ALAHADY 02 MAY 2021

Eo amin’ny tontolon’ny fitantanana dia zava-dehibe ry havana izany atao hoe « porte-parole » na mpitondra teny izany. Porte-parole-ny gouvernement, porte-parole-ny présidence ; tena hoe andraikitra tsy manam-paharoa izany. Tsy latsa-danja noho ny andraikitry ny hoe minisitry ny governemanta ianao, tsy latsa-danja noho izany hoe président de la République izany ianao ; izany hoe porte-parole, mpitondra teny miandraikitra ny serasera. « Porte-parole ».

Rehefa fintinina ry havana ny hafatry ny Tompo ho antsika Fiangonana anio, dia azo lazaina tahaka izao, hoe : MITADY PORTE-PAROLE ANDRIAMANITRA. Tsy mora izany andraikitra izany, ary rehefa mahita porte-parole sasany isika, dia lasa ihany ny eritreritra eo am-pijerena, eo am-pihainoana azy eo : toa mampihomehy koa izany porte-parole izany, toa manala baraka ny mpanjakany ihany izany porte-parole izany. Fa androany ilay hafatra dia hoe : MITADY PORTE-PAROLE TSY MANALA BARAKA AZY ANDRIAMANITRA. Izay ry havana ilay hafatra androany : MITADY PORTE-PAROLE TSY MANALA BARAKA AZY ANDRIAMANITRA.

  • Mitady porte-parole ny Ray
  • Mitady porte-parole ny Zanaka
  • Mitady porte-parole ny Fanahy Masina

Hafatra ho anareo rehetra tsy an’asa amin’izao fotoana izao izany. Izany no antom-pisiantsika e : ho porte-parole-n’Andriamanitra.

Hafatra ho anareo izay am-perin’asa, tototry ny asa ka tsy manam-potoana, tsy manana eritreritra hoe ho porte-parole-n’Andriamanitra ; hafatra ho antsika Fiangonana e : MITADY PORTE-PAROLE TSY MANALA BARAKA AZY ANDRIAMANITRA.

Andeha atombontsika ao amin’ny 2 Korintiana 3. Hoy ny and.2 hoe : « Ianareo (hoy ny Apostoly Paoly) no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatra sy vakin’ny olona rehetra ». Epistily voasoratra ka vakin’ny olona. Izay aloa ilay porte-parole voalohany resahina ry havana. Tsy misokatra akory ny vavany na ny molony, fa vao mahita azy ny olona, vao mahita azy ny olona dia efa toy ny mamaky Filazantsara, mamaky Epistily. Ary ny olona rehetra, tsy ny mpino ihany, ny olona rehetra, dia afaka mamaky an’izany Epistily izany. Mitsatoka ato am-ponay Pasitera ry havana, ilay fanamarihan’ny mpandinika manao hoe : rehefa misy olom-baovao miditra amin’ny Fiangonana anankiray, ny 2/3 ny olona miditra ao amin’ny Fiangonana, mijery an’ilay Pasitera izy, ny 2/3 mijery ilay Pasitera, mbola tsy mitory teny ilay Pasitera, dia efa fantany hoe hiverina izy na tsy hiverina ao amin’io Fiangonana io. Izany ilay hoe : porte-parole : tonga dia vakiana.

Ary inona no anoratana an’izany tenin’Andriamanitra izany ao amin’ilay Epistily io ? Hoy ny Apostoly Paoly hoe : « tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa, fa tamin’ny Fanahin’Andriamanitra velona ». Ny Fanahin’Andriamanitra no nanoratana tato am-poko izany tenin’Andriamanitra izany. Ny Fanahin’Andriamanitra velona, and.3, no nanoratana tato am-poko io Baiboly iray manontolo io. Hany ka isaky ny mitempo io foko io, isaky ny mitempo io foko io, dia mitempo, mitempo, mitempo, mitempo tenin’Andriamanitra. Tsy nanao teolojia aho, tsy nanao sefala aho, tsy nanao setela aho, tsy nanao an’izao aho, fa navelako ny Fanahin’Andriamanitra nanoratra tato am-poko, fa tsy tahaka ny tamin’ny andron’i Mosesy : tamin’ny takela-bato ny làlàn’Andriamanitra.

Ilay contexte-ity 2 Korintiana 3 ity dia hoe : tao Korinto misy docteur, izany hoe olona manam-pahaizana, fa hafahafa ny fampianarany  , na tsy izy ny fampianarany ; ary mba hoe hakanan ny fon’ilay Fiangonana, dia hoe : mitondra lettre de recommandation avy any an’anona any hoe : « izaho ange ka tena izy e, i anona no ni-recommander ahy tary ». Izaho tsy manana recommandation afa-tsy ianareo hoy ny Apostoly Paoly. Ianareo no Epistilinay, ianareo no lettre de recommandation anay.

Ry havana ô, rehefa mijery an’ity Fiangonantsika ity ny olona, rehefa mijery anareo Epistily ny olona, dia hoe misaotra an’Andriamanitra ve ny aminareo sy amin’ny Pasitera ao amin’io Fiangonanareo io ; ny aminareo aloa, satria hoe voasoratry ny Fanahy Masina ao am-ponareo ny tenin’Andriamanitra ? Lettre de recommandation ve ianareo ho an’ny Pasiteranareo noho ny zavatra hitan’ny olona ao amin’ny fiainanareo ?    

Tena mampieritreritra ary fianatra ry havana ny zavatra nataon’ny Apostoly Paoly rhaa nitaiza an’ireto Korintiana ireto izy. Ary ilay fampieritreretana sy ilay fakana tahaka, tsy fakana tahaka ao amin’ny Fiangonana ; fa araka ny fanaontsika ato Isotry Fitiavana, hoe : fakana tahaka amin’ny fitaizana ny ankohonana. Mba ho Epistilin’Andriamanitra ny ankohonantsika. Ny zanatsika, ny vadintsika, mba hoe lettre de recommandation antsika eo anatrehan’ny be sy ny maro sy eo anatrehan’Andriamanitra.

Inona no tenenin’ny Apostoly Paoly eo amin’ny and.17, toko 2 :17 ? « Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin’Andriamanitra hahazoam-bola izahay ; fa toy ny amin’ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’Andriamanitra sady eo anatrehan’Andriamanitra no itenenanay ao amin’i Kristy ». Ny Apostoly Paoly izany tamin’ny nitory teny tamin’ireto Korintiana ireto, ka nahatonga azy ho Epistily, dia zavatra 4 no nolazainy ry havana, zavatra 4 no nolazainy, na toe-tsaina 4 no nolazainy e.

  • Izahay, hoy izy, dia nitory teny tamin’ny « fahadiovam-po »; tamin’ny fahadiovam-po. Amin’ny teny frantsay, hoe : tena hoe « sincère » izahay e tamin’ny nitory teny. Tena hoe « transparent » izahay tamin’ny nitory teny, mangarahara, tsy misy eritreritra ambadika ; fa ny tenin’Andriamanitra ranony no notorianay. « Sincère » izahay.
  • « Avy amin’Andriamanitra ». Ny toriteninay dia hoe avy amin’Andrimaanitra. Andriamanitra no loharanon’ny teny rehetra, izay rehetra nentinay teto amin’ity Fiangonana eto Korinto ity. Andriamanitra no loharano. Ary Andriamanitra no nampahery anay raha nitory teny izahay, nitory teny tamin’ny fahasahiana. Izy no namome ny teny, ary Izy no nampahery.
  • « Fa toy ny amin’ny fahadiovam-po » : amin’ny sincérité, amin’ny transparence ; « dia avy amin’Andriamanitra » : Andriamanitra no source sy mampahery.

« Sady eo anatrehan’Andriamanitra » izahay hoy ny Apotoly Paoly. Sady eo anatrehan’Andriamanitra. Inona no dikan’izany hoe « sady eo anatrehan’Andriamanitra ny Apostoly Paoly » ? Fantatro fa mandinika ahy Andriamanitra ny amin’izay teny toriako. Ary fantatro fa raha ny amin’ny fiainako, ankoatra an’izay toriteny, tsy misy zavatra azoko afenina amin’Andriamanitra. Izany no mahatonga anareo ho Epistily azo vakina hoy ny Apostoly Paoly, satria izany no fomba nitorianay taminareo : amin’ny fahadiovam-po, amin’ny teny avy amin’Andriamanitra ary nitory teny toy ny teo anatrehan’Andriamanitra.

  • Ary farany, niteny ao amin’i Kristy Niteny ao amin’i Kristy izahay. Inona ny dikan’izany hoe : niteny tao amin’i Kristy izany izahay ? Niteny tamin’ny anaran’i Kristy aho hoy ny Apostoly Paoly. Niteny tamin’ny anaran’i Kristy aho hoy ny Apostoly Paoly. Raha lazaina amin’ny teny hafa izany : porte-parole an’i Kristy aho tato Korinto. Izany no mahatonga anareo ho Epistily azo vakina.

Izay ny Fahamarinana 1 ry havana, hoe : MITADY PORTE-PAROLE I JESOA, ARY IANAO IZANY RAHA METY IANAO. Ary ho fampieritreretana anao dia hoe : inona no vakin’ny olona ao amin’ny fiainanao ? Sao dia omena titre ianao ao amin’ny Fiangonana misy anao, ao amin’ny orinasa misy anao, eo amin’ny fanjakana, hoe : porte-parole ; nefa porte-parole mampihomehy, porte-parole manala baraka an’i Kristy ? Fa mitady porte-parole i Kristy.

Raha jerena ny Filazantsaran’i Matio, perikopantsika andorany, dia eo indray ry havana, dia hoe : MITADY PORTE-PAROLE NY FANAHY MASINA. Ny Fahamarinana 1 hoe : MITADY PORTE-PAROLE I KRISTY. Ny Fahamarinana 2 hoe : MITADY PORTE-PAROLE NY FANAHY MASINA.

Iza no manana an’ilay profil ho porte-parole-ny Fanahy Masina ? Voalaza tao amin’ny louange nanomboantsika izao fanompoam-pivavahana izao, hoe ny and.16 hoe : « Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ny ambodia ; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala ». Ny olona hendry tahaka ny menarana ary tsotra tahaka ny voromailala ; izany no manana profil ho porte-parole-ny Fanahy Masina. Ny olona hendry na fetsy thaaka ny menarana ary mora na tsotra tahaka ny voromailala.

Efa voalaza tsara teo amin’ny louange teo ry havana, ary tsy mampinona izany, raha tsy manokatra Baiboly ianao e : ny programan’Andriamanitra Raintsika, ny programan’i Jesoa ho antsika Fiangonana, ho antsika mpiangona, ho antsika mpianany, dia hoe : io an, Izaho maniraka anareo eo ampovoan’ny ambodia. Rehefa eo ampovoan’ny ambodia ianareo dia sao dia hoe kitihin’ny devoly, ka hoe : nidi-bingo ihany aho an. Tsy nanira-tena ianao e ! Fa ny Tompo no naniraka anao eo ampovoan’ny ambodia. Ny eo ampovoan’ny ambodia dia ny synedriona : aty am-piangonana ianao eo ampovoan’ny ambodia. Ny ambodia dia ny mpanapaka sy ny mpanjaka : eo amin’ny fiaraha-monina tapahin’ny fanjakana ianao : eo ampovoan’ny ambodia. Eo anivon’ny ankohonanao ianao : mbola eo anivon’ny ambodia. Ary ny Tompo no maniraka anao eo ampovoan’ny ambodia ry havana ô. Dia tenenina ianao hoe : ny profil tadiaviko, hoy ny Fanahy Masina, satria mitady porte-parole ny Fanahy Masina ; ny profil tadiaviko dia : olona hendry na fetsy tahaka ny menarana ary olona tsotra, mora fanahy tahaka ny voromailala. Mora am-pitenenana izany ry havana ô. Fa tena hoe sarotra iainana. Ahoana moa izany ? Ilay ambodia ve dia ilaina azavaina. Ny ambodia dia karazana alika tena hoe vaventy ary alika tena hoe faran’izay masiaka dia masiaka ; izany ambodia misy manodidina antsika izany. Ary alika mandeha amin’ny andiany fa tsy mba mandeha irery. Izay no maha-grave azy. Eo ampovoan’ny ambodia izany ianao. Dia inona ny zavatra tenenina ? Hendre, fetse tahaka ny menarana. Mahafinaritra ilay teny-na mpandinika anankiray izay : fetse tahaka ny menarana. Ny menarana, hoy izy, faible. Donc tsy maintsy fetsy izy. Satria izy faible, dia tena hoe ialany aok’izany izany hoe hiady izany ; tsy te hiady izany menarana izany, raha tsy hoe efa tsy fidiny ho azy. Izay ilay izy ry havana. Raha misy ambodia izany eo an : aleo mitsoaka ihany raha mbola azo atao. Ilay ambodia manodidina eo : ilay vady, ilay zanaka, ray aman-dreny, mpiara-manompo, mpiara-miasa : fantaro ny toetrany. Ilay olona ifaneraseranao sy ifampiraharahanao : tsoahy raha mbola azo atao, ialao raha mbola azo atao izany hoe miady izany. Izay ilay fahafetsen’ny menarana izay. Fa akory atao, rehefa tsy maintsy iatrika ady, dia hoy ny Tompo hoe : eo ny Fanahy Masina.

Fa tsy miteny fotsiny Izy hoe : fetse, hendre tahaka ny menarana ; Ary morà. Ny profil tadiavina tsy hoe olona fetsy fotsiny, fa hoe : fetse ary morà. Ilay mora dia tena hoe : olona tsotra izany e. Ao ihany ilay hoe bonaika, mora fitahina ; fa mila mianatra tsotra ianao. Ary ny Tompo no mampianatra antsika an’izany. Raha fetsy fotsiny ianao an, rehefa ela ny ela, dia lasa manompy any amin’ny fahafetsen’ny devoly. Fa tsy maintsy fetsy ianao sady tsotra tahaka ny voromailala. Izay zavatra anankiroa izay no profil tadiavin’ny Tompo ry havana. Dia rehefa izay no hitany ao aminao, dia manampy anao Izy hamboly an’izay toetra izay. Ary rehefa izay no toetra hitany ao aminao : io ary ianao fa tojo fanenjehana, ho entina any amin’ny tribonaly ; eo ilay mpanenjika : inona no ho lazainao ? Hoy ny and.19 : « aza manahy ny amin’izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo ; fa homena anareo amin’izany ora izany izay holazainareo. Fa tsy hianareo no miteny, fa ny Fanahin’ny Rainareo ». Ny Fanahin’ny Rainao.

Ry havana ô, ry havana ô, aza manahy intsony ny amin’ny mpanenjika anao ; aza manahy intsony ny amin’ny mpanenjika anao : ny Tompo no mampandalo anao amin’izany fanenjehana izany. Ary io circonstance-na fanenjehana io, tena hoe occasion itenenanao amin’ny Ray hoe : « tanako amin’ny teninao Ianao Jesoa an, tena te haheno ny Fanahy aho manome teny ahy. Te haheno ny Fanahy manome teny ahy amin’izao fotoana izao, sy amin’izao toerana anenjehana ahy izao. Ary Izy no hanome teny ary dia izaho ho porte-parole-ny Fanahy Masina. Tsy amin’ny andron’ny krizy ihany, tsy amin’ny andron’ny fanenjehana ihany ; fa amin’ny androm-piainako rehetra, hoe : ny fahasambarako, izay teny aloaky ny vavako dia tena hoe teny avy amin’ny Fanahy Masina. Tsy hoe teny anakombona ny vavan’ny mpanenjika fotsiny, fa tena hoe : faly aho e, izaho izao : porte-parole-ny Fanahy Masina ».   

Ny Fahamarinana farany dia izao : ANDRIAMANITRA RAINTSIKA DIA MITADY PORTE-PAROLE IHANY KOA.

Jesoa mitady porte-parole, hoy ny Apostoly Paoly.

Ny Fanahy Masina mitady porte-parole, hoy Jesoa, tao amin’ny Matio teo an.

Andriamanitra koa, Andriamanitra Raintsika : mitady porte-parole.

Ao amin’ny Deoteronomia 34 miresaka an’i Mosesy ny Soratra Masina. Dia izao no ilazan’ny Soratra Masina an’i Mosesy eo amin’ny and.10, izay tsy perikopa, fa juste après an’ilay perikopa izay mifarana eo amin’ny and.9, hoe : « Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin’ny Isiraely tahaka an’i Mosesy, izay fantatr’i Jehovah nifanatrika ». Tsy nisy mpaminany intsony teo amin’ny Isiraely tahaka an’i Mosesy, izay fantatr’i Jehovah nifanatrika. Mosesy izany ry havana eto, ambara hoe : ilay lehilahy nanana fifanatrehana manokana tamin’i Jehovah. Ary tsy nisy tahaka azy intsony, amin’ireo mpaminany izay nandimby azy. Ary io Mosesy io ry havana, io Mosesy io, no hoe porte-parole-n’Andriamanitra ; Andriamanitra izay antsointsika hoe Ray. Izany no mahatonga antsika hiteny eto amin’ity Fahamarinana 3 ity hoe : porte-parole-ny Ray i Mosesy. Porte-parole-ny Ray izy : nanolorany ny Didy 10 tany Sinai. Fa porte-parole-ny Ray izy amin’ny ankapobean-javatra satria nifanatri-tava tamin’Andriamanitra hoy ny Soratra Masina, toa ny sakaizan’Andriamanitra. Ka izay resany teo, izay resany tamin’izany, tamin’Andriamanitra Rainy, dia nozarainy tamin’ny Fiangonana. Nozarainy tamin’ny Fiangonana. Izany ity Mosesy ity ry havana ô : porte-parole-ny Rainy. Ary inoana fa hoe nahatonga ny vahoaka, ny Zanak’Isiraely ho tena tia azy izany, satria hoe mamy ny teny entin’i Mosesy, dia fantany ny amin’i Mosesy e ; mifanatrika amin’ny Ray, mitondra ny tenin’ny Ray. Tena mamy hoditra tamin’ny vahoaka Mosesy ary rehefa maty izy, hoy ilay perikopantsika, rehefa maty izy, hoy ilay Deoteronomia 34 :6 hoe : « Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin’ny tany Moaba, tandrifin’i Beti-peora izy ; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany ». Fantatr’Andriamanitra ny fitiavan’ny Zanak’Isiraely an’i Mosesy ry havana ô, ka rehefa maty Mosesy, Andriamanitra mihitsy ; any an-danitra isika hanontaniantsika Andriamanitra hoe ahoana marina moa no nandevenanao an’i Mosesy : naniraka anjely ve ianao sa iza e ? ; fa ny zavatra lazain’ny Soratra Masina dia hoe : « tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany ». Maninona no tsy misy olona mahalala ny fasany ? Tsy tian’Andriamanitra hoe ho lieu de pèlerinage, tsy tian’Andriamanitra hoe idolâtrer’ny Zanak’Isiraely izany Mosesy porte-parole-ny Ray izany. Izany Mosesy ry havana ô : porte-parole-ny Raintsika.

Maro ny zavatra mety hoe ahatsiarovana an’i Mosesy ry havana, raha tsy hilaza ny hoe loza 10 raha hoe hanafaka ny Zanak’Isiraely Andriamanitra, hoe : ny rà, ny sahona, ny moka, ny lalitra, ny aretina, ny vay, ny havandra, ny valala, ny aizim-pito, ny lahimatoan’ny Egyptiana naringana. Mosesy daholo izany. Mosesy nahita an’izany. Fa ny zava-dehibe amin’i Mosesy dia zavatra 2, eto am-pamaranana :

  • Ny voalohany, dia nolazaina teo, hoe : izy izay hoe nifanatrika ; Jehovah miteny mifanatrika tamin’i Mosesy Eksodosy 33 :11. Izay ny zavatra voalohany.
  • Fa ny faharoa, ary ity no tokony ampieritreritra antsika izay candidat porte-parole Jesoa, porte-parole-ny Fanahy Masina, porte-parole-n’Andriamanitra Ray : tena sarotiny amin’ny teniny Andriamanitra. Sarotiny amin’ny teniny Andriamanitra ry havana ô. Fantatrao hoe maninona Mosesy tsy navelan’Andriamanitra hiditra, na dia hoe sakaizany ary, tsy navelan’Andriamanitra hiditra tany Kanana ? Satria nandika ny teniny indray mandeha tao amin’ny Soratra Masina. Ao amin’ny Nomery 20 no ahitana an’izany ry havana. Any an’efitra moa izany ny tantara no mitranga dia ny Zanak’Isiraely ohatrantsika Fiangonana e : mimonomonona lava, jamais satisfait ; fa mimonomonona lava. Dia tamin’izay nangetaheta ny Fiangonana dia niteny tamin’i Mosesy Jehovah ; ary izay no maha-porte-parole an’i Mosesy, Nomery 20 :8 hoe : « Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny Fiangonana, ary henoy kely tsara ; mitenena amin’ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy ». Ary mitenena amin’ny vatolampy eo imasony. Mitenena amin’ny vatolampy, hoy Jehovah. Mitenena amin’ny vatolampy. Novorian’i Mosesy sy Arona teo anoloan’ny vatolampy ny Fiangonana, dia hoy ny Nomery 20 :11 hoe : « Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ny tehiny ; dia niboiboika be dia be ny rano ». Tena tezitra Jehovah. Nampiboiboika rano izy : ok ; fa tena tezitra Izy, tena tezitra Izy. Hoy Jehovah hoe : « tsy nino Ahy hianareo hanamasina Ahy eo imason’ny Zanak’Isiraely, dia tsy hitondra an’izao Fiangonana izao ho any amin’ny tany izay nomeko azy hianareo ». Fa inona no zavatra nitranga ? Inona ny zavatra nitranga ? Mangetaheta ny Zanak’Isiraely, mamindra fo Andriamanitra eo anatrehan’ilay fimonomononana. Io misy vatolampy hoy Jehovah ; vorio eo anoloan’io vatolampy io ny Fiangonana, dia mitenena amin’io vatolampy io. Inona no nataon’i Mosesy ? Tsy niteny tamin’ilay vatolampy izy. Nanainga ny tànany izy, nokapohiny indroa ny vatolampy. Tsy mendrika ny porte-parole izany ry havana ô. Tsy mendrika ny porte-parole-n’Andriamanitra izany. Ary izany ny lesona hoe antsika : « aoka eto tsy misy hanao kapo-batana hoe : dia ahoana koa e, ny vahoaka ange nangetaheta e, malemy izy e, dia mimonomonona izy e : niboiboika ange ilay rano e ». Non non non. Rehefa miteny Andriamanitra hoe : « teneno ny vatolampy » dia teneno ny vatolampy, fa aza kapohina ny vatolampy. Aza kapohina indroa ny vatolampy. Tsy mendrika ny porte-parole-n’Andriamanitra izany.

Inoana tanteraka ry havana, fa raha ny Soratra Masina no jerena : namindra fo tamin’i Mosesy Andriamanitra ary miandry antsika any an-danitra i Mosesy ankehitriny. Fa ho antsika : misy lesona izany. Izay te ho porte-parole ry havana ô : aoka ianao ho porte-parole môdely amin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra. Tsy ianao indray no hiteny hoe : « aza dia fanatique ohatran’izany e, aza dia tery saina ohatran’izany e. Dia inona koa no maha samy hafa an’izany e ? ». Aoka tsy ho izaho, aoka tsy ho ianao izany ry havana ô. Fa ny firariana ho antsika, dia porte-parole tena hoe mankalaza ny voninahitry ny Tompony isika, porte-parole-n’Andriamanitra Ray, porte-parole-n’i Jesoa Zanaka, porte-parole-ny Fanahy Masina ; ka rehefa vita ny asantsika ety, na afaka adiny iray aza, dia mamantana ary.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amen