Lioka 4 :18a : « Ny Fanahin’ i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny malahelo Izy »
Ny miteny dia Jesoa. Ny ambara momba Azy dia hoe : « ato amiko ny Fanahy ». Maninona ao Aminy ny Fanahy ? Nanosotra Azy hitory teny soa mahafaly. Ilay hoe « nanosotra » na « voahosotra », io no nadika tamin’ny teny hebreo hoe : « Mesia » ; amin’ny teny grika : « Kristy ». RESAKA MESIA izany ny toriteny amin’izao maraina izao. RESAKA MESIA.
Tonga Jesoa ry havana. Manambara ny tenany ho Mesia Izy. Izy tonga. Fa ilay fanontaniana dia hoe : isika Fiangonana ve mila Azy ? Mila Azy Mesia ? Hafahafa ilay fanontaniana an. Isika Fiangonana ve : izaho ve, ianao ve, mila Mesia ?
Araka ny hitantsika eo an, io tenin’i Jesoa io an, teny nalainy avy ao amin’ny Isaia 61. Ary ao amin’ny Isaia 61 an, Isaia manambara ny fihavian’izany Mesia izany, izay tonga izany 8 siècles taty aoriana. Zava-mahagaga izany ry havana. Efa fantatsika izany zavatra izany. Fa ilay Mesia ambara io, ny fanafahana ambara eto aloa dia fanafahana ny Zanak’Isiraely avy amin’ny sesitany any Babylona. Izany no ilàny Mpamonjy, izany ilàny Mpanafaka, izany no ilàny Mesia : hanafaka ny vahoakan’Andriamanitra avy any amin’ny sesitany izay hanafaizan’Andriamanitra azy. Ny tantaran’ny Zanak’Isiraely ry havana dia tantaran’ny fanekeny tamin’i Jehovah Andriamanitra. Ary mifanindran-dalana amin’izany ny nanompoany koa, ny nijangajangany ara-panahy tamin’ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy. Hita teo foana izay lafin-javatra anankiroa izay. Nafaran’Andriamanitra izy : ianareo ange rehefa tsy mety anarina e, ho faiziko ianareo, alefako sesitany ianareo. Izay no ilàna ilay Mesia.
Io sesitany io izany : vokatry ny fahotana, vokatry ny fahotan’Isiraely ry havana. Ary io fahotana io no nanimba ny fiainan’ny Zanak’Isiraely. Tsy manimba fotsiny amin’ny maha-firenena lasa sesitany, fa nanimba ny fiainan’ny tsirairay. Ary izany no haminanian’Isaia Mesia : mila fanasitranana ilay vahoaka, mila fanasitranana ny tsirairay. Ka raha niteny izahay hoe : mila ny Mesia ve ianao ? ; andeha ovaina ohatran’izao, hoe : IANAO VE MAHATSIARO NY TENANAO, MAHATSIARO NY FIAINANAO HO SIMBAN’NY FAHOTANA, KA MILA MESIA VE IANAO HAMONJY ANAO ? Fa tsy tenenintsika hoe : mila Mesia ve ianao ? Fa hoe : MILA REPARATION VE IANAO ? Tsy manivahiva ny Mesia izany ry havana. Tsy miteny ratsy, tsy mi-blasphémer ny Mesia raha miteny amin’ny Fiangonana aho hoe : IANAO VE MAHATSIARO TENA HOE MILA REPARATION, MILA MPAMBOATRA NY FIAINANAO ?
Sambatra ianao raha ianao izany mahatsapa hoe : « izaho izay resahina androany maraina eo amin’ny pilopitra izay. Tena mila réparation ny fiainako, mila mpamboatra ny fiainako vokatry ny ota niadaladalako ».
Andeha ary jerentsika ry havana izay mety ho asan’izany hoe réparateur na mpamboatra izany ; fa teneno aloa ny voisin-nao hoe : « Mila mpamboatra ve ianao ? ». Izaho, izaho Solofo mila mpamboatra, fa lazaiko anareo izany. Ary faly aho nahita an’ity teny ity.
Inona ny asan’ilay Mesia ? Inona ny asan’ilay Mpamonjy ? Inona ny asan’ilay Mpamboatra araka izay noresahina teo ry havana?
- VOAHOSOTRA IZY HITORY TENY SOA MAHAFALY AMIN’NY MALAHELO
Hitory teny soa mahafaly amin’iza ? Amin’ny malahelo. Io no vokatry ny fahotana voalohany. Misy vokany 4 eo amin’ny perikopa eo. Fa ny vokatry ny fahotana voalohany dia ny alahelo. Ilay alahelo dia hoe malahelo, mahantra, « misérable, pauvre ». Izay ry havana. Ary mila réparateur hanamboatra ny fiainako aho, hanafaka ahy amin’izany alahelo izany. Tena eo dia eo mihitsy ny alahelo sy ny fahantrana ara-bola. Ary azo toriana tsara amin’ireny olona ireny, tena hoe mitrongo vao homana amin’izao fotoana izao ity texte ity ry havana. Marina amin’izao 2021 izao ity texte ity. Fa mihoatra an’izany io hoe fahantrana na alahelo resahina eto io : fahantrana ara-panahy ry havana ô. Ka raha mijery télé isika, mijery vaovao isika, mahita ny fahantran’ny olona hoe izay hohanina anio dia tadiavina anio, dia tsy misy afa-tsy izay ny fiainany : tena mampalahelo ilay izy. Mampalahelo lavitra an’i Jesoa noho izany ilay fahantrana ara-panahy ry havana ô. Ary izay no tian’i Jesoa, ilay fahantrana ara-panahy izay no hoe tian’i Jesoa amboarina hamonjena antsika. Ary Izy tany amin’ny Matio 5 dia efa niteny tsara mihitsy hoe : « Sambatra ny mahalelo am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra ». Tena hoe imasony manokana izany e.
Fa iza ry havana ilay malahelo, na malahelo indrindra, mahantra indrindra ara-panahy ? Ilay olona hoe mahatsiaro ao anatiny ao fa tena tsy alehany mihitsy ny fiainany ara-panahy. Ivelany izy ohatran’izao sy ohatran’izao ; fa ao anatiny ao fantany loatra fa tsy manjary izy. Nahafinaritra ahy ilay teny-na mpitoriteny anankiray hoe : Sambatra ilay malahelo ara-panahy ; ilay malahelo ara-panahy dia hoe mahatsiaro fa amin’ny lafiny ara-panahy ny fiainany dia tena hoe bankirompitra ry havana ô. Asa, raha hampanangan-tanana aho, raha misy anankiray sahy hiteny eto hoe bankirompitra ny fiainako ara-panahy. Fa izany no ilàna réparation izany. Izany no ilàna Mesia izany. Izaho Pasitera ry havana, fa noraisiko ho ahy izany teny izany. Dia faly aho, tena faly aho mitoriteny eto amin’izao maraina izao.
Izay izany ilay sokajy voalohany, na ilay vokatra ratsy voalohany ny amin’ny hoe fahotana mahazo ny vahoakan’Andriamanitra.
Dia miampita eo amin’ny voka-dratsy faharoa indray isika izany, eo amin’ilay ligne manaraka izay novakiana :
- NANIRAKA AHY HITORY FANDEFASANA AMIN’NY MPIFATOTRA IZY
Ilay voalohany izany : olona malahelo, bankirompitra ara-panahy ; eto indray miresaka mpifatotra. Ny mpandinika dia milaza hoe ilay mpifatotra, raha azo adika amin’ny teny frantsay hoe « prisonnier », dia hoe ampitoviana mihitsy amin’ireny hoe « prisonnier de guerre » ireny. Mifatotra amin’inona ? Mpifatotra amin’inona ? Voafatotra aminny fahazaran-dratsy sy ny fomba ratsy mpahazo ny olombelona : fimamoana, zava-mahadomelina, sexe, lalao isan-karazany, voafatotry ny fangidiam-po koa, voafatotry ny fahatezeran-dava koa etc… Tena hoe voafatotr’izany fahotana izany. Ary araka ny tenin’i Jesoa, tena mpifatotra izy satria izay manao an’izany, izay manota dia andevon’ny fahotana. Izay. « Tonga Aho hi-réparer ny fiainanao amin’izany » hoy Jesoa. Tonga ny Mesia hanafaka, hanasitrana anao amin’izany. Ary n’inon’inona fatorana, « prisonnier de guerre » hoy isika teo ; n’inon’inona prison amatoran’i Satana anao, n’inon’inona anarany : fantaro fa Jesosy ry havana ô, manana ny fanalahidin’izany prison izany raha teneninao Izy hoe : « io ary Jesoa an, voahay izany fanalahidin’ny tranomaizin’ny fiainako izany, sy hanagadran’i Satana ahy, toy ny mpifatotra, toy ny prisonnier de guerre » amin’izao maraina izao.
- Ny malahelo
- Ny mpifatotra
Fa eto amin’ity malahelo ity, satria araka ny notenenina teo hoe citation nataon’i Jesoa avy amin’ny Isaia ity, dia hoe : eo Isaia tsy miteny hoe « mpifatotra », fa miresaka ny « olona torotoro fo » izy. Miresaka ny olona torotoro fo. Izany hoe eto amin’ity hoe mpifatotra ity izany an, izay ilay fanazavana voalohany ; fa ilay fanazavana faharoa, hoe : tonga Jesoa ry havana ô, hi-réparer io fonao torotoro io. Fo torotoro noho ny fiainan-tokantrano, noho ny fiainan’ny fianakaviana, torotoro noho ny fiaraha-monina sy ny fiaraha-manompo ato am-piangonana ; ie, tena misy izany ; torotoro noho ny fiaraha-monina ao amin’ny andavan’androm-piainana. Tonga Izy hi-réparer an’izany fonao izany. Ary raha izay no hijerena ny tontolo misy antsika ry havana, tonga koa Izy hanasitrana, hi-réparer io fonao torotoro ary rotidrotika noho ny tantaram-piainanao, ferena noho ny tantaram-piainanao, noho izay fahadiasoana nataonao teo amin’ny fiainanao, noho izay namitahana anao teo amin’ny fiainanao, noho izay nandisoana fanantenana anao teo amin’ny fiainanao, noho ny fotoana nahadiso kajy anao. Ary ferena ilay fo ry havana. Maninona no ferena ilay fo ? Tsy mety sitrana ilay fo satria ilay eritreritra mampahatsiahy anao ilay mauvais souvenir mandrakariva dia tsy mety sitrana izany fonao izany. Fa tonga ry havana Jesoa, tonga Jesoa tena hoe hi-réparer, hanasitrana izany fo ferena izany, izany fo rotidrotika izany. Ary tsarovy, ho anao izay torotoro fo, fa Jesoa dia tena hoe manatona manokana, akaiky manokana antsika rehefa hitany hoe torotoro fo isika. Satria araka ny tenin’i Isaia mpaminany ihany dia hoe : « Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena » ry havana ô. Izay ilay nahatongavan’io Mesia io, izay no nahatongavan’io Mpamboatra io : tonga hi-réparer ny fiainanao voafatotra, hi-réparer ny fonao torotoro.
- Malahelo
- Mpifatotra
- Torotoro fo
Dia tohizana ny tenin’i Jesoa dia hoe :
- SY FAMPAHIRATANA AMIN’NY JAMBA
Io koa sarotra amintsika mpino ry havana, sarotra amintsika olom-piangonana ny miaiky hoe mila réparation ny masontsika fa jamba isika. Ary ny mifandahatra amin’ny olom-piangonana no tena mazana indrindra, ilay olona « religieux », indrindra ilay olona « religieux » manompo fatratra ireny, nefa manompo anaty fahajambana ara-panahy. Tsaroanareo ry havana, tsaroanareo, tantaran’i Saoly. Nifanena tamin’i Jesoa izy teny an-dalana ho any Damaskosy, dia nony tonga tao Damaskosy izy, nametrahan’ny mpanompon’Andriamanitra tanana, izay vao hoe nisy kiran-trondro toy ny afaka tamin’ny masony, dia izay vao nahiratra indray ny masony. Izaho ry havana tena faly, tena faly, fa isaky ny mitory teny aho, dia hitako mihitsy hoe misy kiran-trondro alan’ny Tompo. Izaho tsy mitompo teny fantatra hoe izaho no mahiratra indrindra ato amin’ity Fiangonana ity, fa tena faly hoe ampahafantarin’ny Tompo hoe hay ve izany izy ity e, hay ve izany izy ity e. Ary ny tena mampalahelo, ankoatra an’ilay hoe ilay olona « religieux » indrindra, ohatran-dry Paoly, izay tena hoe nanenjika fatratra. Izay ange ilay hoe fatratra foana e ; zélé foana e ; na ho amin’ny tsara, na ho amin’ny ratsy ; fa rehefa jamba ianao dia zélé ho amin’ny ratsy. Dia mampalahelo ny mahita an’ilay olona ohatran’izany. Fa ny tena mampalahelo, ny tena mampalahelo ry havana dia hoe : ianao izany mba mahiratra, dia malahelo ianao mahita an’ilay olona hoe jamba, tsy mba mahita ny hitanao, nefa hoe miziriziry, miziriziriy anatin’izany fahajambana izany. Nisy tantara anankiray, haintsika tsara, John Newton ; izany : trafiquant d’esclaves ; izany : mpidoroka ; izany : tompon’ny ditra. Izay ditra rehetra nataony daholo. Nony nandray an’i Jesoa izy ry havana, ka novain’i Jesoa ny fony, novain’i Jesoa ny fiainany, dia nijoro vavolombelona izy, ary izy nanoratra tononkiram-panahy maro toa ireny hoe « Amazing grace » ireny. Dia hoy izy amin’ny tonin’ilay « Amazing grace » hoe : grâce-n’Andriamanitra mahagaga loatra, ary mamy loatra ny fandrenesana azy. izany grâce-n’Andriamanitra izany no namonjy olona tsy vanona ohatr’ahy. Very aho fahiny, fa efa hitan’Andriamanitra ankehitriny. Jamba aho fahiny, fa ankehitriny aho dia efa mahiratra. Tonga Jesoa ry havana ô, hi-réparer an’io masonao io, hanasitrana io masonao io, hamonjy anao amin’io fahajambana ara-panahy io.
- Malahelo
- Mpifatotra
- Torotoro fo
- Fahajambana ara-panahy
- HANAFAKA IZAY AMPAHORIANA
Ilay fahoriana mbola vokatry ny fahotana an. Ory ianao, nefa izay ilay fon’ny Rainao : onena dia mamindra fo, dia maniraka ny zanany hi-réparer an’ilay dégât ao amin’ny fiainanao vokatry ny fahotanao. Izany ange no mampahagaga amin’io Andriamanitra io e. Ary izay no maha-vaovao mahafaly, teny soa mahafaly, satria manolotra réparation. Manolotra réparation raha mety ianao.
Iza ilay ampahoriana na nampahoriana eto ? Tsotra ry havana ny valiny rehefa jerena ilay contexte. Araka ilay teny teo, teny natao tamin’ny andron’i Isaia ity. Iza no nampahoriana ? Ny Zanak’Isiraely. Iza no mpampahory ? Nebokadnezara. Talohan’i Nebokadnezara, iza no nampahory ? Farao, 400 taona tany Egypta. Ireo, araka ny fantatsika ; any amin’ny Sekoly Alahady isika dia efa mianatra an’izany ; ry Farao, ry Nebokadnezara, sy ny forongony, dia tsy inona fa tandindon’i Satana. Satana no tena mpampahory izany. Satana no tena mpampahory. Ary miresaka tsara an’i Satana Jesoa ao amin’ny Jaona 10 :10. Hoy izy hoe : « Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana ». Izay no laasan’i Satana ry havana ô : tsy avy raha tsy hangalatra, hamono, handringana e. Fa izao no teny fampanantenana omen’i Jesoa antsika ry havana : resy ianao, resy ianao, resy am-boalohany ianao raha manantena hoe hifanandrina irery amin’i Satana. Resy am-boalohany ianao. Resy am-boalohany ianao, raha hiady amin’izany gouvernement hoe taranak’i Farao, taranak’i Nebokadnezara mpampahory vahoaka izany. Resy am-boalohany ianao raha hifanandrina amin’izany. Resy am-boalohany ianao raha manantena hoe hampitony an’io conscience-nao io izay ampahorian’i Satana, izay culpabilisé-n’i Satana lava. Izany ny fampahoriana. Resy am-boalohany ianao raha mieritreritra hoe andeha ho any amin’ny psychologue sy ny psychiatre fa trna hoe lasa ambany be ny estime de soi-ko noho ny afitsok’i Satana. Jesosy irery ry havana ô, no mahay mi-réparer an’izany. Jesoa irery no mahay mi-réparer an’izany. Ary tadidio ilay teny fampanantenana nomeny, hoe : « ny nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra dia ny handrava ny asan’ny devoly ».Amin’izao maraina izao Izy te handrava ny asan’ny devoly ao amin’ny fiainanao.
Faranana izao teny izao : maninona eo am-pamaranana Jesoa no miteny hoe : « Hitory ny taona ankasitrahan’ i Jehovah » ? Tamin’ilay contexte-Isaia, izay hoe manambara an’ilay Mesia ho avy, hoe hitory taona ankasitrahan’i Jesoa, manambara taon-jobily hoy Isaia. Ary iany taon-jobiliy izany, tsy ilay jobily jiosy, fa hoe Jesoa no nahatanteraka azy amin’izao fahatongavany, Izy voahosotry ny Fanahy hitory teny soa mahafaly amin’ireo sokajin’olona noresahintsika ireo. Tanteraka izany jobily izany ka tsy ilay jobilin’ny jiosy isaky ny 49ans, fa hoe taon-jobily izao ; tsy hoe amin’ity 2021 ity, fa ny fiainantsika ambara-piverenany ry havana dia taon-jobily. Ny zavatra nitranga tao amin’njobily jiosy, dia hoe : raha misy olona hoe mivaro-tena ho andevo, noho ny fahantrany, dia novotsorana tamin’ny taon-jobily. Raha misy olona hoe mivarotra ny fananany, noho ny fahatereny ara-bola, dia averina tanteraka aminy izany fananana namidiny izany hanavotana an'ilay trosa etc… Ny taon-jobily tao amin’ny jiosy, ary indrindra miaraka amin’i Jesoa, dia tena hoe « nouveau départ ». Fiaingana vaovao ao amin’ny fiainan’ny olona, ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana ry havana malala ô. Fa anjaranao ny manapa-kevitra raha hoe hampandroso ilay Mesia ianao, hampandroso an’ilay réparateur ianao ao amin’ny fiainanao, hi-réparer an’io fahantranao ara-panahy io, hanavotra anao amin’izay mamatotra anao, hi-réparer an’io fonao torotoro sy ferena io, hanaisotra izay mbola kiran-trondro manajamba anao, fa aza mamita-tena e. Ary hanafaka anao amin’izay mbola hihazonan’i Satana eo ambany vahohony anao ry havana ô. Miankina aminao ny maha hoe taon-jobily, fiaingana vaovao, « nouveau départ » miaraka amin’i Jesoa ho anao anio 10 Janvier 2021.
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amen