ALAHADY 05 SEP 2021

Asan’ny Apostoly 10 ry havana, Asan’ny Apostoly 10. Ho singanintsika ny and.44. Asan’ny Apostoly 10 :44 : « Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’ izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina ».

Ny nandre ny teny eto, ka nilatsahan’ny Fanahy Masina dia lehilahy antsoina hoe : Kornelio, kapiteny romana ; jentilisa izany. Fa efa nanomboka nitoriana ny tenin’Andriamanitra izy an, nitorian’ny jiosy an, dia efa nanomboka nanatona. Dia, mihaino tsara ny toritenin’i Petera izy, mihaino tsara izy ; dia eo am-pitoriana teny eo Petera, mbola tsy tapitra ny toritenin’i Petera, dia milatsaka ny Fanahy Masina amin’i Kornelio sy ny ankohonany. Hita eo hoe : milatsaka ny Fanahy Masina amin’i Kornelio sy ny ankohonany. Efa nilatsaka, raha ity texte ity izany, tamin’i Kornelio sy ny ankohonany ny Fanahy Masina. Ilay fanontaniana ry havana malala dia izao : EFA NILATSAKA TAO AMINAO VE NY FANAHY MASINA ? Tsy manontany anao ny Tompo, hoe : inona moa ny andraikitrao ato am-piangonana ato : Pasitera ve ianao, mpiandry ve ianao, diakona ve ianao, mpitendry orgue ve ianao, mpamoron-kira ve ianao, fihoan-tsampana ve ianao? Manontany anao ny Tompo hoe : EFA NILATSAKA TAO AMINAO VE NY FANAHY MASINA ry havana ô?

Ny Fahamarinana 1 dia izao, ho an’ny olona manontany tena hoe : efa nilatsaka tamiko ve ny Fanahy Masina ; ny Fahamarinana 1 dia izao, ny fampieritreretana voalohany dia izao, hoe : FANTATRAO VE NY FANAHY MASINA ALOHA E ?

Ankoatran’ny hoe : Andriamanitra telo Izay iray, dia hoe : ny Fanahy Masina no « personne » fahatelo amin’izany trinité izany. Fantatrao ve ny Fanahy Masina ry havana ? Izay ny Fahamarinana 1, izay ny fampieritreretana voalohany.

Andao ange jerentsika any amin’ny Testament Taloha e : ny fiasan’ny Fanahy Masina :

  • 1 Tantara 21 :26. Nanorina alitara Davida ry havana :« Ary Davida nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah ka nanatitra fanatitra odorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an’ i Jehovah izy ka novaliany tamin’ ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana ». Io : Fanahy Masina milatsaka avy any an-danitra ry havana ô.      
  • 2 Tantara 7 :1 :« Ary rehefa vita izany vavak’ i Solomona izany, dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra odorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà, ka feno ny voninahitr’ i Jehovah ny trano ».
  • Texte farany jerentsika, ao amin’ny 1 Mpanjaka, alohakelin’ny Tantara : 1 Mpanjaka : tantaran’i Elia mpaminany tao ry havana, raha nifanandrina tamin’ny mpaminanin’i Bala ; 1 Mpanjaka 18 :38 :« Dia latsaka ny afon’ i Jehovah ka nandevona ny fanatitra odorana ».  Io afo milatsaka avy any an-danitra io ry havana, io : afon’ny Fanahy Masina io. Ary io Fanahy Masina io no milatsaka ato amin’ny Asan’ny Apostoly 10 tamin’i Kornelio sy ny ankohonany. Ary io afo io nilatsaka tamin’ny fanatitra nataon’i Davida sy Solomona, tamin’i Elia. Ary io afo io no mbola niseho tamin’ny Pentekosta ry havana, Asan’ny Apostoly 2 :2 : « Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehin’ afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’ izy rehetra isan-olona izany ».

Rehefa miteny isika hoe : Fantatrao ve ny Fanahy Masina ? Fantatrao ve ny Fanahy Masina ? Izany no asan’ny Fanahy Masina rehefa midina avy any an-danitra Izy. Hitan’izay rehetra rehetra manatrika eo izany : « Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’ izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina ». Kornelio sy ny ankohonany izany.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, amin’izao alahady maraina 05 Septembre izao : tian’Andriamanitra halatsaka ao aminao sy ny ankohonanao ny Fanahy Masina, raha mazoto amin’izany ianao. Fa raha tsy mazoto amin’izany ianao, raha tsy fantatrao akory ny Fanahy Masina : diso hevitra ianao : tsy misy Fanahy Masina hilatsaka ao aminao ry havana ô.

Ny problemantsika Fiangonana, ataoko hoe isika Fiangonana ; tsy hoe isika Isotry Fitiavana ; isika Fiangonana zokiny, ao koa ny Fiangonana zandriny, ao koa ny secte : tena maro ry havana ô, no tsy mbola nifanena tamin’ilay Andriamanitra velona, tahaka an’i Mosesy tao Horeba, nahita an’ilay afo tao anaty roimemy ry havana ô. Izay ilay ifanenana amin’Andriamanitra velona. Ka rehefa tsy mifanena amin’Andriamanitra velona ianao : fantatrao intellectuellement, fantatrao ao an-tsainao Andriamanitra e. Fa fahalalana an-kandrina izany, fahalalana ao an-tsaina izany, fahalalana intellectuel izany. Manao Sefala ianao, manao Setela ianao : mitombo amin’ny fahalalana intellectuel ianao ; tsy any amin’ny Sefala na any amin’ny Setela no hantenainao hoe hahita an’Andriamanitra velona ; manovo fahalalana ianao any ry havana. Tsy misy maharatsy an’izany, fa ny base-ny dia hoe : efa nifanena tamin’ilay Andriamanitra velona ve ianao ?      

Fa ho an’ny maro, izany Andriamanitra izany, dia hoe « concept », voambolana ianarana any anaty boky ry havana ô. Ary izany Andriamanitra « concept » izany : tsy mandatsaka ny Fanahy Masina izany. Fa ilay Andriamanitra velona izay fantatry ry Mosesy, fantatry ry Davida, fantatr’i Solomona, fantatr’i Petera, raha nitoriteny izy, no te handatsaka ny Fanahy Masina amintsika Fiangonana amin’izao maraina izao. Ary io Fanahy Masina io ry havana, rehefa milatsaka ao amintsika, dia mitondra fanasitranana. Mitondra fanasitranan’ny fanahy, mitondra fanasitranan’ny saina, mitondra fanasitranana ny nofontsika ry havana ô. Ny olona manao chimiothérapie izany : sady lafo be izany chimiothérapie izany an, misy olona tsy mahazaka ny chimiothérapie, misy effets secondaires izany chimiothérapie izany an : maro ny mpanompon’Andriamanitra nijoro vavolombelona, ary nijoro vavolombelona teo imason’ny dokotera, fa nositranin’ny Fanahy Masina izay nalatsaky ny Tompo tao aminy ry havana ô. Ny Fanahy Masina io rehefa milatsaka ao amin’ny fiainan’ny olona ry havana, rehefa milatsaka ao amin’ny fiainan’ny olona ny Fanahy Masina, dia mandoro izay rehetra faka mamatotra azy ; mamatotra azy amin’ny zava-mahadomelina, ary mandoro ao aminy izay rehetra hoe faniriana mitondra azy, mampiroana azy amin’izany zavatra mahadomelina izany ry havana ô. Io Fanahy Masina io manadio ny masony mba ho tena hoe madio fijery izy, manadio ny fisainana, manaisotra izay mety hoe eritreritra janga rehetra ry havana ô. Rehefa milatsaka ny Fanahy Masina, rehefa milatsaka ny Fanahy Masina, dia tena hoe tahaka ny afo mandoro izay avonavona, izay fiheveran-tena ho zavatra, izay fanamarinan-tena. Izany ny asan’ny Fanahy Masina : mandoro, mandoro, mandoro io tsy fahaizantsika mifamela, tsy fahaizantsika mamela io ry havana ô.

Tahaka ny nandatsahan’Andriamanitra ny Fanahy Masina, tahaka ny nandatsahan’Andriamanitra ny Fanahy Masina tamin’i Davida, tamin’i Solomona, tamin’i Elia, tamin’ny andron’ny Pentekosta : mbola tiany handatsahana ny Fanahy Masina amin’izao maraina izao, raha fantatrao hoe iza ny Fanahy Masina ary fantatrao mazava ary tsotra tahak’izany ny fiasany ry havana ô.

Ny Fahamarinana 2 dia izao : andeha ange averintsika vakiana ilay Asan’ny Apostoly 10 :44 : «« Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’ izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina ». Tsisy resaka teo hoe nanao an’izao izy na nanao an’izao an. Tsisy resaka teo hoe natao batisa izy dia nilatsaka ny Fanahy Masina an. Tsia ry havana ô. Nandre ny toritenin’i Petera i Kornelio sy ny ankohonany dia nilatsaka ny Fanahy Masina. Izay ilay Fahamarinana 2 : TANDREMO MIHOATRA NOHO NY TAMIN’IZAY LASA IZAY NY TORITENY RENAO.

Nilatsaka tamin’i Kornelio sy ny ankohonany ny Fanahy Masina ry havana ô. Jereo ange ao amin’ny 10 :2 ao e, momba an’i Kornelio izay nandatsahan’Andriamanitra ny Fanahy Masina e : « ary mpivavaka tsara sady natahotra an’ Andriamanitra izy mbamin’ ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tamin’ ny olona sady nivavaka tamin’ Andriamanitra mandrakariva ». Raha ataontsika hoe fitaratra io Asan’ny Apostoly 10 :2 : manao ahoana ianao mijery an’izany fitaratra izany ? Kornelio, hoe : mpivavaka tsara, natahotra an’Andriamanitra izy mbamin’ny ankohonany rehetra, nanao fiantrana be tamin’ny olona sady nivavaka tamin’Andriamanitra mandrakariva. Ary rehefa tonga Petera, mamangy azy ao an-tokantranony ry havana ô, dia tena hoe raisiny sérieux ilay toriteny ataon’i Petera. Izay ity, izay ity. Ny laklen’ny andatsahan’Andriamanitra ny Fanahy Masina aminao dia ny fihainoanao tsara ny tenin’Andriamanitra ry havana ô. Marina fa eo ilay toe-po hoe mivavaka tsara, mivavaka mandrakariva, matahotra an’Andriamanitra ; fa izany ve isika mianakavy ireto : matahotra an’Andriamanitra ve isika mianakavy ireto ? Mihaona amin’ilay Andriamanitra Masina indrindra ve isika rehefa mankaty, sa ohatrany mankaty amin’ny club na association ry havana? Fa izany olona mpivavaka marina, lazain’ny Soratra Masina hoe : mpivavaka marina, manao fiantrana, mivavaka mandrakariva : izy sy ny ankohonany no nihaino ny tenin’Andriamanitra dia nandatsahan’Andriamanitra ny Fanahy Masina ry havana ô.

Tsy ny diplaomanao no handatsahan’Andriamanitra ny Fanahy Masina aminao, tsy ny volanao, tsy voavidin’ny vola aman-karena io Fanahy Masina io ; fa ny toe-po mahatonga anao hihaino tsara ilay tenin’Andriamanitra. Fa raha tonga aty am-piangonana ianao ; ato moa jerena tsy dia misy an’izany intsony ; hoe tonga aty am-piangonana ianao dia rehefa tonga ny toriteny dia andeha hivoaka ianao : tsisy Fanahy Masina hilatsaka aminao e ! Fa rehefa tonga ny toriteny ka ilaozanao mamadika boky, mamadibadika Baiboly : tsisy Fanahy Masina hilatsaka eo ry havana ô. Tsotra be ohatran’izany ange io e ! raha mandritra ny toriteny : lasa ny sainao, lasa am-borona eo ianao dia mieritreritra ny fiainanao ianao, mieritreritra ny zavatra ho vantaninao any an-trano rehefa avy eo ianao : tsisy Fanahy Masina e, hilatsaka aminao eo ry havana. Tsisy Fanahy Masina hilatsaka aminao eo !

Fa izany ny Fahamarinana 2 : TANDREMO BEBE KOKOA NOHO NY TAMIN’NY LASA NY TORITENY RENAO DIA HANDATSAKA NY FANAHY MASINA ANDRIAMANITRA.

Andao ange jerentsika ilay tantaran’i Elia teo ao amin’ny 1 Mpanjaka 18 ; izy ilay nifanandrina tamin’ny mpaminanin’i Bala sy ny mpaminanin’ny Aseraha ry havana. Atoron’Andriamanitra antsika bebe kokoa izany hoe fomban’ny olona miandry, manantena izany hoe filatsahan’ny Fanahy Masina izany. Eo amin’ny 1 Mpanjaka 18 :30 : «Ary hoy Elia tamin’ ny olona rehetra: Manatona ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary Elia namboatra ny alitaran’ i Jehovah izay efa rava ». Jereo tsara an : « Ary Elia namboatra ny alitaran’ i Jehovah izay efa rava ». Dia and.37-38 : «Mihainoa ahy, mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran’ ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray. Dia latsaka ny afon’ i Jehovah ». Atoro antsika izany hoe olona manantena ny filatsahan’ny Fanahy Masina izany.

Ry havana ô, io izany ilay hitantsika teo, hoe : rava, misy alitara rava teo, amin’ny teny frantsay, misy alitara en mauvais état, tsy fantatra hoe maninona, ravan’ny inona, na en mauvais état naninona. Fa dia namboarin’i Elia aloha ilay izy namboarin’i Elia io. Dia nivavaka Elia. Izany ny olona vonton’ny filazantsara, tena vonton’ny filazantsara. Ny filazantsara mamonto azy iny an, mitarika azy ho amin’ny vavaka, ho amin’ny fiainam-bavaka. Efa hitantsika izany tao amin’i Kornelio. Ahoana moa ry havana ny fampiarana an’izany ? Io hoe alitara rava amboarain’i Elia alohan’ny hivavahany amin’Andriamanitra : alitaran’ny fiainako io, alitaran’ny fiainanao io, alitaran’ny tokantranonao ion alitaran’ny ankohonanao io rava io amin’izao maraina izao, alitaran’ny asa aman-draharahanao io, alitaran’ny fanompoanao ao amin’ny fitandremana io ry havana ô ; izany misy faharavana izany. Ka raha manantena ianao hoe hilatsahan’ny Fanahy Masina : ampiasao aloha izay tratry ny herinao sy ny fahendrenao rehetra, hoe : « hay, ity tokony ahitsy ohatran’izao, dia ahitsiko ohatran’izao », « izaho no andraikitro satry ny vy tsy mikitrana irery : amboariko ny tokantranoko, amboariko ny ankohonako ». Izay no nataon’i Elia ry havana ; dia nivavaka amin’izay i Elia : « mihainoa ahy, Jehovah ô ; mihainoa ahy Jesoa ». Izany ilay izy ry havana, izany. Dia nilatsaka avy any an-danitra ny afo. Fa io afo io, io ange no nampiasain’i Jesoa fony fahavelony, nanao fahagagana e. Io afo io, io Fanahy Masina io, nahatonga azy hampahiratra ny jamba ; ny Fanahy Masina no nahatonga Azy hampalady ny marenina ; ny Fanahy Masina no nananganany an’i Lazarosy tamin’ny maty. Ary Andriamanitra mbola nampiasa ny Fanahy Masina ry havana, nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty. Andriamanitra nampiasa ny Fanahy Masina hampiakatra Azy tena hoe pile eo an-kavanan’Andriamanitra. Izany io Fanahy Masina tian’Andriamanitra halatsaka aminao amin’izao maraina izao ry havana ô. Tsy kilalao ity finoana ity. Tsy fombafombam-pivavahana ity. Tsy fahalalana foto-dalàna ity, ka hoe : oay, izao no foto-dalàna sy ny fitsipika any amin’ny synaodam-paritany. Tsy izany ny finoana ry havana ô. Olona mpino nanolo-tena ho an’Andriamanitra ary miandrandra isan’andro isan’andro izany filatsahan’ny Fanahy Masina aminy izany ; miasa amin-kery, miasa amin’ny fahefana.

Ry havana ô, raha nihaino tsara ny teny ianao hatreto, ilay teny vao notoriana teo : efa manokatra lalana hidinan’ny Fanahy Masina ao aminao izay nitandrina tsara an’izany teny izany, amin’izao maraina izao. Ilay teny notoriana teo :efa manokatra lalana ao aminao ry havana ô. Fantatrao ve izany ? Irianao ve izany ?

Jesoa vao nanomboka nitory teny any amin’ny Matio 5 dia niteny hoe : « Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana ». Mangetaheta an’izany fahafenoan’ny Fanahy Masina izany ve ianao ry Fiangonana ô ? Fa hovokisany ianao.

Jesoa dia niteny hoe : « Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondony, dia hovohana hianareo ». Mangataha ny filatsahan’ny Fanahy Masina e, dia hilatsaka aminao ny Fanahy Masina ry havana ô. Fantatrao Izy, dia angataho ary e : « izaho koa mba maniry izany herin’ny Fanahy Masina izany », « izaho mihitsy ilay hoe : mitoera eto ianareo fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina ; haiko tsianjery ry Jesoa an, haiko izany fa ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1 :8, fa tsy nihaina an’izany herin’ny Fanahy Masina izany aho, satria jamais nilatsaka tao amiko ny Fanahy Masina ».

Jeremia, any amin’ny Testamenta taloha dia efa nampanantena, Jeremia 33 :3, mora tadidy, hoe : « Antsoy Aho, dia hovaliako hianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao ». Ny filatsahan’ny Fanahy Masina izany ry havana malala ô. Ny filatsahan’ny Fanahy Masina izany. Izany no tian’Andriamanitra atao ho anao eto, amin’izao maraina izao, mba ho marina ara-bakiteny ilay hoe : tsy tahaka izay nidiranao tato no ivoahanao avy eto, ka tena hoe hilatsahan’ny Fanahy Masina ianao ry havana ô.

Andao isika hivavaka, hiaraka hivavaka isika hangataka ny Fanahy Masina ry havana ô : « Tompo malala ô, midera Anao izahay, mankalaza Anao noho ny fahasoavanao aminay Fiangonana e. Navotanao izahay, nafindranao avy tao ambany vahohon’i Satana izahay ho ao amin’ny fanjakanao. Ary tsy ampy anao izany, fa tianao hivelona amin-kery sy amin’ny fahefana izahay, noho ny asan’ny Fanahy Masina. Mifona, mifona, mifona ny amin’ny tsy nahafantaranay an’izany. Mifona, mifona ny amin’ny tsy niraharahianay an’izany Mpamonjy ô. Mifona, ny amin’izay hoe : nihainonkenoinay fotsiny ny teninao, ny toriteninao ; tsy nomenay lanja, tsy tena Ilay Andriamanitra velona, Ilay Andriamanitra Masina indrindra, Ilay Andriamanitra be voninahitra ; ary rehefa mihaino ny teninao izahay, mihaino ny toriteninao izahay, dia henoinay tsara, fa avy hatrany dia asesiky ny devoly ao izay eritreritray manokana manalefaka, manohitra an’izany toriteny izany. Mifona amin’izany izahay Mpamonjy ô. Mifona amin’izany izahay e. Ankehitriny izahay dia faly misaotra Anao, fa hay ve ny fihainoana ny teny e, ny fandraisana an’izany teny izany sérieux e, mahatonga Anao e, handatsaka ny Fanahy Masina ao amin’ny tsirairay e. Amindrao fo izahay Tompo malala ô, fa manomboka izao, mba omeo anay ny handray au sérieux ny toriteny. Ovay ny toe-ponay, mba omeo anay, tahaka an’i Kornelio, mbola tsy nilatsahan’ny Fanahy Masina akory aza izy, dia efa kilasianao hoe mpivavaka marina, mpivavaka mandrakariva. Lazain’i Petera amin’ny toriteny fa hoe matahotra fatratra an’Andriamanitra ; voleo ao am-ponay Isotry Fitiavana izany hoe fahatahorana anao izany Andriamanitra ô. Dia Ianao kosa hanatanteraka ny teny fampanantenanao, handrotsaka be dia be isan’andro isan’andro ny Fanahinao Masina ao aminay. Fanahy Masina ô, milatsaha ao aminay, milatsaha ao amin’ny fiainan’ny tsirairay ; milatsaha ao amin’ny fanahin’ny tsirairay ; milatsaha ao amin’ny tokantranon’ny tsirairay, aoreno izay rava ao amin’ny tokantrano tsirairay ; sitrano izay maratra sy marary ao amin’ny ankohonan’ny tsirairay. Fanahy Masina ô, milatsaha ao amin’ny fisainanay, milatsaha ao amin’ny vision-nay rehetra, milatsaha ao amin’ny programanay rehetra, milatsaha amin’ny volanay Mpamonjy ô. Izany no angatahinay Aminao : milatsaha amin’ny fanompoanay, mba tena hoe : ho fanompoana hankalazana anao, fa tsy ankalazana ny voninahitray, satria tena hoe fanompoana iasan’ny Fanahy Masina amin’ny fahefany sy amin’ny heriny. Fanahy Masina ô, araka ny hiranay teo : Ianao no irahina ho mpiantoka ny famonjena ana : tanteraho izany Fanahy Masina ô. Izao vavaka izao dia ataonay amin’ny anaran’i Jesoa. Amen ».