ALAHADY 06 SEPT 2020

Amin’izao Alahady voalohany amin’ny volana Septambra izao ry havana, andinihantsika lohahevitra vaovao, lohahevitra volamena koa hoe : « Miasà » ; ny kristiana izany tsy mipetrapetra-potsiny fa miasa ; saingy tsy miasa fe miasa, fa miasa amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra – Miasa amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.

Ny filazantsaran’i Lioka ry havana, toko faha-12 no hakantsika lesona. Ny hafatra anio maraina, manohy ny toriteny tamin’ny heriny ry havana, dia izao : NY FATIDRÀN’I JESOA, ARY IZY IHANY, NO MATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA. Izay ilay hafatra : NY FATIDRÀN’I JESOA, ARY IZY IHANY, NO MATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA.

Ahoana ry havana no ahafantarana fa misy olona anankiray tsy matahotra an’Andriamanitra ? Raha ilay perikopa eto amin’ny Lioka 12 eto an, ny singa voalohany amantarana fa tsy matahotra an’Andriamanitra ny olona iray, dia ny fitiavan-tena.

Izay izany ny Fahamarinana 1, hoe : NY FITIAVAN-TENA DIA SAKANA AMIN’NY FAHATAHORANA AN’ANDRIAMANITRA

Ary izay foana ilay lazaintsika eto e, ary mbola ho averina, ho averina, ho averina, na dia mankadilo sofina aza, ny probleman’olombelona mpanota : tia tena, égoïste ; ny probleman’ny olona mpanota : égocentrique ; izy no mieritreritra ho ivon’ny fiainany, ivon’ny ankohonany, ivon’ny Fiangonana, ivon’ny fiarahamonina ; izy no ivony. Ary hita eto ato amin’ity tantara ity izany ry havana.

Rehefa jerena ny and.17-18, dia hoy ny Soratra Masina hoe : « Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho? Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako ». Inona ny zavatra mibahana ao an-tsain’ity lehilahy mpanankarena ity? Ny zavatra mibahana ao an-tsainy : ny problemany, ny problemany. Eto amin’ny perikopa : problema-na fitoeram-bary efa lasa tery noho ny haben’ny vokatra ry havana. Dia jereo tsara ilay fomba fiteniny, ilay fizahozahoany : « Ahoana no hataoKO, fa tsy manana fitoerana hamoriaKO ny vokaTRO aho? Ary hoy izy: Izao no hataoKO: handrava ny trano fitehirizaKO aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriaKO ny variKO rehetra sy ny fananaKO ». Izay ry havana ô. Tsy possible ny olona ohatran’izany hoe matahotra an’Andriamanitra. Ary ny olona tia tena ry havana, izay no maha zava-doza azy ; ny olona tia tena dia tafasaraka amin’Andriamanitra ary tafasaraka amin’ny olona mpiara-belona aminy. Amin’ny olona amin’ny ankapobeny, fa eny, na dia amin’ny olona akaiky azy indrindra aza : tafasaraka amin’ny vady aman-janany izy. Gaga fotsiny aho ry havana : katekomena-ko tany am-pitan-dranomasina tany, tafaresaka amin’ny namana ohatran’izao : nisara-panambadiana taorian’ny 20 taona nanambadiana. Fa naninona ? Tsy mba omen’ny vadiny vola mihitsy hono izy. « Ingénieur ange hoy aho ny vadiny e ! » « An an an, tsy vitany intsony ». Firy firy ny ray aman-dreny miteny amin’ny zanany, mahita an’ilay zanany anaty fahasahiranana : « an an an, izaho an, izaho amin’izao taonako izao mba te hanomboka hiaina amin’izay ». Izay ry havana ô : ny olona tia tena, ny olona égoïste sy égocentrique dia tafasaraka amin’Andriamanitra, tsy matahotra an’Andriamanitra, tafasaraka amin’ny olona. Ary rehefa izany no dinihinao, tafasaraka amin’Andriamanitra, tafasaraka amin’ny olona ; satria isika natao hiara-belona amin’ny olona, fa tsy any amin’ny île déserte akory isika, dia hoe : fiainana mikaikona, fiainana mikaikona ny fiainan’izany olona izany. Ary ny hany ahitany fifaliana dia ny fizahozahoana, ny fireharehana. Ary fiainana tsy mampite haniry izany ry havana ô, izany fiainana mikaikona sy izany hoe laza pôkaty izany. Ary tena hoe : ny olona tia tena tahak’izany, ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra tahak’izany dia hoe diso hevitra sady maty antoka satria ny valeur-ny, izay heveriny ho valeur-ny izay heveriny ho sandany, dia hoe tsy ao amin’ilay harena izay imatimatesany ange no tokony ataony e ; ilay vola izay mameno ny eritreriny ry havana, tsy iny ange no mameno azy e ; Jesoa miteny eo amin’ny and.15 hoe: « Ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany ». Ny fahambonian’ny olona tsy miankina amin’izay haben’ny harenany ry havana, na ny hakelin’ny harenany. Ny voninahitry ny olona hoy Jesoa, tsy miankina amin’ny habeny na ny hakelin’ny harenany ; fa ny valeur-ko, ny valeur-nao ry havana ô, dia hoe : ilay valeur omen’Andriamanitra anao ka nanirahany ny zanany andatsaka ny ràny ho ahy sy ho anao teo amin’ny hazofijaliana mba hanaovany ahy sy anao ho fatidrà. Nefa raha ilay lehilahy eto amin’ity tantara ity, mampalahelo fa io Andriamanitra izay manome valeur azy io tsy atahorany, tsy raharahiany ary maty antoka tanteraka izy e.

Izay izany ny sakana voalohany amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Ary lazaina hoe izay ny famantarana voalohany ny amin’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra : tia tena.

Ny sakana faharoa ry havana, raha eto amin’ity perikopa ity dia ny hoe : fitiavana fahafinaretana. Ny Fahamarinana 2 dia hoe : NY FITIAVANA FAHAFINARETANA DIA SAKANA HO AN’NY FAHATAHORANA AN’ANDRIAMANITRA

Ilay voalohany hitantsika teo, hoe : TIA TENA. Izao indray raha jerena, dia hoe miala tsiny amin’ilay fitenenana, fa tiako hazava tsara : BE REVY ilay olona ; OLONA BE REVY. Tonga dia hitanao fotsiny : tsy mitsara aho e, fa tsy possible ity matahotra an’Andriamanitra izany.

Hoy ny and.19 : « Dia hilaza amin’ ny fanahiko hoe » ; ilay Fanahy eto an, io mantsy mandiso eritreritra, tsy ilay hoe « esprit » amin’ny teny frantsay. Ilay « esprit » no tsy ho faty mandrakizay, ilay « esprit » no immortel ; fa ity ilay hoe « âme » ; samy hafa izy ireo. Ilay « âme » indray dia hoe siège-ny passion-ny olombelona, fitoeran’ny filàna, fitoeran’ny faniriana, fitoeran’ny fironana isan-karazany ao amin’ny olombelona. Ka ilay « âme » no resahin’i Jesoa eto fa tsy ilay « esprit » ; dia hoe, eo amin’ny and.19 : « Dia hilaza amin’ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ ny taona maro hianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia ». Izay ilay hoe : olona be revy, ary io revy io, io fitiavana fahafinaretana io : sakana io ry havana ô, sakana io ho amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Ny ao antsainy, hoe : « ah, manana fananana be aho, miteny amin’ny fanahiko aho hoe : mitsahara e, ankafizo e, mihinàna e, misotroa e, mifalia e ».

Mahatsiaro ny tenin’ity misionera ity aho ry havana, 1916, misionera hoe Baron ; mitory teny an’ity izy dia hoy izy hoe : « afa-baraka izany lehilahy izany fa ny nitoviany tamin’ny biby no nampihantainy sy nataony izay nampiadana ». Ny nitoviany tamin’ny biby. Ilay olona ry havana ô, manana, manana ary dia be revy, ampitovian’ny Tompo amin’ny biby ry havana ô. Ary ny biby, ny biby tsy matahotra an’Andriamanitra ry havana. Ary ny tena zava-doza dia izao : tsy matahotra an’Andriamanitra izy, dia en plus an’izay, tapohan’ny fahafatesana. Hoy ilay and.19-20  hoe : « Dia hilaza amin’ ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ ny taona maro hianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia. Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’ iza izay zavatra noharinao? ». Ny mpanan-karena ry havana dia mihevitra fa mbola ho velona taona maro izy ; eny e, na dia ny mahantra koa ary mieritreritra hoe ho velona taona maro izy, kanjo hafa ny fihevitry ny Tompo, hoe : « anio alina no halaina aminao ny fanahinao ». Ny an’ilay mpanan-karena variana ao anaty revy, ao anaty fahafinaretana : « manana taona maro aho » ; ho an’Andriamanitra : andro iray, andro iray sisa ; ary tsy ampy andro iray ary. Ary dia maro ny olona tapohan’ny fahafatesana e. Maro ny olona tapohan’ny fahafatesana satria tsy mahalala izay iafarany.

Ilay Salamo 73 nataon’i Asafa fantatsika tsara. Hoy Asafa eo amin’ny Salamo 73 :22 hoe : « Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby teo anatrehanao aho ». Satria nahoana ? Raha mbola tsy afaka nihevitra ny ho farany. Ny olona tsy mihevitra izay ho farany ry havana, fa ao ny andro ahaterahana ary ao ny andro hahafatesana, ary tsy misy taona maro izany ; dia miaina tahaka ny biby, manamafy ny tenin’ilay misionera teo ry havana.

Tia anao ny Tompo e, tia anao ny Tompo ary izany no mbola itenenany aminao mahitsy ohatran’izany. Ary ilay teny nataony tamin’ity lehilahy ity, ataony amintsika, hoe : Ry adala, ry adala.

Ilay « adala » eto, tsy « ratsy fanahy » an ; raha ny eto Madagasikara, matetika ilay harena ry havana, indrindra ilay mpanefoefo, matetika vola maloto ; fa eto tsy vola maloto no resahina, tsy olona ratsy fanahy, tsy vola azo tamin’ny kolikoly, fa hoe, ilay « adala » hoe « insensé », ilay olona hoe tokony aterina eny Anjanamasina, izany ilay resaka eto. Ary satria sakana ho an’ity mpanankarena ity ry havana ô ny harenany, sakana tsy atahorana an’Andriamanitra satria izy revo ao amin’ilay fananana araka ny nofo ka nametraka ny fony tamin’izany. Tsy natahotra an’Andriamanitra, na ny fahaverezana mandrakizay.

Ny Fahamarinana 1 izany dia hoe : TANDREMO NY FITIAVAN-TENA. Ny Fahamarinana 2 hoe : TANDREMO NY FITIAVANA FAHAFINARETANA. Fa izany sakana ho amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.

Inona ny fahamarinana 3 farany ry havana ? Ny Fahamarinana 3 farany dia izao : NY OLONA MATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA DIA MIASA MIHARY HARENA ANY AN-DANITRA.

Tsy mandreraka ry havana ny mamerina, mamerimberina fa izay vola rehetra lanianao ho an’ny Tompo fa tsy ho anao, noho ny fitiavan-tena sy noho ny fahafinaretanao, dia tsy vola very e, tsy vola lanilany foana e, tsy vola very e, tsy vola lanilany foana izany ; ary mifanohitra amin’izany ry havana ô, ny zavatra mitranga ao amin’ny fisainan’ny olona amin’ny ankapobeny. Ho azy, izany hoe rehefa afoy ho an’Andriamanitra, dia izay kely indrindra no foy ry havana. Rehefa tsy mahafoy ho an’Andriamanitra ianao ry havana, rehefa tsy mahafoy ho an’Andriamanitra ianao, fantaro fa tana-polo no idiranao any an-danitra.

Dia ahoana ary izany hoe miasa mihary harena any an-danitra izany, manangona harena any an-danitra izany ry havana ô?

Voalohany indrindra, mba tohany amin’izay e ny asa fitoriana ny filazantsara.

Lioka ity, ao amin’ny Lioka 8 dia mitantara hoe nanodidina an’i Jesoa sy ny mpianatra dia nisy vehivavy vitsivitsy maromaro nanan-katao, Johana, Sosana, mbamin’ny maro hafa, nanompo an’i Jesoa tamin’ny fananany. Ry fatidràn’i Jesoa an, mba manompoa an’i Jesoa amin’izay amin’io fanananao io.

Faharoa, ahoana ny fampidirana harena any an-danitra, vola any an-danitra ? Iantrao ny malahelo. Tsy ny malahelo rehetra eto Madagasikara na eto Antananarivo, na eto amin’ny quartier akory aza, fa iantrao ny malahelo rehetra izay tratry ny tananao e. Ary izany ange no nataon’ny Fiangonana voalohany tao Jerosalema e. Ary tsy didy izany, fa fahatsiarovan-tena ; hoy ny Asa 4 :34-35 hoe : « Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy ; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin’ny zavatra lafo, ka napetrany teo anoloan’ny tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy ». Tsy nisy nalahelo tao am-piangonana. Matoa mbola misy malahelo vitsivitsy maromaro ato amin’ity Isotry Fitiavana ity, dia isika ry havana ô, izay manana, tsy miantra malahelo ; ary antso ho antsika ny fisian’ireo malahelo ireo. Fa maninona ny Fiangonana tao Jerosalema, satria izay manko ilay fanontaniana ; ary maninona ry Pasitera tsy notohizana intsony, tsy tohizan’ny Fiangonana loatra intsony izany zavatra izany ? Maro ny valinteny amin’izany ry havana, fa izao : ny nahatonga azy hanao an’izany, dia hoe : niaina tao amin’ny tahotra izy, satria tamin’izany andro izany dia hoe efa tena an-tomotra ny fiverenan’i Jesoa ry havana ô. Ny olona mahafantatra fa efa an-tomotra ny fiverenan’i Jesoa dia miantra ny malahelo izay tratry ny tanany ry havana ô. Fa avy eo moa hoe, noho ny hitan’ny Fiangonana fa tsy tonga Jesoa, dia niha-nalefaka ilay fahazotoana ahafoy ; izay ilay toetran’ny olombelona. Izay no tao amin’ny Fiangonana ; fa raha resaka fiantrana ny malahelo, rehefa jerenao Jesoa, dia hoe : Izy tamin’ny niaraka tamin’ny mpianatra tsy dia hoe nanome izay rehetra nananany akory, fa nanana vola fividianana zavatra Izy, ary koa nanana vola fanao fiantrana tamin’izay rehetra nalehany. Tohano ny fitoriana ny filazantsara, iantrao ny malahelo ry havana ô.

Rafaralahy Andriamazoto, maritiora nolefonina herintaona taorian’i Rasalama, efa noresahintsika teto ; nanolotra ny fony ho an’i Jesoa, nanolotra ny fanahiny teo an-tanan’Andriamanitra, nanolotra ny fananany teo an-tanan’Andriamanitra ry havana ô. Rafaralahy Andriamazoto nanana saha lehibe anankiray, nozarainy 3 io saha io : ny ampahany kely indrindra amin’ny saha notazominy hamelomana azy mivady sy ny zanany, ny ampahany lehibebe noho io indray dia nataony ho fiahiana izay olona mahantra iandreketan’izy mivady, ary ny ampahany fahatelo lehibe indrindra dia nataony anohanana kristiana, indrindra ireo izay iharan’ny fanenjehana ry havana ô. Izany ny olona matahotra an’Andriamanitra e. Ary marina loatra ilay filazana hoe : ny fatidràn’i Jesoa ihany no hanolotra ny fananany tahak’izany hanohanana ny fatidràn’i Jesoa hafa ry havana ô. Ary rehefa manao kajy ohatran’i zay ianao, miverina kely amin’ity resaka fahafolon-karena ity aho ry havana ô, raha hoe nozarain’i Rafaralahy Andriamazoto 3 ilay saha, izany hoe 66% ange izany no natolony ho an’i Jesoa fa tsy 10% ry havana ô. Ary 33%-ny fananany no notazominy ho azy. Ary mbola milaza aho eto e, mbola milaza aho eto ry havana, fa tena hoe faux débat io fandavanao ny fahafolonkarena io ; diso petrak’olana ianao, diso problématique ianao rehefa miteny hoe : « an an an, fomba tao amin’ny testamenta taloha io ». Ny olona madio fo ry havana ô, ny olona mazava saina, rehefa nohazavaina indray mandeha izy, dia manaiky.

Fa izao : arakaraky ny andinihana momba io fahafolonkarena io ry havana ô, arakaraky ny andinihana ny handavan’ny maro io fahafolonkarena io, dia tsy inona fa tonga amin’ilay tenin’i Jesoa hoe : « fieremana ». Tsy resaka théologie, fa resaka « fieremana », resaka « cupidité » no resahin’i Jesoa ato, resaka fitiavam-bola ; ary ny ao ambadik’ilay « cupidité » dia ny hoe « avarice », izay ilay hoe « fieremana ». Ny olona tia vola dia mahihitra ry havana ô. Ny an’i Rafaralahy Andriamazoto, fara fahakeliny, ny 66% no foiny ho an’i Jesoa, ary antitranterin’i Pasitera Rabary tsara hoe izany no nataony satria ny fony, ny fanahiny, efa natolony ho an’Andriamanitra ry havana ô.

Ho anao fatidràn’i Jesoa, Izy efa miandry anao any an-danitra e ; izany ange izy ity ry havana ô. Izy hanome anao e ny fanahin’ny fahatahorana Azy ary dia tsy ho foana izay fikelezanao aina rehetra eto amin’ity tany ity. Ary amin’ny minitra izay ialanao eto amin’ity tany ity, tsenainy amin’ny fifaliana ianao any amin’ny fanjakany.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.