ALAHADY 03 MEY 2020

image_pdfPDF

Ao amin’ny Kolosiana 1 manomboka eo amin’ny and.9, perikopantsika androany no hakana ny hafatra ry havana. Milaza ny maha-zava-dehibe ny vavaka ity perikopa ity.

Ny fanombohan’ilay perikopa dia hoe : « Ary noho izany izahay ( Paoly) koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo » eto Kolosia. Mivavaka ho an’ny Kolosiana ny Apostoly Paoly ry havana. Eo amin’ny and.9 no milaza an’izany. Nefa rehefa jerena any amin’ny and.5 amin’ity Toko 1 ity, dia efa lazain’i Paoly tsara hoe ireto kolosiana ireto : « efa renay ny finoanareo an’Kristy Jesoa sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra, manana finoana manana fitiavana » ; mbola entin’i Paoly am-bavaka ihany izy ry havana. Izany no maha hoe zava-dehibe ny mivavaka. Zava-dehibe ny mivavaka, koa mba mianara mivavaka amin’izay ry havana ô. Mianara, mianara mivavaka amin’izay.

Araka ilay fiteny efa rentsika dia hoe :ny vavaka manova zavatra. Ny vavaka manova zavatra. Koa mianara mivavaka amin’izay e. Ny vavaka manova zavatra. Raha ny marina ry havana, ianao io : valim-bavaka. Izaho Pasitera Solofo, azoko antoka fa valim-bavaka. Valim-bavaka isika mianakavy. Valim-bavaka aho eo ambany fahasoavan’Andriamanitra.
Ny vavaka manova zavatra. Raha ny marina dia hoe tsy ny vavaka no manana hery ho an’ny tenany. Fa ilay vavaka asandratro no mikasika ny fon’Andriamanitra. Dia Andriamanitra indray no mikasika indray ny fon’ilay olona entiko am-bavaka. Izay ilay vavaka manova zavatra ry havana ô : mikasika ny fon’Andriamanitra ilay vavaka, dia Andriamanitra no mampiasa ny heriny hanova an’io olona entina am-bavaka io. MIANARA MIVAVAKA AMIN’IZAY E. MIANARA MIVAVAKA AMIN’IZAY E. Ary raha omena titre ity toriteny ity aorian’izay fitarihina fohy izay, dia hoe : AOKA IZAY NY MIVAVABAVAKA E ! AOKA IZAY NY MIVAVABAVAKA E !

Mahafinaritra ilay perikopa, manan-karena ilay perikopa. Saingy ilay problema ry havana rehefa ohatran’izao ilay tenin’Andriamanitra, raha tsy mitady sehatra mazava hampiarana azy, eny e, eo amin’ny fiainantsika kristiana ; fa raha tsy mitady sehatra kely kokoa hampiarana azy an, tsy ho takatsika ny hamamin’ilay teny. Dia izao : araka ny mahazatra antsika ato Isotry Fitiavana, tsy maka sarotra isika, tsy mitady lavitra isika : andao ange hoe hampiarina ao amin’ny tokantrano sy ny ankohonana izao teny izao. Fa miteny izany Paoly eto, ampiariko eo amin’ny ankohonako, eo amin’ny tokantranoko izany.

« Ary noho izany izahay koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo ». Eo isika ray aman-dreny voleo izany fahazarana hoe tsy mitsahatra ny mivavaka sy mangataka ho an’ireo zanatsika ireo. Izany no maha-ray aman-dreny antsika ao amin’i Kristy. Rehefa miteny Paoly hoe : « tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka », tsy hoe ny androny manontolo dia nivavaka teo izy, non ; fa hoe : amin’ny fotoana ivavahan’i Paoly rehetra, ary nivavaka matetika izy tao anatin’ny journée, dia tsy mitsahatra ny mivavaka tsy manadino ary mivavaka ho an’ireto Kolosiana ireto e. Izay ilay fomba tsara tsara omen’i Paoly antsika eto ry havana : mivavaka sy mangataka ho an’ny ankohonantsika.
Dia inona ny zavatra angatahin’i Paoly voalohany ? Ny zavatra angatahiny voalohany dia hoe : « mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo ». Mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra ianareo. Izay no atao hoe mivavaka mikasika ny fon’Andriamanitra, ilay hoe : « mba hofenoina » : forme passive ; io ilay « passif divin », satria Andriamanitra no mameno amin’ny fahalalana tsara ny sitrapony. Izay izany ilay antom-bavaka voalohany ho an’ny ankohonana. Ahoana moa izany hoe « hofenoina izany » ? Mahatsiaro an’ireny infirmier ireny ry havana rehefa hanindrona anao izy. Dia eo imasonao izay, avoakany ilay seringue, trohan’ilay seringue ilay fanafody an ; fa inona ny zavatra ataony ? Somary potseriny kely ilay seringue an, mba hiala ilay rivotra ao anaty seringue. Dia avy eo dia manana endrila feno tsara ilay seringue alohan’ny hanindronana anao ry havana ô. Feno tsara, satria notsoahina ilay rivotra. Raha tsy tsoahina iny rivotra iny hoy ny dokotera, mamono an’ilay olona tsindronina. Ohatran’izany ny kristiana maro, tsy feno tsara izy : manana fahalalana sombitsombiny izy, manana fahalalana tapany izy, dia ohatran’io seringue io : misisika ao amin’ilay rivotra io ny fampianaran-diso, ny fampianarana avy amin’ny devoly. Izay ny zavatra nitranga tato Kolosia tato hoy Paoly : feno mpampianatra sandoka, feno mpampianatra fampianaran-diso. Dia mivavaka aho hoy Paoly ho anareo izay efa manana finoana sy feno fitiavana ny rahalahinareo « mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo ».

Dia tohizany hoe : « amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy ». Nahafinaritra ny ohatra nalain’ny mpitoriteny anankiray izay. Ny fahalalana amin’izao hoy izy tsy ampy. Tsy ampy ny fahalalana. Ary ny fahalanana hoy izy mampieboebo e, mampirehareha. Fa ilay fahalalana eto hoy iry mpitoriteny ity, hoe : azo oharina amin’ny soavaly. Dia izao : ny fahendrena no mitaingina azy. Raha soavaly tsy misy fahendrena, dia mihazakazaka miridiridy mankany an’anona, mety hitondra any an-kady iny. Fa ny fahalalana hoy izy dia oharina amin’ny soavaly, ary ny fahendrena no mitaingina azy. Ilay fahendrena mitady ny sitrapon’Andriamanitra, mitady ilay bonne direction. Dia hoe : « amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy ». Ilay fahazavan-tsaina indray hoe : « manome clair vision des choses ».
Fa na ilay fahendrena, na ilay fahazavan-tsaina hoy Paoly dia hoe fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina. Ka Ilay Andriamanitra ry havana, izay ilay antom-bavaka voalohany, izay mameno anao amin’ny fahalalana tsara ny sitrapony no manome anao koa ny Fanahy Masina hanananao fahendrena, hanananao fahazavan-tsaina amin’ny andavanandrom-piainanao. AOKA IZAY NY MIVAVABAVAKA E. AOKA IZAY NY MIVAVABAVAKA. Mba mianara mivavaka, aza mitsahatra. Ary ento am-bavaka voalohany ny vadinao, ny zanakao, ny ray aman-dreninao, ny iray tampo aminao.
Hoy ny and.10, antom-bavaka manaraka : « mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra ». Mandeha mendrika ny Tompo ry havana ô. Raha mandinin-tena ianao izao, dia mendrika ve ianao ? Mendrika ny Tompo ve ianao ? Ilay « mandeha » eto dia fampiarana ilay « fahalalana » teo. Izay ilay fandehanana. Tsy hoe mipetraka aho, mianatra aho dia mipetraka. Fa mianatra aho, fenoina fahalalana aho ary ampiariko ao amin’ny fiainako. Ary izany no itenenan’i Paoly hoe : mivavaka aho hoy izy, mba handehananareo mendrika ny Tompo e, mba handeha mendrika ny Tompo. Tsy mba fierté-nao ray aman-dreny ve mitantara amin’ny namanao, mitantara amin’ny fianakavianao : « ny zanako indray aloa dia mandeha mendrika ny Tompo e ». Afaka mizara an’izany ve ianao ? Sa zavatra hafa no maha-fier anao amin’ny vadinao na ny zanakao ?
Isika dia oharin’i Jesoa amin’ny ondry. Samy manana sary-na ondry isika ao an-tsaintsika. Fa izao : manana sarin’ny fandehan’ny ondry isika ry havana. Fa raha mahita ondry izao isika ka mandeha mitsambikimbikina ohatran’ny soavaly izy, dia gaga isika hoe : « oay, sampona ihany ity ondry ity fa mitsambikimbikina ». Na hoe mahita ondry isika fa mandady ohatrany bibilava, dia hoe : « fa ahoana ary ity ? ». Dia hoy ilay mpitoriteny anankiray hoe : rehefa mijery biby ohatran’izany isika, dia hoe ohatrany mahita clown. Ny clown no hafahafa ny fandehany. Ary misy kristiana koa hoy izy ohatrany clown ny fandehany. Ohatrany ahoana izany hoe kristiana clown izany ? Rehefa tsy mandeha mendrika ny Tompo izy an, fa mandeha araka ny fanaon’izao tontolo izao. Diniho kely ange ry havana e, diniho : atao hoe kristiana 8 na 9 amin’ny 10, hatramin’ny kristiana manao azy ho mifoha aza, mbola hoe te hanaraka, te hanahaka ny fanaon’izao tontolo izao. Te hanaporofo izy hoe « izaho efa nibebaka, izaho efa converti, fa izaho koa maharaka ny fomban’izao tontolo izao ». Sao dia ianao izany ? Clown ianao, clown ianao. Ary hampieritreritra anao izany teny izany manomboka anio : SAO DIA CLOWN IANAO ? FA RAHA CLOWN IANAO, TSY POSSIBLE HOE HANDEHA MENDRIKA NY TOMPO IZANY. Clown ianao raha mamaky Baiboly ihany ; fa raha ny fisainana, raha ny fiakanjo, raha ny hira hiraina hiran’izao tontolo izao. Clown ianao raha hoe maka gadon-kiran’izao tontolo izao dia petahinao fotsiny hoe « évangélique » ; mampihomehy izany hiranao izany ary tsy mandeha mendrika ny Tompo ianao ry havana ô. Andao isika hifampivavaka mba tsy hisy ho clown. Araka ny teny teo : ny vavaka manova zavatra ry havana ô.

Dia hoy Paoly : « hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra ». Izany no tokony ho tanjontsika ry havana : manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra. Diniho amin’ny saina tsy miangatra ange e, alohan’ny andrenesanao an’izao toriteny izao : inona no mba tanjonao teo amin’ny fiainanao ? Inona ny tanjona voalohany raha atao hoe namaritra tanjona vitsivitsy maromaro ianao eo amin’ny fiainanao ? Miteny anao ny Tompo amin’izao maraina izao hoe : manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra. Manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra raha tsy te ho clown araka ny nolazaina teo ianao. Amin’ny zava-dehibe, amin’ny zavatra madinika :aza avy hatrany dia hoe izay hevitrao, izay fanirianao no tanterahina e. Amin’io zavatra kasainao io, mba manana ny heviny anie ny Tompo e. Efa nanontanianao ve Izy ? Ianao izay milaza fa efa nanolo-tena ho an’ny Tompo : manana programam-piainana ho anao ange Izy e. Aza avy hatrany ny hevitrao no tianao tanterahina dia mivavaka ianao hoe : « Andriamanitra ô, tahio ny hevitro ». Tsy nanontany ny hevitry ny Tompo ianao, fa : « tahio ny hevitro ». Fivavaky ny clown izany. Fivavaky ny clown izany ry havana ô.
Ohatrany efa nozaraiko teto indray mandeha : nisy mpanompovavin’Andriamanitra izay, tamin’izy mbola tovovavy, dia nivavaka izy, mahita tovolahy mahafinaritra azy izy ao amin’ny Tompo dia hoe : « Jesoa an, omeo ahy ho vady i ra - anona iny ». Ao am-piangonana ao izany an, « mba omeo ahy ho vady i ra-anona e ». Dia hoy ilay mpanompovavin’Andriamanitra : « soa ihany fa tsy nohenoin’ny Tompo ny sitrapoko, fa in-10 aho angamba fara-fahakeliny no ho diso vady raha nohenoin’ny Tompo ny vavako tamin’izaho nangataka tamin’izao nangataka izay ho vadiko ». Taty aoriana izy vady-na mpanompon’Andriamanitra, vady-na evanjelista nahataona olona par dizaine de millions tety ambonin’ny tany. « Hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra » : ataovy tanjona izany e. Ary rehefa mitondra am-bavaka ny zanakao ianao, ianao izay manao sacrifice ohatran’io ho an’ny zanakao, dia angatao hoe : « Andriamanitra ô, mivavaka ho an’ireto zanako ireto aho mba hanao ny sitraponao izy amin’ny zavatra rehetra. Ary mivavaka ho anay mivady koa aho mba ho modely izahay mivady amin’izany fanaovana ny sitraponao izany amin’ny zavatra rehetra ».

Dia faranan’i Paoly ilay and.10 hoe : « dia mahavokatra amin'ny asa tsara rehetra ». Mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra. Normal be izany ry havana ô. Tian’Andriamanitra izaho, tian’Andriamanitra ianao hamokatra amin’ny asa tsara rehetra. Inona no tian’Andriamanitra hovokarintsika ? Tiany isika hamokatra mpino vaovao, tiany isika hamokatra zanak’Andriamanitra vaovao, tiany isika hamokatra disciple vaovao. Ary ireo olona ireo, vokatra avy aiza ? Vokatra avy amin’ny fandinihina ny fijoroantsika vavolombelona ao amin’ny fiainantsika ry havana ô amin’ny andavanandro. Fa tsy nataontsika hoe tsangan-kevitra fotsiny izany hoe fahalalana an’Andriamanitra izany. Fa mitondra vokatra, vokatra tsara ary izany no ho dinihina, vokatra hodinihina any an-danitra ry havana ô, rahatrizay tonga any isika.

Dia manohy ny Apostoly Paoly, hoy izy eo amin’ny and.11, mivavaka izy izany : « ary ampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny herin'ny voninahiny ». Ry havana ô, ry havana :na izaho, na ianao, tsy natao hamakivaky ity fiainana ity amin’izao herintsika izao e. Tsy izany. Ary izany no ilazan’i Paoly hoe : mivavaka aho hoy izy, mba « ampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny herin'ny voninahiny » ianareo. Ny Andriamanitra tompon’ny hery rehetra izay hoe hivavahana izany ry havana ô. Ilay Andriamanitra izay efa naneho izany hery izany tamin’ny alalan’i Jesoa, tamin’ireny fahagagana isa-karazany nataon’i Jesoa ireny. Izany no angatahina an’izany hery izany. Mino an’izany ve ianao e ? Raha mino an’izany ianao, tsy hivavabava-poana ohatran’ny fanaonao intsony. Ilay Andriamanitra nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty ary nampiakatra Azy fanindroa any an-danitra eo an-tanany an-kavanana. Izany no angatahina hoe mba hampahatanjaka ahy sy hampahatanjaka anao ry havana ô. Io hery io, hoy Paoly, ao amin’ny Efesiana 1 :19 amin’ny DIEM, mivavaka ihany izy, mivavaka ho an’ny Efesiana dia hoe : mba hahafantaranareo ny hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa ; hery lehibe sy mihoa-pampana izay anasoavany antsika mpino araka ny fiasany tsy hay tohaina sy mahery vaika. Izany io hery io, tian’Andriamanitra hampahatanjahina antsika ry havana ô. Tsy midika izany hoe hanao ohatran’i Jesoa, hanao fahagagana, hanangana ny maty ianao, tsia. Fa omeny anao izay hery tandrify anao amin’izay circonstance-piainana ampandalovany anao ry havana ô : ampahatanjahany amin’ny heriny rehetra araka ny herin’ny voninahiny, ampahatanjahany amin’ny hery rehetra amin’ny circonstance rehetra ; dia mahery ianao ry havana. Ary ny circonstance niainan’ny Kolosiana dia azo ampitoviana amin’ny circonstance iainantsika, ka mila ampahatanjahina isika ry havana ô. Tao Kolosia nisy jentilisa mpanompo sampy ; tahaka antsika koa misy malagasy mpanompo sampy. Ary misy amintsika kristiana, variana fotsiny ianao mijery reportage, tena hoe maro ny kristiana eto Antananarivo – eto Antananarivo aloa no resahina, tena mbola manao tan-droa. Hampahatanjahina ianao e, mba hahafahanao miala amin’izany. Hampahatanjahina ianao e, hanana fahendrena sy fahazavan-tsaina ialanao amin’izany, izany fomban’ny demonia izany, antsoina hoe « culture ». Tsia ry havana ô : fomban’ny demonia izany. Fa raha tsy hampahatanjahina amin’izany hery lehibe sy mihoa-pampana izany ianao, tsy ho afaka amin’izany. Hampahatanjahina isika mianakavy mba tsy ho raviravezin’ny slamo amin’ny vola kely, ianao mpivarotra entana io ; raviravezin’ny slamo amin’ny vola be ianao eo amin’ny fitondrana io. Mila hampatanjahina isika ry havana ô. Ary mila mifampivavaka isika mba ho hampatanjahina. AOKA IZAY NY MIVAVABAVAKA FOANA E ! AOKA IZAY NY MIVAVABAVAKA FOANA. Atoro anao ny antom-bavaka mahafinaritra ny sofin’ny Tompo ary mahakasika ny fony ka mahatonga Azy hiasa amin’izany hoe hery lehibe sy mihoa-pampana izany.

Dia tohizan’i Paoly hoe : « ho amin'ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin'ny hafaliana ». Rehefa ampatanjahin’ny Fanahy Masina ianao izany, dia misy toetra 3 koa hita eo : faharetana, fandeferana, hafaliana.
Ny faharetana dia milaza fahazakana tsy fitiavana. Manana faharetana ianao : zakanao ny tsy fitiavan’izao tontolo izao anao. Raha tian’izao tontolo izao ianao dia mieritrereta ihany. Fa ilay faharetana dia milaza fahazakan’ny kristiana tsy fitiavan’izao tontolo izao. Hoy isika : ampiarina ao amin’ny tokantrano. Ianao rahalahy, ianao anabavy ao amin’ny Tompo, ao anaty tokantrano ohatrany anaty helo : mivavaka ho anao mba hanananao faharetana eo anatrehan’izany tsy fitiavan’ny vadinao izany, tsy fitiavan’ny rafozanao izany. Izany, izany ry havana ô.
Amin’ny faharetana hoy Paoly, sy ny fandeferana. Ny fandeferana indray dia hoe fiaretana an-tsitrapo amin’izay zavatra avelan’Andriamanitra hipaka ao amin’ny fiainanao. Fiaretana an-tsitrapo. Rehefa miaritra an-tsitrapo ry havana aho ry havana, dia hoy aho hoe miaritra an-tsitrapo aho satria omen’ny Tompo fahazavan-tsaina aho oe « avy amiko io. Matoa mipaka ao aminao io, dia avy amiko io ». Dia miaritra an-tsitrapo aho. Tsy manana eritreritra aho hoe, eritreritra hamaly faty, eritreritra vengeance, fa miaritra.
Ary dia hoy Paoly hoe : ho amin’ny faharetana rehetra – ampatanjahina ho amin’ny faharetana : tanjona tratrarina izany ilay izy - sy ny fandeferana amin’ny hafaliana. Efa hoe any amin’ny helo ianao, efa hoe any an-davaky ny liona ianao ao an-tokatranonao : mbola omen’ny Tompo fifaliana, fa tsy hoe lasa mi-déprime ohatran’ny kristiana maro ry havana ô. Omeny fifaliana ianao ao an-davaky ny liona. Fa izao : tsy noho ny herinao na ny fahendrenao izany fifaliana izany, fa hoe valim-bavaka. Dia tahaka an’i Paoly ianao, hoe, ery ambanimbany ery, ery amin’ny and.24 hoe : mifaly aho hoy izy, amin’ny fiaretako ho anareo. Miaritra ho an’ny Kolosiana i Paoly : faly amin’izay zavatra iaretako ho anareo. Valim-bavaka izany ry havana ô. Ary mariho tsara fa Andriamanitra no manome an’izany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Misy Fiangonana ry havana mampianatra hoe rehefa feno ny Fanahy Masina ianao dia hoe manao fahagagana ohatran’izao, manan-karena, manao fanasitranana mahagaga. Ry havana, ity resahintsika eto amin’ny and.11 ity, misy fahagagana lehibe mihoatra lavitra noho izany, dia izany hoe kristiana ampatanjahin’ny Fanahy Masina izany dia manana faharetana, manana fandeferana, mitoetra anaty hafaliana. AOKA IZAY ITY HOE MIVAVABAVAKA FOANA ITY !

Faranana ry havana izao teny izao. Ireto Kolosiana ireto rehefa nentin’i Paoly am-bavaka ohatran’izao, dia afarany any amin’ny Kolosiana 3 any hoe : Koa raha niara natsangana tamin’i Kristy ianareo – izay ilay finoan’ny Kolosiana noresahintsika tany amin’ny Kolosiana 1 – dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’izay itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo an-tanana an-kavanan’Andriamanitra. Izany no teneniny azy : Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra ety an-tany.
Ry havana, saino ny zavatra any ambony. Saino ny lanitra ry havana ô. Ka rehefa misaina ny lanitra ianao an, dia tonga ao aminao ny faniriana hoe : « Tompo ô, mba soraty ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarako. Ahoana no anoratan’ny Tompo ny anaranao ao amin’ny bokin’ny fiainana ? Mibebaka ianao, mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy anao, dia voasoratra any an-danitra ny anaranao. Katsaho, saino ny zavatra any ambony. Fa izao : raha te hiditra any an-danitra ianao, tsy maintsy mana-paharetana ianao eto amin’ity tany. Ary tsy hanana faharetana ianao - tahaka ny nananan’ireo kristiana voalohany faharetana ka niaretany fanenjehana, tahaka ny misionera nanana faharetana ka nikiry hitory filazantsara eto Madagasika, tsy hanana faharetana ianao ka hoe hanana finoana ahatonga anao hanana faharetana hatramin’ny farany, satria izay maharitra hatramin’ny farany no ho vonjena – raha tsy ampatanjahina ianao ry havana amin’izany herin’ny Fanahy Masina izany. Misaotra ny Tompo manoro antsika an’izany, ary indrindra indrindra, misaotra ny Tompo manaitra antsika amin’izany hoe : AOKA IZAY ITY MIVAVABAVAKA FOANA ITY E.
Amena.

image_pdfPDF