ALAHADY 04 NOV 2018

image_pdfPDF

Hebreo 11 : 13 ;16 : « Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tety ambonin'ny tany izy. Fa amin'izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an'ireo Izy ».

RESAKA TANINDRAZANA
Ny tonin’ny hiram-pirenentsika eo amin’ny fiatombohany, dia manao hoe : « Ry tanindrazanay malala, ry Madagasikara soa ». Raha izay dia afaka ovaina izany hoe : « Ry tanindrazanay malala, ry Jerosalema soa ». Izay ilay toriteny : fanovàna ny lasin-tsaina, hibanjina ny lanitra mandrakizay : Ry tanindrazanay malala, ry Jerosalema soa ». Ahoana ary no hanazavana misimisy kokoa izany hafatry ny Tompo izany ? Ilay Jerosalema soa io mantsy dia lazain’ny and.16 hoe tanàna namboarin’Andriamanitra ho an’ny olona izay nodimandry ao amin’ny finoana. Misy matoanteny 3 ao amin’ny and.13 azo anompanana izao hafatra izao. Ireo olon’ny finoana ambaran’ny and. 13 ireo dia miompana amin’ny matoanteny 3 ny fiainany, ny finoany :
- nahatazana ilay teny fikasana, ilay promesse
- niarahaba an’ilay promesse, amin’ny Segond dia hoe ni-saluer na ni-embrasser ilay promesse
- tsy mbola nahita ny teny fikasana, ny nahita ny fahatanterahan’izany teny fikasana izany.
Fa izy ireo, nodimandry ao amin’ny Tompo. Ny hirariana ho antsika izay antenaina fa hoe hanana ny tanindrazany manomboka izao, ny tena tanindrazany, any an-danitra, dia hoe samy hahatazana an’izany teny fikasàna izany, samy hiarahaba, hanoroka an’izany teny fikasana izany, na dia hoe mbola tsy nahazo an’izany teny fikasana izany aza.

Fahamarinana 1 : NY TENA MPINO DIA MAHATAZANA NY TENY FIKASANA
Anisan’ny andinin-tsoratra Masina malaza indrindra ary manampy amin’ny famaritana ny finoana, ny Hebreo 11 :1 : « Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita ». Izany no atao hoe finoana, ary izay koa ko lafin’ny finoana anankiray, fanehoana ny zavatra tsy hita. Hoy ny Segond hoe : « démonstration des choses invisibles ». Ary soa isika fa manana ity tenin’Andriamanitra ity, izay ambarantsika isaky ny Alahady hoe tenin’ny fahamarinana, milaza amintsika hoe misy tanàna masina any, izay nomanin’Andriamanitra ho an’i Abrahama, sy Isaka ary Jakoba, fa nomaniny ho antsika koa. Mino an’izany ve ianao ? Asehonao ao amin’ny fiainanao ve izany fa misy tanàna tsy hita maso izay nomaniny ho anao ?
Raha ity Madagasikara ity no jerena dia azo lazaina hoe tany tondra-dronono sy tantely, azo lazaina hoe mirakitra harena sarobidy tsy tambo isaina, tsy tambo tononina. Ny rehetra rehefa mijery an’ity Madagasikara ity dia hoe tena manan-karena Madagasikara, tena tsara Madagasikara. Ry havana, misy ny tsara lavitra noho ity tanindrazantsika ety an-tany ity, dia ilay tanàna tsy natao tanana. Ary rehefa mijery ny Hebreo 11 :39-40, i Abrahama sy Isaka ary Jakoba izay nodimandry, maty tamin’ny finoana, dia miandry antsika ao an-danitra ao ankehitriny. Fa tsy mbola avelan’Andriamanitra hiditra ao amin’izany Jerosalema Vaovao izany izy, fa miandry ahy sy miandry anao, hiditra amin’izany tanàna masina izany, dia by renivohitry ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao. Mino an’izany ve ianao ? Sambatra ianao raha manana tany tsara ety, raha manana trano tsara ety, raha manana an’izao sy izao ety an-tany ; fa mivavaha mba tsy ho variana ianao ka hanadinoanao ny tena izy, dia ilay tanàna ao Jerosalema Vaovao.
Inona no atao mba ho isan’ny haharitra amin’izany finoana izany ianao, mba hahatoky ny zavatra antenainao ianao ? Tsy vitan’ny hoe mino ny zavatra tsy hitan’ny masoko, fa mino aho fa misy izany Jerosalema Vaovao izany, ary manantena aho fa ho tafiditra any amin’izany Jerosalema Vaovao izany. Ny teny no manambara aminao izany, ary ny olona mino dia mamaly ilay teny amin’ny alalan’ny vavaka. Ny olona izay manantena fa nanamboaran’Andriamanitra an’izany Jerosalema Vaovao izay dia olona vontom-bavaka ny fiainany. Raha finoana tsy miorina amin’ny Soratra Masina, raha finoana tsy mitarika anao hivavaka, dia fombam-pivavahana izany, ary tsy hampiditra anao any Jerosalema Vaovao.
Nahafinaritra ilay sary nampiasain’ny mpanompon’Andriamabitra iray izay momba ny vavaka. Hoy izy hoe fantatr’isika tsara ireny tao-plesy ireny. Ilay tao-plesy hoy izy dia azo antsoina hoe vavaka ; ny tanana maninjitra ilay fingotra dia ny finoana. Ilay vavaka izany dia ampiasaina amin’ny finoana. Ary ilay vatokely no teny fikasana omen’Andriamanitra anao. Dia alefanao hitifiranao any an-danitra hoe Ray malala o, misaotra anao aho androany 04/11/18 nomenao teny fikasana mazava, dia teny fikasana izay nomenao an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ; io fa mivavaka aho amin’ny tao-plesiko enjaniko amin’ny tanako feno finoana ity, alefako any aminao ny vavako, mba haharetako amin’ny fahatokiana, ny fanantenako ary ho tena fanehoana an’izany zavatra tsy hita maso izany ny fiainako. Ry havana, miovà ianao raha tokony hiova, aoka ho vontom-bavaka izany fiainanao izany.
Izay izany ilay hoe nahatazana ny teny fikasana, dia ny fisian’ny Jerosalema Vaovao nomanina ho antsika izany.

Fahamarinana 2 : NY TENA MPINO DIA MIARAHABA, MANOROKA NY TENY FIKASANA
Ny zavatra tiana, ny olona tiana no horohana, horokorohana, atao maty oroka ; ary miteraka fifaliana ho azy izany, ary miteraka fifaliana ho an’ilay manoroka.
Abrahama sy Isaka ary Jakoba dia niarahaba, nanoroka an’ilay teny fikasana. Inona no vokatr’izany hoe nanoroka ilay teny fikasana izany ? Nanova tanteraka ny fiainany izany. Ny zavatra tena niova tao amin’ny fiainan’i Abrahama, ny zavatra tena nisongadina : nahafoy ny zavatra rehetra ho an’Andriamanitra izy ; hatramin’i Isaka, ilay zanaka lahy tokana, ilay zanaky ny teny fikasana, ilay zanaky ny fahanterana, foiny ho an’Andriamanitra. Izany ny olona manoroka ny teny fikasana. Satria nahafantatra izy hoe vahiny sy mpivahiny izy, fa ny tanindrazany dia Jerosalema Vaovao.
Fa rehefa jerena ihany io Hebreo 11 io, misy modeli-na finoana hafa ao, izay tena hoe nampifanaraka ny fiainany tamin’izany finoana izany. Ny ohatra omen’ny Hebreo 11 :4 dia Abela, rahalahin’i Kaina. Fa naninona no nankasitrahan’Andriamanitra ny fanatitr’i Abela ? Satria fanatitra niteraka fandatsahana rà . Raha tsy misy rà alatsaka, tsy misy fahamarinana, Izany no takatr’i Abela ; ny Soratra Masina tsy miteny hoe ahoana no nahafantaran’i Abela an’izany ; ary izany no tsy nankasitrahana ny fanatitr’i Kaina. Kaina manao fomba fombam-pivavahana fotsiny ; fa i Abela tena hoe nanao fanatitra alatsa-drà. Ary raha mbola velona izany Abela izany amin’izao fotoana izao ka hoe manantena Jerosalema Vaovao, tsy izany Abela izany no ho mpanao kolikoly amin’izao fotoana izao, fa mandeha amin’ny fahamarinana. Ary izany Abela izany, lazain’ny Hebreo 11 fa mbola miteny na dia maty aza.
Ny ohatry ny tena finoana omena antsika koa dia Enoka, niakatra velona any an-danitra. Fa alohan’ny niakarany velona any an-danitra, inona ny zavatra lazaina momba an’i Enoka ? Niara-nandeha na nandeha miaraka amin’Andriamanitra. Firy amintsika no lazaina, raha jerena avy any an-danitra, ka hoe mandeha miaraka amin’Andriamanitra ?
Sitrak’Andriamanitra, na i Abela, na i Enoka ry havana.
Fa olona hoe novain’Andriamanitra koa ny fiainany, dia i Noa. 70 taona izy nanamboatra ny sambo ; izany hoe ny fiainany dia tena natokany hanaovana tetik’asa ho an’Andriamanitra. Ny asanao ve ankasitrahan’Andriamanitra ? Ary io asanao io ve araka ny tenin’ny Apostoly Paoly, ataonao amin’ny finoana, fa tsy ataonao toa ny ho an’ny olona, fa hoe ho an’Andriamanitra ? Izany ny olona manoroka ilay teny fikasana hoe misy izany Jerosalema Vaovao izany, fa tsy hoe mody fotsiny na tonon-kira mampientanentana fotsiny. Teny fikasana manova fiainana.
Tsary ihany ny mampatsiahy na mipasoka ny efa malama : zavatra roa no tsaroana manokana eto amin’izao maraina izao, ho antsika izay manana an’izany hoe tanindrazana any an-danitra izany, ho antsika izay manana ny razambentsika any an-danitra,ny razambentsika mantsy dia Andriamanitra, ny razambentsika mantsy dia Jesoa, ny razambentsika dia ry Abrahama sy Isaka ary Jakoba ; zavatra roa no ampatsiahivina hoe tokony ialana :
1. Ny famadihana
30 taona, 40 taona lasa izay, lohahevitra niteraka ady hevitra mangotraka izany famadihana izany. Fa 30 taona, 40 taoba aty aoriana, raha isika Fjkm, efa niteny mazava mihitsy hoe tsy fanaon’ny olona nandre ny teny fikasana ny amin’ny Jerosalema Vaovao, izany mamadika izany. Satria raha ny mpino Fjkm dia tsy mikirakira faty maina (foto-dalàna).
2. Ny fandihizana (bal)
Pasteur Ammi nampatsiahy tamin’ny herintaona, ary tsy niteny an’izany izy, fa ao ambadik’io, fomban’izao tontolo izao ; niteny izy tamin’ny Août 2017 tany Diégo : ity, hoy izy, tsy didy, fa teny-na ray aman-dreny, hoe ialao amin’izay io bal io. Ka ny fomba nitenenany azy doa hoe : aoka ny FJKM rehefa mamory olona amin’ny anaran’ny FJKM, aoka tsy asiana bal, fandihizana. Fa izy moa maka mora, izy moa mitaiza, dia izany no nilazany azy. Fa rehefa zohina ny logique, rehefa tsy mety, dia tsy mety.Teny amin’ny olona manaiky ny teny fikasana izany, manoroka ny teny fikasana ka milaza hoe izaho efa anisan’ny voasoratra any Jerosalema Vaovao ny anarako. Ka hoe, raha fety-na batisa, fety-na fandraisana fanasan’ny Tompo, fetim-piangonana, aza asiana bal. Fa raha hanao bal ianareo, mandehana any amin’ny boîte, mandehana any amin’ny toerana fandihizana ; fa tsy hoe batisa dia hisy bal, katekomena dia hisy bal.

Fahamarinana 3 : NY TENA MPINO DIA MANANA FAHARETANA AMIN’NY FAHATOKISANA NY ZAVATRA ANTENAINY
Ireto mpino ireto, raha tonga ny andro nahafatesany, dia tsy nahazo ilay teny fikasana. Ny dikan’ilay hoe tsy nahazo dia hoe tsy nahita ny fahatanterahana tanteraka, ilay accomplissement total an’ilay promesse.
Ampaherezana antsika izany mba haharitra amin’ny fahatokisana ny zavatra antenaintsika isika, haharitra amin’ny finoana ny zavatra tsy hita isika, sao dia hoe misy teny fikasana omen’Andriamanitra anao, ka hitanao hoe mbola tsy tanteraka izany.
Ny teny fikasana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama, dia hoe : omen’Andriamanitra itoeran’Isiraely ny tany kanànà. Ny teny faharoa dia hoe :ny zanak’i Abrahama dia ho tonga firenena lehibe. Ary ny fikasana fahatelo dia hoe : hiteraka i Saraha vadiny, ka atao hoe Isaka ny anarany. Ary ny farany dia hoe : avy amin’ny firenena jiosy, izany hoe tamin’ny taranak’i Abrahama no hivoahan’ny Mesia. Ireo ny teny fikasana nomena an’i Abrahama. Raha nodimandry i Abrahama, fikasana iray tamin’ireo ihany no tanteraka tamin’ny fahavelony. Sao dia kivy ianao, araka ilay notenenina teo, mampiasa tao-plesy ihany, kanefa tsy mahazo valim-bavaka. Maharetà ! Maharetà amin’ny fiainam-bavaka, fa ny Tompo hahatanteraka izay rehetra ho anao. Ary manokafa Baiboly isan’andro, fa araka ny fitenin’ny mpandinika Baiboly : misy teny fikasana iray ho an’ny olona ao fara-fahakeliny isan’andro. « Il y a une promesse pour chaque jour ». Ampiasao ny tao-plesy handefasanao an’izany promesse izany, ampatsiahivanao an’Andriamanitra hoe :Jesoa, ity teny fikasana androany 04/11 ity, ahoana ny amin’io ? Manokafa Baiboly. Tsy misy olona hoe tsy manokatra Baiboly izany ka handre an’Andriamanitra hanome azy promesse : ça n’existe pas ! Ampiasao ny tao-plesy dia maharetà miandry ny valim-bavaka, fa efa fantatr’i Jesoa ihany izay hataony hamonjena anao.
Faranana izao teny izao : ireo mpanompon’Andriamanitra resahina eto ireo,Abrahama, Isaka ary Jakoba, naniry ny tsara lavitra, dia ny any an-danitra, nitondra tena tahaka ny vahiny sy mpivahiny izy teto amin’ity tany ity. Ary izy ireo dia maty tamin’ny finoana.
Tsy maintsy ho avy, na ho ela, na ho haingana, ny andro ahafatesako, ny andro ahafatesanao. Amin’izay fotoana izay ve, na afaka adiny iray, na afaka 100 taona, dia afaka miteny izay manatitra anao hoe : maty tamin’ny finoana izy io ?
Nijoro vavolombelona, ary tena sambatra ny zanak’i César Malan,mpamoron-kira tena nandray ny Tompo ary mpamoron-kira ara-pilazantsara malaza be ; manoratra ny biographie-ny dadany izy, dia sambatra izy manoratra izany, fa ilay dokotera nandeha ni-consulte ny dadany teo amin’ny fandriana nahafatesan’ilay dadany, tonga tao, dia niteny ilay dokotera : sambatra ianao manana ray ohatran’io, fa hitako maso ankehitriny ny zavatra henon’ny sofiko fotsiny hatramin’izay, hoe sambatra ny olona izay modimandry ao amin’ny Tompo. Efa ren’ny sofiko izany, fa nahita ny dadanao aho dia hitako izany hoe olona niomana modimandry ao amin’ny Tompo izany.
Ry fiangonana, manao ahoana ny finoanao ? Finoana ve ny anao sa sanatria an’izany fombam-pivavahana ? Enga anie ny Tompo hitahy izany teny izany ary samy ho hita voaomana ho amin’ny fihaonana amin’ny Tompontsika isika rahatrizay ho avy haka antsika izy.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo.

Amena

 

 

image_pdfPDF