ALAHADY 06 DES 2020

image_pdfPDF

Apokalypsy 2 :4-5 : « Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ ny fitiavanao voalohany hianao. Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ ny fitoerany, raha tsy mibebaka hianao ».

Dia nofintinin’ny Mpitandrina ry havana, lohatenin’izany Apokalypsy 2 :4-5 manao hoe : MIVERENA AMIN’NY FITIAVANAO VOALOHANY. Dia ireto ry havana no tadidintsika ao anatin’izany hoe « miverena amin’ny fitiavana voalohany » izany :

  • Miverena amin’ny fitiavana voalohany amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra
  • Miverena amin’ny fitiavana voalohany amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra
  • Miverena amin’ny fitiavana voalohany amin’ny alalan’ny finoana an’Andriamanitra.

Dia andeha ary jerentsika ilay Matio 1 teo, and.1-17. Dia rehefa mamaky an’io ianao ry havana, indrindra vao manomboka mamaky Baiboly : tsy azonao izay lazainy. Ny masaka ao an-tsaina fotsiny dia izao : izao niteraka an’izao, izao niteraka an’izao, izao niteraka an’izao. Dia hoe : inona ary ny hevi-panahy lazain’izany ? Ny hevi-panahy lazain’izany ry havana, voalohany dia izao hoe: MIVERENA AMIN’NY FITIAVANA VOALOHANY AMIN’NY ALALAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA.

Hitanareo tsara ilay and.1, mba miara-mamaky anie isika amin’ny anaran’ny Tompo manao hoe : « Ny filazana ny razan’ i Jesosy Kristy, zanak’ i Davida zanak’ i Abrahama ». Ilay teny hoe « filazana » io amin’ny teny grika, dia milaza hoe : Baiboly. Ary inona ny Baiboly ? Ny Baiboly dia ny tenin’Andriamanitra. Ary rehea miteny isika ny hoe « zanak’i Davida zanak’i Abrahama », ny zava-dehibe ao anatin’io, dia zanaky ny teny fikasana. Inona ny teny fikasana ? Ny teny fikasana dia ny tenin’Andriamanitra. Ary ny dikan’izany ry havana dia izao : ny fiverenantsika ao amin’i Kristy dia fiverenantsika amin’ny tenin’Andriamanitra. Ary mampiavaka antsika FJKM dia ny antsoina hoe : « ny Soratra Masina irery ihany  ary ny Soratra Masina manontolo ». Izay no mahatonga antsika, rehefa mamaky Soratra Masina : sady misy ny Testamenta Taloha na ny fanekena taloha, misy ny Filazantsara, ary misy ny Epistily. Manomboka any amin’ny Genesisy hatrany amin’ny Apokalypsy : vakiana avokoa izany eo ambany fitarihin’ny Fanahy Masina.

MIVERENA AMIN’NY FITIAVANA VOALOHANY AMIN’NY ALALAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA.

Fa inona tokoa ry havana ny vokatry ny tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika ? Ny hevitr’io ry havana dia izao : rehefa mihaino ny tenin’Andriamanitra ianao, tahaka antsika mihaino ny tenin’Andriamanitra anatin’izao toriteny izao, dia ny voalohany indrindra dia izao : manome filaminana ho anao ; ary ny dikan’ny hoe filaminana dia misy fahariana vaovao arindran’Andriamanitra indray. Ny hevitr’izany ry havana dia izao : misy fikorontanana ny fiainantsika ; rehefa tsy manana ny tenin’Andriamanitra, rehefa tsy manana an’i Jesoa ianao dia izao no tsarovy : misy fikorontanana ny fiainantsika. Fa amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra irery ihany : izany no mandrindra, izany no mampilamina. Ary jereo fa rehefa mamaky isika ny Genesisy 1, dia milaza fa tamin’ny voalohany dia tsy nisy endrika, fa foana. Ny dikan’ny hoe « foana » dia nikorontana ambony ambany tsy misy filaminana. Ny tenin’Andriamanitra izay inoanao, ny tenin’Andriamanitra izay ambaran’ny Tompo aminao, izay ilay fiverenana aminy voalohany izay, izay no manome filaminana ary fahariana. Ary ny fahariana dia fahatsapanao hoe hay tena misy fahefana tokoa ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainako ; ilay fahefan’Andriamanitra izay nahary ny zavatra rehetra, ilay fahefan'Andriamanitra tao amin’i Jesoa Kristy ; izany ny fahefana omen’Andriamanitra anao, ahatonga ny zavatra rehetra ao anatinao hoe tanjaka ; mampahatanjaka anao ny tenin’Andriamanitra rehefa mandre ny tenin’Andriamanitra ianao. Ary ilay tenin’Andriamanitra izay inoanao : manjary fiainam-baovao indray ho anao, mahatonga anao indray hanana fiainam-baovao ; misaotra ny Tompo aho fa omen’ny Tompo fiainam-baovao.

Raha mamaky isika ry havana, na mihaino ny vaovao eran-tany, na mijery ny gazety eran-tany, dia raha mijery maika ianao, dia zavatra manjombona avoka ny zavatra misy. Ary rehefa mijery isika ny vaovao any ivelany, dia miverina indray ny valan’aretina Covid19.

Fa rehefa miverina amin’ny tenin’Andriamanitra isika, dia ny tsaroanao dia izao : misy filaminana ao anatinao, ary misy fahefana ao anatinao, misy tanjaka ao anatinao, ary tanjaka indray, manome fiainana vaovao, ilay fiainana mandrakizay omen’ny Tompo anao. Hoy ilay mpanompon’Andriamanitra anankiray mijoro vavolombelona : izaho, hoy izy, rehefa mifoha maraina, dia ny mahamaika ahy, dia mijery télé na mijery interneto hoe inona ny vaovao farany maneran-tany. Satria noheveriny fa izay olona mahara-baovao : izany no manam-pahefana, izany no matanjaka. Fa ny mahagaga ahyn hoy izy, arakaraky ny hiazakazahako mifoha maraina mihaino vaovao maneran-tany, dia izay no mahamaika ahy voalohany ; dia izao : matahotra aho ; ary ny tahotra ao anatiko dia izao : matahotra ny ho faty aho, matahotra an’izao tontolo izao. Fa rehefa nandray an’i Jesoa aho, miverina amin’ilay fitiavana voalohany amin’ny alalaln’ny tenin’Andriamanitra : isaky ny mifoha maraina aho, dia mamaky ny Soratra Masina, mihaona amin’ny Tompo aho, dia mahagaga ahy fa feno tanjaka aho, sy fiainam-baovao ary filaminana ny fiainako.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, miverena amin’ny fitiavana voalohany amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra. Ny tenin’Andriamanitra manome filaminana ho anao. Raha tonga eto ianao izao, mahatsapa feno fikorontanana, mahatsapa tsidry inhany koa, satria eto amin’izao tontolo izao misy tsindry isan-karazany : rehefa ao anatinao ny tenin’Andriamanitra, dia mahatsapa ianao hoe : « Tompo ô, misaotra anao, omenao filaminana ny fiainako, ary fahariana vaovao indray ».

Fa tsy izany ihany ry havana, fa ny tenin’Andriamanitra eto dia izao : manome fahafenoana eo amin’ny fiainantsika. Manome fahafenoana. Raha mijery an’ireo tetiarana ireo ianao an, dia misy 14, 14, 14. Inona no hevitr’izay ? Misy dikany ry havana ny isa ao amin’ny Soratra Masina. Isa 7 dia milaza hoe : fahafenoana ; ary ny isa 14 dia 7 ampitomboina 2, mira 14. Izany hoe tena milaza fahasoavana hanampy fahasoavana. Ka amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra sy ny fitondran’Andriamanitra ny fiainantsika ; izany no lazaina eo, manomboka hatrany amin’ny antsoina hoe Abrahama, dia hatramin’i Jesoa Kristy ; misy fitondran’Andriamanitra ny fiainanao, dia izao no tsaroanao : tena misy fahafenoana omen’Andriamanitra anao. Ary ny fahafenoana ry havana dia izao : milaza fahatsarana ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao. Misy amin’ireo an, tsaroantsika tsara, mamaky an’ireo tetiarana ireo isika : misy mpanompon’Andriamanitra tsy nanana zanaka. Anisan’izany anie raha mijery isika, na Jakoba ary e, na Abrahama aza e. Ary tena tsy nino ry zareo hoe mahavita an’izany Andriamanitra, manome taranaka indray noho ny teny fikasana. Fa ny mahagaga dia izao : fenoin’Andriamanitra ny fahabangana eo amin’ny fiainanao. Ary ny fahabangana tsaroana dia izao ; rehefa feno dia hoe : « Tsara ianao Andriamanitra ô, feno fahatsarana ny fitondranao ny fiainako ».

Mazana ry havana isika eo amin’ny fiainana, zatra manao fampitahana. Ny fampitahana voalohany izao izay efa iandrasan’ny olona maneran-tany, fa tsy aty Madagasikara ihany, fa hiteny izao ny filoham-pirenena maneran-tany. Ankoatra ny firarian-tsoa, ankoatra ny fiarahabana, dia inona no andrasan’ny mpiasa rehetra maneran-tany rehefa miteny ny filoham-pirenena ? Ny fisondrotan’ny karama. Dia raha vao tsy misy an’izay ny kabary, dia misento ny olona ary mahatsapa hoe banga izany zavatra lazain’ny filoham-pirenena izany.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo : na omena anao aza izao tontolo izao, na omena anao aza izao zavatra rehetra izao, rehefa tsy ao anatinao ny tenin’Andriamanitra, Jesoa Kristy ilay teny tonga nofo, dia mahatsapa fahabangana ianao. Fa rehefa ao aminao Jesoa, na mofo 5 sy hazandrano 2 aza : fantatr’Andriamanitra anie ny mahasoa anao e. Ary Izy anie no manomana ny ho avinao sy manome zavatra tsara eo amin’ny fiainanao e. Ary ny dikan’ny hoe fahafenoana dia izao : ataon’Andriamanitra mari-toerana ianao eo amin’ny fiainanao. Ataon’Andriamanitra mari-toerana. Fa ny zavatra mitranga eran-tany dia izao : mitsingilahila ary hozongozonon’izao tontolo izao ny fiainantsika, ny momba antsika manontolo. Fa rehefa ao anatinao Jesoa Kristy ilay vato fehizoron’ny fiainanao, dia ataon’i Jesoa mari-toerana ianao. 

Ary tsy izany ihany ry havana, fa ny tenin’Andriamanitra, rehefa mandre tenin’Andriamanitra ianao, ny valin-teny fahatelo omen’ny Tompo antsika dia izao : fahamarinan’Andriamanitra no ambarany aminao.   Fahamarinan’Andriamanitra no ambarany aminao. Hitantsika ry havana fa ireo mpanompon’Andriamanitra tetiarana lazaina ireo, dia hitantsika hoe i anona anie ka tena nanana toetra tsara e ; ary tsy nisy tahaka azy na teo aloha na tao aoriana nony nandeha mahitsy nanao izay marina teo anatrehan’Andriamanitra izy. Fa misy karazan’olona amin’ireo tetiarana ireo an, izay hitantsika hoe mampalahelo ny toetrany, fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fahamarinan’Andriamanitra, dia asehon’Andriamanitra ny marina eo amin’ny fiainanao noho ny fahasoavan’Andriamanitra. Ka ny fahamarinan’Andriamanitra izay ambaran’Andriamanitra ry havana, dia izao : izany no miteraka fahombiazana ao amin’ny fiainanao. Rehefa miresaka amin’ny olona ianao, dia hoy ny olona : ny marina miovaova, ny marina any aminareo tsy marina aty aminay. Ny marina any Afrika tsy marina any Eoropa, ary ny marina amin’ny finoanao, tsy marina amin’ny finoako. Fa rehefa Andriamanitra no manambara ny marina, dia manaiky ianao, tahaka an’ity kapiteny rômana, rehefa nijery an’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana, hoe : « marina tokoa fa zanak’Andriamanitra io lehilahy io ». Izy Andriamanitra mihitsy manambara ny fahamarinana ao amin’ny fiainanao. Mety misy zavatra manjavozavo eo amin’ny fiainanao ankehitriny, tsy fantatrao mihisy ny antony, hoe : inona Jesoa ny anton’izao an ? Fa maninona no tahaka izao ? Nahoana, nahoana, nahoana, nahoana, nahoana ? In-5 manao « nahoana » ianao, mbola tsy voavaly ihany. Ny valiny dia izao : Jesoa Kristy irery ihany no manambara ny fahamarinana eo amin’ny fiainanao, araka ny tenin’i Jesoa hoe : « Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana ».

Ny anjaranao ankehitriny : miverena amin’ny fitiavana voalohany amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra. Izany tenin’Andriamanitra izany manome anao tokoa izany hoe filaminana, manome anao fahafenoana ary manome anao fahamarinana araka an’Andriamanitra ry havana ô.

MIVERENA AMIN’NY FITIAVANA VOALOHANY AMIN’NY ALALAN’NY FANAHIN’ANDRIAMANITRA

Rehefa manambara an’ireo tetiarana ireo ny Tompo an, dia mahita ny fiainan’ireo, dia izao notarihin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahiny izy. Ary ilay mofon’aina androany, sady perikopa androany, 5minitra ho an’ny Sekoly Alahady teo, dia milaza hoe : ny Fanahin’Andriamanitra mahatonga hilaza hoe : « Jesoa no Tompo sy Mpamonjy ahy ». Ary izay fanahin’Andriamanitra izay, nanangana an’i Kristy tamin’ny maty, izany no mitahiry anao.

Fa ahoana tokoa moa ry havana, amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra ? Ny ahafantarana ry havana fa ao anatintsika ny Fanahin’Andriamanitra, ary tsy misaraka mihitsy ny tenin’Andriamanitra sy ny Fanahin’Andriamanitra ; rehefa mamaky isika ny foto-dalana sy fitsipika Fjkm, misy aminareo manana an’izany, misy aminareo tsy manana an’izany ; fa rehefa tonga izao fety izao, mba mividiana ihany ilay foto-dalana sy fitsipika Fjkm ; fa ny an’ny olona mantsy rehefa hividy an’iny izy : ilay olana izay no jereny amin’iny. Rehefa misy problème na olana mitranga, izay izy vao mamaky an’iny. Fa manomboka izao, mba vakio anie ilay zavatra tsara be be dia be ao anatiny e. Fa ny ao anatin’izay dia hoe : inona no antom-pisian’ny FJKM ? Inona ny fombany ? Ny valiny dia izao : anankiray amin’ny fotoa-pinoantsika : tenin’Andriamanitra eo ambany fitarihin’ny Fanahy Masina sy fanazavan’ny Fanahy Masina. Ka ny Fanahy Masina ry havana, eo amin’ny fiainantsika dia tsy misaraka amin’ny tenin’Andriamanitra. Rehefa ao anatinao ny Fanahy Masina, dia ny tsaroanao voalohany dia izao : manafaka antsika ny Fanahy Masina. Ary ny fahafahana anananao dia izao : manana fifandraisana amin’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina ianao. Ilay Fanahy nanangana an’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, izany Fanahy izany no omen’Andriamanitra anao. Miverina indray ianao amin’ny fitiavana voalohany. Ary ny atao hoe fitiavana voalohany dia izao : ilay voalohany dia milaza hoe : ny voalohany indrindra, ny ambony indrindra, ny sarobidy indrindra dia ny fiarahanao amin’Andriamanitra. Na inona na inona heverinao atakalo an’izany an, amin’ny voalohany mety mahafinaritra anao, fa ny fiafarany dia mitomany ianao. Ary malahelo, ary diso fanantenana ianao. Fa ny voalohany indrindra dia izao : ny fifandraisanao amin’ny Tompo. Ianao ange mifandray amin’i Jesoa e ; fa raha mamaky ny matoanteny isika ao amin’ny Soratra Masina, dia Andriamanitra mihitsy no manatona anao ; Izy mihitsy no miantso anao. Matio anie ka olona nipetrapetraka eo am-pamorian-ketra e, fa tsy nieritreritra mihitsy hoe hanaraka an’i Jesoa ; fa rehefa hitan’i Jesoa izy, dia hoy Jesoa : « Andao hanaraka ahy » ; dia nandeha izy, ary fantany izany. Ny dikan’izany dia izao : rehefa notorotoroina tamin’ny fahotana isika, dia tsy manana hery na tanjaka na finiavana hanao ny tsara intsony ; fa noho ny asan’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy, dia Izy no miasa, Izy no mihazona, Izy no mitaona anao ; dia hoy Jeremia hoe : « Taominao ahy ka voatoana, nosamborinao aho ka resinao ».  Dia izany ny fitiavan’Andriamanitra anao.

Fa tsy izany ihany ry havana, fa rehefa ao anatinao izay Fanahy Masina izay, dia voalohany : mahatsapa fitiavana ianao ; io ilay antsoina hoe Agape. Agape : ny ambony indrindra. Ary tsy misaraka amin’ny fitiavana, safidy ; rehefa atao misafidy manko ianao ry havana dia eo akaiky eo koa ny fitiavana. Ary rehefa izay, dia manana fifaliana ianao, ary manana fiadanana ianao. Fifaliana izay tsy tahaka ny an’izao tontolo izao ny fifalianao ; fiadanana izay tsy tahaka ny an’izao tontolo izao ny fiadanana, fa tena fiadanana avy amin’Andriamanitra. Hoy ny Soratra Masina, perikopa rentsika tamin’ity taona ity manao hoe : tsy araka ny haben’ny fananan’ny olona ny fifaliany ; tsy arakaraky ny haben’ny ananan’ny olona na vola aman-karena, na voninahitra ny fiadanany ; fa ny olona tena manana fiadanana tena izy ary tena marina, dia ny olona feno ny Fanahin’ny Tompo. Dia voalazan’ny Soratra Masina hoe : Fa ny Tompo izany Fanahy izany. Fa izay itoeran’ny Fanahin’i Kristy no itoeran’ny fahafahany. Hoy ilay mpanompon’Andriamanitra anankiray mijoro vavolombelona : « raha ny vola ve : tena nananako ny vola ; ny voninahitra ve : tena nananako ny voninahitra ; fahefana ve : tena nananako ny fahefana. Fa tsy nananako fiadanana sy famonjena izany. Fa ny ananako fiadanana manomboka izao dia ny fiverenana ao amin’i Jesoa Kristy, ny fiverenana amin’ny fitiavana voalohany. Izany no ananako fiadanana ».

Ry havako, raha mbola hitanao mihitsy : midera an’i Jesoa ianao izao an, mankaty am-piangonana ianao izao an, manao asa fanompoana ianao izao an ; fa tsaroanao fa mbola misy banga eo amin’ny fiainako izany. Na dia mihira mafy aza aho,  na dia tena mamaky Soratra Masina aza aho, na dia tena mihaino toriteny aza aho, mbola misy banga ao anatiko. Inona ny anton’izany ? Ny valiny tokana dia izao : miverena amin’ny fitiavana voalohany. Mibebaha. Ary ny dikan’ny hoe miverena dia izao : ovay mihitsy ny sainao, ovay ny fonao, manenina ny amin’ny fahotana ary miverina amin’i Jesoa Kristy. Ny fanahin’Andriamanitra irery ihany no manova anao. Tsy efan’ny saina sy ny nofo aman-drà izany ; fa tena asan’ny Fanahy Masina izay manova ny fiainanao. Ary izany Fanahy Masina izany ry havana mahatonga anao hoe : manana tanjona indray eo amin’ny fiainanao Andriamanitra. Manana tanjona eo amin’ny fiainanao Andriamanitra.

Ireo tetiarana ireo an, dia voalaza hoe 14 ; 14 ; 14. Milaza fahafenoana hoy aho izay 14 izay ; fa izy ireo tsirairay avy, raha mamaky isika : 14*3=42. Fa rehefa jerenao ny tantaran’ireo olona tisrairay avy ireo, dia izao : manana tanjona eo amin’ny fiainana Andriamanitra. Manana tanjona eo amin’ny fiainana Andriamanitra. Ary izany koa ianao : misy tanjon’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao. Ary ny tanjon’Andriamanitra lehibe lavitra noho izay tanjonao na ny vinanao. Ireo mpanompon’Andriamanitra izay voatonona ireo, na misy banga ihany koa aza, ary misy tena tsy nieritreritra mihitsy ; ao amin’ny tantaran’ny zanak’Isiraely manko ry havana, tsy mba tononina loatra ny vehivavy. Fa ao amin’i Jesoa Kristy, dia naverina mihitsy hoe ireto misy vehivavy 5, voatanisa teo ireo, na Rahaba, na Tamara, na Batseba, lazainy avokoa. Fa inona no dikan’izay ? Tena tsy misy fizahan-tavan’olona amin’Andriamanitra, fa matoa ianao tahaka izao : misy tanjona lehibe apetrak’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao.

Ry havana, tapitra sahady ity ny taona 2020. Dia manontany tena ianao, dia mety ny tomban’ezaka ataonao dia izao : «  Jesoa an, tena tsy nety ity taona ity ; tsy nahomby izahay. Arkaa ny voalaza hoe ny ¾-ny olona miasa eran-tany dia nahatsapa fatiantoka aty nahatsapa ihany koa fa sahirana ny fandraharahany. Fa ao amin’Andriamanitra dia izao : tena misy tanjon’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao. Ho avy indray ny taona 2021 ; izao no tsarovy : manana tanjona eo amin’ny fiainanao Andriamanitra. 06 Desambra anio : mbola misy 25 andro aorian’izao. Ny anjaranao dia izao : « Jesoa  an, inona kay ny tanjonao eo amin’ny fiainako ? Inona no tanjonao eo amin’ny fiainako ? ». Ary ny tanjon’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao, dia ny hevitr’izany dia izao : Andriamanitra manatrika anao mandrakariva.

Izany no hevin’izany Fanahy Masina izany ; tsy manana hoe tanjona ihany Izy, fa tena manatrika anao Andriamanitra. Ary rehefa manatrika anao Andriamanitra, dia miaraka aminao Andriamanitra : « Hombanareo mandrakariva Aho ambara pahataperan’izao tontolo izao ». Hiatrika ny taona ho avy ianao e, dia hoy Jesoa mantsy ny mpianany : « Aza manahy an, fa ny voninkaza aza, na ny ahitra, izay atao any an-tsaha rahampitso : tafian’Andriamanitra ; tsy mainka va ianareo ry kely finoana ». Ary ny hafatry ny voromanidina izay tsy mamafy na mijinja ; izany akory tsy milaza hoe tsy tompon’andraikitra ianao, na tsy manana andraikitra ianao ; dia hoy ny Tompo milaza hoe : reny aza hain’Andriamanitra ; mainka fa ianao ry kely finoana. Ry havana malala ao amin’ny Tompo : ny Fanahin’Andriamanitra ao anatinao milaza hoe : manatrika anao Andriamanitra. Manatrika anao Andriamanitra. Tsy irery ianao. Mety misy fotoana ianao izao mipetraka irery ; misy fotoana ianao izao miady irery eo amin’ny fiainana ; ny piara-miasa aminao, ny ray aman-dreny, ny mpiray tampo mety tsy mahita anao akory, ny adim-panahy atrehinao ; izao no tsarovy anio : manatrika anao Andriamanitra. Eo akaikinao ny Tompo. Fa ny valin’izany dia izao : miverena indray amin’ny fitiavana voalohany, miverena ao amin’i Jesoa Kristy ; fa izany no fitiavan’Andriamanitra anao.

Ny farany : MIVERENA AMIN’NY FITIAVANA VOALOHANY AMIN’NY ALALAN’NY FINOANA AN’ANDRIAMANITRA

Rehefa mijery isika ry havana ny tantaran’i Abrahama, dia izao no iantsoana azy : ankoatra ny hoe Abrahama, Abrama no anarany tamin’ny voalohany ; avy eo nantsoina hoe Abrahama, rain’ny mino ary rain’ny firenena maro.

Zava-dehibe teo amin’ny fiainan’i Davida sy Abrahama dia ny fananany finoana. Ary ny mpianatry ny Tompo rehefa nihaona tamin’i Jesoa, dia izao no filazany manao hoe : « Tompo ô, ampitomboy ny finoanay ». Dia hoe Jesoa milaza : « Na dia manana finoana tahaka ny voan-tsinampy aza ianareo, dia hilaza amin’io tendrombohitra io hoe : mianjerà any an-dranomasina; dia ho tonga aminareo izany ». Izay mangataka amin’ny Tompo tsy maintsy mandeha amin’ny finoana.

Ka inona ny dikan’ny hoe finoana ry havana eto ? Ny hevitry ny teny hoe finoana eto dia izao : matoky an’Andriamanitra ianao, matoky an’Andriamanitra ianao. Ireo tetiarana ireo ry havana, averina indray : ilay 14, 14, 14, dia mahagaga fa misy fitondran’Andriamanitra tsy takatry ny saina mihitsy. Voalaza aho anie Naomy e. Izany Naomy izany olona faran’izay nanan-karena ; vetivety eo tena nitotongana ny fiainany. Ary tena nandady mihitsy. Arakan y filazantsika dia hoe olona farany nahantra. Kinanjo tao amin’izany olona izany no nipoiran’ny taranak’i Davida, ary indrindra indrindra nipoiran’ny taranak’i Jesoa Kristy. Inona ny hevitr’izany ry havana ? Ny hevitr’izany dia izao : matokia ny fitondran’Andriamanitra anao. Tsy mora ny mamakivaky ny asa ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Fa ny mahagaga dia izao : miasa eo amin’ny fiainanao Andriamanitra, miasa eo amin’ny fiainanao Jesoa Kristy, miasa eo amin’ny fiainanao ny Fanahy Masina. Na tsy hitan’ny masonao aza. Na tsy tsapan’ny tananao aza, na tsy takatry ny sainao aza, dia izao no tsarovy : miasa eo amin’ny fiainako Andriamanitra. Matoky Azy aho. Fa izany no fitiavan’Andriamanitra ahy eo amin’ny fiainako.

Ary tsy vitan’ny hoe matoky ry havana, fa izao : manaiky koa ianao. Dia misy hiran’ny Sekoly Alahady manao hoe : « Manao eny aho, eny aho Tompo ô ». Rehefa miteny Jesoa milaza hoe : «  an an an, tsy mety izany » ; dia eo ianao miteny hoe : « eny Jesoa an, manaiky aho ». Mila manana valin-teny entitra isika ao amin’i Jesoa ry havana. Ary izay ilay fanekena an’i Jesoa, ilay Tompo sy Mpamonjy. Ao amin’ny Tompo, dia eny, eny ; Amena hoy Paoly Apostoly milaza an’izany hoe : tsy misaraka ny teny fikasana na ny finoana ; fa ny finoana dia avy amin’ny toriteny ary ny toriteny dia avy amin’ny tenin’i Kristy.

Ary tsy izany ihany ry havana. Fa ny dikan’ny hoe finoana, dia manana fanapahan-kevitra ianao. Manana fanapahan-kevitra ianao. Ary fanapahan-kevitra mazava, tsy miankina amin’ny zavatra hafa fa ny iankinan’izany dia : Jesoa Kristy no iorenan’ny fanapahan-kevitro. « Inona no lazain’ny Soratra Masina ? » « Inona no lazain’i Jesoa ? » : manana fanapahan-kevitra aho ao anatin’izany. Rehefa tsy manana fanapahan-kevitra mantsy ianao an, dia hoy Jesoa hoe : ny devoly anie manjaka eo amin’ny fiainanao e. Aoka ny valin-teninareo ho eny dia eny ; tsia dia tsia ; ny mihoatra noho izay, avy amin’ilay ratsy.

Tsy maninona ry havana, fa ny fahatelo, sady hanao tantara kely aho rehefa avy eo, dia izao : mahafantatra ny zava-dehibe ianao. Sady manana fanapahan-kevitra ianao an, no mahafantatra ny zava-dehibe ao amin’ny fiainana. Dia hoy ny olona rehefa manao ny dinika ho an’ny zanatsika rehefa hiasa izy ; rehefa hiditra hiasa ianareo ry tanora, dia hoy ny olona tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny toeram-piasana, anisan’ny fanontaniana apetrany izay: « alaharo hoe izay zava-dehibe sy maika amin’ito : inona no zava-dehibe ary inona no zavatra maika ? ». Raha vao tsy hainao ny mandahatra an’izay, dia hoy ilay tompon’ny orinasa : « mety hanahirana ny fiaraha-miasa aminao an ; mety hanahirana an ». Fa ny olona manana an’i Jesoa sy ny Fanahy Masina dia izao : rehefa manaiky isika fa Jesoa no Tompo sy Mpamonjy, dia mazava amintsika ny hoe : ity no zava-dehibe, ary ity no zavatra maika eo amin’ny fiainantsika.

Averiko izy ity an, efa renareo teto fa averiko. 5minitra ; tsy ataoko 5minitra fa latsak’izay. Anniveraire an’i Ronald Reagan, tantara tena marina ; mbola tanora izy tamin’izay. Dia hoy ny dadatoany : « inona ny kiraro tianao : kiraro carré carré ny lohany, sa kiraro somary maranitra ? ». Lehilahy izany, Ronald Reagan, 18 taona izy. Anniversaire-ny izany, ohatra  hoe Alahady androany. « Dadatoa an, aleo aloa izaho hieritreritra ». Efa miantomotra ny andro : « inona ihany ny kiraro tianao ? » satria ny dadatoany mpanao kiraro : « ilay carré carré, bout carré, sa… ? » « Aoka aloa hieritreritra dadatoa an ». Tonga ny Alahady maraina, iny ny dadatoany mitondra kiraro : faly ery Ronald Reagan fa hahazo kiraro, cadeau vaovao omen’ny dadatoany. Navoaka ny kiraro : ny ankavia carré carré ny lohany, ary ny ankavanana, maranitra ny lohany. Dia sady nihomehy izy no nisento. Dia hoy ny dadatoany : « anaka, rehefa tsy manapa-kevitra ianao, dia ny olona no manapa-kevitra amin’ny fiainanao ». Rehefa tsy manapa-kevitra ianao, izao tontolo izao no manapa-kevitra ary mitomany sy misento sy matiantoka ianao. Ary ilaozanao ny fanararaotra eo amin’ny fiainanao.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo : ny fanapahan-kevitra tsara indrindra anio dia ao amin’i Jesoa Kristy ianao ; ilay Tompo sy Mpamonjy ny fiainanao. Ary rehefa ao amin’i Jesoa Kristy ianao, dia manana antoka ianao ary ny antoka tsara indrindra eo amin’ny fiainanao dia ianao mibebaka. Ka antoka sady ho amin’ny lasa izany, ny ankehitriny, ny amin’ny ho avy. Ny antoka mantsy ry havana, rehefa manao taratasy amin’ireo toeram-piantohana ireny isika ; dia fiantohana ny ho avinao ihany, manomboka izao ka hatramin’ny faran’ny volana ohatran’izao no iantohanay ianao. Fa tsy mieritreritra izay lasanao any loatra ny fiantohana. Fa rehefa ao amin’i Jesoa ianao, ka manaiky mibebaka, dia iantohan’i Jesoa ny lasanao sy ny ankehitriny ary ny ho avinao. Izay anie no nahatonga an’i Martin Luther, rehefa nitoriteny tahak’izao izy e, dia hoy ny devoly taminy : « ianao izao mitoriteny io : izao no toetranao taloha, izao no toetranao taloha, izao no toetranao taloha, izao no toetranao taloha ». Dia hoy Martin Luther, izay nanangana ny Fiangonana, tsaroantsika ao anatin’ny Ffkm, mialaza hoe : « izany rehetra izany efa nodiiovin’i Kristy tamin’ny ràny izany ».

Ry havana, tia anao anie Jesoa e, ka mamela ny helokao e. Tena tia anao Jesoa ka mamela ny helokao. Ny anjaranao dia mibebaka, tsy miverina amin’izany fahotana izany intsony. Ankehitriny : fotoam-pankasitrahana. Ankehitriny : fotoam-pamonjena. Ary ny ho avinao : manana antoka azo antoka ianao raha manaiky fa Jesoa no Tompo sy Mpamonjy ; ary na ho avy anio aza ny Tompo, rehefa miverina amin’ny fitiavana voalohany ianao, dia manana antoka amin’ny fiainanao. Koa aza manahy e, aza matahotra, fa an’i Jesoa ianao.        

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, ny fehiny dia izao :   

  • Miverena amin’ny fitiavana voalohany amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra
  • Miverena amin’ny fitiavana voalohany amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra
  • Miverena amin’ny fitiavana voalohany amin’ny alalan’ny finoana an’Andriamanitra.

Ry havana, ny dikan’ny teny hoe Jobily an, ny fikan’izany dia « taom-panafahana ». Jobily fisotroan-drononon’ny Mpitandrina izay niara-niasa tamintsika ; fa ny tena hevi-dehibe ao anatin’izay, dia « afaka » isika. Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo hoy Jesoa, dia ho afaka tokoa ianareo. Ny fifaliana ho anay Mpitandrina dia ny Fiangonana na zanak’Andriamanitra manaiky hoe : « manomboka izao aho Pasitera, dia Jesoa no Tompo sy Mpamonjy ahy. Hiverina amin’ny fitiavana voalohany aho ». Ary ny fifaliana ho anay Mpitandrina dia izao : manaiky tokoa ho iraky ny Tompo ianao hilaza ny vaovao mahafaly amin’ny olombelona rehetra, ary hijoro vavolombelona tsy ho menatra ny antson’ny Tompo eo amin’ny fiainanao.

Ho an’Andriamanitra ny voninahitra, ho antsika kosa ny fahasoavan’i Jesoa Kristy. Amena                     

image_pdfPDF