ALAHADY 05 JOL 2020

Ao amin’ny filazantsara araka ny Jaona, Jaona 9 : 35-38. Izay no anombohantsika ny hafatra. Jaona 9 :35-38, andao iarahantsika mamaky amin’ny anaran’i Jesoa izany : « Jesoa nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao? Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy? Hoy Jesoa taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy. Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy ».

Ilay lehilahy miresaka amin’i Jesoa dia lehilahy teraka jamba, ary nositranin’i Jesoa amin’ny fomba mahagaga. Dia ny fiafaran’ilay perikopantsika androany, eo amin’ny and.38, dia niteny ilay lehilahy jamba teo aloa : « Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy ». Niankohoka teo anatrehany izy.

Ny Fahamarinana 1 ry havana dia izao : NY ARETINA, NY TSY FAHASALAMANA, DIA AMPIASAIN’I JESOA AMPAHIRATANA ANTSIKA ARA-PANAHY.

Anatin’ny Corona isika ry havana izao. Mihanaka ny Corona. Misaotra an’Andriamanitra fa noho ny famindram-pony, noho ny fitondrany ny fiainako sy ny fiainanao : mbola tsy tratran’ny Corona isika. Fa na ho tratran’ny Corona isika na tsy ho tratran’ny Corona, raha ho tratran’ny aretina hafa isika, tsy maintsy hisy izany, aretina hafa ; dia izao ry havana ataovy ao an-tsaina an : ampandalovin’Andriamanitra amin’io aretina io ianao satria tiany ampahiratina ny masom-panahinao. Ka raha ianao ao anatin’ny aretina ry havana, aretina mety efa mitaiza aman-taonany, aretina vao hitranga, aoka ny reflexe, reflexe-tsika Fiangonana dia hanao hoe : « Tompo ô, ampandalovinao amin’izao aretina izao aho. Inona ary araka ny hafatrao no mbola tianao ampahiratana ny masoko ara-panahy ? Inona ? Hitako ny aretina, fa inona no tianao ampahiratana ahy ara-panahy ? ». Izany ny zavatra mitranga eto amin’ity perikopantsika androany ity ry havana ô. Tena hoe sitranin’i Jesoa ilay mason’ilay lehilahy tena hoe jamba ara-nofo ; fa araka ny nolazaintsika teo : Izy miteny hoe : tsy izy akory no nanota na ny ray aman-dreniny no nanota ka jamba izy ; fa mba hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra. Inona ny voninahitr’Andriamanitra ? Dia ny hananantsika maso ara-panahy mahiratra ka tonga ohatran’ny any ity lehilahy teraka jamba ity any amin’ny farany, hoe : miankohoka eo anatrehan’ny Tompo ry havana ô. Izany ny fankalazana ny voninahitr’Andriamanitra. Raha jerena ry havana ny Jaona 9 dia hita miandalana eo tokoa ilay fitombon’ny finoan’ity lehilahy ity rehefa hoe nampahiratin’i Jesoa ny masony. Miteny izy eo amin’ny and.11, anontanian’ilay mpiara-monina taminy izy : « fa iza no nanasitrana anao e ? », dia manambara izy hoe : « Ilay lehilahy atao hoe Jesoa », and.11. Enquêtiavan’ny fariseo indray izy : « fa ahoana no nahasitrana anao e ? », dia and.17 : « Mpaminany Izy ». Ilay lehilahy atao hoe Jesoa : Mpaminany Izy. Ary amin’ny and.33 indray, mbola enquêtiavan’ny fariseo ihany izy : « Avy amin’Andriamanitra izany lehilahy izany ». Izay ilay hoe mitombo miandalana ilay finoana rehefa navelan’i Jesoa nifanerasera tamin’ny mpiara-monina taminy izy, tamin’ny fariseo. Nahiliky ny ray aman-dreniny izy, dia mbola nahiliky ny fariseo. Occasion nitomboany tamin’ny finoana izany. Ary Jesoa ry havana, tena hoe nanaja azy. Tsy vao hoe sitrana, nahiratra avy any amin’ny farihy Siloama izay nanirahan’i Jesoa azy hoe hanasany ny masony, dia tsy tonga dia hoe : « avia ianao ilazako zavatra ara-panahy » ; non. Nanaja azy, nanaja ilay fifaliana. Azontsika an-tsaina anie izany hoe fifalian’ny olona hoe jamba dia mahiratra e. Navelan’i Jesoa iaina an’izany fifaliana izany izy. Tsy avy hatrany dia nandodona azy Izy. Fa izay : hitantsika ry havana ô, hitantsika ilay évolution spirituelle an’ity lehilahy teraka jamba teo aloa ity. Fa izao, hoy ny eo amin’ny and.13 rehefa navelan’i Jesoa niaraka tamin’ny mpiara-monina taminy izy, tamin’ny fariseo, dia tamin’ny ray aman-dreniny, dia tamin’ny fariseo indray ; eo amin’ny and.35 : « Jesoa nandre fa efa noroahiny ralehilahy ». Noroahin’ny ray aman-dreniny ve ? Noroahina tao amin’ny synagoga ve ? Voahilika hatraiza hatraiza ity lehilahy ity. Voahilika izy. Anatin’izany fahoriana izany no anatanterahin’i Jesoa ny finoany. And.35 hoe : « Jesoa nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe : Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao ? ». Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao ? Nahita azy Jesoa, nanatona Azy Jesoa, tsy nanao hoe : « Salama ianao. Nanahoana ilay maso ? Mahiratra tsara ? Mazava tsara ? ». Tsy izany no nataon’i Jesoa ry havana ô. Nanatanteraka ilay fampahiratana azy ara-panahy izy hoe : « Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao ? ». Fa dia ilay fifaneraserana teo amin’ny fiaraha-monina teo no nanamasaka an’ilay finoana. Dia hoy ralehilahy hoe : « Iza moa izy Tompoko, mba hinoako azy ? Hoy Jesoa taminy : efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no izy ». Te hanambara ny tenany aminao ny Zanak’Andriamanitra amin’izao maraina izao ry havana ô. Ary raha mahiratra ara-panahy ianao, zavatra tokana no ahafantarana an’izany amin’izao maraina izao, araka ilay and. 38 hoe : « Mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy ». Ni- « se prosterner ». Izay ilay fiankohofana. Amin’ny teny frantsay koa, hoe : ni-« adorer ». Na izaho Pasitera, na ianao mpivavaka ato : mila mitombo aimn’izany adoration izany isika e. Mila mitombo amin’izany fitiavana voalohany izany isika e. Na hiodin-kavia ianao na hiodin-kavanana, tsisy afa-miala amin’izany « adoration » izany isika ry havana ô. Ary isika rehetra ireto tao amin’ny fiainantsika nanana olona izay no-adorer-tsika : mety olon-tiana io, mety ray aman-dreny, zanaka, iray tampo. Tian’i Jesoa ho adorer-tsika tahaka izany Jesoa ry havana ô. Ary Izy irery raha ny marina no tiany ho adorer-tsika tahak’izany.

Izay izany ilay Fahamarinana 1 hoe : TSAROVY FA IO ARETINA MAHAZO ANAO IO DIA HOE AMPIASAIN’NY TOMPO MBA HAMPAHIRATRA ANAO ARA-PANAHY.

Ny Fahamarinana 2 dia ao amin’ny Asan’ny Apostoly 26 :16 : « Fa mitsangàna, ka mijoroa amin’ ny tongotrao ». Ny Fahamarinana 2 dia izao ry havana : AZA MENATRA NY LASANAO.

Rehefa tahaka an’ity lehilahy teraka jamba ity mantsy, ary ny olona rehetra ry havana dia teraka jamba. Mety tsy teraka jamba ara-nofo ; fa ny olona rehetra dia teraka jamba ara-panahy. Dia rehefa mahiratra ara-panahy ianao dia mahita ny fiainanao, mahita ny lasanao ianao : menatra ianao. Ny hafatry ny Tompo, dia hoe : AZA MENATRA NY LASANAO INTSONY, FA MITSANGANA KA MIJOROA.

Araka ny voalaza teo ry havana : misy fotoana isika, rehefa mijery ny lasantsika, mahita ny lalana sasany, mahita ny lalana maro nizorantsika fahiny, dia mahamenatra antsika izany ankehitriny rehefa nahiratra ny masontsika ara-panahy. Misy pejy sasany ao amin’ny fiainantsika ry havana ô, izay hoe tiantsika ho rovitina vao mahatsiaro azy isika. Ary ho an’ny sasany, tsy pejy, fa tena toko iray ao amin’ny bokin’ny fiainany mihitsy no tiany ho dorana. Tena possible izany, tena possible izany ry havana ô. Fa ny atoron’ny Tompo amintsika, dia ny hoe : rehefa mahatsiaro ny lasanao ianao, ifony tsy misy hatak’andro izany. Ny lasanao, ny sehon-javatra rehetra teo amin’ny lasanao ka mahamenatra anao : hifony tsy misy hatak’ andro izany. Ary izao no zavatra mitranga ry havana : rehefa hoe ny tantaram-piainanao, izay sehon-javatra tsaroanao tamin’ny fahininao efa nifonanao, dia izao ny hafatry ny Tompo aminao hoe : aoka izay ny mitanondrika, aoka izay ny mankalahelo tena. Fa ny Tompo miteny aminao hoe : « Mitsangàna e, ka mijoroa e ». Rehefa mahatsiaro ny passé-nao ianao ry havana. Andao anie sokafy ny fihirananao ao amin’ny 487 e, ilay hira 487. Andeha ange iarahantsika mamaky ilay and.2 amin’izany 487 izany : « Ny fiainako be siasia taloha, voaova mihitsy izao. Eny, ny fahotako izay nahavoa, voasasany koa izao ». Ataovy ao am-bavanao io hira io ry havana ô, rehefa mahatsiaro ny passé-nao ianao. Izao manko : ianao mahatsiaro ny passé-nao ; fa ny devoly koa, mahalala ny passé-nao izy e, mahalala ny lasanao ny devoly e ; ary ny lahasan’ny devoly dia ny mampatsiahy anao mandrakariva an’izany passé-nao izany ry havana ô. Izany ny lahasany. Ary mampanahy anao izy, miteraka fiahanahana ao aminao izy ny amin’ny famelan-keloka efa natolotr’Andriamanitra anao momba izany passé-nao izany. Ary raha tsy miambina ianao, raha tsy miambina ianao ry havana : tena ho lasa tokotany filalaovan’ny devoly io lohanao io io sainao. Lasa tokotany filalaovan’ny devoly. Tsy hanam-pifaliana ianao, tsy hanam-piadanana ianao : izy dia hiezaka handresy lahatra anao isan’andro isan’andro fa Andriamanitra mbola tezitra aminao fa impardonnable ianao e. Ary ianao io dia hoe tsy mendrika hanatona an’Andriamanitra izany. Izany ny attaque-ny devoly mba tsy hananantsika fifaliana ary hitoetra amin’ilay fahamenarana noho ny lasa ry havana ô. Enga anie ry havana, ka ho maro ny mpivavaka ato amin’ity Fiangonana ity amin’izao maraina izao, ka afaka hiteny hoe : « ie, mpangalatra aho taloha, ie mpanodikodina volam-panjakana aho taloha, ie mpandainga aho taloha, ie mpandala fomban-drazana, mpanompo sampy aho taloha, fa efa afaka tamin’izany aho ary efa nofafan’ny Tompo tamin’ny ràny teo amin’ny hazo fijaliana izany fahadalako sy fahalotoako rehetra izany » ry havana ô. Aza mitanondrika intsony, aza mitanondrika. Ny Tompo no miteny aminao hoe : Mitsangàna, mijoroa.

Ary Paoly izay ampitondrain’ny Tompo izany hafatra izany : izy no nitsangana, izy no nijoro, izy rehefa nokasihin’ny Tompo ny fony teny an-dalana ho any Damaskosy ny havana ô, rehefa novain’i Jesoa fo izy ry havana : tsy nagatak’andro izy : teo noho eo ihany izy dia nanomboka ny asa fitoriana ny filazantsara. Ary nanomboka tamin’ilay minitra voalohany nitoriany ny filazantsara ka hatramin’ny fara-fofon’ainy, tsy ahitana trace, na kely ohatran’iny aza ny amin’izay hoe fahamenaran’i Paoly ny amin’ny lasany sy nanenjehany an’i Jesoa Kristy sy ny mpianany. Ry havana ô, aza menatra ny lasanao intsony.

Ny Fahamarinana farany dia izao : MANOME ANAO ANTOM-PISIANA MAZAVA NY TOMPO DIA NY HAMPAHIRATRA NY MASON’NY HAFA

Irahin’ny Tompo ianao hampahiratra ny mason’ny hafa, eo amin’ny and.17 sy and.18 : « hamonjy anao amin’ ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, hampahiratra ny masony hialany amin’ ny maizina ho amin’ ny mazava, ary amin’ ny fahefan’ i Satana ho amin’ Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin’ izay nohamasinina noho ny finoana Ahy ».  Miverina in-telo ity fijoroan’i Paoly Apostoly vavolombelona ny amin’ny fihaonany tamin’ny Tompo. Mahagaga izany ry havana. Misy zavatra tian’ny Soratra Masina, tian’i Paoly avohitra ao. Ny avohitr’i Paoly amin’izao maraina izao, dia hoe : misy mission ry havana ô ankininy amiko sy ankininy aminao, dia ny hampahiratra ny mason’ny hafa. Ary azavaina ilay hoe « mampahiratra ny mason’ny hafa ». Ilay olona jamba ara-panahy ry havana lazain’i Paoly eo amin’ny and.18 dia mitoetra ao anatin’ny haizina ara-panahy, ao anatin’ny fahafatesana ara-panahy. Irahina isika ampahiratra ny masony. Ny olona jamba ara-panahy araka ity and.18 dia hoe mitoetra eo ambany fahefan’i Satana. N’inon’inona fahaizany, firazanany, etc…, rehefa jamba ara-panahy izy ; mitoetra eo ambany fahefan’i Satana, mbola ivelan’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary izany no asa ambony indrindra ary masina indrindra anirahiny ahy sy anirahany anao : rehefa nampahiratiny isika dia hoe : « irahiko koa ianao ampahiratra ny masony ialany amin’ny maizina ». Paoly maniraka io dia hoe mijoro vavolombelona ny amin’ny tantarany. Paoly ange ry havana e : izy ilay hoe niainga avy any Jerosalema nifofofofo fankahalana ; miainga any Jerosalema ho any Damaskosy, nojereko hoe 330km izany hoe Jerosalemana mankany Damaskosy. Asa na nandeha inona izy na nandeha inona, nitondra taratasy hisamborana ireo kristiana, hampiverina azy any Jerosalema, hanameloka azy ho faty. Teny an-dalana Saoly no nisehoan’i Jesoa ary nokasihiny ny fony. Teny an-dalana ho any Damaskosy, nokasihin’i Jesoa ny fony ry havana ô. Fa izao : tao Damaskosy Saoly vao voavonjy. Tao Damaskosy fa tsy teny an-dalana. Tao Damaskosy izy vao voavonjy. Inona ny zavatra nitranga tao Damaskosy rehefa nokasihin’i Jesoa ny fon’i Saoly? Hoe ndana ianao aloa mankany Damaskosy dia ho lazaina aminao izay tokony ho ataonao. Niseho tamina mpianatr’i Jesoa anankiray antsoina hoe Ananiasy i Jesoa, dia niteny Izy hoe : « ndana ianao mankany amin’i Saoly ». Tena natahotra be Ananiasy hoe efa re nge ny lazany, tena hoe mpamono olona ; « ndana ianao mankany amin’i Saoly fa manana programa Aho ho an’i Saoly ». Dia inona no nataon’i Ananiasy ? Nankatoa izy. Niteny izy hoe : « Inty aho Tompoko. Inty aho Tompoko ». Dia nametra-tanana tamin’i Saoly i Ananiasy ry havana ô. Nametra-tanana tamin’i Saoly izy ary dia hoe, niaraka tamin’izay, dia nisy zavatra toy ny kiran-trondro niala tamin’ny mason’i Saoly. Natao batisa izy, nahazo famelan-keloka izy. Tamin’izay fotoana izay Saoly, tamin’izay fotoana izay Paoly no voavonjy.

Inona no hafatra ho ahy sy ho anao ? Fa maninona izany no mahakasika ahy amin’izao maraina izao ry havana ô ? Mitady Ananiasy, tahaka ny nanirahana an’i Ananiasy i Jesoa ry havana ô hampahiratra ny mason’ny hafa e. METEZA IANAO HO ANANIASY. Rehefa miteny izy hoe : « Irahiko ianao hampahiratra ny masony, ny mason’ny jamba » : irahiko ianao an ; ianao no hampahiratra azy an. Asanao izany fa izaho tsy hampahiratra azy. Azonareo ve izany ? Izaho maniraka anao hampahiratra azy. METEZA HO ANANIASY RY HAVANA O.

Fa izao no teny fampanantenana, arka ny hitantsika tao amin’ny tantaran’i Saoly : ianao tsy miasa irery. Irahiny Ananiasy ; fa Izy efa nikasika ny fon’i Saoly. Ary amin’izao andro taorian’ny Pentekosta izao, ny Fanahy Masina ry havana ô, efa mahakasika ny olona izay tian’ny Tompo anirahana anao mba hampahiratinao ny masony. Isika Isotry Fitiavana moa mampihatra ny toriteny ao amin’ny ankohonana. Izao no hafatra ho antsika, fampaherezana eto am-pamaranana : mahatsiaro anao vady, mahatsiaro anao ray aman-dreny ny amin’ny zanakao, mahatsiaro anao zanaka ny amin’ireo ray aman-dreninao ireo : milaza aminao ny Tompo e : tsy foana tsy akory ny fikelezanao aina mananatra, mijoro vavolombelona, manao tenim-pitiavana, manao teny amin’ny fahalemem-panahy amin’io vadinao io, amin’ny zanakao, amin’ny ray aman-dreninao. Tsy foana izany. Avy amin’ny Tompo izany. Efa fanomanana azy izany. Fa ianao kosa : mangataha amin’ny Tompo hoe : « izaho efa nijoro vavolombelona Tompo an, fa andefaso Ananiasy amin’izay ity vadiko ity, ireto zanako ireto, ireto ray aman-dreniko ireto. Andefaso Ananiasy izy e, tahaka ny netezako ho Ananiasy ho amin’ny tokantrano sy ho amin’ny ankohonana hafa ».

Ho aminareo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo, ny fitiavan’Andriamanitra Ray, ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina. Amena