Apokalypsy 22 and 3b-4 : « Ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny ».
« Ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy » : ao amin’ny Jerosalema vaovao izany ; Apokalypsy 22 miresaka ny Jerosalema vaovao. « ho eo aminy » ao amin’izany Jerosalema vaovao izany ; « ary ny mpanompony dia hanompo Azy ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny ».
Misaotra ny Tompo ry havana ny amin’ny hanambarany amintsika ny zavatra hitranga any am-parany. Ary izay moa, araka ny efa nolazaina antsika ombieny ombieny, ny bokin’ny Apokalypsy dia fanambarana na « révélation ». Fanambarana, karazana ala-sarona ahitantsika ny zavatra hitranga any am-parany any. Ary zavatra tsy ho takatry ny saintsika ry havana o, raha tsy ny tenin’Andriamanitra no manambara amintsika izany. Any am-parany any, ny programan’Andriamanitra ho antsika dia mba ho ao amin’io Jerosalema vaovao ambaran’ny toko 21 sy toko 22 io. Ary ny zavatra lehibe indrindra ao amin’ny Jerosalema vaovao, tsy ny hatsarany ry havana o, tsy ny hatsaran-tarehiny, ny volamena sy ny perla sy ny vatosoa isan-karazany ; fa ilay seza fiandrianana, ilay seza fiandrianana ahitana an’Andriamanitra sy Jesoa zanany. Ary ny mandrakizay antsika dia eo anatrehan’izany seza fiandrianana izany. Fa izao ry havana, izao : tsy misy olona hiatrika an’io seza fiandrianana any amin’ny Jerosalema vaovao io rahatrizay, raha tsy efa manana fiainana eo anatrehan’ny seza fiandrianana dieny ety an-tany.
Ry havana o, manontany anao ny Tompo : EO ANATREHAN’NY SEZA FIANDRIANAN’ANDRIAMANITRA VE NY FIAINANAO ?
Raha ohatra ry havana ka afaka mamaly hoe « eny » ianao, anio dia hiova ny fonao, hiova ny fanompoanao, hiova ny fiainanao. Ho feno fifaliana, ho feno fanantenana izany fisehoana rahatrizay eo anatrehan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry ao amin’ny Jerosalema vaovao izany. Ary izay no texte voalohany omena antsika amin’izao hoe : « Manatrika ny mino ny Tompo » : manatrika Izy ary mangataka antsika hanatrika Azy. Izy manatrika, fa izaho tsy manatrika ry havana o. Izaho sy ianao io, ary hanatrika Azy amin’izay isika satria hanapa-kevitra ny maro amintsika hoe : « manomboka anio dia ho tsaroako, dieny izaho ety an-tany, fa hoe eo anatrehan’ny seza fiandrianana ny fiainako ».
Ny Fahamarinana 1 ry havana ho an’ny olona izay hoe manana fiainana eo anatrehan’ny seza fiandrianana, dia hoe : MANOMPO NY TOMPO IZY. Izay manko no ilazana eo amin’ny and.3d hoe : « ary ny mpanompony dia hanompo Azy » : manana fiainam-panompoana.
Raha lazaina amin’ny teny hafa izany hoe fiainana eo anatrehan’ny seza fiandrianana izany dia azo lazaina tsotra izao, hoe : fiainana anjakan’ny Tompo ry havana o, fiainana anjakan’ny Tompo. Ary ny Tompo izay manjaka ao amin’ny fiainanao io, no mitarika anao ho amin’ny fanompoana Azy e. Tsy misy olona hoe anjakan’ny Tompo ka mialangalana, mipetrapetra-potsiny hoe « izany diakona, izany sampana, izany mpiandry izany, an’ny hafa izany Pasitera an ». Tsy ny asa no idirana any an-danitra ry havana o, fa izay toe-tsaina mahatonga anao hoe hialangalana izay, tsy hidiranao any Jerosalema vaovao izay ry havana o. Ny Fanahin’ny Tompo izay mitarika antsika, dia hoe : mitarika antsika ho amin’ny fanompoana Azy ry havana malala o. Ary hoy ny mpitoriteny hoe, ny privilège-tsika lehibe indrindra dia ny hanompo eo anatrehan’ny seza fiandrianana. Tsy hanompo any amin’ny Fiangonana misy antsika, fa hanompo eo anatrehan’ny seza fiandrianana. Ary raiso ho privilège dieny izao, raiso ho privilège io zara fanompoana nomena anao io ry havana o.
Matetika rehefa mijery mpanompon’Andriamanitra dia izao : ohatrany hoe voninahitra ho an’ilay mpanompon’Andriamanitra ny manaiky an’ilay antson’Andriamanitra, fa tsy hoe voninahitra omen’Andriamanitra azy no niantsoany ho amin’ny fanompoana. Mila miova isika ry havana o, mila miova isika. Fa rehefa raisiko ho voninahitra omeko an’Andriamanitra ilay fanompoana, dia mampifila aho, ary izaho no mametraka condition amin’Andriamanitra hoe : « manaiky aho Andriamanitra o, fa izao, izao, izao no fahitako an’io ». Tsy fanompoan’ny olona hanompo eo anatrehan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry izany ry havana o. Ary mahafaly ahy ny milaza ry havana fa rehefa miteny ny Soratra Masina hoe « ny mpanompony dia hanompo Azy », io ilay hoe hanompo io dia hoe « doulos » e ; « doulos », hoe andevo : manompo tahaka ny andevo. Hay ve any Jerosalema vaovao mbola misy resaka andevo e, mbola misy resaka « doulos » e ; fa tsy ety an-tany ihany ry havana o. Izany io. Raha ohatra ianao resy lahatra, ary inoako fa maro amintsika no resy lahatra, satria ny atao hoe finoana dia hoe izay rehetra vakiako ato amin’ny tenin’Andriamanitra ato dia raisiko ho zavatra marina. Raha resy lahatra ianao fo isan’izay voaantso eo anatrehan’izay seza fiandrianana izay, ovay ny fanompoanao e : manompoa tahaka ny « doulos », manompoa tahaka ny andevo ry havana o. Ary raiso ho privilège ny manompo an’Andriamanitra tahaka ny andevo.
Misy hevi-diso mantsy hoe rehefa any Jerosalema vaovao, na rehefa maty dia avy eo tonga any Jerosalema vaovao, dia hoe mitsahatra, mitsahatra, miditra amin’ny fitsaharana mandrakizay. Eny e, tsy diso izany ; fa sady mitsahatra no manompo eo anatrehan’ny seza fiandrianana. Ny Apokalypsy 7 :15 dia milaza hoe : manompo andro aman’alina,manompo 24/24. Izany ry havana o. Aoka izany hanova ny fanompoanao izany e. Aza ny ambinambin’ny fotoananao no atokanao ho an’Andriamanitra e, Aza ny ambinambin’ny volanao, rehefa vita ny sitraponao, no atokanao ho an’Andriamanitra ry havana o. Eo ianareo diakona, eo ianareo mpiandry, eo ianareo mpiandraikitra sampana sy ny hafa rehetra e : ovay ny fanompoanareo ry havana o. Rehefa etsy amin’ny ravinala etsy aho miresaka dia mandre olona aho miteny hoe : « Pasitera io kosa aloa dia tiany hoe ho aty am-piangonana foana isan’andro e ». Asa moa izay fahamarinan’izany ; fa tsy tiako hankaty am-piangonana isan’andro ianareo, fa tian’ny Tompo isika mianakavy hanompo 24/24 ry havana o. Na ato na any an-kafa, ny diakona dia kilavaka ny ankamaroany. Soa fa tena misy hoe mpanompon’Andriamanitra tena velona ny diakona, na ato ka any an-kafa. Fa manompo izy rehefa en forme, manompo izy rehefa tsy misy programa any amin’ny fianakaviany any, manompo izy tsindraindray. Izay ilay zavatra. Tsy fomban’ilay mpanompon’Andriamanitra hiseho eo anatrehan’ny seza fiandrianana izany. Averiko indray : tsy hoe nankaty isan’andro akory ianao dia hoe ilay asanao no hidiranao any ; fa ilay toe-tsaina sy ilay toe-po sy toe-panahy ao ambadik’izay no ahazoko antoka, fa tsy hidiranao any ry havana o. Ary misaotra ny Tompo isika mampitandrina antsika mazava be tahak’izao.
Andeha ary e, ho isan’ireo « doulos » izay hanompo eo anatrehan’ny seza fiandrianana isika, ka hanova ny fomba fanompoantsika, hanompo tsisy fepetra, hanompo amin’ny fankatoavana tanteraka ny Tompontsika, tsy hanompo Tompo hafa, fa hanompo tahaka ny « doulos ».
Izay ny fahamarinana 1 : NY OLONA IZAY MINO SY MIVELONA EO ANATREHAN’NY SEZA FIANDRIANANA , VOALOHANY INDRINDRA, DIA MANOMPO TAHAKA NY DOULOS.
Faharoa, hoy ny Soratra Masina hoe : izy manompo io : « ary ny mpanompony dia hanompo Azy », and 4 : « ka hahita ny tavany ». HAHITA NY TAVANY.
Raha ny privilège lehibe indrindra ry havana any an-danitra any, dia hoe ny hanompo, hanompo an’Andriamanitra, hanompo ny Zanak’ondry. Dia ny fitahiana lehibe indrindra dia ny hifanatri-tava amin’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.
Ary ny mpanompon’Andriamanitra tao amin’ny Salamo efa naneho an’izany faniriana izany. Rehefa mieritreritra ny lanitra izy dia hoy ny mpanao Salamo hoe : « Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy ety ambonin'ny tany iriko tahaka Anao ». Faniriana izany fifanatrehana amin’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry izany. Any am-parany any ny masoko dia hahita ny mpamonjiko hoy Joba, ary ny masoko no hahita fa tsy olon-kafa hoy izy, ary efa matim-paniriana aho hahita Azy. Ny Tompo ry havana o, ny Tompo hamelona ao aminao izany faniriana hahita ny mason’ny Mpamonjinao izany e. Ary dia handinika Azy, hifanatri-tava Aminy 24/24. Mazava be izany. Fa firy amintsika ry havana, firy amintsika no manamarina an’izany, manamarina an’izany hoe fifanatrehana tava Aminy dieny ery an-tany araka ny tenin’i Jesoa hoe : « Sambatra ny madio am-po fa izy no hahita an’Andriamanitra ». Raha tsy mahita Azy ety ianao, tsy ho tafiditra any ianao ry havana, raha tsy mahita Azy ety ianao, tsy ho tafiditra any. Izany hoe ilay olona miomana amin’izany hoe fifanatrehana tava amin’i Jesoa any an-danitra izany, ny lahasany ety an-tany dia ny manadio ny fony, manadio ny fony, manadio ny fony. Manadio ny fo amin’inona moa ry havana ? Tsotra be anie izany raha raisina ny fandehan’ilay texte e : manadio ny fo ny amin’ny faniriana hafa, manadio ny fo ny amin’ny faniriana hafa, manadio ny fo ny amin’ny faniriana vola sy harena : izany daholo isika mianakavy e ; manadio ny fo ny amin’ny faniriana vola sy harena sy laza sy voninahitra eto amin’ity tany ity. Mba mianara mivavaka an’izany ry havana o : « diovy ny foko Tompo o, diovy amin’ny rànao ny foko, fa ny saiko sy ny foko dia vola, endrika sy seho ivelany, fitadiavana laza amin’ny mpiara-monina »: ahita laza ianao amin’ny mpiara-monina aminao, fa tsy hahita an’i Jesoa ianao ry havana o.
Inona moa no dikan’ity ilay hoe : izay madio am-po no hahita an’Andriamanitra ? Ao amin’ny Jaona 15 dia hoe : hisehoan’i Jesoa izy, hisehoan’i Jesoa amin’ny fomba manokana izy ry havana o, hanana intimité manokana amin’i Jesoa izy ry havana o, dia fantany hoe tena misy fifandraisana velona, misy fifandraisana akaiky, misy fifandraisana lalina amin’i Jesoa ; fa tsy hoe anarana tonontononina fotsiny sy petapetahana any anaty sms izany Jesoa izany ry havana o. Manadio ny fo ny amin’izay faniriana hafa mety hamono an’izany hoe faniriana an’i Jesoa izany, izany hoe faniriana ny lanitra izany. Mazava moa izany hoe andao ary mba hanapa-kevitra isika hoe hivavaka hifona , hangataka fanadiovana e.
Fa ny ahafantarana koa ry havana, ary mandray ny zavatra iainana eto amin’ny firenena, ny ahafantarana hoe tena midio isan’andro ity olona ity, dia sady mitandro ny fahadiovan’ny fonyan, mitandro ny fahadiovan’ny tenany, ary mitandro ny fahadiovan’ny manodidina azy, n6 tontolo iainany ry havana o. Izany koa io e. Fa tsy kabary ety ambony pilopitra fotsiny ny hoe : « Izay madio am-po no hahita an’Andriamanitra ». Ary désolé miteny amintsika malagasy, rehefa mivoaka ny arabe eo, loto izany, ahavoretrana izany ; désolé miteny an’izany ety amin’ny pilopitra e. Mijery an’izany hoe hahaloton’ny avenue io tamin’ny 27Juin : fa dia ahoana e ? Mahita any amin’ny internet any hoe nodiovina ohatran’ny inona talohan’ny 26 Juin ity tanànà ity satria ho avy iza ? Ho avy Kagamé. Angamba ho diovina atao mamiratra azo lelafina mihitsy ny trottoir rehefa ho avy ny pape. Dia ahoana, ny ampitson’ny fandalovan’ny pape, ny ampitson’ny fandalovan’i Kagamé, hiverina amin’ny fahalotoana isika e. Izany, izany isika malagasy ry havana o. Ary ny olona maloto ohatran’izany tsy hanantena hiditra any ry havana o, satria any madio, madio -po. Ary ilay fahadiovana am-po, ilay fahadiovana anaty, tarafina eny ivelany, miseho amin’ny fihetsika eny ivelany. Andeha ry havana tsy ataontsika teniteny fotsiny iznany hoe fitandrovana ny fahadiovana izany, fa tena hoe iainantsika ary ampisehoantsika amin’ny zavatra concret. Efa natombotsika tamin’ny farany teo, anio, rehefa hiala eto amin’ity tranon’Andriamanitra ity isika, atao hoe nadio be ohatrany tsy nisy olona nipetraka tato an, fa ho raofintsika daholo izay potipoti-na bonbon sy izay fakofako,na nataoko na nataon’ny hafa ry havana o, tahaka ny olona te hahita an’ilay Zanak’ondry mipetraka eo anilan-drainy any an-danitra ry havana o.
Izay ny fahamarinana 2 : OLONA MIAINA EO ANATREHAN’NY SEZA FIANDRIANANA KA HOE TE HAHITA NY TAVAN’I JESOA, MAHITA NY TAVAN’I JESOA, ARY MITANDRO FAHADIOVANA : FAHADIOVAN’NY FO, FAHADIOVANA IVELANY.
Ny fahamarinana 3 farany ry havana dia eo amin’ny tapany farany amin’ny and.4 hoe : « ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny ». ARY NY ANARANY DIA HO EO AMIN’NY HANDRINY.
Raha lazaina amin’ny teny faran’izay tsotra sy mahitsy an, izany hoe, ny anarany eo in’ny handriny, dia tena hoe fahatsiarovan-tena fa hoe an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry io olona misy ny anarany io eo amin’ny handriny. Rehefa any an-dakilasy isika, tamin’ny mbola tany an-dakilasy, dia rehefa tonga ny rentrée , asiana ny anarantsika ny cahier sy ny boky isan-karazany ahafantarana hoe : ahy io cahier sy boky io. Ny fomba, tamin’ny andron’ny Baiboly, dia hoe petahina vy mamay ny omby ahafantarana hoe an’i …. Iny. Petahina vy mamay misy ny anaran’ilay tompony ny andevo ; mariky ny appartenance-ny sy ny possession absolue io ilay hoe anarana eo amin’ny handry io.
Ilay fanontaniana ry havana dia izao : iza no manoratra ilay anarana eo amin’ilay handry ? Andriamanitra ry havana o, no manoratra an’izany anarana izany eo amin’ny handriko sy ny handrinao. Eto moa dia mampitandrina ihany, mahavariana be, lasa lamaody mihitsy, ny devoly no mampianaka an’ilay fanao, ity resaka tatouage ity, dia gaga ianao amin’ireny mpilalao foot, ny star mpilalao cinéma, tatoué ambony ambany. Dia rehefa mahita an’izany ianao dia mieritreritra hoe aiza ary ny toerana hanoratan’Andriamanitra ny anarany eo amin’ity olona ity na eo amin’ny handrin’ity olona ity, tellement tatoué ilay olona ? Izany akory tsy midika hoe azo atao aty an’anona aty ny tatouage an, izay ilay zavatra. Fa Andriamanitra no manoratra an’io ry havana o. Ary izany hoe Andriamanitra manoratra izany dia hoe mandinika anao Izy e, mandinika anao Izy. Mandinika anao Izy ary tsy menatra anao Izy. Mandinika anao Izy dia hoe reharehany ny fisianao sy ny fanompoanao e. Izany, satri fantany tsara : ka manatrika anao anie Izy dia mandinika anao e ; fantany ny momba anao rehetra e. Fantany ny fijoronao, ny tsangananao, izay hitany rehetra rehetra ; fa fantany koa satria mandinika anao Izy, fantany ny any anaty fonao lalina any, fantany ny eritreritrao rehetra, na mbola tsy miloaka aza. Dia hoy ny Tompo e : « ny amin’ity, dia soratako eo amin’ny handriny ny anarako, soratako eo amin’ny handriny ny anarako ».
Fa izao ry havana : rehefa misoratra eo amin’ny handrina izany ilay anarana, dia hoe hitan’ny rehetra fa.misoratra eo ilay anarana. Hita eo amin’ny fiainantsika fa hoe misoratra eo amin’ny handrintsika ny anarantsika ry havana o. Inona no hitan’ny olona eo amin’ny fiainanao ? Inona no hitan’ny olona eo amin’ny fiainanao ry havana o ? Izay ilay fanontaniana ; ary mila manana valiny mazava ianao satri1 hoe dieny izao ange Andriamanitra dia efa te hanoratra ny anarany eo amin’ny handrinao e.
Miresaka ny Eksodosy tamin’ny louange teo ry havana : hitan’ny olona ve amin’ny fombanao fa ny Alahady ianao dia any amin’ny trano lay fihaonana ? Tsy hoe miangona ao Isotry Fitiavana, na miangona etsy Ambatonilita, fa hoe any amin’ny trano lay fihaonana. Ka rehefa miresaka anao ny namanao : « iny indray tsy namana rehefa Alahady, iny indray dia any amin’ny trano lay fihaonana ; aza manantena azy Alahady maraina izany ». Izany ve, izany ve ny fahitan’ny olona anao ry havana ? Aty tena hoe any amin’ny tranolay fihaonanan ianao rehefa Alahady maraina, fa tsy hoe mandeha any am-piangonana na any amin’ny l’église fotsiny, dia ny vatabe-nao fotsiny no eo, fa ny sainao izao efa rariva any amin’ny Barea, hoe hanao ahoana io Barea io. Izay ilay izy. Ary rehefa fantatrao hoe ity Fiangonana ity, trano lay fihaonana ry havana o, faly ianao hankaty, faly ianao hankaty amin’ny herinandro, satria tsy hanatanteraka asan’ny sampana na fivorian’ny sampana sy fivoriana fandinihan-draharaha fotsiny ianao ; fa ao amin’ilay trano lay fihaonana aloa ianao e. Azonao ve izany ry havana o ? Trano lay fihaonana, trano lay fihaonana ity. Ary tsy vitan’ny hoe rehefa mankaty ianao dia ao amin’ny trano lay fihaonana ; fa ny fiainanao manontolo, efa nolazaina hoe eo anatrehan’ny seza fiandrianana, ka n’inon’inona ataonao, dia ataonao amin’ny fo hoy Paoly ao amin’ny Kolosiana 3, ataonao amin’ny fo toy ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’ny olona ry havana o. Izany ny olona mivelona eo anatrehan’ny seza fiandrianana. Ary amin’izay, ny tany manontolo, izay tany rehetra hodiavina, izay sehatra rehetra andehanana, dia eo anatrehan’ny seza fiandrianana izy, ary trano lay fihaonana amin’ilay Andriamanitra sy ilay Zanak’ondry mipetraka any an-danitra, ary miandry azy any an-danitra any. Nisongadina tamin’ny louange teo hoe any ivelan’ny toby : eo ilay campement-ny Isiraely, ilay trano lay fihaonana aty ivelany. Aty ivelany satria tsy maintsy miala ao amin’ilay tontolon’izao tontolo izao feno loto sy tsi-fahamarinana Mosesy mba hahazoany mihaona amin’Andriamanitra ao amin’ny trano lay fihaonana ry havana o. Tahaka ny olona manana ny anaran’Andriamanitra misoratra eo amin’ny handriny ve ka miavaka ianao amin’ny fihetsikao ? Sa manao ohatran’ireo katekomena efa natao folo hafatra isan-taona, hoe amin’ny katekomena sy ny batisa re e, mba hezaho tsy hisy bal fa fomban’izao tontolo izao io e, na hiodin-kavia ianao na hiodin-kavanana e. Izay ilay izy ry havana, fa eee, eee. Endratrendratra fotsiny amin’ny voalohany fa mandeha ny hira faharoa, fahatelo dia hoe tsy ohatran’ny any amin’ny trano lay fihaonana ilay fety fa any amin’ny tontolon’ny jentilisa ry havana o. Désolé aho miteny aminao, atahorako ny tsy hidiranao any an-danitra noho izany toe-po sy toe-panahy tsy miala ao amin’ny camp izany ry havana o, tsy miala ao amin’ny toby izany. Fa mba hoe raisina ho mpandray, atao batisa sy ny karazany, nefa ny fo, fanahy, ny tena mbola ao amin’izao tontolo izao.
Faranana izao teny izao ry havana. Ry havana o, ry havana o, manatrika antsika ny Tompo ety an-tany, manatrika antsika Izy, ary araka ilay teny fampanantenana volamena nomeny hoe : Indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Izy no miteny aminao hoe ovay ny fanompoanao, Izy no miteny aminao hoe manompoa ary miveloma tahaka ny eo amin’ny fanatrehany, mahita ny tavany ianao. Diovy ny tenanao, diovy ny Fanahinao ary mianara mivelona tahaka ny olona hoe manana ny anaran’Andriamanitra sy Jesoa Kristy voasoratra eo amin’ny handriny. Tsy vitako izany anefa, tsy vitanao izany ry havana ; fa Izy mbola mamindra fo, ary mazava ny tenin’ny Hebreo hoe : sahia e, sahia manatona ilay seza fiandrianam-pahasoavana ry havana o, anatin’ny fahalemenao, anatin’ny tsy fahatanterahanao, tsy fahombiazanao, fa hahazo famindram-po sy famonjena tandrify ianao, tandrify izay fahoriana, tandrify izay fahakiviana, tandrify izany tsy fahatanterahanao izany ry havana o. Dia Izy hamonjy anao, hampandeha anao mendrika an’izany olona hoe manatrika Azy ary ho any amin’ny Jerosalema vaovao. Nanontaniana ilay mpanompon’Andriamanitra anankiray izay, hoe raha ho fantatrao fa ho faty ianao rariva, inona ny zavatra ovainao ao amin’ny fiainanao ? Dia hoy illay mpanompon’Andriamanitra : tohizako izay zavatra efa no-programmé-ko ho atao ary tohizako izay fanaoko isan’andro. Izay ny azy ry havana satria efa vonona izy, efa en règle amin’Andriamanitra izy. Mbola miteny aminao ny Tompo anio : raha ho faty rariva ianao, tiako ampafahantarina anao dia izao sy izao sy izao no tiako ovaina ao amin’ny fiainanao.
Ny fahasoavan’ny Tompo ho aminareo ry havana o. Amena