Misaotra an’Andriamanitra isika ny amin’ny perikopa izay omeny antsika, satria mampieritreritra antsika ny amin’ny fifandraisantsika amin’ny Tompo e. Mampieritreritra antsika ny amin’ny fifandraisantsika amin’ny Tompo ny perikopa androany. Ilay fanontaniana apetraky ny perikopa androany dia hoe, farak’izay tsotra : IANAO IO VE RY HAVANA RAHALAHIN’I JESOA ? IANAO IO VE ANABAVIN’I JESOA ? IANAO IO VE RENIN’I JESOA ? Izany ny fanontaniana tsotra, izany ny fanontaniana mahitsy asain’ny Tompo valian’ny tsirairay. Fa izay rahalahiny, izay anabaviny, izay reniny, izay ihany ry havana o, izay ihany no handova ny lanitra. Izay ihany, ary tian’ny Tompo isika handova ny lanitra ; izany no mbola anomezany antsika izany teny izany. Araka ilay nolazaina teo, ilay toriteny dia ho an’ny olona izay olona te handova ny lanitra e, te ho any an-danitra e, satria misy lalana tokony hizorana eo. Ary satria misy lalana tokony hizorana eo, dia misy karazana panneaux de signalisation. Raha ohatra izao isika ho any Tamatave, dia rehefa hidina an’i Mandraka iny dia hoe mila mitandrina sady sady miolakolaka ilay lalana, no midina be ilay lalana , dia mila mitandrina be, misy panneaux mampandre hoe mandritra ny firy kilometatra ohatran’izao. Tsy tadidiko intsony na aiza na aiza ilay izy fa ery an’anona ery misy tetezana anankiroa, tsy tokony ho diso tetezana ianao , misy sens interdit hoe ity tetezana ity tsy azo aleha. Ohatran’izany ny amin’ny fiainana ara-panahy. Fa rehefa mankany Tamatave isika na mankany an-kafa, ekentsika tsara ny panneux de signalisation ; fa rehefa hoe amin’ny lalana mankany an-danitra ihany isika no hoe : izay indray ilay tery saina, izay indray ilay masiaka, izay indray ilay ohatran’izao. Tian’ny Tompo ho any an-danitra ianao ry havana, tian’ny Tompo ho any an-danitra. Izany ny anton’ny teny isan’Alahady, isan’Alahady, isan’andro, isan’andro. Ary ny Fanahy Masina, amin’izao andro ivelomantsika izao, no nomeny hitari-dalana antsika. Jesoa ry havana raha niala tety an-tany, nanao veloma ny mpianatra dia niteny hoe : mahasoa anareo ny fialako, fa raha tsy hiala Aho, hoy Izy, tsy ho avy ny Mpananatra, fa rehefa tonga any an-danitra Aho, dia hirahiko ny Mpananatra hitari-dalana anareo. Porofo fa tonga any an-danitra Jesoa, dia nirahiny ny Mpananatra hitari-dalana antsika ety an-tany ry havana o, ary miandry antsika any amin’izany lanitra izany Jesoa. Tadidio izany e, izany no votoantin’ny finoantsika kristiana : lehilahy, vehivavy, rahalahy, anabavin’i Jesoa, renin’i Jesoa, izay hoe mikendry ny lanitra, ary tian’i Jesoa handova ny lanitra.
Andeha ary jerentsika ny Marka 3 :20-21 : «Ary niditra tao an-trano Izy, dia niangona indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy. Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy ». Mitsambikina eny amin’ny and.31-35 isika : « Ary avy ny reniny mbamin'ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy. Ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao. Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko? Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko!Fa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko ». Ry havana malala o, manontany anao ny Tompo amin’izao maraina izao, hoe : RAHALAHY, ANABAVY, RENIN’I JESO VE IANAO ? Fa te hanana fifandraisana akaiky, te hanana fifandraisana manokana aminao Izy, mihoatra noho izay tamin’ny lasa izay.
Andao ary jerentsika ny toetran’izany hoe rahalahy sy anabavin’i Jesoa izany. Raha jerena ny and.21, Jesoa dia nataon’ny havany hoe very saina, satria manao vy very ny ainy. Izay no toetran’ny rahalahin’i Jesoa : ataon’izao tontolo izao hoe very saina satria manao vy very ny ainy. Ahoana ny toetran’izany rahalahin’i Jesoa izany ? Ataon’izao tontolo izao hoe : very saina, satria maninona ? Manao vy very ny ainy.
Faharoa, eo amin’ny and.31 : « Ary avy ny reniny mbamin’ ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy ». Ireto havan’i Jesoa ireto izany an, nijanona tary ala-trano. Jesoa ato anatiny ohatran’io, mifandinika, mampianatra, fa ny havany nijanona any ala-trano. Ny rahalahy, ny tena rahalahin’i Jesoa ry havana, sy ny tena havany an, tsy mijanona anya la-trano. Ny rahalahiny, ny tena rahalahiny, ny tena anabaviny, dia tsy mijanona any ala-trano tahaka an’ireto reniny sy havany ara-nofo ireto.
Ary fahatelo farany, and.35 : « Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko ». Ny rahalahin’i Jesoa, ny anabavin’i Jesoa, ny renin’i Jesoa, dia izay manao ny sitrapon’Andriamanitra.
Izay izany ireo fahamarinana telo ho vohasana fohy ry havana, ho an’ny olona te ho any an-danitra : voalohany indrindra : ataon’ny olona very sain aizy satria manao vy very ny ainy ho an’i Jesoa ; tsy manao tahaka ny rahalahin’i Jesoa ara-nofo izy, mijanona any ala-trano ; ary fahatelo, hoe manao ny sitrapon’Andriamanitra.
Andeha ary jerentsika ilay fahamarinana 1 hoe fa maninona ireto havany ireto no niteny momba an’i Jesoa hoe : efa very saina ? Raha jerena ry havana io andro io, na ny alina nialoha an’ity tantara ity, dia hoe avy niari-tory tamin’ny vavaka i Jesoa. Sady niari-tory Izy an, no nifady hanina. Reraka Izy, tena reraka Izy. Dia maraina ny andro, mikenokenona Izy ny amin’ny fanokanana azy 12 lahy, asa be izany. Dia Izy avy nanokana azy 12 lahy, mitokana amin’ny trano dia narahin’ny olona be dia be, fia hoy ny and. 21 hoe nisy vahoaka niangona teo ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy. Hoy ilay and.21 hoe : « Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy ». Ohatran’ny miteny izany ilay reniny, izay angamba ilay fon-dreny, hoe tena tsy fantatr’ity Jesoa ity mihitsy izay haha-reraka Azy, na izay hahafaty Azy. Izay ilay izy, izay ilay anona eto. Ny alina manontolo efa niari-tory. Fa izao ry havana o : tsy nanaiky Jesoa fa hoe tsy maintsy nikarakara an’ireo olona nila famonjena Izy, tsy maintsy nitory ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra Izy. Ianao ve ry havana, vonona hanao vy very ny ainao koa, tahaka ny zandrikelin’i Jesoa ? Sa ianao manaraka, sa ianao mino, fa mino amin’ny fisalasalana, sa ianao manaraka, fa manaraka ohatran’i Petera, manaraka eny amin’ny lavidavitra ? Sa ianao mahafoy, fa mahafoy ambin’ambin-javatra, ambin’ambim-bola ? Izay ry havana ilay fanontaniana. Misy fomba fiteny ry havana mampieritreritra rehefa mijery ny fihetsik’isika eto amin’izao tontolo izao : rehefa mijery olona tia, tia mpanakanto na artiste, dia lazaina hoe : i anona iny tena hoe « fan » Madonna, na « fan » tsy fantatro. « Fan » : fa fantatrareo ve ny fanalavana ny « fan » ? Ny fanalavana ny « fan » dia hoe « fanatique » : tarika iray ihany ireo. Ary mahagaga, rehefa hoe fan’i Madonna, tsy lazaina mihitsy hoe fanatique ; fa rehefa tia an’i Jesoa, tahaka ny hoe manolo-tena ho an’i Jesoa, manao vy very aina, dia hoe : aza fanatique ohatran’izany pasitera an, aza fanatique ohatran’izany. Misy olona ve ato mieritreritra hoe : « fanatique ery Pasiteran’Isotry fitiavana io an ! ». Fanatique an’i Jesoa aho ry havana.
Tsy aritro ny hiteny an’ity résultat-na enquête tany Etats-Unis ity ry havana : nisy étude hono nataon-dry zareo amerikana, zareo moa tia manao an’itony enquête itony ; nanao enquête izy, ny échantillon 20.000 fans de football, 20.000isa. Nahavarianna ry havana ny vokatr’ilay enquête : 51% an’ireo fans 20.000 ireo, izany hoe any amin’ny 10.000 mahery any izany, dia hoe vonona ny hifady hanina izy mandritra ny herinandro an, raha izany no mampandresy ny ekipany amin’ny coupe du monde. Olona tsy mifady hanina mandrakizay izany hoe vonona hifady hanina ; izany ilay izy, izay ilay fan, fanatique e. Dia amin’ireo 20.000 ireo an, ny célibataire nanontaniana, 40% an’ireo célibataire niteny hoe mandritra ny herintaona aho, vonona aho ny tsy hanana sipa, na sipa lahy na sipa vavy, raha izany no hampandresy ny ekipa-na football-ny fireneny. Inona moa no idiran’ny sipa amin’izany e ? Izay ilay izy. Fa izay ilay finiavana, izay ilay fitiavana hoe hampandresy ry havana o. Dia hoe 7% an’ireo 20.000 ireo dia hoe vonona hitsahatra amin’ny asany dia hiova asa avy eo, raha hoe izay no azony anampiana ilay equipe de football-y fireneny. Ianao anie mieritreritra hoe hanajanona ny asa hanampiana an’ i Jesoa e, sao dia hoe very saina izany ; fa izany ry havana ny olona, rehefa tena tia, rehefa tena tia. Ary ny tena mampieritreritra, 4% amin’ireo 20.000 enquêté-ka ireo, hoe vonona hanome taova, hanome organe, raha izany no hoe hampandresy ny equipe de football-ny. Ry havana o, izany no olona tena very saina, izany no olona tena very saina. Fa aiza ho aiza amin’izany ny fitiavako sy ny fitiavanao an’i Jesoa e ? Ny fitiavako sy ny fitiavanao ny asan’Andriamanitra e ?
Ity eo amin’ny and.21 : « Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy » : mety mieritreritra isika hoe fitiavana an’i Jesoa izany, mba fitsimbinana Azy : tsia ry havana o. Rehefa miteny ny Soratra Masina hoe tonga nivoaka ireo havany, hihazona Azy, ny verbe grika hoe : « pour l’arrêter » : olona ho samborina, olona ho gadraina, ho entina any am-ponja. Asa na inona na inona ny antony, fa tsy fantany ny amin’i Jesoa dia hoe andao sakanana e, andao sakanana. Sao dia ianao ry havan o, sao dia ianao ilay tsy tia an’i Jesoa, tsy te hanolo tena tanteraka ho an’i Jesoa dia hoe manakana ny hafa ihany koa hanatona an’i Jesoa.
Mahavaky fo indraindray ry havana, rehefa mandinika an’ireny tanora ireny ; misy olona tonga moa mitantara ny fahoriany, Ary maninona hoy aho ianao no tsy miditra katekomena ? Dia hoy izy : ka izaho, ilay olona hiasako, mpiasa an-trano ilay izy, ilay olona hiasako, hoy izy, tsy maintsy mahavita raharaha hono aho ny Alahady maraina, izay vao mahazo manao katekomena, dia efa atoandro be ilay izy, ka na ny Fiangonana aza tsy tratrako. « Fa ry zareo manao inona ? » « An an an, ry zareo ao an-trano ao ihany, dia avy eo izy mandeha pique-nique rehefa atoandro ». Ianao no te handeha pique-nique, maninona ny olona no tsy avelanao hanao katekomena ry havana o ? Sao dia ianao no very saina, fa tsy ilay mpanampy kelinao no ataonao hoe very saina ? Izay ilay izy ry havana o. Ary manao ahoana ny fahafoizanao, ny fahafoizanao vola ? Fantatro loatra fa misy olona menatra miangona, menatra miangona, satria : « Pasitera an, sady tsy manana frais aho ; ary na manana frais aza, tsy misy vola atao rakitra akory », dia menatra. Fa tsy izany daholo ny cas antsika ry havana, tsy izany daholo ny cas antsika. Fa raha tenenin’ny Tompo ianao, hitan’ny Tompo anie io vola ataonao rakitra io e ; raha miteny aminao ve ny Tompo, miteny aminao ny Fanahy Masina hoe : doublé-o io manomboka anio ; ary ho anareo izay afaka mi-doublé, ary misy ato : hiteny ve ianao hoe : « very sain ave Pasitera ty e ka hatramin’ny poketranay dia efa arahiny, sy ny paosinay e? ». Ry havana o, mitoriteny aho amin’ny olona tian’ny Tompo handova ny lanitra e, izay ilay izy, mitoriteny aho amin’ny olona te handova ny lanitra ; ary tsy zakan’izao tontolo izao izany hoe olona manao vy very ny ainy ho an’i Jesoa, ho an’ny asan’i Jesoa.
Izay izany ny fahamarinana voalohany, hoe : ny zandry kelin’i Jesoa, ny tena rahalahiny, ny tena anabaviny, dia hoe manao vy very ny ainy ho Azy, ka rehefa mijery azy ny ankohonany, rehefa mijery azy ny fianakaviany, dia ohatrany hoe adala, very saina.
Ny fahamarinana faharoa ry havana dia izao, ery amin’ny and.31 ery : « Ary avy ny reniny mbamin’ ny rahalahiny (reniny ara-nofo io izany, Maria izany, ny rahalahiny ara-nofo io izany, satria Maria niteraka taorian’i Jesoa) ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy. Ilay rahalahin’i Jesoa ara-nofo an, nijanona tany an-trano. Ry havana o, sao dia mba ianao izany mpijanona any ala-trano izany ? Mahavariana ilay toe-tsain’i Maria sy ny rahalahin’i Jesoa eto : miantso an’i Jesoa izy, maniraka olona izy miantso an’i Jesoa ; ohatrany hoe Jesoa izany mampianatra eto, dia maniraka diakona any Izy hoe, ao ala-trano ao, ny reninao sy ny rahalahinao. Maniraka olona izy hiantso an’i Jesoa ; fa satria izy jamba ny amin’ny maha-Jesoa an’i Jesoa ry havana, dia tsy mamaly ny antson’i Jesoa : midira ianareo aty, fa Jesoa no asaina mivoaka any ala-trano. Ity Maria ity nefa, ho anareo izay manana Baiboly, jereo anie ny Lioka 1 e : olona mba nisehoan’ny anjely ihany ange ity Maria ity e, ary nanambarany momba an’i Jesoa ry havana. Andeha anie hiarahantsika mamaky ny Lioka 1 :30-32 : « Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin’ Andriamanitra hianao. Ary, indro, hitoe-jaza hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’ i Davida rainy ». Mba mahita fahagagana ohatran’izany ihany i Maria ry havana o, momba an’i Jesoa, nefa tsy mino Azy izy. Ary ireto rahalahiny ara-nofo ireto koa, tsy nino an’i Jesoa ; any amin’ny Jaona 7 :35 milaza an’izany mazava : ireo rahalahiny dia tsy nino Azy nefa mba nahare an’izany fahagagana izany ihany.
Fa misaotra an’Andriamanitra ry havana, ny amin’ny fahasoavany, fa rehefa jerena ny tantaran’i Maria, rehefa jerena ny tantaran’i Maria, dia izy ilay teo am-pototry ny hazo fijaliana, raha nohombohona teo amin’ny hazo fijaliana Jesoa ry havana ; ary taorian’izay, nony maty Jesoa, dia izy mb anaisan’ny niaraka tamin’ireo mpianatra 120 nandeha niara-nivavaka taminy tao amin’ilay efitra avo ry havana o : nivavaka tamin’i Jesoa i Maria, niova tamin’ilay tsy finoany izy ry havana o. Ary anisan’ny rahalahin’i Jesoa ry havana, anisan’ny rahalahin’i Jesoa i Jakoba, izay mba lazaina fa tsy nino Azy koa tamin’ny fahavelon’i Jesoa ; fa taty aoriana izy, lasa lohan’ny Fiangonana, mpitondra ny Fiangonana tao Jerosalema. Ary Jaboka no nanoratra an’ilay hoe Epistily ho an’i Jakoba, izay ao amin’ny Baiboly ry havana o. Ry havana o, sao dia ianao io kristiana any ala-trano io ? Ny mahavariana ahy ry havana, rehefa le mandeha mitoriteny any ivelany ireny, dia amin’ilay fotoanan’ny toriteny, ilay diakona dia ao an-tokotany ao, tena marina ara-bakiteny ilay hoe : ao ala-trano. Dia gaga ny olona rehefa mivavaka ato Isotry Fitiavana : fa maninona hoy izy ny diakona no hanokanana toerana manokana ohatran’izao ? Tsotra hoy aho ny antony tompoko : satria ilay diakona, eo izy vao mba mandre tenin’Andriamanitra, eo izy vao mba miangona, amin’ilay volana maha- service azy, dia eo izy no mba mandre tenin’Andriamanitra. Fa raha mijanona any ala-trano izy, tsisy toriteny vanona ; raha mijanona any ala-trano izy, tsisy fampieritreretana, nefa olona hiara-hitaiza ny Fiangonana amin’ny Mpitandrina. Jesoa eto mampianatra ry havana, ny havany any ala-trano : sao dia ianao ry havana no malaina amin’ireny hoe cellule de prière, étude biblique any amin’ny Fiangonana misy anao ireny ? Miresaka aminareo vahiny satria fantatro fa be vahiny. Fa rehefa vita ny toriteny, rehefa vita ny cellule de prière, rehefa vita ny EB dia miditra ianao, miditra avy any ala-trano. Mety tahaka an’i Maria ianao, mahalala zavatra mahagaga ao amin’ny Baiboly ry havana o, mety tahaka an-dry Jakoba ianao, tena akaiky an’i Jesoa ara-nofo, fa lavitra Azy ara-panahy, satria any ala-trano ianao. Tahaka ny nanovan’ny fahasoavan’Andriamanitra an’i Maria sy ireo rahalahin’i Jesoa ry havana o, izany no ahatongavanao eto amin’izao maraina izao, fa te hanova anao Jesoa, te hanova anao Izy : tsy tiany hitoetra any ala-trano intsony ianao, tsy tiany hitoetra any ala-trano intsony ianao, fa tiany ianao ho mpiditra ao am-piangonana, ho mpihaino Azy, mpipetraka eo an-tongony ry havana.
Ny fahamarinana fahatelo farany an, eo amin’ny and.34 sy 35 : « Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko! Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko ». Ny rahalahin’i Jesoa, ny anabavin’i Jesoa : mpanao ny sitrapon’Andriamanitra ry havana o. Alaivo sary ny an-tsaina ny hahatairan’ilay olona nirahin’i Jesoa : izy izany mba ohatrany hoe seriserina sy faly ery hiakatra ety amin’ny pilopitra, hiteny amin’i Jesoa : « ao ala-trano ao ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao ». Mamaly azy Jesoa, mamaly azy tampoka Jesoa : « fa iza no rahalahiko ? Iza no anabaviko ? Iza no reniko ? ». Mety ho gina ihany ilay namana teo an. En plus, hoe Jesoa jiosy ; tena hoe ho an’ny rehetra izany reny sy ankohonana izany, tena hoe sarobidy, fa ho an’ny jiosy izany reny izany tena tokony hajaina fatratra ry havana o ; an an an, reniko ara-nofo ireo, rahalahiko ara-nofo ireo, fa ny tena reniko, ny tena rahalahiko, ny tena anabaviko, dia izay manao ny sitrpon’ny Raiko any an-danitra. Ny olona tena akaiky Ahy indrindra, ny olona tena akaiky Ahy indrindra dia ny olona manao ny sitrapon’ny Raiko any an-danitra. Akaiky Ahy izy ety an-tany, akaiky Ahy izy any an-danitra, satria araka ilay teny efa haintsika tsara hoe : « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra ». Toriteny atao ho an’ny olona te handova ny lanitra izao toriteny izao ry havana o. Ary rehefa mijery Jesoa, ireo hoy Izy, ny rahalahiko sy anabaviko ary reniko : manao ny sitrapon’Andriamanitra. Ireo, ireo, satria ireo no nahafoy ny zavatra rehetra hanarahina Ahy, nahafoy ny zavatra rehetra hanarahana Ahy. Ianao ve efa mba nahatsiaro nahafoy ry havana ? Ankoatra an’ilay fanomezana rakitra mahazatra, efa nahatsiaro nahafoy, nanome fanomezana ianao ka manana endrika sacrifice ho anao iny fanomezana ho an’i Jesoa iny? Izany ny olona hiasan’ny Fanahy Masina ry havana o, izany ny zandry kelin’i Jesoa. Ary iny zavatra hikifiranao iny nefa tsy foinao satria sacrifice, tsy iny anie no hampiditra anao any an-danitra e, tsy iny anie no hampiditra anao any an-danitra e. Izay ilay izy ry havana ; fa ny olona manao ny sitrapon’Andriamanitra, ny rahalahin’i Jesoa, zandrikelin’i Jesoa : faran’izay tsotra : manokatra Baiboly izy, dia izay zavatra vakiany ao an, ka tenenin’i Jesoa, dia ataony. Manokatra Baiboly izy : izay lalana anirahan’i Jesoa azy dia hizorany. Fa tsy be fanontaniana izy hoe : « ka zao ka, ka zao ka, ka zao ka… tsy mety amiko izany ka ». Tsy fomban’ny olona te handova ny lanitra izany ry Fiangonana malala o. Mianara, mianara mamaky Baiboly ry havana, bebe kokoa noho ny tamin’izay lasa izay, hahitanao ao ny projet personnel de vie ho anao. Fa ianao ry havana tsy ahita an’izany sitrapon’Andriamanitra izany ianao raha tsy manokatra Baiboly ; tsy hanambara an’izany Izy. Fa manana programa-na fahasambarana ho anao Andriamanitra ry havana, fa izao : sokafy ny Baiboly dia ankatoavy io Baiboly io. Niresaka an’i Jakoba isika teo, ilay rahalahin’i Jesoa, ilay tsy nino Azy : jereo anie ny zavatra soratany e : Jakoba 1 :22-25 : « Fa aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ ny fitaratra izy; fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’ izay dia hadinony ny tarehiny. Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ ny fahafahana, ka maharitra amin’ izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ ny asany izany olona izany ». Tsy fahateren-tsaina anie ry havana o, tsy fanakanana anao hiaina anie izany hoe : ankatoavy ny tenin’Andriamanitra e. Izany ny laklen’ny fahasambarana hoy Jakoba rahalahin’i Jesoa rehefa nino Azy izy ka nanoratra an’ity Epistily ho an’i Jakoba ity. Sokafy ny Baiboly, diniho ny Baiboly, karohy ao ny sitrapon’Andriamanitra ho anao.
Nahafinaritra ny tenin’ilay rangahy antsoina hoe Livingston, evanjelista nalaza tamin’ny faha-19 taona, anglisy izy io, ary ny saha tena nanirahan’ny Tompo azy an, tany Afrika, any amin’ilay tena hoe faritra maizina, hanjakan’ny aizina ara-panahy indrindra. Dia hoy Livingston rehefa notenenin’ny mpiray tanindrazana taminy, anglisy hoe : fa inona no ataonao aty ? Dia hoy Livingston ry havana: azonao ve, aleoko hoy izy, aty amin’ny fin fond de l’Afrique aty satria izay no sitrapon’Andriamanitra ho ahy, toy izay hoe roi d’Angleterre, nefa tsy sitrapon’Andriamanitra ho ahy izany hoe ho roi d’Angleterre izany. Izany ny olona mitady ny programan’Andriamanitra, programa mahasambatra azy ry havana o. Dia miteny aminao ny Tompo anio : karohy, karohy ao amin’ny Baiboly manomboka izao e, ny programan’Andriamanitra ho anao, ary miomana hankato an’izany programan’Andriamanitra ho anao izany. Ary Izy koa tsy hanambara aminao ilay programa raha fantany hoe manana fo sy toe-po tsy hankatoa akory ianao ry havana o. Fa miandry anao any an-danitra ny Tompo, ary manome anao ny Fanahy Masina Izy hitarika anao amin’ny marina rehetra. Misy an’ilay mpihira izay izao, nalaza be izy izay, efa 75 taona, ilay Julio Iglesias ; nalaza be izy io, dia naditra vehivavy be izy io. Dia nisy lehilahy izy efa nitory azy am-polo taonany maro hoe izaho hoy izy zanak’i Julio Iglesias, fa hoe tsy afaka ni-prouvé izy. Dia tamin’ny farany teo izy an, niverina notsaraina, satria naninona ? Afaka ni-prouvé izy hoe ny ADN-ny, ny ADN-ilay zanaka nitory io izany, mitovy amin’ny ADN zanak’i Julio Iglesias hafa ; hoe tena zanak’i Julio Iglesias izy izany. Ry havana, io Fanahy Masina io no toy ny mametraka ato amiko ato ny ADN-Jesoa Kristy, ary avelao Izy hiasa hampitombo anao isan’andro isan’andro amin’ny fankatoavana, hampitombo anao isan’andro isan’andro amin’ny fanahafana an’i Jesoa Kristy, ho fahasambaranao ety an-tany e, ary ho fahasambaranao mandrakizay amin’ilay segondra hialanao eto amin’ity tany ity.
Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena