ALAHADY 09 MAY 2021

Ao amin’ny Epistily ho an’ny Romana, Romana 5 ry havana no hakantsika hafatra anio. Ny fanontaniana ry havana apetraky ny Tompo amintsika dia izao : FANTATRAO MARINA VE FA TIA ANAO ANDRIAMANITRA ? Tsy hoe : « Fantatrao ve fa tia anao Andriamanitra ? ». FANTATRAO MARINA VE FA TIA ANAO ANDRIAMANITRA ? Hoy ny Romana 5 :5 ry havana : « Ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika ». Ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika.

Ny zava-misy ry havana, dia : isika rehetra raha anontaniana hoe : « Fantatrao ve fa tia anao Andriamanitra ? » ; haintsika tsianjery ny Jaona 3 :16 hoe : « Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao » ary anatin’izany « izao tontolo izao » izany aho. Fa izao ry havana ô : saika fitiavana mijanona ho tsianjery ato an-kandrina, ato an-tsaina izany fitiavan’Andriamanitra izany. Ny sasany ary moa tsy mino hoe : an an an, tsy possible hoe tia ahy izany Andriamanitra. Fa ho an’ny ankamaroan’ny kristiana : fitiavana mijanona ho katekisma ato an-tsaina ato izany ; fa izy tsy mino, tsy manompo Andriamanitra hoe tena tia azy. Satria nahoana ? Atoron’ny Apostoly Paoly eto ny antony ry havana ô : io fitiavana izay ato an-tsaina io, tsy nidina tato am-pony ; ary tsy henony hoe tena tia azy Andriamanitra. Ary maninona no tsy nidina avy ato an-tsaina nankato am-pony io fitiavana io ? Tsy fantany hoe ny Fanahy Masina, Izay efa nomena azy ; izay no lazain’ny Apostoly Paoly ; ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentin’Andriamanitra nampidina izany fitiavany izany ato am-pontsika ry havana ô. Ahoana moa izany ? Ny fitiavan’Andriamanitra, ilay fitiavana itiavan’Andriamanitra ahy izany ; io izany no toy ny rano ampidinina. Ampidinina aiza ? Ampidinina ao anaty siny : ny foko toy ny siny ampidinana izany ranon’ny fitiavan’Andriamanitra izany. Ary ny Fanahy Masina no karazana fantsona entina ampidinana izany fitiavana izany ao am-poko. Izay ilay izy ry havana. Ka tsy midina io, tsy midina io, raha tsy fantatrao hoe tokony ampidinina e. Izay ange ilay izy e. Ary tsy midina io, raha tsy mangataka amin’Andriamanitra hoe : « Ray Malala ô, Raiko noho ny amin’i Jesoa Kristy Tompoko, ny Fanahy Masina Izay efa nomenao ahy tamin’izao natao batisa : aoka izany Fanahy Masina izany no ampidinanao ato am-poko isan’andro isan’andro, izany hoe fitiavanao ahy izany ».

Ry havana ô, mila ny Fanahy Masina isika hoe ahazoan’Andriamanitra mampidina ilay fitiavany ao am-pontsika. Fa raha ny saiko, raha ny foko amin’izao, tsy mahatakatra izany fitiavan’Andriamanitra izany. Ary izany io Andriamanitra Raintsika io : tsy vitan’ny hoe tia antsika Izy ; fa izay mbola azony atao, ampahafantarana antsika izany fitiavany izany, dia ataony. Omeny ny Fanahy Masina. Nomeny indray mandeha io Fanahy Masina io tamin’ny alalan’ny batisa ; fa io Fanahy Masina io, isaky ny angatahantsika, isaky ny ivavahantsika, dia mampidina, mampidina ao am-pontsika izany fitiavan’Andriamanitra izany. Ary dia hoe marina amintsika ireny tenin’i Isaia mpaminany hoe : ahatsiaro isika tena hoe « malalan’Andriamanitra, tena tian’Andriamanitra, tena be voninahitra eo anatrehan’Andriamanitra ». Fa rehefa tsy mivavaka isika ry havana ô, tsy ho henontsika mihitsy izany fitiavan’Andriamanitra izany. Ary ny tena zava-mahagaga, ny tena zava-mahagaga dia hoe : tsy ny fitiavan’Andriamanitra ihany no ampidinin’ny Fanahy Masina ao am-pontsika, fa ny toe-panahin’Andriamanitra, ny toetrany, ny maha-Izy Azy ; izany no ampidininy ao am-pontsika.

Izay izany ny Fahamarinana 1 ho anao izay hoe te hahafantatra marina fa tia anao Andriamanitra, hoe : MIANARA ARY VARO NY MANGATAKA ISAN’ANDRO ISAN’ANDRO NY FANAHY MASINA AMPIDINA AO AM-PONAO IZANY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA IZANY. Indray mandeha Izy no nomena ; fa isan’andro Izy, isan’andro Izy dia ampidina izany fitiavany izany ao am-ponao.

Ny fanontaniana manaraka izany dia izao : inona ary ny sitrapon’Andriamanitra ho ahy raha izay ny sitrapony voalohany androany, hoe : tiany ho fantatro marina fa tena tia ahy Izy ? Ny sitrapony faharoa ry havana dia izao, ery amin’ny and.2 ery : Tiany isika, hoy ny Romana 5 :2, tiany isika hifaly. Tiany isika hifaly.

Voalohany izany, hoe : TIANY ISIKA AHAFANTATRA HOE TENA TIANY. Ary faharoa : TIANY ISIKA HIFALY.

Hifaly amin’inona ? Hifaly, hoy ny and.2 hoe : « hifaly amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra ». Inona ary izany letie ? Inona izany hoe « hifaly amin’ny voninahitr’Andriamanitra » izany ? Hifaly satria manantena hahita ny voninahitr’Andriamanitra rahatrizay miala ety ry havana ô. Mifaly satria manantena hahita ny voninahitr’Andriamanitra. Io moa izany, raha hoe, sanatriavina amin’ny fitenin’olombelona, hoe sanatria matin’ny Covid aho rehefa avy eo, afaka adiny iray ; ny tenako no resahako : dia manantena aho fa hahita ny voninahitr’Andriamanitra. Ny masoko no hahita ny fahatanterahany any an-danitra any. Izany no mahatonga ny kristiana hifaly, ary ny tokony hifalian’ny kristiana : tian’Andriamanitra izy, dia hoe : « hay, nangataka ianao an, ampidiniko ao am-ponao ny Fanahy Masina an, ny fitiavako an. Izao ary : mifalia ianao. Mifaly ianao, afaka mifaly ianao ; dia mifaly ianao. Satria maninona ? Satria manana fanantenana hahita ny voninahitro, hahita ny fahatanterahako rahatrizay ».

Tsy hoe manantena aho hoe ho lasa amin’izay ity Covid ity fa tratra ilay pic sy ny karazany, tsy manantena aho hoe efa midina hono ilay Covid e ; tsy izany ilay izy ; efa mihena hono ny filaharana any amin’ny pharmacie e, efa miheno hono ny any amin’ny hopitaly nefa tsy fantatra hoe ilay fihenan’ny marary eny amin’ny hopitaly ve satria efa misy CTC-19 etsy sy eroa ; tsy fantatra intsony. Fa ilay fanantenana, tsy fanantenana miankina amin’ny zavatra eto an-tany eto, fa miankina amin’ny zavatra mbola ho avy. Ary izany no mila ianarentsika ry havana ô. Matetika isika Fiangonana, dia hoe : ny fiainantsika, ny problemantsika, ny zavatra eto an-tany. Fa eto, sarihan’i Paoly ny saintsika hoe : e, ianao ve manantena hahita an’izany voninahitr’Andriamanitra, izany fahatanterahany izany rahatrizay miala ety ? Izany hoe famirapiratany izany, izany hoe voninahiny izany, dia hitan’ny Apostoly Paoly, hitan’i Saoly raha teny an-dalana ho any Damaskosy izy, rhaa nahita jiro manelatrelatra be ry havana, tena hoe nahajambena. Izany ny voninahitr’Andriamanitra, izany no famirapiratan’Andriamanitra. Ary izany no hoe ho hitantsika rahatrizay any an-danitra ry havana ô. Ary io zavatra manjelanjelatra nahajambena io anefa, mbola hoe famirapiratana tapany io ry havana ô ; fa any an-danitra isika e, hahita an’izany famirapiratana sy voninahitr’Andriamanitra feno izany ; ary izany no hifaliantsika hoy ny Apostoly Paoly. Efa mifaly isika amin’izao.

Eny ary ry havana : ianao izay hoe ampidinan’ny Fanahy Masina ny fitiavan’Andriamanitra ao am-ponao isan’andro, dia ampidinany ao am-ponao koa izany fifaliana avy any an-danitra izany. Fifaliana mifandraika amin’ny fanantenana izany hoe hahita ny voninahitr’Andriamanitra izany, izany fahatanterahany izany rahatrizay mifanatri-tava Aminy. Possible tsy miteny aminao izany androany ry havana ô. Possible. Fa izany no programan’Andriamanitra ho anao izany e.    

Ny Fahamarinana 3 farany anambaran’ Andriamanitra ny sitrapony dia hoe, eo amin’ny and.3 : ary tsy izany ihany, fa mifaly amin’ny fahoriana aza isika. Mifaly amin’ny fahoriana aza isika.

Voalohany, hoe : AMPIDININ’ANDRIAMANITRA AMIN’NY ALALAN’NY FANAHY MASINA AO AM-PONTSIKA NY FITIAVANA. Faharoa : MIFALY, AFAKA MIFALY SATRIA MANANTENA HAHITA NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA. Ary fahatelo : MIFALY NA DIA AMIN’NY FAHORIANA AZA.      

Ilay hoe : « mifaly », mitovy amin’ilay voambolana tetsy amin’ny faharoa, « mifaly », amin’ny teny frantsay izy hoe : « exulter ». « Exulter » : tena hoe mifaly havanja. Raha izao isika angamba no hoe omena 1 milliard dia mi-exulter isika. Izany. Fa eto, hoe : an, mifalia ianao, mifalia ianao na dia amin’ny fahoriana aza.

Ary toa teny nomena antsika malagasy ao anatin’izao Covid, ao anatin’izao fahorian’ny Covid izao. Noho ny tenin’Andriamanitra ve ianao, noho ny tenin’Andriamanitra ve ianao, dia hoe hanapa-kevitra hifaly na dia ao anatin’ny Covid aza ?

Fa maninona ry havana no hoe : « mifaly amin’ny fahoriana aza » ? « Mifaly amin’ny fahoriana aza ». Misy antony 3 ry havana mahatonga ny tena kristiana hifaly na dia amin’ny fahoriana aza, satria io fahoriana io dia mamokatra harem-panahy sarobidy, mamokatra richesse spirituelle précieuse. Tsy mamokatra haren’ny tany, tsy mamokatra harena ara-bolamena sy ara-bolafotsy ; non. Fa mamokatra harem-panahy sarobidy. Anankitelo ireo harem-panahy ireo. Ary izany ny programan’Andriamanitra ho anao amin’izao anio izao ry havana : ny hanananao, ny hampanan-karena anao amin’ny harem-panahy.

  • « Isika hifaly amin’ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana ». Izay ilay harem-panahy voalohany : ny faharetana, ny « patience ». Tena richesse izany hoe « faharetana » izany, tena harena izany hoe « patience » izany ry havana ô. Ny « faharetana », ny « patience » : zavatra roa : fahazakana – fifehezan-tena. Fahazakana sy fifehezan-tena. Arakan y mahazatra antsika Isotry Fitiavana, andao ange jerena e, au niveau-na couple, au niveau-ny tokantrano izany hoe « mifaly na dia amin’ny fahoriana aza satria ilay fahoriana mamoa faharetana, mamoa fahazakana ». Tonga mahay mitondra izay mihatra amin’ny tenanao ianao, izay mihatra amin’ny tokantranonao ianao, na avy amin’ny vadinao izany, avy amin’ny ray aman-dreninao izany, avy amin’ny zanakao izany : fahazakana. Mahay mitondra izay mihatra ianao. Izay ilay harena ry havana ô.

Manana fifehezan-tena ianao. Noho ny fahoriana efa midona matetika dia tsy tapohin’izay hoe firehetam-po ianao, sy fahamaikamaikam-po. Matetika ny olona anaty fahoriana, indrindra ao anaty fahoriana mivaivay : tapotapohiny e, tapotapohina. Tsy mahafe-tena. Raha resaka tokantrano : « an an an, Pasitera an, izaho hi-divorce ». Izany. Tsy olona mahatsapa ny fitiavan’i Kristy izany, tsy olona mahafantatra ny tenin’Andriamanitra hoe : « mifalia ianao amin’ny fanantenana, ary mifalia ianao na amin’ny fahoriana aza ». Satria ilay fahoriana mamoa fahazakana, fifehezan-tena. Ary izay fahazarana izay, izay fahazarana miaritra fahoriana izay : hananana saina milamina, hananana saina tsy miraika amin’izay fitsapana mihatra amin’ny tena, mihatra amin’ny tokantrano, mihatra amin’ny ankohonana ry havana ô. Izany no hafatra mazava ho antsika : tsy miresaka famonjena tokantrano isika fa hoe : anatin’io tokantrano toy ny afo, toy ny lafaoro io io fahoriana io, io fahoriana ampandalovan’Andriamanitra anao io ; nataony mba hanananao fahazakana sy fifehezan-tena.

  • Faharoa ; harem-panahy voalohany izany an : « faharetana » ; harem-panahy faharoa hoy ny Apostoly Paoly hoe: « ary ny faharetana, 4, mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra ». Ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra. Misy izany ny fahatsaram-panahy. Efa tsara be izany hoe tsara fanahy, hatsaram-panahy izany. Fa misy tsara lavitra : ny fahtsaram-panahy voazaha toetra.

Ilay fahatsaram-panahy, amin’ny teny frantsay izy hoe : « fidélité » amin’Andriamanitra. Ianao ve ao amin’ny fiainanao ataonao tanjona mibaiko ny fiainanao izany hoe « fidélité » izany ?

Ary ilay hoe « fahatsaram-panahy voazaha toetra » dia hoe : « fidélité éprouvée ». Eprouvée-n’inona ? Eprouvée-n’ilay afon’ilay fahoriana. Izay ilay izy. Ampandalovin’Andriamanitra ny fahorian’ny tsy fisiana ianao, fahorian’ny fifaninanana rehefa hoe mitady contrat, mitady chantier. Eprouvé-n’Andriamanitra ianao e. Vitanao ve ny tsy hanao kolikoly ? Raha vitanao ny tsy hanao kolikoly : mety maty ianao, maty antoka ara-bola ianao ; fa nahazo harem-panahy sarobidy ianao dia ny fahatsaram-panahy voazaha toetra, ny « fidélité éprouvée ». Te hampanan-karena anao Andriamanitra ry havana ô, te hampanan-karena anao Izy. Ary ao anatin’ny fahoriana izay alefany hisedrana anao no hanolorany an’izany hoe harem-panahy sarobidy izany. Izao manko ry havana : ny olombelona amin’ny androm-panambinana, ny olombelona amin’ny androm-pitahiana dia tsy fantatra marina izay itiavany an’Andriamanitra e. Tsy fantatra akory ary raha tia an’Andriamanitra izy. Fa ny tena mahafaly azy dia ny hareny, ny fananany sy ny karazany. Fa misy olona ihany, hoe tena tia an’Andriamanitra ka tena hoe amin’ny andro fanambinana : tsy fantatra intsony raha Andriamanitra no tena tiany, na hoe fanantenan-javatra satria hoe nivavaka izy dia nahazo an’izao sy izao sy izao. Fa ny tadiavin’Andriamanitra amin’ny alalan’ilay fahoriana dia ny hanana antoka hoe : « an an an, na ao anaty fahoriana aza, dia mbola tia Ahy Rainy ity zanako ity, satria ny hahasoa-ko, ny voninahitro, ny hatsarako : izany no tian’ity zanako ity fa tsy fanantenan-javatra na filan-javatra ».

Ka ilay fahoriana karazana hoe memy fanadiovana hijeren’Andriamanitra raha hoe tena hoe fitiavana madio, fitiavana volamena tsy mifangaro tain-drendrika na taim-by ilay finoantsika ry havana ô. Mba ho tena hoe finoana mahatoky, mba ho tena hoe fahatsaram-panahy éprouvée.

Ary izay no tanjon’Andriamanitra ho antsika : hampanan-karena antsika amin’ny faharetana, amin’ny fahatsaram-panahy voazaha toetra.

  • Ny fahamarinana fahatelo farany amin’ilay harem-panahy dia eo amin’ny 4 ihany, hoe : « ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana ». Mahatonga fanantenana. Tsara be izany ry havana. Tsara be izany. Fa raha tsy kristiana ianao, ary na kristiana anarana ianao, ny fahoriana mahatonga anao hamoy fo dia hanalavitra an’Andriamanitra rehefa avy nanome tsiny Azy ianao. Fa ny tena kristiana, izay manana ny fitiavan’Andriamanitra ao am-pony, dia mitoetra amin’ny fanantenana mandrakariva.

Andao ange jerentsika tsara inona moa no mahatonga an’ilay fanantenana e. Tsy resaka fampiesonana ireo. Ilay faharetana, na ilay « patience » nianarana tao anaty fahoriana ; izay ialy voalohany, ilay harem-panahy voalohany. Iny « patience » iny miteraka fahatsaram-panahy voazaha toetra, miteraka fahamatorana voazaha toetra. Isika samy mahita, raha samy ato am-piangonana e : misy ny kristiana e, dia misy ny kristiana matotra e. Ary fantatsika fa matotra izy satria, tsy hoe matotra ara-taona fotsiny, fa na mbola tsy nahazo taona aza izy an, dia fantatra fa kristiana efa nosedrain’ny Tompo ireny, efa voazaha toetra ireny, azo antoka ireny, azo hiazakazahana ireny anaty fahoriana amborahana problème. Izany, satria efa nosedrain’Andriamanitra ireny olona ireny.

Dia eo izany ilay « patience » nianarana tao anaty fahoriana, niteraka fahamatorana voazaha toetra, niteraka « maturité éprouvée ». Mba irio ry havana ô, izany hoe ho kristiana matotra izany, izany hoe kristiana mûr izany. Dia ireo zavatra roa ireo indray an, niteraka fanantenanana. Nahoana no niteraka fanantenana ireo ? Antenaiko fa Ilay Andriamanitra miasa ao amiko nanome « patience », nanome « maturité éprouvée » tsy hanao soa tapany fa tena antenaiko Izy, hoe hanefy ahy tanteraka mba hitomboako amin’ny fanahafana an’i Jesoa. Ary rehefa izany, dia vao maika mampiorina ny fanantenako hihaona Aminy rahatrizay miala ety aho. Izay ilay harem-panahy sarobidy fahatelo, dia ny fanantenana.

Dia io moa manhoy amin’ilay and.5 hoe : ary izany fanantenana izany, n’inon’inona analyse-nao, tsy ho menatra ianao, tsy hangaihay ianao hanantena tahak’izany, satria hoy ny and.5 hoe : « Ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika », hoe : afaka mahatoky isika ary afaka manantena isika Ilay Andriamanitra tia antsika e.

Ry havana, ry havana, hafa ity toriteny ity satria tsy toriteny fampaherezana anao anaty problema, ianao izay mitrongo vao homana, ianao izay hoe ny hohanina anio dia tadiaviny anio, fia hoe : « andao ento am-bavaka aho Pasitera ». Tsy izany ilay toriteny. Tsy miompana aminao, tsy miompana amin’ny problemanao ity toriteny ity ; fa toriteny miompana amin’Andriamanitra sy ny programan’Andriamanitra ho anao, ny fijeriny anao. Dia varo ary ry havana ô, manomboka anio, ny hangataka ny Fanahy Masina hampidina isan’andro isan’andro ao am-ponao ilay fitiavan-dehibe nitiavan’Andriamanitra anao tao amin’i Jesoa Kristy. Ary dia izany Fanahy izany, izay Fanahin’ny fifaliana no ahatonga anao hanantena ; ary hampiorina amin’ny fifaliana ; hanantena ny fihaonana amin’i Jesoa araka ny tenin’i Joba hoe : « ny masoko, fa tsy ny mason’ny hafa no hahita Azy ». Dia hitondra fifaliana ho anao izany e. Ary ny Fanahy Masina ry havana ô, ny Fanahy Masina no hamoa ihany koa fifaliana ao aminao, amin’ny fahoriana aza.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo, ary ho an’Andriamanitra ny voninahitra. Amena.