ALAHADY 06 JONA 2021

image_pdfPDF

Marka 11. Andeha iarahantsika mamaky indray, mihaino indray ny and.22 sy 23 « Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Manàna finoana an’ Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa : Na zovy na zovy no hilaza amin’ ity tendrombohitra ity hoe : Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany ».

Raha fintinina ry havana ny hafatra ho antsika Fiangonana amin’izao maraina izao, raha mandre isika izany tenin’i Jesoa izany, hoe : « Manàna finoana » ; soa fa Jesoa no miteny an’izany ry havana, hoe : « Manàna finoana », fa tsy i Pasitera na olona, hoe : « Manàna finoana » ; ary ny mpianatra, ny mpianatra 12 lahy no ilazany hoe « Manàna finoana » ; isika Fiangonana no itenenany amin’izao maraina izao hoe : « Manàna finoana ». Raha fintinina ny hafatra ry havana, dia azo fintinina tahaka izao, hoe : AOKA IANAO HO MPANJERA TENDROMBOHITRA. AOKA IANAO HO MPANJERA TENDROMBOHITRA. AOKA IANAO HO MPANJERA TENDROMBOHITRA.

Maro ry havana ny olona malaza amin’ny finoana, nefa na iza na iza tsaroanao, tsy misy olona fantatra na tadidy, hoe nanjera tendrombohitra izany ; nanjera tendrombohitra ara-batana. Ary Jesoa izay miteny an’izany ary, rehefa dinihinao ny fiainany, tsy nanjera tendrombohitra Izy. Fa inona ary no tiany ho lazaina amin’izao maraina izao rehefa afarany isika hoe : « Manàna finoana », AOKA IANAO HO MPANJERA TENDROMBOHITRA ?

Ny Fahamarinana 1 dia izao : NY OLONA TE HO MPANJERA TENDROMBOHITRA RY HAVANA DIA TSY TE HO AVIAVIN’I BETANIA, TSY TE HO AVIAVIN’I BETANIA. Izay ny Fahamarinana 1 : AOKA IANAO TSY HO AVIAVIN’I BETANIA.

Inona ilay hoe aviavin’i Betania ry havana ? Aviavy tao Betania mandravona be, dia natonin’i Jesoa, nosavainy, nitady voa Jesoa, dia tsy nahita voa. « Aza misy mihinana voa amin’ity aviavy ity intsony » : nohozoniny ilay aviavy. Dia hoy Petera nony maraina hoe : « ohhh, malazo ilay aviavy ». Izay ilay aviavin’i Betania ry havana : mandravona ; ary maro ny kristiana hoe aviavin’i Betania fa tsy mamoa voa, ary tsy mamoa voa satria tsy manana finoana. Izay. Mandravona be izy, mandravona be izy ; miasa be izy : izay ilay hoe mandravona be. Mety mamonjy fotoam-bavaka be izy : izay ilay mandravona be. Mety mifady hanina izy : izay ilay mandravona be. Rehefa savasavain’i Jesoa an : tsy misy voa dia hozoniny.

Misy Pasitera, misy mpiandry, misy diakona : aviavin’i Betania. Aleo ry havana, raha hoe aviavin’i Betania ianao ka mahatsiaro tena hoe aviavin’i Betania : aleo miala amin’ny fanompoana fa hozonin’i Jesoa eo ianao. Izany ny fampitandremana feno fitiavana omen’i Jesoa antsika amin’izao maraina izao : Aoka ianao ho mpanjera tendrombohitra, ary aza mety hoe ho aviavin’i Betania. Fa manàna finoana, manàna finoana, izay ahafahanao miteny amin’ny tendrombohitra hoe : « mifindrà ka mianjerà any anaty ranomasina ».

Tsy tian’i Jesoa ho aviavin’i Betania isika, dia taominy isika anio maraina hiatrika an’izany tendrombohitra, izay tian’i Jesoa hoe afindrantsika, azerantsika any an-dranomasina izany. Ny tendrombohitra tsy hoe : esorina vetivety izao maraina izao mandritra ny fotoan’ny toriteny, fa tena hoe afindra dia azera any anaty ranomasina, toy ny tsy iverina intsony izany. Izay ilay hoe azera any anaty ranomasina ry havana ô.

Ary rehefa mamaky ny tenin’i Jesoa eto isika, rehefa miteny Izy eo amin’ny and.23 hoe : « Lazaiko aminareo marina tokoa : Na zovy na zovy no hilaza amin’ ity tendrombohitra ity hoe : Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany » : inona ilay tendrombohitra ? Tendrombohitry ny tsy finoana ry havana ô. Confronter-n’i Jesoa isika izao maraina izao amin’ny tendrombohitry ny tsy finoantsika Fiangonana. Ary malahelo ny fon’ny Raintsika mahita izany tsy finoantsika izany ; fa mamindra fo Izy, dia miteny amintsika Izy hoe : « tsy tiako ho amin’ny zanako izany, tsy misy zanako aviavin’i Betania izany. Ary ahazoako manova azy an, dia confronter-ko izy, taomiko izy amin’izao maraina izao hitoetra eo anatrehan’izany tendrombohitra tiako azerany any an-dranomasina izany, dia ny tendrombohitry ny tsy finoana.

Izay ny Fahamarinana 1 : AZA METY E, HO AVIAVIN’I BETANIA – DINIHO, ATREHO IO TENDROMBOHITRY NY TSY FINOANAO IO.

Ny Fahamarinana 2 : « eny ary e, Tompo ô, azoko ny hafatra, azoko ny hafatra : inona no tianao ataoko, inona ary no tianao ataoko e, tianao izaho tsy ho aviavin’i Betania, tianao izaho hoe hanana finoana, ka inona ary no ho ataoko e ? Ny hafatra ny Tompo ry havana, faharoa, dia izao, hoe : MANKANESA ANY GETSEMANE DIA MIVAVAHA, ATAOVY NY VAVAKY NY FINOANA. MANKANESA ANY GESTEMANE DIA ATAOY NY VAVAKY NY FINOANA.

Inona izany mankany Getsemane izany ka manao vavaky ny finoana ? Toy ny manaraka an’i Jesoa, mahatsiaro ny zavatra nataony tamin’Izy tao Getsemane, dia : nivavaka Izy, niari-tory nivavaka Izy tao Getsemane. Nivavaka Izy hoe : « Ray ô, aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny sitraponao. Aoka tsy ny sitrapoko no atao fa ny sitraponao ». Ny olona ry havana, izay tsy te ho aviavin’i Betania e, ny olona izay te hanana finoana manjera tendrombohitry ny tsy finoana, dia mankany Getsemane izy, satria kivy amin’ny tenany izy, torotoro ny fony mahita ny fahantrany ara-panahy, mahita an’io tendrombohitry ny tsy finoana io, torotoro ny fanahiny, tena kivy : « Tompo ô, Jesoa an, apetrako eo am-pelatananao tanteraka manombok’izao ny rehetra rehetra momba ahy, apetrako eo am-pelatananao e ». Izany ny vavaky ny olona te hanjera tendrombohitra ry havana ô. Fa raha tsy esorinao io tendrombohitra io, raha tsy esorinao io tendrombohitra io, tsy misy Fanahy Masina hiasa ao amin’ny fiainanao. Ny Fanahy Masina dia Fanahin’ny fitiavana : tsy haheno fitiavana ianao ary tsy hitia ianao ; ny Fanahy Masina dia Fanahin’ny famindram-po : tsy haheno ny famindram-pon’Andriamanitra ianao, ary tsy ho mpamindra fo ianao satria tsy afaka ilay tendrombohitra, tsy nazeranao ilay tendrombohitra. Ary Andriamanitra tsy afaka haninjitra ny tanany hiasa hamonjy anao ao amin’ny fiainanao. Fa ilay vavaka, dia hoe : « Aoka tsy ny sitrapoko intsony no atao amin’ny fiainako fa ny sitraponao. Tiako alamina ny fiainako, tiako apetraka eo am-pelatananao ny fiainako : ampio aho Jesoa an, ampio aho, ary alamino izany, tsy araka ny sitrapoko fa araka ny sitraponao ; fa manaiky aho manomboka izao ».

  1. Aoka tsy ho aviavin’i Betania fa azerao io tendrombohitry ny tsy finoana io.
  2. Mankanesa ao Getsemane dia manaova ny vavaky ny finoana. Teneno Jesoa hoe : « manomboka anio : aoka tsy ny sitrapoko intsony, fa ny sitraponao no atao. Ary ny zavatra rehetra tianao ho atao : ataovy ao amin’ny fiainako ary fais-le à ta façon, amin’ny fomba izay itiavanao azy ».

Ny Fahamarinana 3 ry havana dia izao : ANDRASO AMIN’IZAY NY VALIM-BAVAKA. ANDRASO AMIN’IZAY NY VALIM-BAVAKA.

Fa izao no lazaina antsika : mety tsy ho zakantsika ilay valim-bavaka. Satria tsy hifanaraka amin’izay mety eritreritsika sy ampoizintsika ilay valim-bavaka. Inona ny valim-bavaka azon’ny olona te hanjera tendrombohitry ny tsy finoana, ka mankao Getsemane manao vavaky ny finoana ? Ny valim-bavaka tompoko ô, dia fahoriana. Fahoriana.

Izany no maha toriteny réformé an’izao toriteny izao. Raha ny titre mantsy, azontsika iombonana any amin’ny secte, hoe : « Aoka ho mpanjera tendrombohitra ». Ta ta ta… tendrombohitra… oaoaoa. Jamais ny secte hiteny aminao, tena fampianarana ara-tsoratra Masina, hoe : ny valim-bavaky ny olona manao vavaky ny finoana ao Getsemane dia fahoriana sy fanenjehana.

Mandinika ianao ao amin’ny Baiboly, mandinika ianao ao amin’ny Testamenta Taloha ireo olo-malazan’ny finoana, ireo mpaminany rehetra ireo, izay nivavaka mba hoe hanana fanambarana lehibebe kokoa momba an’Andriamanitra sy ny fon’Andriamanitra. Nahazo valim-bavaka izy : fahoriana sy fanenjehana. Izany ry havana ô, izany. Ary Paoly Apostoly rehefa nokasihin’i Jesoa ny fony, rehefa nokasihin’i Jesoa ny fon’i Paoly Apostoly an, dia izao no noteneniny : « eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiombonana amin’ny fijaliana ». Ary ny fiombonana amin’ny fijaliana. Isika Fiangonana samy mivavaka hoe mba ho fantatro Jesoa izany herin’ny fitsangananao tamin’ny maty izany an, hoe Ianao velona ato anatiko, Galates 2 :20, mba tena hoe Ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty ho velona ato anatiko. Fa tsy hivavaka isika satria mbola sakanan’ilay tendrombohitr’ilay tsy finoana ry havana. Tsy hivavaka isika hoe : « ampiombony amin’ny fijalianao aho, ampiombony amin’ny fahorianao aho ». Fa ny biographie an’i Paoly Apostoly, ny tantaram-piainan’i Paoly Apostoly dia fahoriana miampy fahoriana, fizahan-toetra miampy fizahan-toetra, fanenjehana miampy fanenjehana. Izay ilay valim-bavaka izay. Izay ilay valim-bavaka ry havana. Fa rehefa tsy mahazo an’izay valim-bavaka izay ianao, rehefa tsy mahazo valim-bavaka ohatran’izany ianao, dia mbola any an’efitra ianao ara-panahy ry havana malala, mbola any an’efitra ianao, any amin’ny désert spirituel ianao. Ary izany no mahatonga ny Apostoly miteny hoe : « mifaly aho, na dia amin’ny fahoriana aza » ; satria fantany tsara fa ao ambadik’io fahoriana io ny tanan’Andriamanitra ry havana ô, ny tanan’Andriamanitra.

Rehefa misy olona mifankatia, rehefa misy olona mifankatia, na lahy na vavy, samy miteny hoe, samy mahateny hoe : « tu es tout pour moi », « tu es tout pour moi ». Dia hoy Andriamanitra, hoy Jesoa : « Si je ne te fais pas passer par cette souffrance, je ne serai jamais tout pour toi ». Tsy maintsy ampandaloviko amin’izao ianao e. Izay, anamboarana anao. Ary izay ilay valim-bavaka fahoriana anesorana ilay tsy finoana, fahoriana ahatanteraka ny finoantsika ry havana ô, mba afaka hiteny isika hoe : « Jésus, tu es tout pour moi ». Ary izay ilay miracle, izay ilay miracle ry havana. Hoy ilay mpanompon’Andriamanitra izay, hoe : rehefa tsy vonton’ny tenin’Andriamanitra isika, tsy hanaiky mihitsy isika, tsy hanaiky mihitsy isika, hoy izy, hoe : valim-bavaka dia fahoriana sy fanenjehana ; fa isika, hoy izy, rehefa hoe mivavaka ao anaty problema, misy tendrombohitra eo manampina ny lalantsika : miandry miracle instantané, miandry miracle eo noho eo ihany isika. Izany, izany toriteny-na secte izany. Fa tsy hitanao, hoy ilay mpanompon’Andriamanitra ilay miracle progressif, ilay miracle ataon’Andriamanitra miandalana ao amin’ny fiainanao, ka ahatratrarana ilay miracle goavana be, où tu peux dire à Jésus : « Jésus, tu es vraiment tout pour moi ». Dia eny am-panompoana eny isika, mitady famantarana, mitady famantarana, mitady famantarana.

Ry havana ô, ry havana ô, aza mitady famantarana ianao. Rehefa mivavaka ianao tao Getsemane, nivavaka tao Getsemane : io fahoriana ampandalovin’Andriamanitra anao io, io ilay valim-bavaka.  

Miresaka finoana isika, ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ny toriteny dia avy amin’ny tenin’i Kristy nentin-dry Thomas Bevan sy David Jones. Niala tany Pays de Galles tany ireny an, tao anatin’ny fahatanorany, tao anatin’ny fahatanjahany, nandre antson’ny Tompo mazava, ary nanaiky irahana taty Madagascar. Ny missionnaire hono an, tsy nisy nety nankaty Madagascar fa hoe sarotra ny mitory ao Madagascar, fa lasa tany Maurice sy ny karazany. Fa ry Thomas Bevan sy David Jones nanaiky irahana taty. Izay ilay antso iraka e. Andao isika haka ny toeran’i David Jones miaraka amin’i Thomas Bevan. Samy manambady izy roalahy. Raha nanao ohatrantsika i David Jones ry havana, ka nanao hoe : « Tompo ô, eto Madagascar aho an, fa omeo famantarana aho, omeo famantarana aho hoe tena nirahanao aho, ary aty Madagascar no andehanako », inoako marimarina fa ho niteny taminy Jesoa hoe, tamin’i David Jones : « hitanao, io vadinao vao maty io, io zanakao vao maty io : io ilay valim-bavaka ary io ilay signe tadiavinao ». « Hay, Tompo ô, omeo famantarana hafa indray ary aho ». Herinandro vitsivitsy taorian’izay, omen’ny Tompo famantarana izy : maty ny zanak’i Thomas Bevan, maty ny zanak’i Thomas Bevan. « Tompo ô, omeo famantarana aho » : maty Thomas Bevan. « Tompo ô, omeo famantarana aho » : maty ny vadin’i Thomas Bevan. Aza mitady famantarana ianao, fa rehefa nivavaka tao Getsemane ianao, io fahoriana ampandalovin’ny Tompo anao : io no valim-bavaka. Ary izany no mahatonga an’i Paoly hiteny hoe : « mifaly aho na dia amin’ny fahoriana aza satria fantatro, fantatro fa Kristy no ao ambadik’izany ». Ary raha maka ny toeran’i David Jones teo isika ry havana, ny zavatra nosoratan’Andriamanitra, nosoratan’ny Fanahy Masina tao am-pon’i David Jones dia hoe : an an an, maty, ripaka raha ny fijerin’olombelona Thomas Bevan mianakavy, ny vady aman-janak’i David Jones ; fa ny fahafatesany dia tsy inona fa fampitomboana isa ny olo-marina any am-paradisa ary koa zezika ho fampandrosoana ny filazantsara taty Madagascar. Ary raha misy zavatra azontsika antoka ry havana : izany Thomas Bevan sy David Jones izany, tsy mba aviavin’i Betania izany, tsy mba aviavin’i Betania izany. Ary ianao anaty fahoriana io, ianao anaty fahoriana io, raha nivavaka tao Getsemana ianao, dia fantaro fa valim-bavaka io.

Nahafinaritra ery ny fijoroana vavolombelona natao-na evanjelista malaza be izay, izay tsy ho tononiko anarana : ny vadiko hoy izy, no-opéré-na, nodidiana, opération chirurgicale, 28 opérations chirurgicales dans sa vie, et elle est devenue une servante exceptionnelle. Elle m’a servi, elle a servi mes enfants, nos enfants, elle a servi la famille, elle a servi l’Eglise.

Ry havana ô, ry havana ô, ry havana ô, manànà finoana, finoana manjera tendrombohitra any an-dranomasina.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo, ho an’Andriamanitra ny voninahitra. Amen

image_pdfPDF