Genesisy 22 ry havana, Genesisy 22 :12 : « Dia hoy Izy : Aza maninjitra ny tananao amin’ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao ; fa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao ».
« Fa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao ». « Fa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao ». Raha fintinina ry havana ny hafatry ny Tompo ho antsika amin’izao maraina izao, dia hoe : mitodika aminao mpino Izy, dia miteny aminao hoe : AOKA HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA IANAO. Tsy hoe : Aoka hatahotra an’Andriamanitra ianao ; mety anio aho no matahotra, fa rahampitso tsy matahotra. AOKA HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA IANAO.
Ary ny olona mpatahotra an’Andriamanitra ; izay no voalohany manko an, dia olona mpandeha an-jambany. AOKA IANAO HO MPANDEHA AN-JAMBANY. Andao atambatsika izy roa, hoe : AOKA HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA IANAO – AOKA HO MPANDEHA AN-JAMBANY IANAO. Izay ilay hafatra ry havana. Ary misaotra ny Tompo ny amin’ny tantara volamena izay omen’ny Tompo antsika amin’izao maraina izao : AOKA HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA IANAO – AOKA HO MPANDEHA AN-JAMBANY IANAO.
100 taona i Abrahama tamin’ny niteraka an’i Isaka. 25 taona niandrasana ny fanatanterahana ny teny fikasana. Mora am-pitenenana anie izany 25 taona izany e. Raha ny vanim-potoana iainantsika : culture-ny instantanéité. Raha vao misy zavatra : tsy maintsy ohatran’izay dia efa tanteraka ; raha tsy izany an : impatient isika ; raha tsy izany an, tsy mino isika. I Abrahama naharitra 25 taona ry havana ho fanatanterahana ny teny fikasana nomen’Andriamanitra azy. Tanteraka soa aman-tsara ilay teny fikasana ; dia teo amin’ny faha-15 taonan’i Isaka teo na 17 taona, dia hoy Jehovah : Ento ny lahitokanao, ilay tianao, dia atolory Ahy, ho fanatitra ho dorana. Tsisy tsy mahalala an’izany isika ry havana. Ary mitodika manokana aho amintsika izay manan-janaka, tsy hoe manan-janaka tokana, fa manan-janaka vitsivitsy : raha miteny amintsika Jehovah hoe : « io zanakao io, omeo anankiray amin’ireo zanakao ireo Aho ; atolory Ahy ho fanatitra ho dorana ». Ny olona mpatahotra an’Andriamanitra no manatanteraka an’izany. Ny olona mandeha an-jambany, mpandeha an-jambany no manao an’izany. Ny hafa : tsy mila an’izany Andriamanitra izany, tsy mila an’izany Andriamanitra mpandatsa-drà izany, tsy mila an’izany Andriamanitra manome tsifoifoy izany : io omeko dia alaiko. AOKA HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA IANAO – AOKA HO MPANDEHA AN-JAMBANY IANAO. Raha te handova ny lanitra ianao.
Tamin’izahay tanora ry havana, tsy misy an’izany mifampiarahaba hoe : « Finaritra », « Fahasoavan’ny Tompo aminao », « Tahin’i Jesoa » ; tsy nisy an’izany. Izao, manao an’izany daholo ny olona. Izao adala sy hendry izao manao an’izany daholo. Fa ianao manao an’izany, na adala ianao na hendry : miteny aminao ny Tompo hoe : tsy ampy izany e. Tsy ampy izany fomba ivelany izany e. Aoka ianao ho mpatahotra ny Tompo e ! Aoka ianao ho mpandeha an-jambany eo anatrehan’ny tenin’Andriamanitra ry havana rhaa te hitombo amin’ny fanahafana an’i Jesoa.
Ohatran’ny raim-pianakaviana rehetra ry havana : naniry zanaka Abrahama ; ohatran’ny raim-pianakaviana rehetra : tena tia ny zanany i Abrahama, tena tia. Fa nataony ambonin’izany fitiavana zanaka izany ny fitiavana an’i Jehovah Ray. Nataony ambonin’izany, ary tsy teo imolotra fotsiny izany. Ary rehefa tenenin’ny Soratra Masina hoe Abrahama rain’ny finoana, dia hoe : ny momba ny fiainany rehetra dia antaony teo ambany fiadidian’Andriamanitra. Ny fiainany rehetra, ny lafim-piainany rehetra dia nataony teo ambany fiadidian’Andriamanitra. Hitanareo ireto corbeille ireto : fahafalon-karena io ; variana aho ry havana, variana aho amin’ireo olona mbola mandà fahafolon-karena, malgré ny fampianarana rehetra. Mifona aho miteny an’izany. Eto aho hiteny an’izany : manolora fahafolon-karena ry havana ô. AOKA HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA IANAO – AOKA HO MPANDEHA AN-JAMBANY IANAO. Izay ilay izy. Ary ianao izay efa manao fahafolon-karena : tontalio marina fahafolon-karenanao ; ato ianao no tokony hanao fahafolon-karena, raha misoratra ato ianao. Fa tsy maninona, raha zarainao ilay fahafolon-karena, hoe : omeko kely koa ny any ambanivohitra ; fa rehefa tontaliana ny ataoko ato Isotry sy any ambanivohitra, dia ao mihitsy. Izay ilay izy. AOKA IANAO HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA - AOKA IANAO HO MPANDEHA AN-JAMBANY. Ilay hoe mpandeha an-jambany : aoka ianao ho jamban’ny fahatokiana an’Andriamanitra ry havana ô, amin’ny lafim-piainanao rehetra : hiova ny fiainanao, hiova ny fiainanao.
Nankatoa, satria natahotra an’Andriamanitra i Abrahama. Izy handray ny antsy iny, rehefa avy namatotra an’i Isaka : nosakanan’ilay anjelin’i Jehovah : « Aza maninjitra ny tananao amin’ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ». Aza maninjitra ny tananao. Ny anjelin’i Jehovah, tena hoe be dia be ny anjely ; fa ny mpandinika dia milaza hoe : rehefa hoe « ny anjelin’i Jehovah », dia toy ny hoe Jehovah mihitsy izany no miteny. « Fa fantatro izao ny ao am-ponao, hitako fa matahotra an’Andriamanitra ianao. Takatro nakehitriny ny ao anatinao, fantatro ny eritreritrao, fa matahotra an’Andriamanitra ianao ».
Ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, na iza na iza ianao : ny olona mpatahotra an’Andriamanitra ihany, ary ny olona mpandeha an-jambany ihany, izany no hiditra any an-danitra e. Ny olona vao mandeha, ny olona vao manaiky vao misy andidian’i Jehovah azy : izany ny olona hiditra any an-danitra : manaiky tsisy fepetra ; manaiky tsisy hatak’andro.
Ry havana malala ô, AOKA IANAO HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA - AOKA IANAO HO MPANDEHA AN-JAMBANY.
Ao amin’ny Jaona 6 ry havana, Jaona 6 : tohizantsika ilay 5minitra teo. Jaona 6 : 5-6 : « Ary Jesoa nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo : Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo ? Izany no nataony mba hizahany toetra azy ; fa Izy nahalala ihany izay efa hataony ».
Ry havana malala ao amin’ny Tompo, ny fizahan-toetra, ny épreuve, ny fakam-panahy, ny tentation ; ny fizahan-toetra sy ny fakam-panahy rehetra dia nataon’ny Tompo hampitombo anao amin’izany toetra hoe mpatahotra an’Andriamanitra – mpandeha an-jambany izany. Izahany toetra i Filipo eto : misy lehilahy dimy arivo, tsy omby dimy arivo ; ny lehilahy moa no isaina ; fa ireo possible niaraka tamin’ny vadiny, niaraka tamin’ny zanany an ; fa dimy arivo moa no anisana azy satria ny lehilahy no anisana azy. Tsisy mofo eo, tsisy zavatra hohanina eo, tsisy mpivarotra eo ; araka ilay notenenina teo, hoe : situation impossible io, situation impossible io. Sambatra ianao raha miatrika situation impossible, ka hoe mpatahotra an’Andriamanitra. Fa rehefa mpatahotra an’Andriamanitra ianao ry havana ô : tsy ny situation impossible no atahoranao, fa Andriamanitra no atahoranao. Raha tsy mpatahotra an’Andriamanitra ianao, dia mampalahelo be ry havana ô. Satria ho ampandalovin’Andriamanitra fizahan-toetra ianao, ampandalovin’i Jesoa fahoriana ianao : dia eo ianao no raisina.
Fa izao : ao anatin’io situation impossible io, Jesoa efa mahalala ihany izay efa hataony. Ny problema dia izao : ianao miondrika, mihohoka, mitanondrika eo amin’ilay situation impossible, satria tsy matahotra an’i Jesoa ianao. Izay ilay izy. Dia manao ohatran’i Filipo ianao eto : aiza no hividianantsika sakafo ? Fantatr’i Filipo tsara fa tsy misy mpivarotra eo an’anona eo. Inona ny tsy finoana asehon’i Filipo, ohatrantsika anie Filipo ? « Jesosy an, io ange na mofo denaria roanjato aza tsy ho ampy an’ireo olona ireo e. Maninona ianao no ohatrany hoe manontanitany foana amiko ? ». Ary izay isika mianakavy izay : tsy mahatakatra ny fahendren’Andriamanitra satria tsy mpatahotra an’Andriamanitra, tsy mpandeha an-jambany.
Dia hoe : misy tovolahy ary manana mofo dimy sy hazandrano roa. « Izany ve dia ho ampy e ? ». Dia misy angamba adala be ao miteny hoe : « efa sakafon’ilay tovolahy io ange izany, dia maninona koa no mbola alaina any aminy ? ». Izay ilay zavatra. AOKA HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA IANAO - AOKA HO MPANDEHA AN-JAMBANY IANAO.
Nentina teo amin’i Jesoa ilay mofo dimy sy hazandrano roa ry havana, dia naneho ny maha-Andriamanitra Azy Izy, naneho ny maha-Mpamonjy Azy Izy. Nisaorany an’Andriamanitra ilay mofo dimy sy hazandrano roa. Izany ny fomban’ny olona matoky an’Andriamanitra Rainy : misaotra izy ny amin’ilay situation. Ovianao ianao no nisaotra tamin’ny fizahan-toetra farany ? Oviana ?
Nisaotra Jesoa dia nampiseho ny fahasoavany Andriamanitra : nampitombo an’ilay mofo, nampitombo an’ilay hazandrano.
Tsy maintsy ho avy ny fotoana, fotoanan’ny tsy fahampiana ao an-tokantrano ao ry havana, tsy maintsy ho avy ny fotoanan’ny tsy fisiana tahaka ny eto : sambatra ianao, sambatra ianao, raha mpatahotra an’Andriamanitra, raha mpandeha an-jambany ; fa hahita ny voninahitr’Andriamanitra ianao, tahaka ny eto amin’ity Jaona 6 ity. AOKA RE E, AOKA RE HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA IANAO- AOKA HO MPANDEHA AN-JAMBANY IANAO. Aoka izay io loha-be-nao io, mpanao qu’est-ce qu’il y a amin’Andriamanitra. Ka izao ka, ka izao ka, ka izao ka. Izay ilay izy.
Hebreo 11 : 19 : « Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza ; ary hoatra ny avy tamin’izany no nandraisany azy ».
Fa nihevitra izany i Abrahama fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza.
Raha mpatahotra an’Andriamanitra ianao, raha mpandeha an-jambany ianao rehefa mahare ny teniny : tsy atahotra fahafatesana ianao e. Mifona aho miteny an’ity an : taona 17 taona isika niaraka teto an ; ataoko hoe raha misy zavatra novohizina tato : izany hoe « destination finale » izany. Raha misy zavatra novohizina tato dia hoe : « ny fahafatesana no hahazoana tombony ». Raha nisy zavatra novohizina tato, dia hoe : « lasa any amin’ny tsara lavitra izy ». Mifona aho tompoko ô, fa ho amin’ny olona vitsvitsy maromaro : tsianjery manta fotsiny izany. Normal ianao amin’ny fotoan’ilay fisarahana mitomany migogogogo e. Izaho mahafantatra olona, des smeianes après, des mois après : mitomany ohatran’ny jentilisa, tsy manana finoana, tsy manana fanantenana. Fa eto, ny mpatahotra an’Andriamanitra, ny mpandeha an-jambany dia tsy matahotra ny fahafatesana.
Ary jereo kely, hafa kely ity fahafatesana ity an : ny zanakao ange no ho vonoinao e. Ny zanakao no ho vonoinao. Fa arkaa ny tenin’ny mpanoratra ny Hebreo dia hoe : nihevitra i Abrahama, izy handeha hanangana ny tanany iny, nihevitra i Abrahama fa Andriamanitra mahay manangana ny maty. Raha maty Isaka io : hain’Andriamanitra ny manangana an’io. Izay ilay mpatahotra an’Andriamanitra e. Izay ilay mpandeha an-jambany e. Mino izy fa tsy ny fahafatesana no tompon’ny teny farany ; fa Andriamanitra no tompon’ny teny farany.
Nisy mpanompon’Andriamanitra anankiray nizara, mijoro vavolombelona : anaty problema, anaty problema, anaty problema. Ny ahy ny fanaoko hoy izy, dia izao : ao amin’ny biraoko ao, hoy izy, dia misy karazana tableau blanc ireny, dia misoratra eo ilay problema. Dia manomboka amin’ny problema kely ka hatramin’ny problema lehibe indrindra ety amin’ny farany ety. Fa izao, hoy izy : mifanandrify amin’ny ligne rehetra misy problema : asiako hoe Andriamanitra – Andriamanitra – Andriamanitra – Andriamanitra - Andriamanitra. Andriamanitra lehibe noho ireo problema ireo, manomboka ary amin’ny problema kely ka hatrary amin’ny problema lehibe indrindra. Andriamanitra lehibe. Mino an’izany ve ianao ry havana ? Mino an’izany ve ianao ? Andriamanitra mahay manangana ny maty, raha izay ilay problema lehibe farany indrindra. Mahay manangana ny maty Izy. Ary ny tena mahavariana ange ry havana dia izao e, ny tena mahavariana dia izao : ity Abrahama ity, tsy nahita an’izany hoe fananganana tamin’ny maty izany na indray mandeha aza, tsy nahita izy. Fa izay ilay finoana. Finoan’ny mpatahotra an’Andriamanitra, finoan’ny mpandeha an-jambany. Hain’Andriamanitra ny manangana an’io amin’ny maty ry havana. Sao ianao mieritreritra fa hoe lehilahy super champion izany Abrahama izany. Lehilahy mitafy nofo sy rà ohatrantsika izany. Ary inoana fa lehilahy nitomany izany, rehefa nahazo ny tenin’i Jehovah hoe : ho ento ho Ahy ilay lahitokanao, ilay tianao ; nitomany izany e. Nitomany izy, fa nankatoa ry havana ô. Nitomany izy, kanefa fantany hoe Andriamanitra fitiavana. Nitomany izy, kanefa fantany hoe Andriamanitra hendry. Nitomany izy kanefa fantany hoe Andriamanitra manana hery lehibe sy mihoam-pampana ka mahay manangana an’io zanako io amin’ny maty.
Tsy mora ny mitaiza tanora an. Fa ianao manan-janaka tanora, adolantsento, ao anatin’ny fotoanan’ny ditra, izay aloa no mbola lalàna eto amin’izao tontolo izao : capable ve ianao mino, capable ve ianao ny hahatoky an’Andriamanitra hoe : an an an, izaho dia tahaka an’i Abrahama ; tena tompon’ny ditra ity zanako ity, fa hain’Andriamanitra ny mamonjy an’io, hain’Andriamanitra ny manangana an’io avy amin’ny fahafatesan’ny fatoran’ny alcool sy ny ditra isan-karazany. Fa tsy hanao an’izany ianao an, raha tsy mpatahotra an’Andriamanitra. Tsy hanao an’izany ianao raha tsy mpandeha an-jambany.
Fa ahoana moa no nahatonga an’i Abrahama hino e, fa Andriamanitra manangana amin’ny maty ? Satria nandre ny teny izy, efa hitantsika tamin’ ny toriteny teto, tany amin’ny Genesisy 15 tany tamin’ny fotoan’andro : « jereo ange ny lanitra e, ary isao ny kintana raha voaisanao ; fa ho tahaka izany ny taranakao ». Ary ity Isaka ity no fitaovana. Izany no inoan’i Abrahama hoe an an an : atsangan’Andriamanitra amin’ny maty io e. Nandre ny teny izy, nandre ny teny Abrahama, dia ampy azy izay. Fa tsy ohatrantsika, ohatranao : « eny e, Pasitera an, mazava be izany toriteny izany, fa izaho izao, izaho izao, izaho izao… ». Tsy hidiranao any an-danitra ry havana ô : fa izaho, fa izaho, fa izaho izao… Tsy hidiranao any an-danitra.
I Abrahama nahatoky, i Abrahama nankatoa tsisy fepetra.
Nisy raim-pianakaviana izay ry havana, nampianatra ny zanany hatoky azy, hatoky azy rainy. Dia io raim-pianakaviana io, nampianatra ny zanany hankatoa tsisy fepetra. Dia nantsoiny ilay zanany, dia hoy izy hoe : ao ialahy ampanaoviko kilalao. Manatona ialahy aty. Dia nasian’ny dadany bandeau, notapenany ny masony, tena nofatorany mihitsy hoe tsy mahita na inona na inona. Dia hoy ilay dadany tamin’ilay zanany hoe : « mandrosoa ialahy 2 pas ; dia rehefa mandroso 2 pas ialahy dia manaova 1 pas à droite ». Dia hoy ilay zanany : « Dada an, ka tsy hitako ianao ». Dia tsy nihetsika mihitsy ilay zaza. Dia hoy ilay dadany : « izaho tsy hitan’ialahy ; fa izaho mahita an’ialahy. Ankatoavy aho ».
Ao anaty fizahan-toetra, matetika isika tsy mahita an’Andriamanitra fa mahita an’ilay fizahan-toetra. Ry havana ô, miteny amintsika ny Tompo hoe : « hitako ianao e, hitako ianao. Hitako ny ao anatin’ny fonao. Fa izao fotsiny : tiako ianao ho mpatahotra Ahy, tiako ianao ho mpandeha an-jambany dia ho soa ny fiainanao ety an-tany. Ary rehefa vita ny ety an-tany : lasa any amin’ny tsara lavitra ianao.
Ho an’Andriamanitra ny voninahitra, ary ho antsika Fiangonana ny fahasoavana. Amena