Lohahevitry ny volana : HO AVY AMIN’NY HERINY NY TOMPO.
Itony lohahevitra itony moa ry havana amin’ny ankapobeany, dia olona manam-pahaizana manokana momba ny Soratra Masina, na teolojiana no namolavola azy. Noho izany dia mety diso ihany indraindray ny fandraisan’ny olona azy, hoe : Ho avy amin’ny heriny ny Tompo. Dia rehefa hoe ho avy amin’ny heriny ny Tompo, dia ny ao anatin’ny fisainan’ny olona matetika dia hoe : izany ho avy izany dia mbola tsy tonga. Fa amin’ny Soratra Masina irery ihany no hananantsika an’izany hoe : efa tonga, sady mbola andrasana. Izay no ampatsiahivina rehefa mitory an’ity lohahevitra ity. Ny akaiky indrindra azy izany dia ilay fiarahabana ara-pombam-piangonana izay nataon’ny ray aman-dreny Mpitandrina teon ary tokony atao. Hoe : miarahaba anao Pasteur tonga soa aman-tsara eto amin’ny Fiangonanay. Fa raha ny marina, efa nifampiarahaba tatsy izahay. Izay izany ilay izy an ! Dia tsy hoe tsy mety akory ilay nataony, fa tena mety ilay nataony ary tokony atao. Fa ilay fiarahabana tatsy amin’ny trano fisainana dia fiarahabana amin’ny maha-samy olombelona ; fa ilay fiarahabana nataony teto am-piangonana kosa, iny no antsoina hoe fiarahabana amin’ny fombam-piangonana. Dia rehefa miteny izany isika hoe ho avy amin’ny heriny ny Tompo, dia tsy hoe tsy ao Izy akory ; fa efa miaraka amintsika eto Jesoa Kristy ; Izay no mahatonga hoe afaka mandroaka devoly isika dia mivoaka ny devoly, mitondra am-bavaka isika dia mahazo valim-bavaka. Fa ilay fihavian’ny Tompo amin’ny heriny dia ilay fihaviany ho hitan’ny olona rehetra, ho hitan’izao tontolo izao, ary ho hita na eto Madagasikara, na any Inde, na any Chine, na any Etats-Unis, na any Afrika, amin’ny segondra izay ipoitran’ny Tompo, dia miara-mahita izao tontolo izao. Izay izany ilay hoe : ho avy amin’ny heriny ny Tompo.
- REHEFA HO AVY AMIN’NY HERINY NY TOMPO, DIA HO AVY IZY HIZARA SEZA HO AN’NY MPOMBA AZY
Hitantsika izany ry havana eo amin’ny and.1-3. Izao indrindra no voalazan’ny Soratra Masina hoe : « Aza malahelo ny fonareo… Ao an-tranon’ ny Raiko misy fitoerana maro ; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho… dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa ». Tsy amin’ny resaka politika ihany izany no misy fizaràna seza ; fa amin’ny fanarahana an’Andriamanitra ihany koa dia misy fizaràna seza rehefa tonga amin’ny fiandrianany, rehefa tonga amin’ny heriny Jesoa Kristy Tompo. Tsy hoe tonga Izy dia matiantoka ny mpomba Azy, tsy hoe tonga Izy dia mitovy amin’ny olona rehetra ny mpomba Azy. Fa ny olona izay mino an’i Jesoa Kristy Tompo, dia hahazo ny seza sahaza azy, amin’ny vanim-potoana izay hiverenany. Ny olona izay mino an’i Jesoa Kristy Tompo, dia hisy seza tsara tsara lavitra omen’ny Tompo azy. Ny Tompo tsy nanome toky an, izany mantsy ilay foto-pisainana diso ho an’ny olona izay tsy nandala loatra ny Soratra Masina, hoe : reehfa maty re dia mankany amin’ny paradisa foana e : na nangalatra ianao, na nanolana ianao, na namono olona ianao, rehefa tsy mibebaka ianao dia mankany amin’ny paradisa foana rehefa maty. Ary izany anie ny fisainan’ny malagasy hoe rehefa maty ratompokolahy na ratompokovavy dia : « tahio izahay ratompokolahy ô, tahio izahay ratompokovavy ô », satria izy heverina fa mankany amin’ny paradisa foana. Fa ahitsin’ny tenin’Andriamanitra eto ry havana ô : fa rehefa hiverina amin’ny heriny ny Tompo, dia izay mpomba, mpino Azy ihany, izay no mahazo seza, izay no mahazo fiainana mandrakizay. Fa tsy ny olona rehetra akory. Ary dia manamafy an’izany ny 2 Petera 3 teo : rehefa tonga hoy izy ny fotoanan’ny Tompo, izay tsy fantatra io, dia manantena lanitra vaovao isika ; izay ilay voalaza any amin’ny and.13 izay namaranana ny perikopa teo. Lanitra vaovao ipetrahan’izay mino an’i Jesoa Kristy Tompo. Dia itony raha jerena maimaika, ohatrany hafahafa be an : indray andro toy ny arivo taona. Fa tena marina ara-bakiteny izany amin’ny Tompo. Ary na ho an’ny olona tia manao fizika ary an, dia tena marina izany. Raha ohatra ianao izany vao manombonomboka mianatra, hatrany amin’ny Terminale no midina, dia ny fizika niaingan’i Newton no tena malaza, hoe rehefa 1 segondra dia 1 segondra ; fa rehefa miakatra ambonimbony ianao amin’ny fianarana, dia any ianao no mianatra hoe hay samy manana ny 1 segondra-ny. Ny 1 segondran’ny olona tsotra, mety 5 segondra na 10 segondra raha mandeha mafy be. Izay izany raha fintinina vetivety fotsiny ny physique quantique. Dia na amin’ny mpanao science ary izany dia marina izany, hoe ny indray andro amin’ny sasany, arivo taona amin’ny sasany. Ary na dia amin’ny lafiny science aza dia marina izany hoe ho potika ny tany, ho potika izao tontolo izao. Efa miha-mandeha mora, miha-mandeha mora ny tany : ny masoandro, ho an’ny mpanao kajy izany, fa tsy ny tenin’Andriamanitra, afaka 6 tapitrisa taona, afaka 6 lavitrisa taona dia tsy hisy intsony ; na amin’ny kajy matematika ary izany marina. Fa indrindra indrindra ry havana ho an’ny olona mino, manantena ny fiverenan’ny Tompo, dia io fotsiny hoe : izay momba Azy dia ho zarainy seza. Izay momba Azy dia handova fiainana mandrakizay.
Ry havana malala ao amin’ny Tompo, voalaza ao amin’ilay mofon’aina teo, fa nisy tany amin’ny Fjkm anankiray indray, ny maha-samihafa azy, izy no menatra. Ny tao anatin’ilay tantara teo izao, tsy menatra ilay hoe nametraka tenin’Andriamanitra izy tao amin’ny toeram-piasany, dia notenenin’ilay mpivarotra teo akaikiny dia tsy notsoahiny ny azy ; fa ny an’ilay mpiangona Fjkm izay :nasiany tenin’Andriamanitra tsara be izay tao, « minoa an’i Jesoa Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonaano ». Dia nitenennan’ilay anankiray mihitsy : fa izy ity ve Fiangonana e ? Maninona tsy tsoahina teo io tenin’Andriamanitra io fa mahamenatra olona ? Izaho niteny taminy hoe aza tsoahina ; hoy ny tenin’Andriamanitra hoe izay menatra Ahy eo anatrehan’ny olona dia ho menatra azy koa ny anjelin’Andriamanitra rehefa miverina aminy. Fa ny namany hafa niteny hoe tsoahy fa ianareo ve Fiangonana e ! dia notsoahina tao ilay tenin’Andriamanitra. Fa inona no nitranga hoy ianareo ? Volana vitsivitsy tsy ela akory taorian’izay, nisy zavatra tsisy dikany kely, tsisy dikany ary tena tsisy hidiran’ilay fivarotana, tonga ny vahoaka be dia be naheno tsaho hoe misy an’izao hono e, misy an’izao, tonga ny vahoaka handoro an’ilay trano fivarotana. Voatery niantso gendarme, voatery niantso police niaro azy teo. « Fa inona no nahatonga an’iny ? ». Ianao hoy aho efa tenenina hoe aza halana ilay tenin’Andriamanitra ; izao nodoran’ny olona ny toeram-piasanao ; mandehana ianao mibebaka. Dia nibebaka izy dia naverina ngeza be indray ilay tenin’Andriamanitra ? Dia nisy olona nieritreritra hirotaka handoro azy intsony.
Ry havana malala ao amin’ny Tompo : HIVERINA AMIN’NY HERINY NY TOMPO. AZONAO ANTOKA VE FA HANANA SEZA IANAO AMIN’IZANY VANIM-POTOANA IZANY?
Ary raha miresaka fampielezan-kevitra isika izao : izay mpanohana ny candidat anankiray, manantena hahazo toerana. Dia ohatran’izany koa ny Tompo, araka ny Salamo teo : izay mihoby an’i Jehovah, izay no manana toerana tsara. Izay mihoby an’i Jehovah, izay no manana fiainana mandrakizay.
Fa tsy vitan’ny hoe manomana seza ho an’ny mpomba Azy ihany ny Tompo rehefa miverina amin’ny heriny.
- REHEFA HIVERINA AMIN’NY HERINY NY TOMPO DIA HAMPISEHO NY MARINA REHETRA
Hoy ny and.4-6: « Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin'izay halehako. Hoy Tomasy taminy:Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? Hoy Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako ».
Misy marina be dia be tsy fantatry ny olona an. Fa rehefa tonga amin’ny heriny ilay Jesoa Kristy Tompo, dia ho fantatra hatramin’ny antsipirihany io ry havana ô. Izany hoe ny mizara seza sy ny mahafantatra ny marina, tsy voatery ho miaraka izany eto ambonin’ny tany an :rehefa tonga ny olona iray, mahazo toerana izy dia zarainy ny seza : atao directeur i anona, i anona atao minisitra, i anona atao anona… dia indrindray tsy fantatra intsony ilay marina. « Nankaiza ioay vola teo ? ». « Aza miresaka an’izany intsony fa efa antsika izao ny fahefana ». « Ary nankaiza ny vola… ? ». « Aza miteny an’izany intsony fa ianao izao efa voatendry directeur ». « Ary ilay anona ? ». « Tsy miresaka an’izany ianao fa antsika izao ny fahefana ».
Fa ny an’ny Tompo tsy vita eo amin’ny fizaràna seza, fa famoahana ny marina amin’ny antsipirihany rehefa tafaverina amin’ny heriny sy ny fahefany ny Tompo. Ary amin’izay fotoana izay ry havana, Jesoa Kristy Tompo hitsara ny tsirairay araka ny nataony. Ary izay no hitantsika ao amin’ny Salamo 98 :9 : « Hitsara izao rehetra izao amin'ny fahamarinana Izy ». Na eto Masagasikara na any Arabie Saoudite, na any Chine ; na iza dia ho tsaraina amin’ny fahamarinan’Andriamanitra. Fa tsy hoe : ny an-dry zareo retsy araka ny coran no hitsaràna azy, iretsy kosa araka ny veda, boky hindou no hitsarana azy. Tsy izany io, fa ho tsaraina ny tsirairay araka ny nataony. MARINA SA TSY MARINA NY NATAONAO ?
Ary na dia ny teknolojia vaovao amin’izao fotoana ary ry havana dia efa ahafahana manao an’izany. Taloha ny olona rehefa mandeha, dia afaka mandainga : « aiza ianao izao ? ». « Mbola tany Alanakely aho ». Hay izy olona tany Isotry Fitiavana. Fa amin’izao fotoana, rehefa miaraka amin’ny téléphone-nao sy ny finday ianao, jerena fotsiny dia hita hoe ary an’anona izy dia avy eo nifindra ary an’anona dia avy eo nankary an’anona, dia tetsy an’anona, dia tetsy, dia tery ny nalehany. Hita ny tsirairay avy amin’izay toerana nalehany amin’ny teknolojia 2019. Taloha ianao raha mijerijery zavatra amin’ny télé, na mihaino zavatra amin’ny radio an, tsy misy mahalala mihitsy hoe inona ny zavatra nojerenao tao amin’ny télé tao, inona no nataonao tao amin’ny ordinateur tao ; fa izao, kitihina indray mandeha dia hita daholo : tamin’izao izy an, ity no nojereny tao amin’ny Facebook, tamin’izao izy an, izao no noteneniny, tamin’izao izy an, ity no navoakany tao. Mivoaka hatramin’ny antsipirihany io ry havana ô, na amin’ny teknolijia fotsiny aza. Vao maika moa eo anatrehan’i Jesoa Kristy Tompo : ho hita amin’izay ny marina eo anatrehan’ny Tompo. Ary rehefa mipoitra izay marina izay, tsy azonao ialana intsony. Izao ianao mbola « afaka ». Miaraka kely amin’ny vadin’olona. « Ary maninona aty ianareo ? ». « An an an, izahay anie tsy naninona niaraka tany e ». Fa ho avoakan’ny Tompo io, ary ho tratra io. « Fa iza marina no mangalatra ilay zavatra teto e ? ». « An an an, tena tsy fantatro an ». Fa ho avoakan’ny Tompo io, hatramin’ny antsipirihany.
Ry havako malala ao amin’ny Tompo, Andriamanitra tsy marina Andriamanitra raha misy manao fahotana kanefa tsy mibebaka ka tsy mandray ny valin-keloka-ny. Andriamanitra tsy marina Andriamanitra raha izany. Fa ny Andriamanitsika dia Andriamanitra marina, mamaly ny olona rehetra araka ny fahamarinany. Andriamanitra tsy azo vazovaziana. Manome fotoana ny olona hibebahana Izy ; fa mbola hizara ny valin’asany ihany koa ho an’ny tsirairay avy.
Alahadin’ny fitantanana ny fananana amin’ity anio ity ry havana. Betsaka, manomboka any amin’ny fananan’ny sampana. Variana mihitsy aho tany amin’ny Fiangonana anankiray : nisy fotoana hono tompoko tamin’ny faha-10 taonan’ny tanora kristiana dia nanolotra clavier tsara tarehy ho fiderana ny Tompo ato am-piangonana. « Dia nankaiza ilay izy izao ? ». « Efa tsy hita ny nalehany ». Clavier ngeza be ve dia tsy ho hita ny nalehany : misy olona tsy marina tany. « Hatraiza ny faritry ny Fiangonana ? ». « Inty tompoko ny habeany, hatreto ny tanimbolintsika, hatreto ny tanimbarintsika ». « Ary toa nisy namboly tery amin’ny sisiny tery ? ». Misy olona tsy marina tany.
AMIN’NY LAFIM-PIAINANAO REHETRA RY HAVANA MALALA AO AMIN’NY TOMPO O, MARINA IANAO SA TSY MARINA EO ANATREHAN’NY TOMPO ? Fa rehefa hiverina amin’ny heriny ny Tompo, hitsara ny tsirairay amin’ny fahamarinana. Ary dia isika rehetra izao ry havana, tena ho marina eo anatrehan’ny Tompo. Ho avy indray ny match-ny Barea, mahafinaritra. Fa nanahirana kely tamin’ny farany teo : tonga ny Barea, Sabotsy hariva zareo ilay niverina iny, alina be vao tafaverina ; nitoriteny tao amin’ny Fiangonana iray aho ny ampitson’iny : nihena 500 ny mpiangona tompoko. Tena izany an : nihena 500 ny mpiangona vokatry ny fahatongavan’ny Barea. Fa isika afaka mijery baolina, afaka mitsena an’ireny ; fa mba ho marina eo anatrehan’Andriamanitra ianao dia mandeha mivavaka ianao ny ampitson’iny. Izay ny fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra. Handeha ny asa sy fampaherezana rehefa avy eo, hanampy antsika amin’ny fahitana ny marina koa ny fametrahan-tanana sy ny fampaherezana.
Ry havako malala ao amin’ny Tompo, amin’ity anio ity ary : hiverina amin’ny heriny, ho avy amin’ny heriny ny Tomponao ary dia hizara seza ho an’izay mpomba Azy tokoa Izy, ary hampiseho ny fahamarinana amin’ny fiainan’ny olona tsirairay avy. Ho Azy irery ihany ny voninahitra. Amena.