka : tahaka ny savonin’ny mpanasa lamba. Fantatsika tsara fa matoa ny lamba iray sasana, dia maloto. Ny lamba mijanona fa ny loto halana ; na tahaka ny mpandrendrika hoy izy : volafotsy iray, tsy mahazo volafotsy tsara tarehy izany ianao, raha tsy efa dorana aloa, dia miempo daholo ny tsy izy, izay tsy tena volafotsy, dia ohatran’izay koa ny volamena. Fa ilay volafotsy tena volafotsy, na ilay volamena tena volamena, rehefa empoina, dia tavela eo, dia iny no anaovana firavaka. Dia izay ny fanoharan’Andriamanitra ny fihaviany : tonga Izy amin’ny vanim-potoana anankiray, empoiny, sasany izay tsy izy, fa izay tena azy marina tokoa dia miaraka Aminy, miara manome voninahitra Azy.
Ry havana malala ao amin’ny Tompo, nisy olona iray izay tao Ambotsirohitra, notenenina izy tamin’izany fa tsy taitra. Dia tamin’izany hono ny tao an-tsainy vao niresaka tamiko dia hoe iza ary ity Pasitera kely ity ? Fa nitranga amin’izay izay nitranga, dia niresaka izahay, dia tadidiny hoe ity ilay notenenin’i Pasitera, tadidiny amin’izay. Nosasana tamin’ny savony, niala ny maloto, arendrika izay tokony arendrika.
100 taona katroka ry havana androany no tapitra ny ady lehibe voalohany. Dia be dia be ny fanazavan’ny olona hoe fa maninona no nisy ady lehibe voalohany. Mazava be ilay izy : novonoin’ny olona ny prince iray tao Sarajevo, dia izay no nitarika ady sns… Fa raha ny Soratra Masina no jerena, tamin’ny taona 1890, 25 taona talohan’io, nozarain’ny firenena maromaro, ohatran’ireny mizara mofomamy ireny i Afrika, ary tao anatin’izany i Madagasikara. Misy olona eo, misy firenena eo, fa tsy raharahin’iretsy, fa azy ny sandry : « ity anareo, ity anareo…, Madagasikara an’i …, Egypte an’i …. », tena voazara. Ary any ilay fifanarahana voasonia tamin’izany vanim-potoana izany. Dia mitovy amin’ity and.17 ity, izay manao ny tsara indray dia hoe aiza ilay fitsaran’i Jehovah ? Tafianay ianareo fa ianareo kely sandry, potehinay ianareo fa anay ny fahefana. F’angaha izany io Jehovah Andriamanitra io !?! Atsonika ianao, rehefa ratsy loha ohatran’izany. 25 taona taty aoriana latsaka, 1914, izy mianakavy indray no zarazaraina, izy indray no natsonika. Ary rehefa mbola mitohy ny nataony, mbola natsonika fanindroany indray, tsy ampy 20 taona taty aoriana, ary izay no nahafaka an’i Madagasikara.
Ry havako malala ao amin’ny Tompo, mivononà ianao hihaona amin’ny Tomponao. Tsy sangisangy io, tsy vazivazy io, fa Andriamanitra tsara io, ary mivononà hihaona Aminy. Tena faly mihitsy aho satria maheno izao Washington, fa tamin’ity taona ity, nitsangana ny fifohazana any Washington DC, renivohitry Etats-Unis ; tsy nisy hatramin’ny naha-tany ny tany izany. Fa hitan’ny Amerikana fa tsy sangisangy izany Jesoa Kristy Tompo, ary faly ery ry zareo hoe « ametraho tanana indray Pasteur an ! » ; faly ery Washington, faly ery Canada, fa isika eto Madagasikara, isika eto Isotry Fitiavana, manana izay fifaliana izay ve ?
Fa mivononà hihaona amin’ny Tomponao fa efa tonga ny irany, ary mivononà hihaona amin’ny Tomponao fa ho avy Izy tenany.
Amena
Pasteur RAKOTONDRABE Andrianaharijaona Ndrianja
Talen'ny FIFA
FOIBE FJKM