ALAHADY 06 JAN 2019

image_pdfPDF

« Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo ». Matio 10:28

Misaotra ny Tompo ny amin’ny fitiavany antsika satria amin’izao Alahady voalohany amin’ny taona izao dia sarihany ny saintsika ny amin’ny zavatra sarobidy indrindra eo imasony dia ny fanahintsika. RESAKA FANAHY. Izat no votoantin’izao hafatra izao : RESAKA FANAHY : FANAHINAO – FANAHIKO.

Fahamarinana 1 : ARY AZA MATAHOTRA IZAY MAMONO NY TENA
Mafy izany ry havana, tsy ao anatin’ny logique-tsika na ny fahendrentsika izany, hoe : « aza matahotra izay mamono ny tena ». Mazava izany, ny fahafatesan’ny tena, izany ilay sary : « aza matahotra izay mamono ny tena ». Ao amin’ny andavan’androm-piainantsika dia misy zavatra mampatahotra, mampihorohoro. Mampatahotra sy mampihorohoro satria mety hiteraka fahafatesan’ny tena. Eto moa ny fanenjehan’ny mpitondra fivavahana jiosy, manenjika an’ireto mpianatra ireto dia izay no hitenenan’i Jesoa hoe an an an, na hovonoin’ireo ho faty aza ianao, « aza matahotra izay mamono ny tena ».
Raha mandinika ny fiainantsika ry havana, dia mbola marina amintsika ny zavatra nitranga tamin’ny andron’i Jesoa : eo izay hoe mpitondra fivavahana te hanenjika anao, tena misy izany ; eo koa izay hoe mpitondra politika te hanenjika anao ; eo koa izay amin’ny andavan’androm-piainanao , mpamaky trano, dahalo, mpanakana eny an-dalambe. Dia hoy ny Tompo hoe : « aza matahotra izay mamono ny tena ». Inona no anton’izany ry havana ? Azavain’i Jesoa eo, ary efa voalaza na tamin’ny 5 minitra na tamin’ny louange : ny zavatra rehetra anie eo am-pelatanan’Andriamanitra e. Io tsintsina izay resahin’i Jesoa io, vorona tsy misy valeur-ny kanefa eo am-pelatanan’Andriamanitra. Asa moa izay fahamarinan’izany, fa hoy ny mpitoriteny anankiray hoe Andriamanitra manatrika ny fandevenan’ny tsintsina rehetra ety ambonin’ny tany. Fa sary ihany izany.
Nolazaina teo ny momba ny volon-dohantsika ry havana, ary mikaroka eo, dia izany no lazain’y sasany hoe aux alentours-ny 144.000 ny isan’ny volon-doha amin’ny olombelona anankiray, 144.000, à peu près izany. Fa na ny ranomasonao io aza, eo am-pelatanan’Andriamanitra. Jerentsika anie ny Salamo 56, ianao ao anaty ranomaso sy fampahoriana, dia henoy ny teny fampaherezana omen’ny Tompo anao, Salamo 56 :8 : «Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko». Io ranomaso mikoriana amin’ny tarehinao io, na inona na inona anton’ilay tomany ry havana, tsy verivery fotsiny io, fa angonin’Andriamanitra anaty tavoahangy dia eo imasony io ranomasonao io. Izany no atao hoe finoana. Azonao atao ny miteny hoe foano io loharano-na ranomaso io, fa rehefa tonga aloa ilay ranomaso dia hoe angoninao anaty tavoahanginao io ranomaso io.
Ilay evanjelista malaza be izay efa rentsika anarana ihany, John Wesley dia nijoro vavolombelona hoe tsy mbola nahatsiaro hoe nihorohoro na nangovitra na natahotra mihoatra ny 15 minitra tao amin’ny fiainako. Ary eo anatrehan’ny Tompo aho no mitantara an’izany. Dia ahoana ny tohin’ilay fijoroana vavolombelona ? Isaky ny tonga manafika ilay fanahiana, izay tena hoe zana-tsipika alefan’ny devoly, tonga ilay tahotra tsy hay tohaina, inona ny zavatra ataoko ? Mahatsiaro an’ilay seza fiandrianana ao an-danitra ao aho, araka ny Apokalypsy 4 :2, izay haintsina Isotry Fitiavana tsara ; mahatsiaro an’io aho hoy izy, ary mahatsiaro hoe mandraka androany dia mbola misy olona mipetraka eo, fa tsy hoe élection izao dia tsy misy olona mipetraka eo ; fa misy mipetraka eo, ary io Mpanjaka mipetraka eo ambony seza fiandrianana araka ny Apokalypsy 4 :2 io ry havana, mitazona ny zavatra rehetra eo am-pelatanany. Ary rehefa tonga hoy izy ilay tahotra, rehefa tonga ilay fanahiana hoy izy, ny zavatra ataoko, dia akipiko ny masoko dia mivavaka aho. Tsy dia tena misy tonom-bavaka manokana hoy izy, fa akipiko ny masoko dia misaina an’io seza fiandrianana io aho, dia misinda ny fanahiako.
Hoy ny Tompo aminao hoe : « aza matahotra, aza matahotra, aza matahotra izay mamono ny tena ». Io tsy resaka psychologie, tsy resaka développement personnel sy ny karazany, izao fatina fampianarana rehetra izao : tenin’Andriamanitra io. Fa ny olona manana an’izany finoana velona izany, ho an’ny olona manana finoana iainana izany, ny fahafatesana dia famindrana anao any amin’izay ahazoanao tombony, famindrana anao any amin’ny tsara lavitra. Filipiana 1:21-23 : « Fa Kristy no anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.Kanefa raha ny ho velona amin'ny nofo no hahavokaran'ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko;Fa sanganehana eo anelanelan'izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany ». Izany ve ny finoanao, ianao izay hitenenana hoe « aza matahotra izay mamono ny tena » satria raha maty io tenanao io dia lasa any amin’i Kristy ianao ? Mino an’izany ve ianao ? Ary satria ianao raha maty araka ny tenin’i Jesoa dia lasa any amin’i Kristy, lasa any amin’ny tsara lavitra. « Aza matahotra izay mamono ny tena ».
Izay izany ny fahamarinana 1, hoe na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainanao, na inona na inona fampahoriana, efa nandalo teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izany. Tsy misy ny kisendrasendra, tsy misy ny chance, tsy misy ny malchance, tsy misy ny destin aveugle ; misy ny Mpanjakan’ny mpanjaka mipetraka eo ambony seza fiandrianana. Mino izany ve ianao ?

Fahamarinana 2 : FA ALEO MATAHOTRA IZAY MAHAY MAHAVERY NY FANAHY SY NY TENA AO AMIN’NY HELO
Mba tsy hisian’ny fisalasalana ry havana, hitanareo fa amin’ilay hoe : « Aleo matahotra Izay… » dia I fa tsy i. Iza ilay I majuscule ? Andriamanitra. Izy no mahavery ny fanahy sy ny tena any amin’ny helo.
Ahoana ary no ahazoako mandinin-tena ahafantarako hoe tsy mba izaho izany hoverezina any amin’ny helo izany, ary ny fiainako dia tena fahatahorana an’io Andriamanitra io ? Io ry havana fahamarinana tsy latsak’ilay fahamarinana 1. Sarotra izany hoe « aza matahotra izay mamono ny tena », fa faharoa, « aleo matahotra an’Andriamanitra ». Sarotra izany. Ary izany ny secte rehefa mijery antsika, tsy miteny hoe Fiangonana tsy manana fanahy ireo, fa plutôt isika Fiangonana tsy matahotra an’Andriamanitra ; fa ry zareo koa raha dinihina, tsy matahotra an’Andriamanitra. Andao hitombo amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ry havana. Eksodosy 20 ; ary ny fiainan’ny Zanak’Isiraely ato amin’ny Eksodosy sy ao in’ny Baiboly iray manontolo dia fiainako, fiainanao, fiainan’ny Fiangonana ry havana. Inona ny zavatra nitranga ka tena hoe nampatahotra ny Fiangonana izay teo ry havana ? Eksodosy 20:18-20 : « Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon'ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny . Dia hoy izy tamin'i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay. Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan'ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo ». Raha mijery an’io Eksodosy 20 io ianareo dia hitanareo fa vao avy nanome ny Didy 10 Andriamanitra. Ary maninona Izy no nanome an’io Didy 10 io ? Ho marik’ilay finiavany hanao fanekena amintsika. Jereo kely anie ao amin’ny Eksodosy 19:5 : « Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra ». Andriamanitra dia Andriamanitry ny fanekena ; tia manao fanekena Izy, maka initiative-ny fanekena Izy ; ary rehefa manao fanekena Izy, tsy hoe hanery, fa manao fanekena Izy amiko sy aminao « mba ho rakitra soa ho Ahy », « pour être un trésor précieux à mes yeux ». Izany io Andriamanitra io ry havana : te hanao fanekena Izy mba ho rakitra soa. Izany no tanjony aminao, ho sarobidy eo imasony, ho be voninahitra eo imasony, hokarakaraina, ho kolokoloina ; izany anie ilay contrat tiany atao aminao e. Dia io, marik’ilay contrat, manome an’ilay didy 10 Izy. Ary satria tsy niteny amintsika, tsy niteny tamin’ny Zanak’Isiraely izany, tsy miteny amintsika koa izany ankehitriny ry havana. Dia io ary ny and.18 hoe « Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon'ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra ». Natahotra ny olona. Hoy Mosesy : hitanareo ny anton’io tselatra sy kotrokorana sy tendrombohitra mivoa-tsetroka io sy feon’anjomara, fantatrao ny anton’izany ? Mba hahatahoranao an’Andriamanitra, mba handraisanao an’Andriamanitra sérieux ary tena hoe zava-dehibe izany fanekena izany fa tsy teniteny vakiana fotsiny. Ary tsy hoe zavatra akipaka satria hoe manempotra , tsisy iainana ary maneritery. Izany ny antony hoe nanehoan’Andriamanitra ny tenany amin’ny fomba mahatahotra ry havana. Tena matahotra, ilay « peur » io. Dia io moa, niteny tamin’i Mosesy Izy, azon’ny vahoaka, azon’ny Fiangonana ihany ilay zavatra : an an an ka, aleo tsy Andriamanitra intsony no miteny aminay mivantana fa tsy zakanay, matahotra izahay, tsy zakanay ny fahamasinany ; fa aleo ihany ianao no miteny, aleo ihany ianao no manalalana anay amin’Andriamanitra. Dia io tokoa moa izany fa narahin’i Mosesy izany. Ary inona ny zavatra nitranga ry havana ? Jereo kely ny Baibolinareo ao amin’ny Eksodosy 32 ; izay rehefa tsy eo ny tahotra an’Andriamanitra, nalefy ilay tahotra an’Andriamanitra : nanomboka nanao ombilahikely izy, volamena, sampy volamena, Eksodosy 32:5-6 : « Ary raha hitan'i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an'i Jehovah rahampitso.Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao ». « Ils se levèrent pour se divertir ». Sady manao sampy volamena izy,ombilahikely volamena no manao divertissement dia tsy ao intsony ilay tahotra an’Andriamanitra. Fa inona no maha-matimaty ny finoantsika e ? Inona no maha-tandrametaka ny finoantsika e ? Tsotra ny antony ry havana : tia lalao koa isika, tia divertissement koa isika Fiangonana ry havana, dia mialefy mialefy izany tahotra an’Andriamanitra izany. Ary ilay divertissement io dia mitondra any amin’ny kilalao maloto isan-karazany. Fa rehefa jerena ry havana ao amin’ny Baiboly ao, omeko anareo fotsiny ilay référence, ny tantaran’i Petera ao amin’ny Marka 12 : 66-72, apostoly 12 lahy, mpianatra 12 lahy nandà an’i Jesoa. Ary inona ilay anton’ny fandavan’i Petera an’i Jesoa ? Marka 14:37 : « Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao? » Izay ry havana, io no fototr’ilay fandàvana an’i Jesoa nahazo an’i Petera, satria Petera tsy ampy vavaka. Petera tsy ampy vavaka ry havana o ! Izy tsy mba be lalao ohatrantsika, fa tsy ampy vavaka izy. Rehefa any an-trano, jereo io Marka 12 :66-72 io : tsy ampy vavaka izy dia hita eo hoe nanomboka nandà ; tsy ampy vavaka izy dia nanohy nandà, tsy ampy vavaka izy dia nandà tanteraka, ary tsy ampy vavaka izy dia tsy afa-nandà intsony. Izany no maha-zava-dehibe ilay mivavaka io ry havana o. Ary rehefa mijery ny fiainantsika izany, tsy ao ilay tahotra an’Andriamanitra, be lalao, tsy ampy vavaka : normal raha ohatran’izao ny fiainan’ny Fiangonana, normal, normal be. Tia antsika ny Tompo dia manome antsika izany lohateny, lohahevitra volamena izany, dia hoe : Matahora an’Andriamanitra : Mahatahotra Izy ka matahora Azy.
Faranana izao teny izao ry havana. Raha mandinika ny fiainantsika izao isika dia azo antoka fa hoe tao anatin’ny firariantsoa nifanaovana dia hoe « samy ho tratry ny ho avy indray ». Tsy maninona izany. Fa tsy sûr aho hoe araka ny Soratra Masina izany. Ary raha faniriana izany, ny Tompo no mahafantatra iza no hahatratra izany 01 Janvier 2020. Fa ny fanontaniana ry havana o, ny firariana sy ny antom-bavaka ho antsika ; andeha anie averina vakiana ny Eksodosy 20:20 : « Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan'ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo. ». Ataovy ao antin’ny taona manontolo, manomboka anio 06 Janvier, rapitso 07 Janvier, ataovy eo anatrehanao ny fahatahorana an’Andriamanitra.

Fahamarinana 3 : ATAOVY EO ANATREHANAO NY FAHATAHORANA AN’ANDRIAMANITRA
Raha mbola misy Bonne année taraiky any dia ataovy hoe : « Bonne année », fa ampio hoe : « Ataovy eo anatrehanao ny fahatahorana an’Andriamanitra ».
Inona no dikan’izany ry havana ? MITOMBOA AMIN’NY FAHATAHORANA AN’ANDRIAMANITRA. Bien sûr, mitomboa amin’ny fankatoavana ny teny, mitomboa amin’ny fiainam-bavaka : mazava be izany. Fa manombok’izao, ao anaton’ny zavatra mampihorohoro anao, dia tsarovy Izy ary mivavaha Aminy. Raha sendra hoe tafody alina ianao, noho ny antony arak’asa, any am-pianarana, avy namonjy fivoriana taty am-piangonana, dia hoe zone rouge ity ; rehefa hoe zone rouge ry havana dia tsy mandeha ; fa raha zone rouge ka tratra alina ianao noho ny asan’Andriamanitra dia teneno Izy hoe : zone rouge ity Jesoa an, fa taraiky alina be aho noho ny aminao sy ny asanao ; fa fantatro fa ny anjelinao dia mitoby manodidina izay matahotra Anao ; ary matahotra aho. Hiova ny finoanao, hiova ny fatahoranao an’Andriamanitra raha ao anatin’ny 365jours ianao, isaky ny misy zavatra mampatahotra, diaahatsiaro an’Andriamanitra hoe : soa fa eo ny anjelinao, mitoby manodidina ahy. Izany ve ny finoanao ?
Ary ho antsika aty amin’ny pays tropical aty, misaora an’Andriamanitra isaky ny mahare kotrokorana ; misaora an’Andriamanitra : toriteny velona rehefa mahita ireny helatra na tselatra. Manomboka izao, aza miteny intsony hoe oay izany orana, avy be izao ny orana, aleo hitsahatra aloa ny orana vao mivoaka ; tsarovy Andriamanitra ary mitomboa amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Tsarovy ny anjeliny, tsarovy ny kotrokorana, dia izao : ity efa reflexion efa nataontsika efa taona vitsivitsy lasa izay : aoka ny fitafintsika ho fitafin’ny olona matahotra an’Andriamanitra. Tsy dia mananona anareo tanora aho akory, fa ankoatra izay efa lazaina : izaho milaza aminareo : aoka izay ity hle mankaty an-tranon’Andriamanitra ity ka manao an’itony hoe short basket sy fanaovana sport itony. Raha avy manao sport ianao any am-pianarana, miovà akanjo. Izany no mariky ny fahatahorana an’Andriamanitra. Izaho tsy miverina amin’izay hoe ahalavan’ny akanjo ; fa misy tenue ry havana, tsy idirana aty am-piangonana raha mbola hoe olona matahotra an’Andriamanitra. Ary tsy resaka moral izany, tsy resaka lamaody izany, tsy resaka goût izany, fa ny fitafinao, rehefa mandika an’io vavahadin’ny Fiangonana io, fitafin’ny olona matahotra an’Andriamanitra ve ?
Omaly izahay ry havana nandeha namangy manjo olona ; ramatoa 75 taona no maty ; ramatoa novonoin’olona, ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Alevina ratoandro izy. Ary alohan’ny tena nahataperan’ny ainy an, naolan’izay mpamaky trano izy. Maty tamin’ny Alakamisy izy, alevina androany. Dia eo ary isika izany : ahoana ary izany toriteny izany Pasitera ? Teo izany hoe miteny amintsika ny Tompo : « Aza matahotra izay mamono ny tena ». Izay ilay izy sa tsy izay ? Izay ilay izy. « Fa matahora Izay mahavery ny Fanahy sy ny tena ao amin’ny helo ». Zavatra roa ry havana : tsy misy maniry antsika ho faty amin’izany fomba feno habibiana izany ; fa io, izay no anjarany ary nandalo teo amin’ilay seza fiandrianana tany an-danitra anie izany ry havana o. Mino an’izany ve ianao ? Sa tsy mila an’izany Andriamanitra izany ianao ? Misy mpanompon’Andriamanitra izay niteny hoe rehefa tena feno tahotra an’Andriamanitra ianao, dia tsy matahotra na inona na inona intsony. Ary izay no itenenantsika hoe : ry havana o, anio 06, rapitso 07, rafak’ampitso 08, mitomboa amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Ataovy exercice io ; manazara tena, manazara Fanahy amin’izany, araka ilay notenenina teo. Fa eto amin’izao tontolo izao no ahitana fahoriana, ary ny androntsika rehetra dia voasoratra, ny andro voatendry ho ahy sy ho anao, samy efa voasoratra ao amin’ny bokin’Andriamanitra fony mbola tsy nisy akory ary izy ireo. Fa izao : ny zavatra hiomanana dia ny fitomboana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Ary enga anie ry havana ka rehefa tojo an’izany fahafatesana izany isika, na inona na inona endriky ny fahafatesana, dia efa tena hoe vonona noho ny famindrampon’ny Tompo amin’ny teniny tahak’izao. Ary faharoa ry havana, ny Tompo dia milaza hoe « aleo matahotra Izay mahavery ny Fanahy sy ny tena ao amin’ny helo » ; fahamarinana hoe ny Fanahinao io, tsy mety maty io e ; tsy mety maty ny Fanahy ry havana o ; fa amin’ilay fotoana ahatongavan’ny fahafatesana iny, na izy mankany an-danitra, any am-paradisa misy an’i Jesoa, na izy mankany amin’ny helo, any amin’ny fahaverezana. Tsy hoe maty izy any, tsy hoe levona izy any, fa lasa any amin’ny fijaliana tsy manam-pahataperana.
Izay no hafatra ho antsika ry havana. Hoy ny Tompo amintsika hoe : Fantaro fa sorobidy loatra Amiko ary tokony ho sarobidy loatra aminao io Fanahinao io. Ary dia izao : aoka izany no hibaiko ny fiainanao, hoe « Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo ».

Amena

image_pdfPDF