ALAHADY 08 NOV 2020

Titosy 2 ry havana, Titosy 2, ilay and.11 no iaingantsika : « Fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra ».
Ny hafatra ho antsika androany dia faran’izay tsotra, dia ny hoe : ANDRANDRAO NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA
Averiko indray : ilay « Miandrandra » : « Manantena » ; ANTENAO, ANDRANDRAO NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA. Izay ilay hafatra ry havana.
Raha misy voambolana ao amin’ny Baiboly tena hoe sarotra, sarotra, sarotra azavaina ry havana, dia ity voambolana hoe « Fahasoavana » na « Grâce » -n’Andriamanitra ity. Nefa moa tsy maintsy azavaina ilay izy an, dia tahaka izao ry havana no mety ahazoana manazava azy amin’ny fomba tsotra sy fohy : ny atao hoe « fahasoavan’Andriamanitra » dia ny « fitiavan’Andriamanitra ». Ka fitiavany mahatonga Azy hiasa, hiasa hamonjy antsika mpanota. Izay no atao hoe fahasoavan’Andriamanitra : ny fitiavan’Andriamanitra mahatonga Azy hiasa hamonjy antsika ry havana ô. Ary dia izay ilay hafatra androany hoe : ANDRANDRAO IZANY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA IZANY. Raha tohizana dia hoe : n’inon’inona situation, n’inon’inona problema, na problema ara-panahy izany, na problema ao amin’ny fiainana andavan’andro izany ; n’inon’inona lafim-piainanao ry havana, io problema io dia antso ho anao hiandrandra ny fahasoavan’Andriamanitra e. ANDRANDRAO, ANTENAO NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA.
Rehefa jerena ny and.11, ny asa voalohany ataon’ny fahasoavan’Andriamanitra dia ny hoe : « Fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra ». NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA MAMONJY NY OLONA REHETRA. Mamonjy amin’inona ny fahasoavan’Andriamanitra ? Mamonjy amin’ny fahotana rehetra amin’ny olona rehetra. Ny olona rehetra dia manana fahotana izay manandevo azy daholo ; ary ny fahasoavan’Andriamanitra no mamonjy azy amin’izany. Izaho ry havana, ianareo mianakavy ireo koa, isika rehetra dia samy manana izay hoe fahazaran-dratsy mamatotra antsika, ary fantatsika tsara fa tiantsika ialana, fa tsy afaka e, tsy afaka e. Ary izany ilay fitiavan’Andriamanitra tia olona hoe mpanota, tia olona ratsy toetra, tia olona tsy mendrika ho tiavina ; izany io fitiavany io. Fa noho ilay fitiavana, dia hoe : miasa Izy hamonjy an’io olona io. Ary ny tena mampieritreritra ange e : ilay olona hoe andevon’ny fahotana io, matetika izy tsy mieritreritra akory hoe « izaho, izaho ange ka mila famonjena e », fa mianina amin’ilay situation spirituelle-ny izy. Fa izay ilay hoe fahasoavan’Andriamanitra miasa : fitiavan’Andriamanitra miasa hamonjy antsika amin’ny fahotantsika rehetra. Tonony ry havana ary, tonony ao am-ponao ao, farito ao an-tsainao hoe « tena ho ahy izany teny izany Tompo ; io ary : izaho mbola ohatran’izao, izaho mbola ohatran’izao, tsy misy mahafantatra hoe izaho mbola ohatran’izao, fa andrandraiko ny fahasoavanao hamonjy ahy amin’izany fahotako izany.
Izay aloa no ataon’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Fa ilay ery amin’ny and.14 ry havana mameno an’izay fanazavana izay. Ilay and.14 dia manao hoe : « Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ ny asa tsara izany ».
Ilay olona vonjen’Andriamanitra amin’ny fahotana ohatran’izany, dioviny amin’ny fahalotoany, dia hoe antsoiny, tendreny ho amin’ny asa tsara. Fa jereo tsara ilay ordre ry havana : avotany dia dioviny dia miasa tsara. Mety matetika ny olona mihazakazaka hoe « izaho hanao diakona, izaho hanao mpiandry, izaho hanao Pasitera mihitsy aza » ; asa tsara izany. « Hiditra sampana amin’izay aho fa efa ohatran’izao sy ohatran’izao » ; dia hitanao ilay olona avy eo tsy mahatojo hatramin’ny farany, na mahatojo hatramin’ny farany izy, fa hoe malaindaina, kamo, tsy assidu amin’ilay fanompoana. Satria maninona ry havana ? Satria mbola misy ota mitambesatra eo, mbola misy fahotana mamatotra eo, dia hoe ohatrany hoe manelingelina an’ilay hazakazaka, dia tsy eo aminy ilay tenin’i Paoly hoe : « mazoto indrindra ». Sady tsy mazoto indrindra izy no tsy mazoto akory. Eo isika, asain’ny Tompo mandinin-tena ry havana ô, asain’ny Tompo mandinin-tena isika ; sao dia isika izany mbola hoe, tenin’ny Hebreo hoe : itambesaran’ny zavatra maro mbamin’ny fahotana izay malaky mahazo antsika, ka tsy mazoto isika, tsy mazoto indrindra isika amin’ny asa tsara. Tsy maintsy avotana isika, tsy maintsy diovina isika.
Isika manana an’ilay Tetik’asa Ankizy Krismasy, ilay hoe les enfants des rues alaina dia taomina ho ao amin’i Jesoa. Dia jereo tsara fa izay mihitsy ilay atao an : alaina izy an, dia hoe afahana amin’ny fahotana izy ; fa en même temps an, tany anaty loto izy, dia diovina izy, izay vao scolarisé-na izy. Fa ohatran’izay tssiy hafa ny antsika : afahana amin’ilay fahotana, ilay fahazaran-dratsy ohatran’izao, diovina satria tao anaty fahalotoana isika, izay vao ampiasaina amin’ny asa tsara. Andrandrao e, ny fahasoavan’Andriamanitra ry havana ; n’inon’inona tsy fahamendrehanao, n’inon’inona faharatsianao : hainy ny manafaka anao amin’izany ary hainy ny manadio anao amin’izany.
Izay ilay fahasoavan’Andriamanitra mamonjy ny olona rehetra, mamonjy amin’ny fahotany rehetra.
Fa ny amin’ity hoe mamonjy ity, farany ry havana : mamonjy Izy amin’ny fahorianao rehetra. Teo manko ilay hoe mamonjy amin’ny fahotana ; ity mamonjy amin’ny fahoriana, amin’ny fahoriam-piainana. Izay ilay izy ry havana. N’inon’inona problema-piainanao ; averina indray : n’inon’inona problema-piainanao ka miteraka fahoriana, na fahoriana kely, na fahoriana be : antso ho anao izany e hiandrandra ny fahasoavan’Andriamanitra.
Izay izany ny Fahamarinana 1 hoe ANDRANDRAO NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA HAMONJY ANAO AMIN’NY FAHOTANAO, HANADIO ANAO DIA HANIRAKA ANAO HO AMIN’NY ASA TSARA, ARY HAZOTO INDRINDRA IANAO AMIN’IZANY. ARY FAHATELO : HAMONJY ANAO AMIN’NY FAHORIANAO REHETRA : ZANAKA MALALA IANAO

Faharoa ry havana dia izao, eo amin’ny and.12 : MAMPIANATRA ANTSIKA. Izay ny asan’ny Fahasoavan’Andriamanitra faharoa : mampianatra antsika. Izany zanak’Andriamanitra izany, ny ahafantarana azy : tia mianatra, ary manaiky ampianarina. Izay ilay izy. Fa tsy hoe Pasitera aho izao, dia tsy mila mianatra intsony. Rehefa mamaky ny biographie an’ireny ngezalahin’ny finoana ireny ianareo, rehefa anontaniana izy, sans exception hoe : « inona no tianao ho tadidiana anao ? na inona no zava-dehibe tao amin’ny fiainanao ? na inona no heverinao tena toetranao ? ». Dia hoe : « Tia mianatra, tia ampianarina ». Jereo ange ny biographie rehetra ry havana e. ANDRANDRAO NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA HAMPIANATRA ANAO ARY METEZA AMPIANARINA E.
Mampianatra inona ? Hoy ilay and.12 hoe : « mampianatra antsika handà ». Handà inona ? handà izay toe-panahy tsy araka an’ Andriamanitra sy ny filan’ izao tontolo izao, iray izay ; ary mampianatra antsika ho velona amin’ ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ izao fiainana ankehitriny izao. Betsaka amintsika no mahay tsianjery an’izany e : fantatsika ny zavatra tokony ho lavina e, ary fantatsika ny zavatra tokony tratrarina satria hoe onony, mendrika eo anatrehan’Andriamanitra. Haintsika tsianjery izany, fa na izaho ny ianareo samy tsy manatanteraka an’izany. Ary izay ilay hafatra, hoe : ANDRANDRAO NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA HAMPIANATRA ANAO. Andrandrao Izy hampianatra anao handà.
Ny tombon’ny testamenta vaovao par rapport amin’ny testamenta taloha ry havana dia izao : fantatsika tsara ny hoe « aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra, aza mijangajanga, aza manana andriamani-kafa ». Haintsika tsianjery izany fa tsy tanteraka. Ary raha tenenina hoe mety tsy manan-tsiny ihany ry zareo tao amin’ny testamenta taloha ; fa isika tsy manana excuse satria ny fahasoavan’Andriamanitra izay manome an’iny teny iny, ny fahasoavan’Andriamanitra no manome ny hery hanatanterahako an’izany teny izany. Tsy ny heriko ry havana ô, no hanatanterahako an’izany didy izany, fa ny fahasoavan’Andriamanitra. Ary izay no maha sarobidy an’ilay fanekena ataontsika, indraindray moa atao plivava ilay izy : « Izaho ra-anona dia manaiky… manaiky… manaiky. Ny herin’ny fahasoavan’Andriamanitra ho iankinako hahatanterahako izany ». Tsy izaho, fa ny herin’ny fahasoavan’Andriamanitra no iankinako.
Andrandrao e, ny fahasoavan’Andriamanitra, dia ho gaga amin’ny tenanao ianao hoe izaho tamin’ny début-ny confinement ireny : ohatran’izao ; izaho taloha ohatran’izao, tsy nampoiziko ho afaka nefa afaka. Ny fahasoavan’Andriamanitra niasa nahazoako nandà. Ary tsy vitan’izany hoe afaka aho, tena efaka aho, fa hoe : hay, mandeha mendrika ny fiantsoana hoe zanak’Andriamanitra aho amin’ny lafiny ara-panahy.
Ary ihazakazao ry havana ny fahasoavan’Andriamanitra. Fa izao manko : rehefa jerenao indray ny and.15, ny hafatr’i Paoly amin’i Titosy izany mikarakara Fiangonana : « Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin’ ny fahefana rehetra ». Titosy an, teneno an’izany ny Fiangonana : anaro ny Fiangonana, rarao ny Fiangonana ary aza avela hisy hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao. Rehefa tsy avelanao hiasa ny fahasoavan’Andriamanitra ry havana, ho avy ny mpitondra fivavahana hananatra anao, ary hananatra amin’ny fahefana rehetra hoy ny Apostoly Paoly, dia eo ianao, tsy iasan’ny fahasoavan’Andriamanitra. Dia eo ianao hiteny indray hoe : « io indray ary ny jadona, io indray ary fa miainga ny dictateur ». Izay ilay izy ry havana ô. Andrandrao ny fahasoavan’Andriamanitra handavanao amin’izay izay fantatrao fa tokony ho lavina. Ary andrandrao ny fahasoavan’Andriamanitra hampandeha anao amin’ny toe-panahy mahafaly ny Rainao any an-danitra.

Ny Fahamarinana 3 farany, eo amin’ny and.13 : « miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ ny voninahitr’ Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy ». NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA DIA MAHATONGA ANTSIKA HIANDRY.
Tsy dia mazava ilay dikan-teny protestanta, fa rehefa jerena ny dikan-teny DIEM, dikan-teny iombonana ; io and.13 io dia hoe : « Toy izany no tokony hiandrasantsika ny hasambarana antenaintsika sy ny andro hisehoan’ny voninahitr’i Jesoa Kristy ». Ilay fahasoavan’Andriamanitra izany mahatonga ny saintsika hibanjina ny fahasambarana ho avy, fahasambarana feno, fahasambarana maharitra. Izay ny asan’ny fahasoavan’Andriamanitra : mahatonga ny saiko hibanjina ny fahasambarana antenaina.
Izao manko ry havana : milaza ny hiaraha-mahita, rehefa mijery vaovao ianao amin’izao fotoana izao, tena hoe isan’andro vaky izao, mahare olona mitaraina ianao hoe « ny anay indray izay hohanina anio dia tadiavina anio. Ary ny hohanina rahampitso, tadiavina rahampitso ». Ary na dia tsy miteny an’izany ary ny sasany, inoana fa maro ny olona sahirana amin’ny fiainana, mitady izay hohanina rahampitso. Inona no dikan’izany ? Tsy misy olona izany ry havana ô, andeha hoe hibanjina an’izany fahasambarana antenaina tsy hita maso izany. Izay ilay problema. Nefa misy fahasambarana nomanin’Andriamanitra ho lovantsika. Tsy misy olona sahirana amin’ny fiainana ka ieritreritra hoe ho avy Jesoa amin’ny voninahiny : an an an. Eny e, efa henoko izany, fa ny ahy aloa ny hameno ny viliako anio atoandro no problemako. Andrandrao, andrandrao ny fahasoavan’Andriamanitra dia hanova ny fiainanao izany. Ka na anaty fahoriana aza ianao, na tsy miova asa ianao, tsy miova trano ianao : ny fahasoavan’Andriamanitra hisarika anao ; satria izay ilay dikan-teny hoe : toy izany no tokony iandrasantsika. Tena hoe miandry ianao, miandrandra an’izany fahasambarana ho avy izany.
Andrandrao ry havana ny fahasoavan’Andriamanitra :
- Voalohany hoe hamonjy anao
- Faharoa hoe hampianatra anao
- Fahatelo hoe hampibanjina anao ilay fahasambarana antenaina
Fitenin’ny mpitoriteny ry havana dia hoe : rehefa mijery antsika avy any an-danitra ny anjely, dia tena hoe gaga, gaga amin’ny zavatra aankiroa : ny zavatra voalohany mahagaga ny anjely dia ny fitiavan’Andriamanitra Raintsika antsika. Araka ilay fitenintsika : tena kirana izy, tena kirana ny anjely mahita ny fitiavan’Andriamanitra Raintsika antsika. Izay ny voalohany. Fa ny zavatra faharoa tena mahatsikaiky azy dia izao : fantany ilay fahasoavana omanin’Andriamanitra ho antsika ry havana ô, fa dia tsy raharahantsika zanaka ilay fahasoavana ; ary tena mahatsikaiky ny anjely hoe : « ils ne comprennent pas ». Enga anie, ka rehefa mijery ahy sy mijery antsika ny anjely avy any an-danitra dia hiova hevitra izy hoe « an an an, ao Isotry Fitiavana ao dia fantatro fa Fiangonana miandrandra ny fahasoavan’Andriamanitra ny ao »
Ho aminareo ny fahasoavan’Andriamanitra e ! Amena