ALAHADY 02 JON 2019

image_pdfPDF

« Tompo o, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana araka ny teninao ». Lioka 2 :29

Misaotra ny Tompo isika ry havana, fa amin’izao Alahady voalohany handidian’ny Tompo antsika FJKM izao hoe : Meteza fenoin’ny Fanahy Masina, dia ity tantaran’i Simeona, lehilahy tena feno ny Fanahy Masina no omena ho ohatra ho antsika.

Rehefa miteny ny and.25 hoe : « Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona », tsy tena marina ilay dikanteny protestanta ; ny nandikana an’io dia hoe : « nisy olona atao hoe Simeona ». Tsy hoe lehilahy ny any amin’ny teny grika fa hoe anthropos, hoe olombelona. Izany hoe, Simeona eto dia izaho sy ianao, izaho lehilahy, ianao vehivavy koa izany. Ho antsika mianakavy ity hafatra ity fa tsy hoe ho an’ny lehilahy ihany. Simeona eto dia fitaratra ry havana o. Rehefa handre isika ny zavatra rehetra lazaina momba an’i Simeona, ary tsy misy afa-tsy ohatra tsara, dia afaka manontany tena isika mianakavy hoe : ary izaho kosa, izaho kosa, mba manao ahoana ? Izay ilay izy ry havana o.

Fanamarihina voalohany mialohan’ny hidirana amin’ny tena votoatin-kafatra : « Tompo o, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana » : Ilay mpanompo ry havana, natahotra ny misionera nandika ny Baiboly protestanta ; fa raha ny teny grika adika ara-bakiteny : « Tompo o, ankehitriny ny andevonao dia alefanao amin'ny fiadanana ». Ity Lioka 2 :29 ity izany ry havana dia azo lazaina hoe tenin’ny andevo. Ilay toriteny androany, dia hoe : TENIN’NY ANDEVO. Ry Fiangonana o, ry Fiangonana o : MIANARA IANAO TENIN’NY ANDEVO, MIANARA IANAO FITENIN’NY ANDEVO, DIA NY ANDEVON’I JESOA, TAHAKA AN’I SIMEONA ry havana o. Raha te handova ny lanitra ianao, izay ilay ohatra omen’i Simeona hoe : mianara e, mianara fitenin’ny andevo. Fa ny andevo no miteny hoe : « Tompo o, ankehitriny izaho mpanomponao, izaho andevonao, dia alefanao amin'ny fiadananao ». Ry havana o, tsy rehefa maty ilay olona, tsy rehefa mitsitra eto ilay olona vao hivavabavaka ianao hoe : «  mandria am-piadanana ». Izaho ianao, raha te ho any an-danitra ianao, hiditra amin’izany fiadanan’Andriamanitra izany, no mianatra izany fitenin’ny andevo izany. Ary Simeona afaka nanao fitenin’andevo satria manana toe-panahin’ny andevo, manana toe-pon’ny andevo, ary dia afaka miteny hoe : « ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao ». Izany no ahafantarana hoe lehilahy feno ny Fanahy Masina. Mety ho azonao anie io e, hoe hay ve izany no dikan’io hoe resaka andevo io hoe : « ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana » e. Fa jamais ianao hiaina an’izany toe-po sy toe-panahin’ny andevo handova ny lanitra izany raha tsy fenoina ny Fanahy Masina ry havana o.

Izay no hafatra ho antsika : METEZA HO FENOIN’NY FANAHY MASINA ARY ASEHOY IZANY AMIN’NY FAHAIZANAO MITENY FITENIN’NY ANDEVO. RESAKA FITENIN’ANDEVO.

Inona ary ny toetra voalohany asongadin’ny Fanahy Masina amin’ity Simeona ity ry havana ? And. 25 : « Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy ». Lehilahy feno ny Fanahy Masina i Simeona ka lazaina hoe marina, mpivavaka tsara, ary niandry ny fampiononana ny Isiraely, izany hoe niandry an’i Jesoa Kristy. Lehilahy marina : ilay marina eto ry havana dia tsy dia azo voasana satria tsy azo ivalamparana ny fotoana, fa ilay hoe marina ry havana dia faran’izay tsotra : lehilahy tsy mba manao zavatra hafahafa. Lehilahy mahatoky, ka tsy mba manao zavatra hafahafa. Izany i Simeona ary asan’ny Fanahy Masina ao aminy izany. Dia eo isika mandinin-tena : izaho ve eo amin’ny ankohonako, eo amin’ny fiaraha-monina, izaho ve ao amin’ny fitondrana firenena ry havana o, ary izany no ilain’ity firenena ity, izany koa no ilain’ny Fiangonana, lehilahy marina, olona marina, olona mahatoky, tsy manao zavatra hafahafa ? Dia tohizan’ny Soratra Masina ilay filazana momba an’i Simeona hoe mpivavaka tsara. Ilay hoe mpivavaka tsara, tsy ilay olona ohatran’ny sasany hoe fatra-panaraka fombam-pivavahana, non. Fa ilay mpivavaka tsara dia olona tena hoe fatra-pitandrina tsara tsy ho diso eo anatrehan’Andriamanitra. Izany ny olona feno ny Fanahy Masina, ohatran’i Simeona ry havana o. Ary izany ny olona handova ny lanitra. Izay anie ny resaka eto e :  olona manana fitenin’andevo, feno ny Fanahy Masina ka handova ny lanitra. Ary dia hoe, amin’izay atao, hatramin’ny zavatra madinika indrindra, mba tsy ho diso eo anatrehan’Andriamanitra. Marina, tsy manao zavatra hafahafa ; mpivavaka tsara ; mikendry ny tsy hahadiso eo anatrehan’Andriamanitra ; ary farany : miandry ny fampiononana ny Isiraely. Miandry ny fampiononana : ny fampiononana, dia araka izany teny izany dia hoe olona mila ampaherezina, mila ampihononina fa anaty fahoriana. Ny fiainantsika ety ambonin’ny tany dia fiainana tsy ilaozam-pahoriana ry havana o. Ary adalan’izay olona hoe te handeha irery, tsy mila mpampionona, dia Jesoa Kristy izany. Fa maninona no tsindrin’ny Soratra Masina ry havana ity toetran’i Simeona hoe niandry, naharitra niandry, nahavatra niandry ny fampiononana ny Isiraely ? Raha eto amin’ny tantaran’i Simeona eto di efa hoe nambaran’ny mpaminany ombieny ombieny fa ho avy ny Mesia, ho avy Kristy, ho avy ilay fampiononana ny Isiraely, eo Simeona, mandinika ny tantaran’Isiraely izy, 400 taona Andriamanitra nangina, nahakivy an-draolombelona. Nahakivy : aiza ity Andriamanitra ity e ? Aiza izay fanatanterahana ny teny fampanantenana nomeny e ? Fa Simeona ry havana o, naharitra niandry.

Nahafinaritra ilay fanamarihana nataon’ny mpandinika hoe Jesoa io tsy nipoitra poitra fotsiny tamin’izao, fa fanatanterahana faminaniana momba Azy io fahatongavan’i Jesoa io ry havana. Dia hoy ilay mpandinika hoe izany bouddah izany, 500 taona à peu près talohan’i Jesoa Kristy, nipoitra teny izy, raha izay no fitenenana. Izany mahomet izany, raha hoe ny fitenenana 500 taona taorian’i Jesoa Kristy, nipoitra teny izany ; fa Jesoa Kristy nialohavan’ny faminaniana tsy latsaky ny 300 isa fa tsy hoe nipoipoitra teny tahaka an’i bouddah na mahomet ry havana o. Ary dia hoe Simeona nahavatra niandry, nahavatra niandry. Ary rehefa hitany Jesoa tao amin’ny tempoly dia noraisiny.

Izay ry havana ny fahamarinana voalohany, ho an’ny olona hoe feno ny Fanahy Masina : tarihin’ny Fanahy Masina izy ho amin’ny toe-po, toe-panahy marina, mivavaka tsara, ary hoe miandrandra an’i Jesoa amin’ny lafim-piainany rehetra, miandrandra famonjena, miandrandra fampiononana.

Misy olona ato mila an’izany fampiononana izany, niala tany an-trano problema, hiverina any an-trano problema. Ho anao no hitenenan’ny Tompo hoe : Izaho eto hampionona, Izaho eto hampahery.

Ny fahamarinana faharoa momba an’i Simeona ry havana dia izao : and.26 : « Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo ». Tao amin’i Simeona, nitoetra tao aminy. Adino, fa  araka ilay perikopa teo, io Fanahy Masina tao amin’i Simeona io anie ry havana, lazain’i Paoly mazava tsara any amin’ny 1 Korintiana 6 : 19 hoe : « Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo ». Izaho sy ianao, tempolin’ny Fanahy Masina ry havana o. Fa misy olona tsy mahafantatra an’izany. Misy olona tsy mahafantatra hoe araka ny fampianarana tao amin’ny batisa dia hoe efa nasiana tombokase tamin’ny Fanahy Masina : mameno anao izany Fanahy Masina izany, mitarika anao ho amin’izany toetra marina sy ny karazany nolazaina teo izany. Mirakitra hery io ; ary rehefa tsy manana an’izany hery izany ianao tsy hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, na ohatran’iny aza ry havana o. Nahafinaritra ny tenin’ny mpitoriteny anankiray izay milaza ny herin’ny Fanahy Masina, mino aho fa maro amintsika mba tsy ilazana hoe isika rehetra mahafantatra ny tantaran’i Astérix sy Obélix. Obélix mitomany rehefa handeha hiady ry zareo : « za koa mba anona » ; «  an an an, ianao efa latsaka tao, efa mahery ianao », izay ilay izy. Fa ny herin’i Obélix iny, tsy misy dikany eo akaikin’ny herin’ny Fanahy Masina, ary ao aminao, ao amintsika ry havana o, izany herin’ny Fanahy Masina izany mba handehanantsika amin’ny fahamarinana, mba ho mpivavaka tsara, ary dia hoe manantena hanana hery haharetana amin’ny fampiononana.

Ny fahamarinana faharoa, and.26 : ny Fanahy Masina ao amintsika io, ankoatra ilay hoe mampahery, ny zavatra lazaina eto dia hoe miteny Izy ary manambara ny sitrapon’Andriamanitra. Ary tsy manambara ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny ankapobeany, rehefa miteny hoe ny Fanahy Masina miteny, ny Fanahy Masina manambara : manambara ilay sitrapon’Andriamanitra feno fitiavana sy feno fahasoavana amiko manokana ary aminao. Izany ny ohatr’i Simeona eto ry havana o. Ambarany amin’i Simeona ny programan’Andriamanitra manokana ho an’i Simeona. Firy amintsika mpino, firy amintsika kristiana no afaka milaza hoe izao zavatra ataoko izao dia vokatry ny tari-dalana sy ny fanambarana nomen’Andriamanitra ahy, nomen’i Jesoa ahy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ? Firy amintsika ry havana ? Firy amintsika ? Andao anie jerentsika ny Salamo 25 :14 : « Ny fisainan'i Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy ». Rehefa matahotra Azy ianao, rehefa mitady Azy ohatran’i Simeona ianao ry havana, ambarany aminao ny fisainany. Mahafinaritra ilay dikanteny frantsay Segond amin’io, hoe : « la pensée secrète de l’Eternel est pour  ceux qui le craignent ». Fa maninona ry havana no mihazakazaka mijery gazety isika isan’andro ? Liana te hahalala vaovao, bien sûr. Fa inona ilay article hoe imasoan’ny olona indrindra ? Rehefa eo amin’ny titre an’ilay gazety misy hoe ny zava-miafina ao ambadik’izao, ny secret an’io zavatra io. Iny isika liana ahafantatra secret ry havana. « La pensée secrète de l’Eternel est pour  ceux qui le craignent ». Te hiteny aminao anie ny Fanahy Masina isan’andro e, ianao izay efa nasiana tombokase tamin’ny Fanahy Masina e. Fa tsy raharahanao Izy e, ary dia tsy henoinao ny feony. Fa jereo ny nihainoan’i Simeona ny feony ary nanambaran’Andriamanitra tamin’i Simeona programa manokana dia hoe : ianao indray dia tsy hahita fahafatesana raha tsy mahita an’i Kristy. Jereo kely ilay kilalaon-teny eo : ianao indray dia tsy ahita fahafatesana, izay no voalohany, ianao Simeona tsy ahita fahafatesana raha tsy efa mahita an’i Kristy ianao. Ny firariana ho antsika rehefa mba hoe tonga ny fotoana hahafatesantsika, dia ho marina amintsika tsirairay izany : io mpanompon’Andriamanitra maty io indray, maty izy, nahita fahafatesana izy, fa izaho vavolombelona fa efa nahita an’i Kristy io talohan’ny nahafatesany, ary Kristy no vantaniny any an-danitra. Izany ny fanambarana, izany ny fanambarana ry havana, nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina tamin’i Simeona, hoe satria noho ny toe-po sy ny toe-panahinao, dia izao : ampahitako anao Kristy alohan’ny hahafatesanao. Ry Fiangonana o, ataovy vaindohan-draharaha izany hoe hahita an’i Kristy alohan’ny hahafatesanao izany. Tsy miantoka na inona na inona ny maha-diakona, tsy miantoka na inona na inona ny akanjo maha-Pasitera, maha-mpandray, maha-izao sy izao sy izao. Ataovy izay hahitana an’i Kristy ry havana o. Ary tezao ny zanakao e, aza tezaina amin’ny fombam-pivavahana Fjkm, katolika, sy ny karazany : tezao izy hahita an’i Kristy, dia rehefa misaraka ety, azo antoka, any mihaona. Ary ianao io, amin’ny andro ivahiniananao eto amin’ity tany ity, manana message ho anao, manana message ho anao isan’andro isan’andro ny Fanahy Masina ry havana o.

Ny fahamarinana hitantsika teo izany, hoe ny Fanahy Masina mameno, and.25 ; and.26, hoe : ny Fanahy Masina miteny, ny Fanahy Masina manambara. Jerentsika farany ny and.27-29 ry havana. « Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesoa zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalàna ny amin'ny zaza, dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe: Tompo o, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao ». Andriamanitra ry havana tsy tahaka ny olombelona ka handainga ; fa izay zavatra teneniny dia efainy, ny zavatra ambarany dia tanterahiny. Ary jereo tsara : raisiny an-tanana ilay fiainan’ny mpanompo hitenenany mba hahazoana manatanteraka ilay teny fikasana. And.27 : nentin’ny Fanahy Masina niditra tao amin’ny tempoly i Simeona satria Maria sy Josefa nitondra an’i Jesosy tao ; dia iny koa ny Fanahy Masina niteny tamin’i Simeona : andao ianao, amin’izao ora izao, amin’izao minitra izao, ho any amin’ny tempoly hahazahoan’ny Tompo manatanteraka ny teny fikasana nomeny anao hoe : ianao indray dia tsy hahita fahafatesana raha tsy mahita an’i Kristy. Izay ilay fitondran’Andriamanitra mahagaga, ary mahantra mihitsy isika kristiana izay hoe mivelona, mino, manompo tsy miaraka amin’ny fomban’ny Fanahy Masina ry havana o, nefa efa mba ao anatinao ihany ange e, araka ny tenin’ny Apostoly Paoly teo e, ny  Fanahy Masina e, manatanteraka ny programany Andriamanitra, dia tarihiny any amin’ny toerana hanatanterahiny an’izany Simeona ry havana o. Ary dia voalaza teo : ny Fanahy Masina rehefa mitarika anao, dia mitarika ho any am-piangonana. Ny Fanahy Masina no nitarika anao ato am-piangonana androany ry havana o, ny Fanahy Masina. Ary ny Fanahy Masina koa no mbola te hitarika anao aty am-piangonana amin’ny heriny anio, amin’ny tapa-bolana, amin’ny roa tokom-bolana. Ary milaza aminareo aho, eo anatrehan’ny Tompo, ianareo izay tsy mpiditra am-piangonana, fa izay toerana alehanareo, na aiza na aiza ka tsy aty am-piangonana rehefa Alahady maraina, tsy fitarihin’ny Fanahy Masina izany, tsy ny Fanahy Masina no mitondra anareo any amin’izany toerana izany ; ary mieritrereta ry havana o, fa tsy morale izany, na hoe faneriterena anao izany, fa teny atao amin’ny olona mianatra ny fitenin’ny andevo hoe: « Fanahy Masina o, tariho aho fa izaho rehefa tarihinao dia tiako hotarihinao any an-danitra » ry havana o. Meteza, meteza, meteza ho tarihin’ny Fanahy Masina.

Ary Simeona ry havana, feno ny Fanahy Masina, hitenenan’ny Fanahy Masina, tantanan’ny Fanahy Masina, dia lehilahy, olon’ny vavaka.  Olon’ny vavaka. Vavaky ny andevo, tenin’ny andevo ity Lioka 2 :29 ity. Mianara ny vavaky ny andevo, ary mianara vavaka tsotra izao fotsiny ry havana. Mampieritreritra, misy Université tany Etats-Unis tany, dia nanao expérience, lazaina, fa scientifique moa ilay izy. Hoy izy hoe : any amin-dry zareo Amerikana moa izany, fa mety tsy mifankaiza amin’izany isika malagasy izany, hoy izy hoe à peu près hoy izy an, na ny lahy na ny vavy, 16.000mots isan’andro no avoakan’io vavantsika io. Dia tsy lavina hoy izy fa ny an’ny vehivavy bebe kely kokoa noho izay, fa ny an’ny lehilahy eo amin’ny 16.000 eo. Ok, fa tsy izay no zava-dehibe. Fa ilay fanontaniana ry havana rehefa mamaky zavatra ohatran’izany ianao, dia afaka manontany tena ianao hoe : amin’ireo 16.000mots avoakan’ny vavanao ireo, firy mots no manana endrika vavaka ? Firy mots no manana endrika vavaka ry havana o ? Ary meloka isika mianakavy, manomboka amin’i Pasitera voalohany indrindra. Ny Fanahy Masina anie hitarika antsika e, hanome antsika an’izany hoe fanahin’ny vavaka izany. Ka ho marina amintsika ny tenin’ny Apostoly Paoly any amin’ny Filipiana 4 :6, teny mamy loatra ; atoro antsika ilay fiainana kristiana, omena fitaovana isika, ny Fanahy Masina, fa tsy raharahantsika izany e. Filipiana 4 :6 : « Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra ». Aoka ny fivavahana, aoka ny fifonana, aoka ny fisaorana no entinareo mangataka amin’Andriaman itra ry havana o. Miandry Andriamanitra, miandry Andriamanitra. Manongilan-tsofina Andriamanitra, miandry anao feno ny Fanahy Masina Izy hoe hanandratra vavaka, hanandratra fifonana noho ny fahalainana mivavaka, hanandratra fisaorana noho ny valim-bavaka. Miandy anao Izy, miandry anao Izy ; capable miteny 16.000mots par jour ianao, fa ny ankamaroantsika, mba tsy hitenenana hoe isika mianakavy, dia moana vavaka ry havana o. Tian’ny Tompo ovaina izany ; tian’ny Tompo ovaina izany.

Faranana ry havana izao hafatra izao : mahavariana ry havana ity tenin’i Simeona ity, « Tompo o, ankehitriny » ; ankehitriny satria izaho efa nahita an’i Kristy, ary tsy vitan’ny hoe nahita an’i Kristy tao am-piangonana fotsiny, fa nihazona Azy. Izay manko ny ankamaroan’ny olona : tonga miangona izy, mety mahita an’i Kristy izy, fa tsy mandray Azy ao am-pony ry havana o. Tsy mandray Azy izy amin’ny alalan’ny batisa, mangatak’andro izy hanaovana katekomena sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo sy ny tahaka an’izany. Fa hoe : ankehitriny aho, hoy Simeona, efa nahita ny fahatanterahan’ny teninao, dia ny nahitako an’i Kristy mpamonjy, ankehitriny izaho mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana ; ary ilay « alefa » eto, mahavariana ilay teny grika, ilay « alefa » hoe : « délier ». Délier izany, ohatrany hoe mi-délié fatorana kiraro,  mamaha fatotra. Fa nofatorana tamin’inona ry havana ? Tamin’izay namatopatotra antsika tety an-tany, ny zava-mahafinaritra, ny harena be antsika io, ny harena kelintsika io, ny trano be antsika io, ny trano bongontsika io : mamatotra ny fontsika amin’ity tany ity izany e. Fa izao hoe Simeona : misaotra anao aho Ray o, nampahitana an’i Kristy, novahanao aho ankehitriny amin’izany fatorana izany ; tsy misy na inona na inona mamatotra ahy intsony eto amin’ity tany ity, foiko ny zavatra rehetra eto amin’ity tany ity, miandrandra ny tsara lavitra aho, miandrandra izay hahazoako tombony aho, ary efa vonona ho amin’izany aho.

Tsindrina ry havana, satria malagasy fatra-patahotra fahafatesana no hitoriana teny : mianara ry havana o, ny vavaky ny andevo ohatran’i Simeona, ny vavaky ny andevo izay mandova ny lanitra, dia aoka izay ity fitondran-tena adala nenti-paharazana : aoka izay ity hoe mandeha misasasasa ity, aoka izay ity mandika afo ity rehefa avy mandevina, aoka izay ity hoe ny fasanay tsy azo sokafana alohan’ny amin’ny 03 ; fitondran-tena nenti-paharazana ary tsy fomban’ny andevo manantena ny lanitra. Ary tian’ny Tompo ianao matoa teneniny mafy ohatran’izany androany ry havana o. Te hanafaka anao amin’izany ny Tompo, te hanafaka anao amin’izany ; ary dia enga anie isika mianakavy hahita ny Tompo amin’izao maraina izao ary ho tafahoana marina Aminy, dia Izy ilay miteny hoe : « Ny programako ho anao rehefa miala ety ianao, dia ny ho anilako mandrakizay ao an-tranoko » ; fa efa nanamboaran’i Jesoa fitoerana ho amin’izany ianao. Enga anie ka ho izany isika rehetra ary dia ataontsika vaindohan-draharaha manomboka anio ry havana, izany hoe ho fenoin’ny Fanahy Masina izany. Angataho e, angataho e : « Ray o, mifoha maraina aho izao, dia mangataka Aminao, zavatra tsy nataoko hatramin’izany : fenoy aho e, fenoy aho e, fenoy aho e, fenoy ny Fanahy Masina aho e ; ampaherezo aho isan’andro, fantatrao ny programme-ny journée-ko, ao ny fantatro, ao ny fantatrao izay hitarihinao ahy ; omeo tari-dalana aho, omeo fanambarana aho tahaka ny nanomezanao fanambarana an’i Simeona, ary dia aoka ahafantatra mazava aho hoe eo amin’ny fanatrehanao ao anatin’ny andro manontolo, ka rehefa tonga, tahaka ny an’i Simeona, ny andro hialako ety, dia ho eo amin’ny fanatrehanao mandrakizay aho ».

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena                          

 

image_pdfPDF