ALAHADY 09 FEB 2020

image_pdfPDF

« Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany izay mahay mampandroso ». Asan’ny Apostoly 20 :32a

Raha amin’ny DIEM izy, dia izao no vakiny ry havana : « Ary ankehitriny dia ankiniko amin’Andriamanitra sy amin’ny teny mirakitra fahasoavana ianareo. Andriamanitra no mampahery anareo ».

Dia izany tenin’ny Apostoly Paoly ho an’ny loholona avy amin’ny Fiangonana tany Efesosy izany koa no entintsika mifampahery ry hava-malala. Izany teny izany dia ao anatin’ny anatra, resaka nifanaovan’ny Apostoly Paoly tamin’ireo loholona avy any Efesosy rehefa nampiantsoany izy ireo. Tsy hifankahita intsony amin’ireo loholona ireo mantsy i Paoly Apostoly satria handeha ho any Jerosalema izy. Koa dia mananatra, mampahery, manoro lalana an’ireto loholona ireto izy. Raha fintinina izany anatra nataon’ny Apostoly Paoly ho an’ny loholona tao amin’ny Fiangonana tao Efesosy izany, manomboka eo amin’ny and.17-38, dia raha tsorina dia tahak’izao : mitantara ny lasany aloa ny Apostoly Paoly tamin’ny asa nataony tany Asia, izany hoe tany amin’ny misy an’i Turquie iny. Avy eo izy, dia tantarainy indray ny ankehitrininy sy ny ho aviny, izany hoe ny fitoriany ny filazantsara, ny nanenjehan’ny jiosy azy sy ny ho avy rehetra, dia mitantara izy. Dia avy eo izy, dia mananatra an’ireto loholona avy any Efesosy ireto, mampitandrina azy, miambena ianareo fa tsy maintsy ho avy ny fahavalo, ny Fiangonana avy any ivelany ho ao aminareo. Ary tsy izany ihany, fa mety hisy ihany koa avy ao anatin’ny Fiangonana hanao fampianaran-diso mety hampisaraka ny Fiangonana, koa miambena ianareo. Rehefa avy niteny an’izany izy, ho fampaherezana an’ireto loholona ireto, dia niteny an’io izy : « Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany izay mahay mampandroso ». Rehefa avy niteny an’izany moa izy dia faranany amin’ny fanomezana ohatra ny amin’ny fifankatiavana sy ny fanohanana eo anivon’ny Fiangonana izany.

« Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany izay mahay mampandroso ». Izay azontsika hananganana lohahevitra hoe : NY FANANKINANA NY FIANGONANA AMIN’NY TENIN’NY FAHASOAVANA.

Maninona no ankinin’i Paoly Apostoly ny Fiangonana ao Efesosy amin’izany hoe tenin’ny fahasoavana izany ? Satria io no mahatoky, io no azo antoka, ary raha nitory an’io Paoly dia tamin’ny ranomaso izy no nitory an’io ry hava-malala, nitalaho izy nitory an’io tamin’ny Fiangonana tany Efesosy ry havana malala. Ary rehefa nahare hoe iry, iry no misolo ahy, ny azy dia hoe : apetrako amin’Andriamanitra sy amin’ny tenin’ny fahasoavana ianareo. Fa inona izany tenin’ny fahasoavana izany ? Ny tenin’ny fahasoavana eo amin’ny and. 24 ry havana dia antsoin’i Paoly Apostoly hoe ny filazantsaran’ny fahasoavana. Ary ny fitoriana an’izany filazantsaran’ny fahasoavana izany no fanompoana ambaran’i Paoly fa fanompoana noraisina avy amin’i Jesoa Kristy. Ary rehefa mitory an’izany izy, voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 14 :3, fa rehefa mitory an’izany amin’ny finoana sy amin’ny fahatokiana izy, dia misy famantarana hampanarahin’Andriamanitra azy mandrakariva, misy zavatra mahagaga hatrany hampahafantarin’Andriamanitra azy mandrakariva ho an’ny olona. Ka rehefa mihaino an’izany ny olona dia gaga, talanjona tahaka ny voateny tao amin’ny novakiantsika tao amin’i Matio 7 teo : rehefa nihaino ny fampianaran’i Jesoa Kristy. Ka rehefa vitan’i Jesoa Kristy izany teny teny izany, dia talanjona ny mpianatra noho ny fampiarany satria manana fahefana Izy fa tsy tahaka ny mpabora-dalàna teo amin’ny jiosy izany. Ry havana malala ao amin’ny Tompo, izany no nametrahan’i Paoly Apostoly ny Fiangonana sy nananarany ny Fiangonana rehefa hifandao aminy izy, izany tenin’ny fahasoavana izay mampandroso izany. Ao amin’ny DIEM izy dia hoe tenin’ny fahasoavana izay mampahery. Izany ry hava-malala : mampandroso ry hava-malala, mampahery ny tenin’ny fahasoavana satria raha nanoloana ireo fahavaloben’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany ny jiosy, ny jiosy tsy nanaiky an’i Jesoa Kristy, tsy nanaiky an’i Jesoa ho Mesia, ary manenjika. Ary tsaroantsika fa i Paoly Apostoly koa dia mpampianatra tany amin’ny jiosy taloha, kanefa noho ny asan’Andriamanitra mahagaga, lasa izy indray no mitory ny amin’i Jesoa Kristy. Izany ilay zavatra mahagaga tsy takatry ny saina, izay ilay asan’Andriamanitra izay ampoizinao izany ry hava-malala. Dia izay zavatra izay, izay tenin’ny fahasoavana izay ry hava-malala no notenenin’i Paoly fa ho ametrahany ny Fiangonana ao Efesosy. Satria ny tenin’ny fahasoavana io ihany ry havana no ahafahany mifanatrika amin’ireo olona amin’ireo fampianaran-diso : na fampianaran-diso avy ao anatin’ny Fiangonana, na avy any ivelany ka entina ao amin’ny Fiangonana ka mampisaratsaraka ny Fiangonana, satria ny tenin’ny fahasoavana dia manome hery. Izany no mahatonga an’i Jesoa Kristy niteny tao amin’i Matio, fa raha io tenin’ny fahasoavana io no ankatoavina, ry havana malala, dia tsy hisy hahahozongozona Fiangonana izany ry havana malala. Fa mijoro izy na inona na inona rivo-doza mankeo, na inona na inona loza miseho eo, hain’Andriamanitra ny miaro ny Fiangonana, rehefa ny tenin’ny fahasoavana no ifikirana, satria ny tenin’ny fahasoavana dia vatolampy iorenan’ny Fiangonana. Tao amin’io Fiangonana io ry havana malala, na inona na inona zavatra manahirana ao, dia mampahery ny tenin’ny fahasoavana. Izany tenin’ny fahasoavana izany no handresena ireo tranga samihafa amin’ny fitoriana ny tenin’ny fahasoavana izany. Izany no mahatonga an’i Paoly hiteny hoe izaho anie tsy nitsiriritra e, ny volafotsy, ny volamena, ny akanjo ; tsy izany satria ny vola ry havana malala mampisy olana ao amin’ny Fiangonana. Mba tsy hisian’izany olana izany dia hoy Paoly : izaho miasa aloa miasa, miasa, nanana fa omezam-pahasoavana, dia niasa izy, hamelomako ny mpanara-dia ahy, izany hoe ireo mpanampy azy nitory ny filazantsara, ary nasehony, nambarany fa tahak’izany koa ianareo loholona dia tokony hiasa entina manangom-bola hanohanana ny mahantra satria ny mahantra dia ao aminareo mandrakariva hoy ny Tompo. Ny mahantra resahina izany, mety ho mahantra ara-ekônômika, satria ny fiaraha-monintsika dia fantatsika fa fiaraha-monina tena mitanila mihitsy, fa tsy voatery ho mahantra ara-ekônomika fotsiny fa mety mahantra ara-pinoana, mety olona kely finoana. Izany koa dia iasana mafy ahazoana vola entina hitoriana ny tenin’ny fahasoavana amin’ireny olona ireny. Manome ohatra hita maso mihitsy Paoly Apostoly ry havana malala.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, izany toe-javatra izany, tsy toe-javatra niseho tamin’ny andron’i Paoly Apostoly tany Efesosy, fa na teto Madagasikara ary tamin’ny taona 1832, tamin’ny andron-dranavalomanjaka izany, ny amin’i Ranavalona 1 izany, noroahin’ny mpanjaka Ranavalona 1 ny misionera. Misaotra an’Andriamanitra fa efa vita printy ny Baiboly tamin’izany, efa naparitaka tamin’izany. Nangataka, nitalaho tamin’ny mpanjaka ny misionera mba hijanona kelikely, fa nolvain’ny mpanjaka mihitsy izany, voatery tsy maintsy nandeha. Ary inoana ry havana malala fa tsy maintsy niteny an’ity teny koa ireo misionera, hoe : « Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany » satria izany no azo antoka mba hiatrehan’ireto malagasy ireto ny fanenjehana. Ary fantatsika, n’inon’inona niseho teo an, nijoro foana ny Fiangonana, n’inon’inona fampijaliana teo, nijoro foana ny Fiangonana ; ka rehefa tamin’ny 1861, rehefa niamboha ny mpanjaka, nalalaka ny fivavahana, gaga daholo ny rehetra fa betsaka ny olona mahalala Soratra Masina no sahy mitory ny filazantsara. Teo ny Fanahy Masina ry havana, nampianatra an’ireo olona ireo, teo ny Fanahy Masina nampahery an’ireo olona ireo.

Ry havana malala, ankehitriny koa isika dia mbola misy fahavalo mandondona ao amin’ny varavaran’i gasikara, avy any amin’ny firenena tandrefana any, izay voktary ny fisainana ny amin’ilay hoe fahafahana tsy misy fetra, ka te ho tonga tahaka an’Andriamanitra, ka afaka manao an’izay tiany, ka na dia hiray amin’ny lehilahy sy amin’ny vehivavy samy vehivavy sy ny tahak’izany, ekena izany, satria izay ny fahafahana tsy misy fetra. Mandondona ao amin’ny varavaran’i gasikara izany ry havana malala ary mananotanona eto izany loza izany ry hava-malala. Inona no hiatrehanao an’izany ? Tsss, hoy ny mpandinika izay : io tonia tsy azonao an’anona io fa tsy maintsy handeha io an. Fa izaho mamaly mazava ny tenin’ny Apostoly Paoly tamin’ny Fiangonana tao Efesosy ry havana : « Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany ». Ny fankatoavanao ny tein’ny fahasoavana, io tenin’i Jesoa Kristy irery io, io irery no mampatahotra an’ireo olona ireo amin’ny fampielezana an’izany. Fa raha tsy mijoro ny Fiangonana ry havana malala, raha vao tsy mijoro ny Fiangonana, mifikitra amin’izany tenin’ny Tompo izany, amin’io tenin’ny fahasoavana, ho vato fehizoro izany ry havana malala, ho ringana eto ny malagasy.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, rehefa mba mandalo eto moa amin’ny maha-tonia ny FFKM dia tsy maintsy miresaka kely FFKM. Ry havana malala, ny Fiangonana tany Efesosy anie ka tsy Fiangonana katolika e, tsy Fiangonana protestanta e, tsy Fiangonana anglikana e, fa Fiangonana mbola niray e. Fa ny filazantsara izay nentin’ny misionera taty, tokana, fa nampisaratsaraka antsika io zavatra io. Ary tonga saina ihany ny malagasy, be dia be anie ny malagasy mpitondra fivavahana e, na ny tsy mpitondra fivavahana, raha tsy hiteny isika afa-ts’i Rainisoalambo izany e. Rainisoalambo anie dia efa nampiray ny fivavahana e. Izy tsy mba nandà na katolika ianao na Lms ianao na inona e ; efa fitadiavana ho amin’ny firaisana izany. Ary ara-tantara, be dia be, raha niady ny tany amin’ny ady voalohany, tany amin’ny ady lehibe faharoa ny malagasy, dia nambara fa niara-nivavaka ny protestanta sy ny katolika, nefa namaivay tamin’izany ny fanenjehana teo amin’ny katolika sy ny protestant : mahagaga izany Andriamanitra izany ry havana malala. Fa ny FFKM ry havana malala dia taty amin’ny taona 1980 vao teraka rehefa nitsoka tsikelikely tahaka an’izany ny rivotry ny eokiminisma. Raha nisy mahatadidy, anontanio ny ray aman-dreny, fa raha nist tondra-drano teto Antananarivo dia vokatr’izany dia natsangana ny antsoina hoe sampan’asa sosialy momba ny eokiminika, ho fanampiana ny olona tamin’izany fotoana izany. Efa lalana nankany amin’ny fahaterahan’ny FFKM izany zavatra izany ry havana. Ary ankehitriny isika dia mankalaza ny faha-40 taonan’ny FFKM. Ry havana malala, hoy ny teny eo hoe : apetrako eo amin’Andriamanitra sy eo ambanin’ny tenin’ny fahasoavany ianareo. Isika, indrindra isika protestanta, io hoe tenin’ny fahasoavana io, isika tsy mba misafidy ny tenin’ny fahasoavana, tahaka ny hoe Daniela na Apokalypsy. Tsy izany ny antsika. Ny antsika ny Baiboly iray manontolo no anankinana ny finoana. Ka raha miteny Jesoa Kristy, raha nivavaka Jesoa Kristy ao amin’ny Joany 17 :21, manao hoe : mivavaka aho mb ho iray izy rehetra, mba hinoan’izao tontolo izao fa ianao no naniraka ahy, dia tenin’ny fahasoavana izany, antsoina iainantsika. Ary izany no fototra ao anatin’ny foto-dalanan’ny FFKM, izany tenin’Andriamanitra izany. Ary azavaina hoe firaisana iainana sy aseho ary irosoana. Ny firaisana ao anatin’ny FFKM ry havana dia firaisana iainana, tahaka ny niainan’i Jesoa Kristy sy ny mpianany tao anatin’ny fifankatiavana, tao anatin’ny fanajana. Ary io firaisana io dia firaisana aseho, atao hita maso, mba hahatonga an’izao tontolo izao hoe ireo Fiangonana niady fahiny ara-tantara, jereo miara-mivavaka izy izao. Sao heverinareo mandeha mora tonga ho azy izany an ! Tsia, tsy tonga ho azy izany, raha tsy eo ny asan’Andriamanitra. Firaisana iainana sy aseho ary irosoana anaovana dingana. Misy dingana irosoana amin’izany ry havana arka izay fitondran’Andriamanitra. Ary io moa ny olona manome tsiny foana hoe : ela fihetsika mihitsy ianareo FFKM. Asan’Andriamanitra anie ry havana malala ny fampiraisana ny Fiangonana e ; ary amin’izao fotoana izao rehefa nanangana an’io tamin’ny taona 1980 ireo ray aman-drenin’ny Fiangonana dia izao no noteneniny hoe : ny zavatra kendrena dia ny haha-iray ny Fiangonana hita maso ; fa isika eo an-dalana mankany amin’izany. Fiangonana 4 mahaleo tena no ao ry havana malala, mahaleo tena ara-teolojia, ara-bola, ara-drafitra, rehetra rehetra. Fa tsy Fiangonana akry mibaiko Fiangonana ny FFKM. Fa samy manaiky fa Andriamanitra Ray Zanaka ary Fanahy Masina no iarahana manompo. Noho izany, dia mba misy zavatra tsy maintsy aseho, hijoroana vavolombelona amin’izany firaisana, ary iantsoana antsika tsirairay ho amin’izany. Misaotra an’i Pasteur nilaza fa amin’ny boky miara-mizotra koa dia misy perikopa any amin’ny faran’ny fihiranan’ny FFKM miara-mizotra. Manana perikopa koa izy amin’ny herinandro fiaraha-mivavaka.

Ry havana malala hiatrika ny zavatra manahirana ve isika e ? Ao amin’ny firaisana ihany no ahazoana izany. Ary aoka isika tsy hifandondona izao vao hoe andao, an an an ; fa dieny izao isika dia efa tahaka ny nampiembenan’i Paoly Apostoly ny Fiangonana tany Efesosy, tokony efa hiambina isika fa efa mandondona eo ireo fahavalo izay tsy mankasitraka io tenin’ny fahasoavana io, izay manenjika an’io tenin’ny fahasoavana io. Ka tsy misy afa-tsy ny fiainanao ny tenin’ny fahasoavana ankehitriny no iarovanao ny taranakao fara aman-dimby ; fa raha tsy dieny izao ianao dia miaina an’io, ary mba ho hitan’izao tontolo izao, hitany maso fa miaina an’izany ny kristiana malagasy eto Isotry Fitiavana.

Eto am-pamaranana ary ry havana, dia izao no hafatra ho an’ny diakona sy ny loholona sy ny kristiana eto Isotry Fitiavana. Hoy Paoly Apostoly : « Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany izay mahay mampandroso ». Mamelona, mampandroso, misy hery io tenin’Andriamanitra io rehefa iainana. Ka iaino koa ny tenin’i Jesoa Kristy hoe : mba ho iray anie izy rehetra. Dia ho hitanareo fa hahita zavatra mahagaga vokatry ny fifikirana amin’Andriamanitra ianareo.

Dia ho an’izany Andriamanitra irery izany anie ny dera, ny laza ary ny voninahitra, izay Azy hatramin’ny ela, hatramin’izay sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena

 

image_pdfPDF