ALAHADY 08 DES 2019

image_pdfPDF

« Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany ». Lioka 11 :28

Ity teny hitantsika ity dia valin-teny nataon’i Jesoa Kristy tamin’ilay vehivavy, vehivavy nahita ny asany, ka nilaza sy nanambara fa sambatra ny renin’i Jesoa manana zanaka miavaka ao anatin’ny fiaraha-monina toy izao. Hita taratra tamin’ny valin-tenin’i Jesoa teto, fa raha niteny ity vehivavy ity hoe « sambatra ny nono izay ninonoanao », dia iny Jesoa milaza fa misy endri-pahasambarana 2 izay mifanena na hita taratra ao anatin’ny tontolon’ny fiaraha-monina. Misy ny endri-pahasambarana izay heverin’ny olona, misy ny fahasambarana izay heverin’ny olona fa mora azo, mora raisina. Fa etsy an-danin’izany, Jesoa kosa dia te haneho fa misy fahasambarana miavaka tian’i Jesoa, tokony ho raisin’izay rehetra mihaino, tokony ho rasin’izay rehetra manara-dia Azy.

Amin’ity volana Desambra ity moa, ny lohahevitra izay banjinin’ny FJKM dia hoe : Iaino ny fiadanan’ny Tompo. Izany lohahevitra izany dia mitaona sy mitarika antsika tokoa, hoe misy fiadanana avy amin’ny Tompo tokony raisina, tokony iainana. Iza tokoa moa, amintsika, no tsy maniry hanana izany fiainam-piadanana izany ? Mitaona ny teny eto hoe : Iaino ny fiadanan’ny Tompo. Fa io fiadanana io, dia mifamatotra amin’izay heverina ihany koa hoe fahasambarana. Ary raha namaky ny Soratra Masina teo isika, iza amintsika moa no tsy te mba ho sambatra ? Iza amintsika no tsy te hitana izany fiainam-pahasambarana izany ? Ankehitriny ary, ny tenin’Andriamanitra manoloana antsika eto, dia miresaka, mampahafantatra ny amin’izay lalam-pahasambarana.

Araka ny nambara teo dia misy fahasambarana 2 mifanindran-dalana na mifanena eto.

  1. NY FAHASAMBARANA ARAKA NY FOMBA FIJERIN’NY OLOMBELONA

Hoy ny and. 28 eto hoe : « Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa ». Eny tokoa. Izay tenin’i Jesoa izay an dia mifamatotra amin’ilay teny hoe : « Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao », and.27. Tenin’ilay vehivavy izany, ilay vehivavy izany eto dia izao : nanome anjara toerana manokana an’i  Maria renin’i Jesoa, ity vehivavy ity. I Maria, izay reny nitondra vohoka , i Maria izay reny nampinono, nitaiza, nanabe. Dia rehefa hitan’ilay vehivavy fa tena miavaka i Jesoa, dia hoy ilay vehivavy hoe : « Sambatra ny reninao ». I Maria, amin’ny maha-olona, dia olona manana fifandraisana akaiky tamin’i Jesoa, manana fifamantorana tamin’i Jesoa. Dia tsy mahagaga tokoa eto, fa rehefa mijery ny fiainan’i Jesoa ilay vehivavy, rehefa nahita ny asa nataon’i Jesoa ilay vehivavy, dia hoy izy hoe : tena sambatra ny reny, ny ray aman-dreny manana zanaka tahaka anao. Ilay fahasambarana lazain’ilay vehivavy, dia fahasambarana araka ny fijery ao anatin’ny tontolon’ny fiaraha-monina. Sambatra satria miavaka ny zanany ; sambatra satria nahavita zavatra mampitolagaga ny fiaraha-monina ilay Jesoa zanany ; sambatra satria manana zanaka hendry, izay mitondra fampianarana mahagaga ny olona ilay Jesoa zanany. Izany hoe azo ambara izany fa ny fahasambarana resahina eto dia araka ny teny teo, hoe : fahasambarana noho ny fahitana ny zava-misy. Fahasambarana, izay heverina hoe rehefa miavaka ny zanaka izay nateraka, dia manam-pifaliana ilay reny ; rehefa ao anatin’ny fahendrena ny zanaka izay nateraka, dia toa hita ho milamin-tsaina, miadana, sambatra ny reny. Fahasambarana hita maso izany fahasambarana izany. Araka ny teny teo, dia hoe : te hilaza ny anjara toerana misy an’i Maria ity vehivavy it, sambatra noho ny amin’i Jesoa, sambatra satria manana an’i Jesoa.

Ry havako malala, manana ny fijeriny, manana ny fiheverany ny amin’izay fomba andraisana sy iainana ny fahasambarana ny zanak’olombelona. Matetika tokoa, rehefa manana fifandraisana akaiky amina sokajin’olona miavaka ao anatin’ny fiaraha-monina ny olona anankiray, hoe misy olona manana ny maha-izy azy, havany, na zanany, na mifanerasera aminy, dia misy fifaliana ao anaty. Ary izay mitazana dia hoe : sambatra ireny satria manana olona tahak’izao sy tahak’izao. Dia izany no fomba fijery ijeren’ny mpiara-monina. Nefa koa dia izao : matetika dia ambara fa sambatra ihany koa ny olona, rehefa manana zavatra tsara anankiray, manam-bola, manan-karena, manana ny maha-izy azy. Dia hoy ny mpitazana hoe : sambatra ireny fa hafa, tena hafa ny tenany. Vokany : mihazakazaka avokoa ny olona mikatsaka izany endri-pahasambarana izany. Hoy ny Tompo eto hoe : « Eny tokoa ». Eny. Tsy mandà ny Tompo fa misy fahasambarana tokoa izany. Fahasambarana araka ny fiainan’ny olombelona ety an-tany. Ary izany no ambaran’ny Ohabolana 10 :1 : « Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy ». Rehefa hendry ny zanaka, rehefa mandeha araka ny lalana tokony hizorana ny nitaizany, ny nanabeazany ny zanany, faly ny reny, manana fahasambarana satria manana zanaka voataiza tsara. Izany no antony ampianaran’ny Sampana Sekoly Alahady ny tenin’Andriamanitra, mba hahatonga ny zanaka, mba hahatonga ny fiangonana hanovo ilay fahendrena, ilay fahalalana avy amin’Andriamanitra, mba hahatonga ny zanaka sy ny fiangonana hanana toe-panahy, fiainana miavaka, ka rehefa mijery ny mpiara-belona, mijery ny manodidina, dia hoe : sambatra ny ray aman-dreny manana zanaka tahak’izany.

Tsarovy ary, Alahadin’ny Sampana Sekoly Alahady ity andro ity, tsarovy ry Sampana Sekoly Alahady, tsarovy ry fiangonana fa tena mahafaly ny ray aman-dreny ny manana zanaka hendry, miavaka eo amin’ny fiaraha-monina. Ary izany no ambaran’i Jaona any amin’ny epistily nosoratany : « Tsy manana fifaliana lehibe noho izao Aho, diia ny ahafantarako fa mandeha amin’ny fahamarinana ny zanako ». Rehefa miaina amin’ny tenin’Andriamanitra, miaina amin’ny fahamarinana, misy fifaliana ao anatin’ireo ray aman-dreny nitaiza sy nanabe. Zava-dehibe izany. Tadidio anie, fa Jesoa tokoa anie ka voataizan’ny ray aman-dreniny tamin’ny Soratra Masina e, araka ny fomba fanao teo amin’ny fiaraha-monina jiosy. Dia izany no nampiavaka Azy. Taomina sy tarihina ary isika Sampana Sekoly Alahady sy isika rehetra, isika zanaka, mba hahatonga ireo ray aman-dreny mpitaiza, mpanabe, hanana ny fahasambarana : meteza hanana toe-panahy, toe-tsaina, tena miavaka ; maneho ny maha-tena kristiana antsika koa isika, ka hoteny ny olona hoe : sambatra ny ray aman-dreny satria miavaka isika. Sambatra ny ankohonana sy ny fianakaviana satria miavaka isika.

Izay ny fahasambarana araka ny fijjerin’ny olombelona. Mila katsahina ihany koa izany, mila tadiavina ihany koa izany. Ry havako malala, izany ny fahasambarana ilaina. Fa raha jerentsika ny tenin’Andriamanitra mitohy eto dia izao : Jesoa mampahafantatra koa anefa ny amin’ny fahasambarana tian’i Jesoa iainantsika.

  1. NY FAHASAMBARANA ARAKA AN’I JESOA KRISTY

« Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany ». Nambara teo fa hoe tsy nandà Jesoa fa misy fahasambarana izay heverin’ny olona, mahamaika ny olona. Nefa i Jesoa eto dia mampitodika ihany koa fa misy ny tena fahasambarana tokony katsahina, misy ny fahasambarana marina tokony ho tadiavina, misy ny fahasambarana marina tokony iainana. Mazava tsara eto ary ny tenin’i Jesoa tamin’ilay vehivavy : « kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany ». Loharanon’ny tena fahasambarana ny mihaino ny tenin’Andriamanitra. Tsaroana fa anisan’ny mampiavaka ny fiangonana, anisan’ny nampiavaka ny zanak’Isiraely tamin’ny fotoan’androny, raha vakiantsika ny bokin’ny Deoteronomia, ny mihaino, ny anjara toeran’ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra ; miverimberina ao amin’ny Deoteronomia ny hoe « mihainoa ry Isiraely ». Ny maha-izy azy ny fiangonana, ny maha-izy azy ny vahoakan’Andriamanitra dia izao : ny fanekena hihaino an’Andriamanitra, ary indrindra, mifamatotra amin’ny fihainoana ny fitandremana, ny fankatoavana, ny fampiarana ny tenin’Andriamanitra izay nohenoina, hitondrana ny fiainana. Mazava tsara : « kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany ».

Ny tena fahasambarana izany dia izao : ny mihaino ny tenin’Andriamanitra. Ahoana tokoa moa ? Rehefa mihaino ny tenin’Andriamanitra ny olona dia izao : tafahoana amin’Andriamanitra ka mihaona amin’ilay Andrian’ny fiadanana ; dia izay fihaonana amin’Andriamanitra izay dia ahafahana mandray ilay fiainam-piadanana. Ary tsy izany ihany, fa rehefa mihaino ny tenin’Andriamanitra ny olona, dia ao amin’izany tenin’Andriamanitra izany no ahalalana ny maha-Izy azy an’Andriamanitra, sy ny fiainana atolony ho an’ny olona. Tsy ho fantatry ny olona mihitsy hoe misy fiainana manokana omen’Andriamanitra, raha tsy mihaino ny tenin’Andriamanitra ny olona. Ka rehefa mihaino, dia tonga ao anatiny, fa Andriamanitra miteny, Andriamanitra manatanteraka, dia tonga ilay fahasambarana, ilay fiadanana. Ary izany no hitantsika ao amin’ny Joba izay novakiana tamintsika teo, Joba 36 : 11-12 : « Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin'ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin'ny fahafinaretana ; Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan'ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana ». Mampieritreritra izany teny izany. Fa tena amafisin’ny tenin’Andriamanitra, amafisin’Andriamanitra amintsika eto ny hoe : ny fanekena hihaino no hanovozana, no handraisana ny tena fahasambarana, ny tena fiadanana. Ary mifamatotra amin’izay ilay lazain’i Jesoa Kristu ao amin’ny Jaona 20 :31 manao hoe : « fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesoa no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo ». Ny tenin’Andriamanitra dia nosoratana, eny, napetraka mba hahatonga antsika hanam-pahalalana ny amin’i Jesoa, ka handraisantsika fiainana Aminy, raha mino izay voasoratra ; kanefa mba hahafahantsika mino, dia tsy maintsy isika mihaino izay ambaran’izany teny izany. Ny fihainoana no lalan’ny fahasambarana.

Ny tena fiadanana dia ny fananana sy mandray ny fiainana ao amin’i Jesoa Kristy. Ny tena fahasambarana dia ilay fananana fiadanam-po rehefa mandre sy mandray ilay tenin’i Jesoa milaza fa misy ny fiainana omeny ho an’ny mino Azy. Eny, ny tena fahasambarana dia ny fampiarana, ny fivelomana ny tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainana andavan’andro.

Ry havako malala, Eny tokoa, hoy ny Tompo, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany. Ry havako malala, ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany no tena fahasambarana itarihan’i Jesoa antsika. Tsara iiay manana zanaka miavaka, ary amporisihina antsika zanaka izany, fa andraisan’ny ray aman-dreny fahasambarana. Fa miaraka amin’izany koa ilay fahendrentsika hihaino ny tenin’Andriamanitra ka hankatoa sy hivelona amin’ny tenin’Andriamanitra mandrakariva. Izao mantsy : rehefa mihaino sy mampiatra ny tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainana andavan’androntsika isika, miavaka ny fiainantsika. Nambara teo hoe mihaona, mifanerasera amin’Andriamanitra, tsara fihavanana amin’Andriamanitra, tsara fifandraisana amin’Andriamanitra. Ary mazava tsara ny voalazan’i Joba : « Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao, dia hiadana ». Izay ilay mandray, mihaino ny tenin’Andriamanitra. Fa izao : rehefa ampiarina ny tenin’Andriamanitra dia miova koa ny fifandraisanao amin’ny mpiara-belona aminao. Ny olona miaina ny tenin’Andriamanitra dia lasa manana fihavanana, mahay mifankatia, mahay mifanerasera amin’ny mpiara-belona aminy. Vokany : milamina sy mirindra ny fiainan’ny fiaraha-monina. Vokany : misy fiainam-pilaminana, misy fiainam-piadanana. Izany no vokatry ny fihainoana, fankatoavana ny tenin’Andriamanitra : milamina, misy fahasambarana.

Fa izany indrindra no maha-zava-dehibe ny asan’ny Sampana Sekoly Alahady : mampianatra ny tenin’Andriamanitra, ary manao izay hahatonga ny tenin’Andriamanitra ho fiainan’ny fiangonana. Tenin’Andriamanitra tsy ho fahalalana fotsiny, hoe mihaino, dia mahalala, fa tenin’Andriamanitra ampiarina, itondrana ny fiainana. Fa izany ihany no tena fahasambarana.

Ry havana malala, taomina sy tarihina isika ankehitriny hiaina ny fiadanan’ny Tompo. Te hiaina marina ny fiadanan’ny Tompo ve ianao ? Te hikatsaka marina ilay fiainam-pahasambarana  avy amin’ny Tompo va ianao ? Tarihin’i Jesoa indray isika ankehitriny : mahaiza manokana fotoana ihainoana ny tenin’Andriamanitra. Mahaiza manokana fotoana ifandraisana amin’Andriamanitra andraisana ny teniny. Mahaiza manokana fotoana ianarana ny tenin’Andriamanitra, ary indrindra, ampiarana izany tenin’Andriamanitra izany ho fitondrana ny fiainantsika. Fa raha izany no tanterahintsika, iaina ny fiainam-piadanana , ny fiainam-pahasambarana isika.

Ry havako malala, mazava ny hafatry ny Tompo ho antsika amin’izao Alahadin’ny Sampana Sekoly Alahady manerana ny sahan’ny FJKM izao : iaino ny fiadanan’ny Tompo Mila antsika iaina ilay fiainam-pahasambarana ambaran’ny Tompo. Misy ny fahasambarana araka ny fijerin’ny olombelona : zava-dehibe izany satria rehefa hendry ny zanaka, rehefa miavaka ny toetrany, mahavita zavatra miavaka, faly, manam-piadanana ny ray aman-dreny satria nitaiza sy nanabe zanaka miavaka. Ary mifameno amin’izany, raiso ny fiadanan’ny Tompo amin’ny fanekentsika hihaino, hianatra, hampiatra ny tenin’Andriamanitra.

Ho amintsika ny Tompo. Amena

 

image_pdfPDF