ALAHADY 02 FEB 2020

image_pdfPDF

« Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona ». Jaona 1 :4

Izy, Jesoa izany no nisiam-piainana, ary ny fiainana no fanazavana ny olona. Ry havana ô, mazava be ny hafatry ny Tompo ho ahy sy ho anao amin’izao maraina izao : METEZA HO FANAZAVANA NY NAMANAO. Ary tsy ho possible anefa izany raha tsy efa nazavain’i Kristy tena mazava, na mazava marina ianao. METEZA HO FANAZAVANA NY NAMANAO. Izany ny mission-nao. Fa raha tsy tanterakao izany mission-nao izany ry havana ô, ka tsy fanazavana ianao, malahelo aho miteny aminao hoe : tsy manao afa-tsy manamaizina ny fiainan’ny namanao ianao. Sady vaovao mahafaly, no baiko ho anao izany ilay hoe : METEZA HO FANAZAVANA NY NAMANAO. Ary hahatanteraka an’izany, METEZA ALOA IANAO HO HAZAVAIN’I KRISTY IZAY MAZAVA, NA TENA FAHAZAVANA.

Ny Fahamarinana 1 ry havana dia izao : NY FAHAZAVANA DIA MITONDRA FIAINANA.

Rehefa jerena ry havana ny namoronan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, dia ny mazava no zavatra nataony voalohany. Satria raha tsy nisy ny mazava, raha tsy nisy ny masoandro, tsy nisy fiainana possible tety ambonin’ny tany ry havana ô. Ary tahak’izany koa ny fiainan’ny olombelona ry havana : raha mbola tsy nipoitra Kristy masoandro, hoy Malakia, masoandron’ny fahamarinana, raha mbola tsy nipoitra Kristy, dia nitoetra tao amin’ny aloky ny fahafatesana ny olombelona ry havana ô. Nitoetra tao amin’ny aloky ny fahafatesana. Mafy be ry havana ny teny ampiasain’i Ezekiela mpaminany. Jerentsika ange ao amin’ny Ezekiela 37 e,  Ezekiela 37 :11-12 : « Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireto taolana ireto dia ny taranak'Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay. Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin'ny tanin'ny Isiraely ». Izany ilay vahoakan’Andriamanitra ; io teny io dia natao tamin’ny taranak’Isiraely, atao amintsika Fiangonana ry havana ô, amintsika olon’Andriamanitra, fa sao dia hoe mamita-tena ianao hoe : tsy izaho izany. Hoe, rehefa lavitra an’Andriamanitra isika, tsy manana an’i Jesoa isika, dia toy ny any anaty fasana ny fiainana ry havana ô, toy ny any anaty fasana. Mazava be izany sary ampiasain’i Ezekiela izany. Ary ny fiainanao ry havana, ianao mba manana an’izao sy manana an’ izao ihany, fa araka ny tenin’i Ezekiela hoe : maina, makina e, tsy misy maminy ilay fiainana, fa maina. Mba olona ohatran’izao sy ohatran’izao ihany, tsongoin’olom-bolo ianao eo amin’ny fiaraha-monina sy aty am-piangonana, fa hoe ohatrany tsy manana fanantenana izany ianao satria maninona ? Satria any anaty fasana ny fiainanao raha manalavitra an’Andriamanitra ianao ry havana ô. Ary izay no aizina, aizin’ny fahafatesana tian’ilay fahazavana horoahina ao amintsika ry havana ô. Ny zavatra tena atahorantsika olombelona, ary tsy tiantsika akory na dia ny mieritreritra azy aza, dia ny fahafatesan’ny tena ry havana. Zavatra mampatahotra, zavatra mampivarahontsana. Fa hoy ilay mpitoriteny anankiray hoe : hitanao ilay fahafatesan’ny tena mampatahotra anao io, ohatran’ny iceberg. Ny iceberg dia hitantsika ilay tendrombohitra glace be iny. Ohatran’izany ilay fahafatesan’ny tena : hitantsika ilay fahafatesan’ny tena. Fa ao anatiny ao, hoy izy, misy zava-doza izay tsy hitan’ny masontsika, dia ny fahafatesana ara-panahy ry havana ô. Ary izany ilay Jesoa fahazavana, izany ilay Jesoa masoandro, te handroaka an’izany aizin’ny fahafatesana izany ao aminao, raha mandray Azy fahazavana ianao. Raha ato amin’ny filazantsara an’i Jaona ry havana, andeha enga jerentsika ny Jaona 8 :12, ahoana no ataon’ilay olona nandray fahazavana ka manjary fanazavana ? Jaona 8 :12: « Ary Jesoa niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina ». Iza no manana ny fahazavan’aina ry havana ? Iza no tsy handeha amin’ny maizina ? Izay maninona ? Izay manaraka an’i Jesoa. Io ilay voambolana tsy tiantsika io, fa aleontsika ry havana mivavaka , aleontsika mpiangona tsotra, mpino. Jesoa ry havana miteny hoe : Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy ; manaraka Azy tahaka ny disciple, manaraka Azy tsisy fepetra ry havana ô, manaraka Azy ohatran’ny doulos, izany ny olona hoe tsy handeha amin’ny maizina fa handeha amin’ny fahazavan’aina, azavain’i Jesoa Kristy fahazavana ry havana ô. Ary dia fahazavana, fanazavana ho an’ny namany ary atombony ao amin’ny ankohonany izany.

Averiko indray : tsy manana choix ianao, fa rehefa tsy fanazavana ho an’ny namanao, ho an’ny ankohonanao ianao, dia fanamaizinana, ary tsy manao afa-tsy asan’ny olona mipetraka any anaty fasana, mitondra fahafatesana fa tsy fiainana.

Izay ny fahamarinana 1 : NY FAHAZAVANA DIA MITONDRA FIAINANA AMIN’NY OLONA IZAY MIAINA, IZAY MIVELONA ANY ANATY FASANA.

Ny fahamarinana 2 ry havana dia izao : NY FAHAZAVANA DIA MITONDRA FAHIRATAN’NY FANAHY SY FAHAZAVAN-TSAINA

Manala fahajambana izany. Voamarika ry havana, ary ny dokotera no tena miteny an’izany, fa hoe ny tsy fisian’ny fahazavana, ny tsy fisian’ny fahazavana maharitra dia miteraka fahajambana. Rehefa mamaky gazety ireny ry havana dia hoe miszy gadra tiana torturé-na any amin’ny firenena sasany, dia ampidirina any anaty cachot any izy, tsisy masoandro. Dia rehefa mijanona maharitra, mijanona amam-bolana ao anaty cachot tsisy masoandro ao izy, tssiy hazavana mihitsy, dia voamarika hoe lasa jamba ry havana, lasa jamba. Ary dia izay mihitsy no mahazo antsika ry havana, mahazo antsika olombelona, satria isika araka ilay teny teo, tsy manaraka an’i Jesoa. Diakona isika, Pasitera isika, Mpiandry, fa tsy manaraka an’i Jesoa dia zatra mitoetra ao anatin’ilay aizina ara-panahy ry havana. Ary satria mijanona ao anatin’ny aizina ara-panahy isika, dia jamba ara-panahy. Jereo anie ny Romana 1 e, hilazana an’izany fahajambana ara-panahy izany, jerentsika ny and.20-21, Romana 1 :20-21 : « Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’ Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo; fa na dia nahalala an’ Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an’ Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto ». Donto ny fo ry havana, maizina ny saina satria hoe ny zavatra nataon’Andriamanitra dia manambara amintsika izany heriny izany ; ary isika manatombo raha oharina amin’izao tontolo izao satria raha mitory ny halebiazan’Andriamanitra sy ny maha-Andriamanitra Azy izao tontolo izao, ny habakabaka hita io, isika mbola manana ny Baiboly mbola manambara an’izany maha-Andriamanitra an’Andriamanitra izany. Fa lavintsika izany ry havana ô, dia lasa donto ny fontsika, lasa maizina ny saintsika, lasa jamba ara-panahy, nefa mi-costard be mankaty am-piangonana rehefa Alahady. Ry havana ô, ry havana ô, te hanova an’izany ny Tompo, fa araka ilay teny nazavainy tamin’ny Fariseo raha nanasitrana an’ilay lehilahy teraka jamba Izy, tonga Aho, hoy Izy, mba hahiratra ny tsy mahiratra. Jereo anie ny 1 Jaona 5 :20 : « Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’ Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina». Ry havana ô, raha tsy mangataka an’io fahazavan-tsaina io ianao, tsy hahafantatra an’ilay marina, tsy hahafantatra an’ilay Andriamanitra telo izay iray, tsy hahafantatra an’Andriamanitra hoe te hamitrana fihavanana aminao anio 02 Février 2020. Tonga eto ianao satria te hamitrana fihavanana aminao Andriamanitra ry havana ô. Fa nosimbainao tamin’ny fihetsikao toy ny fahavalo izany fifandraisanao amin’ny Rainao izany. Ka rehefa jamba ianao ry havana ô, tsy fantatrao izany Andriamanitra Ray sy zanaka ary Fanahy Masina izany ; rehefa jamba ianao ry havana ô, tsy mahita afa-tsy ny vola ianao ao amin’ny fiainanao, tsy misy afa-tsy ny fitiavam-bola no mibaiko ny fiainanao ary izany no mahatonga an’ity Madagasikara ity bokan’kolikoly : kristiana jamba ara-panahy mifikitra amin’ny vola, manompo vola, ary vonona hanao kolikoly hampitombo ny harenany ry havana ô. Izany ny tena fahajambana ara-panahy izany. Na ny asany, ny andraikiny, izany no mahamay azy : izany ny fomban’ny olona jamba ara-panahy. Ary jamba ara-panahy izy satria tsy mahita an’ilay Andriamanitra Ray, zanaka sy Fanahy Masina izay nanomana ho azy ny lanitra ho destination. Nahafinaritra ny tenin’ilay mpitoriteny anankiray izay, ary haintsika Isotry Fitiavana ilay tapany voalohany : ny lanitra ange, hoy izy e, ka destination e. Fa ny lanitra koa, hoy izy, dia motivation. Ataovy motivation anao ry havana manomboka izao, ho mariky ny fahiratanao ara-panahy, sy ho mariky ny fahazavan’ny sainao, ho mariky ny intelligence ; ilay fahazavan-tsaina mantsy intelligence ; ho marika hoe kristiana manana intelligence ara-panahy ianao : tiako atao destination ny lanitra, ary izany manomboka anio no ataoko motivation ao amin’ny fiainako. Ary raha manao an’izany ianao, dia ho fanazavana ianao ho an’ny namanao, ary atombokao ao amin’ny ankohonanao izany ry havana ô.

Ny fahamarinana 3 farany dia izao : NY FAHAZAVANA DIA MANAISOTRA NY PENTINA ARY MANADIO NY FANAHINTSIKA

Ry zareo manam-pahaizana siantifika ry havana dia milaza hoe ny masoandro hono dia mamono bactéries. Ry zareo ihany koa no milaza fa hoe ny masoandro dia mamono an’ireny hoe germes ohatran’ny amin’ny hoditry ny olombelona ireny. Ary izany koa no hanahazana ny lambantsika, ny drap, ny bodofotsy isan’andro isan’andro, hamonoana an’izany germes izany. Izay ny asan’ny masoandro. Ary ohatran’izay tsy misy hafa ry havana ny asan’ i Jesoa masoandron’ny fahamarinana, Jesoa mazava, hoe : te hanaisotra Izy izay pentina, ary te hanadio antsika, hanadio ny fanahintsika amin’ny fahotantsika ry havana ô. Izany ny votoatin’ny filazantsara : Jesoa manaisotra ny pentina ary Jesoa manadio ny fanahintsika amin’izay mahaloto azy.

Miverina isika ry havana ao amin’ny 1 Jaona 1 :7 : « Fa raha mandeha eo amin’ ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’ i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra ». Te hanafaka anao amin’ny ota mahazatra anao Jesoa ry havana ô, fa manamaizina ny fiainanao io.

Jerentsika indray ry havana ny Asan’ny Apostoly 26 :18, fijoroan’ny Apostoly Paoly vavolombelona ny amin’ny niantsoan’i Jesoa sy ny nanovan’i Jesoa azy ; Asan’ny Apostoly 26 :18 : « hampahiratra ny masony hialany amin’ ny maizina ho amin’ ny mazava, ary amin’ ny fahefan’ i Satana ho amin’ Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin’ izay nohamasinina noho ny finoana Ahy ».  Hampahiratra ny masony hialany amin’ ny maizina ho amin’ ny mazava, ary amin’ ny fahefan’ i Satana ho amin’ Andriamanitra. Ry havana ô, efa fantatrao, fantatrao mihitsy fa Jesoa tonga, ny ràn’i Jesoa dia hanadiovana ny fahotanao, hanadiovana ny fanahinao. Fa fantatrao moa fa io otanao tsy ekenao fa tehirizinao io, hanokafanao varavarana ho an’i Satana eo amin’ny fiainanao ? Ary rehefa manokatra varavarana ho an’i Satana ianao ao amin’ny fiainanao ry havana ô, dia hoe andevozina ianao, eo ambany vahohony ianao. Ary Satana ry havana ô, efa hoe mpamono olona hatrany am-boalohany. Tsy hanana fiainana ianao fa ohatran’izao ihany ianao, fa tonga amin ‘ny fitenin’ny mpitoriteny hoe : toy ny faty mandehandeha ianao. Ary tsy misy olona hoe toy y faty mandehandeha ry havana ô, ka hoe afaka ho fanazavana ho an’ny ankohonany. Tsisy faty mandehandeha afaka ho fanazavana ho an’ny ankohonany ry havana ô. Fa dia izao : manatona ny Tompo amin’izao fotoana izao. Teneno hoe : « izaho mihitsy iany resahin’ilay toriteny androany maraina izany. Io Jesoa an, atolotro anao ny otako rehetra, ianao izay masoandro fanazavana manadio ny pentina sy manafaka ny fahotana. Tena afaho amin’izay aho e. Afaho amin’izay aho. Fa sady mijaly aho no mampijaly ny ankohonako ». Ary rehefa mibebaka ohatran’izany ianao, aza androany 02 Février ihany no hoe mibebaka, mifona amin’Andriamanitra ; aoka ny fiainanao, aoka ny fiainanao ry havana ô, ho fiainam-pibebahana dia hampitombo anao amin’ny fanahafana Azy Jesoa Kristy. Izany ny hafatra ho anao. Tiany ianao, tiany ianao, ary zavatra tokana no kasainy ho anao : tiany ianao ho Kristy kely, ho zandry keliny manahaka Azy ry havana ô.

Izay no hafatra ho antsika androany : METEZA IANAO HO HAZAVAIN’I KRISTY MBA HO FANAZAVANA NY NAMANAO ry havana ô :

  • Ny fahazavana mitondra fiainana ho anao izay miaina ao am-pasana
  • Ny fahazavana dia mitondra ao aminao fahiratan’ny Fanahy sy fahazavan-tsaina
  • Ny fahazavana dia manadio anao amin’ny pentina sy ny fahotanao rehetra.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo ry havana. Amena

         

image_pdfPDF