Ao amin’ny Lioka 12 :10 ry havana, Lioka 12 :10, amin’ny anaran’i Jesoa : « Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka ; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka ».
Ilay miteny ratsy, hoe : manao « blasphème » ny Fanahy Masina.
Rehefa nandinika ny texte-ny perikopa 3 ry havana, ka nahita an’ity filazantsara momba ny fitenenana ratsy ny Fanahy Masina ity, dia tena mazava hoe : ity no antson’ny Fanahy, anirahan’ny Fanahy hoe zava-dehibe ho antsika Fiangonana ry havana ô ny mandinika indray izany hoe fitenenana ratsy ny Fanahy Masina izany, fa izany no hany ota tsy ahazoana famelana ry havana ô. Izay teny fanoherana an’i Jesoa, fanoherana ny zanak’olona, dia hahazo famelan-keloka. Fa izay miteny ratsy ny Fanahy hoy Jesoa, tsy mba hahazo famelana.
Indraindray isika ry havana rehefa miresaka amin’olona, misy olona fantatsika tsara, dia manova fihetsika izy, manova fanao izy, tsy araka ilay fanaony ahafantarantsika azy, dia latsa-bava isika miteny aminy : « fa misy inona e, nilatsahan’ny Fanahy Masina angaha ? ». Izany fiteny izany ry havana, rehefa dinihina, dia toa teny maneso, teny manivaiva. Ary raha ny marina, matetika ilay olona miteny an’izany hoe : « fa naninona, angaha nilatsahan’ny Fanahy Masina ? », izany olona izany matetika tsy mino akory izany hoe asan’ny Fanahy Masina izany. Dia aleo ary aloa ajanona ny kivalavala ohatran’izany ry havana ô. Aleo ajanona amin’izay ny kivalavala ohatran’izany. Fa tahaka ny ahoana ary izany lazain’i Jesoa eto hoe : miteny ratsy ny Fanahy Masina izany ? Raha lazaina amin’ny teny hafa ilay izy, teny tsotra avy hatrany dia miteny amintsika, dia hoe : AZA MANDÀ NY FANAHY MASINA. AZA MANDÀ NY FANAHY MASINA FA HAHAVERY ANAO IZANY E. Ny devoly manko ry havana no manana io toetra hoe mandà ny Fanahy Masina io. Ary ny devoly mandà ny Fanahy Masina, dia mitaona izay babony ihany koa ho amin’ny fandavana ny Fanahy Masina sy ny fiainana feno fahotana. Satria ny Fanahy Masina, ny asany voalohany dia ny mampiaiky heloka. Ary nampieritreritra ry havana ny teny-na ray aman-dreny be izay, mpitoriteny nanao hoe : ity fandavana ny Fanahy Masina ity, ity fitenenana ratsy ny Fanahy Masina ity, dia azo lazaina tsotra izao hoe fahotan’i Satana, fahotan’i Satana. Koa ny hafatra androany ry havana ô, ny hafatra androany dia azo fehezina tahak’izao, hoe : TANDREMO SAO LATSAKA AO AMIN’NY FAHOTAN’I SATANA. TANDREMO SAO LATSAKA AO AMIN’NY FAHOTAN’I SATANA.
Ny Fahamarinana 1 dia izao : NY OLONA TSY MAHALALA TSARA NY FANAHY MASINA NO METY HO TRATRAN’IZANY HOE FITENENEN-DRATSY NY FANAHY MASINA IZANY.
Ary tena vitsy ry havana isika kristiana no mahalala ny Fanahy Masina. Andeha jerena kely ny zavatra nitranga rehefa tonga tety an-tany Jesoa. Filipiana 2 dia milaza hoe : nanana ny endrik’Andriamanitra Izy ; fa nony tonga tety an-tany Izy, dia tena hoe nataony nana-pitoviana amin’ny olombelona. Izy nanana fitoviana tamin’Andriamanitra, fa tonga nana-pitoviana tamin’ny olombelona. Inona no dikan’izany ? Takona ilay maha-Andriamanitra Azy. Tena Andriamanitra Izy, tena olona Izy, fa takona ho amintsika olombelona ny maha-Andriamanitra Azy. Ary nampianatra ihany ange nefa Izy e, hoe : ny Ray ato amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray. Fa tsy hitan’ny olona izany. Ary nampianatra ihany Jesoa hoe : Ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa ; ny asa rehetra nataon’i Jesoa ireny. Ary ahazoan’i Jesoa manatanteraka an’izany asany izany, dia nomen’ny Ray hery Izy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ary matetika isika ry havana no mamaky, ohatra ao amin’ny Lioka 4 :1 : « Ary Jesoa feno ny Fanahy Masina ». Jesoa feno ny Fanahy Masina.
Inona moa no tian’i Jesoa lazaina eto ry havana rehefa miteny Izy hoe : « Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka ; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka » ? Ohatrany miteny Jesoa hoe : « azoko ihany raha tsy takatrareo ny fampianarako, ka mandray azy ho ny fahamarinana ianareo ; azoko ihany izany e. Azoko ihany raha ny fanoharana, ny parabole izay nampiasaiko mety tsy ho takatrareo ». Azoko ihany hoy Jesoa. « Azoko tsara koa fa mesia hafa karazana, mesia politika no nandrasanareo jiosy ; azoko e ». Azoko izany hoy Jesoa. Ary tsaroantsika fa na ny mpiray tampo tamin’i Jesoa ary tany am-boalohany, tsy nino an’i Jesoa. Izany izany no toa lazain’i Jesoa eto. « Fa izao kosa e, izao kosa e : Izaho ange tsy nitory fotsiny e, fa ny fahagagana, ny famantarana rehetra nataoko dia mbola fanambarana ny Ray sy fanambarana ny tenako ». Izay. Manambara Jesoa hoe : « Izaho no fahazavan’izao tontolo izao » ao amin’ny Jaona 8. Dia manao fahagagana Izy, manasitrana ao amin’ny Jaona 9, ilay lehilahy teraka jamba. Mampianatra Aho hoy Izy, dia manaporofo. Manambara Jesoa : « Izaho no fananganana ny maty sy fiainana », Jaona 11 ; avy hatrany Izy dia lasa mamoaka an’i Lazarosy avy eo am-pasana. Izany, izany anie Izaho, hoy Jesoa e. Ary toy miteny Jesoa hoe : « mety tsy azonareo ny fampianarako ; fa ilay fahagagana nataoko ange e, dia tena hoe porofo azo tsapain-tanana e, porofo tsy azo lavina e. Fa ianareo mihitsy no tsy te hahalala, ianareo mihitsy no tsy te hahalala. Ary fantatrareo moa, fa ireny fahagagana ataoko ireny, dia fahagagana ataon’ny Raiko amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ; ataon’ny Raiko amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ». Jaona 11 :42 teo, hoe hamoaka an’i Lazarosy avy ao am-pasana Jesoa, dia nivavaka Izy hoe : « Raha Izaho ange dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao e ». Ireny fahagagana ireny : valim-bavaka nataon’i Jesoa tamin’ny Ray ahazoany hery amin’ny alalan’ny Fanahy Masina anaovany an’ilay fahagagana. Asa.10 :38 dia hoe : Jesoa, « Izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa». Izany no ampahafantaran’ny Soratra Masina antsika ry havana ô, hoe : ny fahagagana dia fahagagana ataon’ny Fanahy Masina ; porofo hita maso ; fa mbola tsy taitra ihany, mbola tsy taitra ihany ianareo. Izay ilay hoe « tsy mahalala ny Fanahy Masina ». Sady tsy taitra ianareo hoy Jesoa, no mora manadino. Asain’ny Tompo isika Fiangonana amin’izao fotoana izao ry havana ô, asain’ny Tompo isika hisaina mandrakariva ny fahagagana nataony, mba hoe hahazoantsika mifankazatra amin’ny Fanahy Masina e. Asainy misaina mandrakariva ny fahagagany isika, fa isika mora manadino, mora manadino e. Ohatran’ny mpianatra ao amin’ny Matio 16 :9 : « ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an’ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo ? », and.10 : « na ny mofo fito ho an’ny efatra arivo, ka firy sobika moa no nangoninareo ? ». « Adinonareo ve izany e, ry Fiangonana ô ? ». Saino mandrakariva izany dia hitombo fahalalana ny Fanahy Masina ianao, hifankazatra amin’ny Fanahy Masina ianao. Ary toy ny miteny Jesoa hoe : « ka raha adinonareo ny fahagagana asehoko anareo, ahoana indray no fomba handreseko lahatra anareo amin’ny maha-izy Ahy e ? ».
Ry havana ô, ry havana ô, tsy ny jentilisa no hatahorana hiteny ratsy ny Fanahy Masina, fa izaho sy ianao mitonon-tena ho kristiana no mety ho tafalatsaka amin’izany fahotan’i Satana izany, raha tsy mahalala marina ny Fanahy Masina.
Ny Fahamarinana 2 dia izao ; efa voalaza hoe ny ota amin’ny Fanahy Masina, dia fandavana tanteraka ny asan’ny Fanahy Masina. NY OTA AMIN’NY FANAHY MASINA DIA FANDAVANA TANTERAKA NY FANAHY MASINA, KA MANJARY TSY MAHAY, NA AFAKA HINO SY HIBEBAKA ILAY MPINO.
Ka manjary tsy mahay, na afaka hino sy hibebaka ilay mpino tratry ny fandavana ny Fanahy Masina. Manjary tsy hahay na afaka hino sy hibebaka intsony ilay mpino.
Tsy misy olona ry havana, ka hoe : tsy tapitapitr’izay, dia mandà tanteraka ny Fanahy, na ny asan’ny Fanahy. Tsy misy olona hoe mifoha maraina izy, mitsangana avy ao am-pandriana izy dia mandeha izy, dia hoe lasa mandà ny Fanahy, non. Tsy izay ilay fandehany. Zavatra miandalana io fandavana ny Fanahy Masina io. Zavatra miandalana izany fandavana Azy izany. Andeha ange isika haka ny ohatr’i Farao. Farao dia efa notenenin’i Mosesy sy Arona ao amin’ny Eksodosy 5 :1 : « Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin’i Farao ka niteny taminy hoe :Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely : Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an’efitra ». Alefaso ny oloko. Nanamafy fo Farao teo anatrehan’izany hafatra izany ry havana. Ary vao maika nampitomboina ilay fampanompoana ny zanak’Isiraely. Dia inona ny zavatra nitranga ? Mbola niverina tao amin’i Farao ihany Mosesy sy Arona ; fa izao : hitantsika ao amin’ny Eksodosy 5 sy ny manaraka ; mbola nanamafy fo ihany Farao. Izy izany an, eo anatrehan’ny hafatra : nanamafy fo. Inona ny zava-doza nitranga tao amin’ny Eksodosy 7 :3 ? Hoy Jehovah hoe : « Ary Izaho hanamafy ny fon’i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin’ny tany Egypta ». Izaho Jehovah hanamafy ny fon’i Farao. Izany hoe Farao izay lazaina fa nanamafy fo hatrany ; ny niafarany : Jehovah mihitsy no nanamafy ny fony. Jehovah mihitsy no nanamafy ny fony. Ry havana ô, ohatra manazava tsara ity toetran’i Farao ity : tsy mitsahatra ny mitaona antsika ny Fanahy Masina e ; fa isika no tsy mihaino, fa isika no manamafy fo ry havana ô. Fa ny Fanahy tsy mitsahatra ny mitaona :
- Eo am-pihainoana toriteny isika : miteny ny Fanahy e : « ianao anie izany resahina izany e » ; fa tsy raharahanao.
- Sendra mamaky Voa tsara nafafy na Mana isan’andro isika, dia mitaona antsika ny Fanahy : « ndana ianao mifona. Ndana ianao mifona amin’ny vadinao, ndana ianao mifona amin’ny zanakao, ndana ianao mifona amin’ny ray tampo aminao » ; fa tsy mihetsika ianao e.
- Mijery zavatra hafahafa ianao amin’ny télé, na sendra misy programa hafahafa tampoka amin’ny télé ; dia fantatrao tsara fa hafahafa io, lasa mitsangana ihany ianao maka télécommande hanova programa ; fa tsy maha-ova programa ianao, tsy manaiky tarihin’ny Fanahy ianao.
- Tonga ny karamanao amin’ny faran’ny volana : manisa vola ianao ; miteny aminao ny Fanahy hoe : « Eh, ny ampahafolon’io vola io anie e ka tsy anao e, tsy azonao kitihina e, tsy azonao ampiasaina e, hanaovana izay fahafinaretanao e ». Eee, mbola tsy mandoa fahafolon-karena ihany ianao. Etc…
- Mitarika anao ny Fanahy Masina hamonjy fivoriam-bavaka, hamonjy étude biblique ; fa Satana izay te handroboka anao amin’ny fahotana, mamboly sampona tampoka. « Pasitera an, mahavariana mihitsy fa efa saika ho avy mihitsy aho fa izao, izao, izao… ». Izay ilay izy.
Raha ny marina ry havana, amin’izany rehetra izany, tsy manaiky fitarihin’ny Fanahy ianao satria voatohitohina ny momba anao, voatohitohina ny hevitrao, voatohitohina ny conception-nao momba ny finoana, voatohitohina ny volanao. Izany no mahatonga anao ohatran’izany. Ary ny maha-zava-doza an’izany ho anao : lalana izany ho amin’ny fandavana tanteraka ny Fanahy Masina, lalana mankany amin’ny fandavana tanteraka ny Fanahy Masina izany izoranao izany. Ary azo antoka io lalana io fa mitondra anao any amin’ny fahotan’i Satana ry havana ô. Satria nahoana hoy ianao ? Ianao izay zatra mandà ny Fanahy Masina ry havana, mazava ho azy, araka ny efa voalaza teo, hoe : tsy mba manenina na malahelo amin’ny zavatra ataonao. Ianao izay zatra mandà ny fitarihin’ny Fanahy Masina ry havana, dia tsy mahay manaiky na mahalala intsony akory ny atao hoe marina sy diso, ny marina sy ny lainga. Tsy hainao intsony ny manavaka an’izany e. Ary ianao efa zatra mandà ny fitarihin’ny Fanahy Masina, tsy tonga saina mihitsy ianao, ianao izay mizotra amin’izany lalana izany, ny amin’izay hoe efa nanalaviranao an’Andriamanitra. Tsy tonga saina amin’izany ianao e. Ary rehefa izany, rehefa izany : tahaka an’i Farao, izay tany am-boalohany aloa nanamafy fo, na dia nahita ny asan’Andriamanitra aza, na dia nandre ny fampitandreman’Andriamanitra aza ; rehefa izany ianao, hidin’Andriamanitra amin’izany tsy fanekena izany ianao e. Hidin’Andriamanitra amin’izany tsy fanekena izany ianao ry havana. Izany ny fampitandremana omen’ny Tompo antsika. Tiany isika mba tsy hisy ho latsaka amin’izany fahotan’i Satana izany ka lasa any amin’ny fahaverezana. Hidin’Andriamanitra hoe ? Hidin’Andriamanitra ry havana ô. Ary rehefa hidin’Andriamanitra ao ianao, dia tsy maintsy ho jamba tanteraka ; tsy maintsy ho jamba tanteraka.
Ny olona tratry izao toe-po miteny ratsy ny Fanahy, mandà ny asan’Andriamanitra izao ry havana, dia mampahatsiahy an’ity valan’aretina hoe corona ity. Efa tena fantatsika tsara izao, fa hoe anisan’ny symptôme-ny corona ilay hoe « perte de goût » amin’ny sakafo. Dia malain-komana, kamo hisakafo. Fantatsika rehetra izany. Fa tena izany mihitsy ange e ny mahazo ny olona izay hoe mandà sy miteny ratsy ny Fanahy Masina e. Tsy tia hanina intsony izy ; tsy tia hanina intsony izy, dia ilay tenin’Andriamanitra hainy tsianjery ao amin’ny Matio 4 :4 hoe : « Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra ». Eny e, hitany ilay Baiboly, manana Baiboly tsara tarehy izy, fa ohatrany olona tratran’ny corona ara-panahy ry havana. Dia hoe tsy tia hanina intsony izy, satria fatra-pandà ny Fanahy Masina, na dia fantany tsara aza hoe izany no mahavelona. Io teny izay tsy hananany goût io, tsy hahitany tsirony sy tsy mahasarika azy io, tokony hisakafoanany. Ary dia tonga amin’ilay fitenenana hoe :ny vokatr’izany, dia maty fanahy mbola velona izy. Ary henoy tsara ny tohiny ry havana. Anatin’izao situation hanalavirany an’Andriamanitra izao, ka hanidin’Andriamanitra azy ao amin’izany hoe fanamafisam-po izany, dia hiha-maizina hatrany ny sainy ; ka normal. Satria maninona ? Ny Fanahy Masina anie no manome fahazavan-tsaina e. Hiha-maizina hatrany ny sainy dia tsy hahay hanavaka intsony izy ny tsara sy ny ratsy, ny marina sy ny lainga, ary normal be raha manao ohatran’ireto fariseo ireto : afangarony Andriamanitra sy ny devoly. Normal be izany ry havana ô. Izay ilay olona latsaka amin’ny fahotan’i Satana. Ary ampitandremana isika amin’izao andro anio izao : tsy misy olona hoe poy toy izay dia latsaka amin’izany hoe fandavana, fitenenan-dratsy ny Fanahy izany ; fa zavatra miandalana izany.
Ny Fahamarinana 3 farany dia izao : Ka ahoana ary e, ahoana ary no atao ? Ny valiny : NDAO HIFAMPIVAVAKA – NDAO ISIKA FIANGONANA HIFAMPIVAVAKA, ARY ATOMBOY AO AMIN’NY ANKOHONANA IZANY.
Aoka ny ankohonana hifampivavaka ry havana ô. Ary ianao manapa-kevitra hoe hifampivavaka izany, ao amin’ny Fiangonana, ao amin’ny ankohonana ; fa raha tsy manao izany ianao ao amin’ny ankohonana, tsy hisy hino anao hoe mivavaka any am-piangonana izany ianao ; dia fantatra mihitsy hoe ny Fanahy Masina no mitarika anao ho amin’izany e. Izay ilay fahamarinana 3 : Ndao hifampivavaka, ndao hifampivavaka ry havana ô. Inona ilay antom-bavaka ? Ary mahagaga fa ity antom-bavaka ity dia tononintsika Fiangonana isan’Alahady. Ny antom-bavaka dia hoe : « Ray ô, manafaha anay amin’ny ratsy » , manafaha anay amin’ny ratsy. Mifampivavaka isika mba tsy hisy ho latsaka anatin’izany hoe fahotan’i Satana izany ry havana ô. Fa izay olona latsaka ao, araka ny tenin’i Jesoa, tsy tafala ao izy e, ary tsy tonga saina akory izy hoe tokony hiala ao. Mifampivavaka isika mba tsy ho latsaka ao amin’ny fahotan’i Satana. Zava-doza izany. Efa hitantsika ny tantaran’i Farao. Tantara akaiky kokoa, satria ao amin’ny Testamenta vaovao : Jodasy ; Jodasy latsaka tao amin’izany fahotan’i Satana izany. Ny fiafaran’i Farao latsaka tao anaty fahotan’i Satana : fahafatesana sy fandringanana ialohavana faharesena. Ny niafaran’i Jodasy : fahafatesana, famonoana tena. Izay ilay olona latsaka ao amin’ny fahotan’i Satana.
Ndao isika hifampivavaka mba hoe tsy hisy ho latsaka ao amin’ny fahotan’i Satana izany. Ary andeha isika hivavaka ho an’izay olona hoe fantatsika miharihary fa tafalatsaka ao anatin’izany fahotan’i Satana izany, mba ho afahan’Andriamanitra izy. Hoy Petera hoe : « Iza moa no hahasakana an’Andriamanitra e ? Efa nomen’Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana ». Io olona latsaka ao amin’ny fahotan’i Satana io, tsy manana eritreritra ny hibebaka izany, araka ny voalaza teo ; fa isika mahita azy ; isika tarihin’ny Fanahy Masina no hiteny amin’Andriamanitra hoe : « Ray ô, Ray ô, afaho amin’io fahotan’i Satana io izy ». Ary araka ny tenin’i Petera hoe : « Iza moa no hahasakana an’Andriamanitra » ? Asan’ny Apostoly 11.
Izay ny zavatra voalohany, hoe : concrètement : ndao hifampivavaka. Ary faharoa ry havana ô : satria efa nampitandremana isika, satria efa nampitandremina mazava isika : aoka ny tsirairay tsy hanamaivana intsony izay fampitandremana ataon’ny Fanahy Masina. Aoka ny tsirairay tsy hanamaivana intsony ny fampitandremana ataon’ny Fanahy Masina. Raha ny tantaran’i Farao no jerena, zavatra mety mpahazo antsika ange no mitranga e : efa notenenina hoe Mosesy sy Arona. Mosesy sy Arona tamin’io fotoana io anisan’ny andevon’i Farao tany Egypta. Dia indraindray an, olona heverintsika hoe andevo, indraindray an, olona heverintsika hoe ambany, ka dia hoe tsy rototra isika eo anatrehan’ilay fampitandremana. Andeha isika ry havana ô, tsy hanamaivana ny fampitandreman’ny Fanahy Masina. Aoka izay ity fitenenana hoe : raha ra-anona indray aloa no mitory filazantsara amiko na mampibebaka ahy, dia ce n’est pas la peine e. Izay ilay izy. Ary raha ny tantaran’i Farao ihany : izay ilay hoe aoka isika ho mailo, tsy hanamaivana ny fampitandreman’ny Fanahy Masina, sy amin’izay olona ampiasainy. Mosesy sy Arona ange e, azo lazaina hoe fahavalon’i Farao e ; indraindray ilay fahavalonao, zava-misy izany, no ampiasain’Andriamanitra, no fitaovana irahin’ny Fanahy Masina hampibebaka anao.
Misaotra ny Tompo isika ry havana ô, misaotra ny Tompo isika ny amin’ny fampitandremana e. Enga anie, enga anie isika ireto, tsy hisy ho tratra miteny ratsy ny Fanahy. Ary ny Tompo hiaro antsika tsy ho tafalatsaka amin’izany fahotan’i Satana izany.
Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo, ary ho an’Andriamanitra ny voninahitra. Amena