ALAHADY 01 NOV 2020

Ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ; fohy ilay perikopa, volamena ilay perikopa, ary raha eo amin’ny tantaran’ny famonjena, eo amin’ny tantaran’ny fitoriana filazantsara, dia perikopa manan-danja manokana satria io ambany masontsika io ny fotoana sy ny fomba nahatongavan’ny filazantsaran’i Kristy any Europe ry havana ô.
Andeha hiarahantsika mamaky miadana, Asa 16 :6-10 : « Ary rehefa noraran’ ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia ka efa tonga tany an-tsisin’ i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan’ ny Fanahin’ i Jesosy. Ary rehefa nandalo an’ i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy. Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin’ i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay! Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin’ izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin’ ny olona any ».
Ny hafatra ho antsika ry havana, amin’izao maraina izao, dia ny hoe : MITODIKA AMIKO, MITODIKA AMINAO NY TOMPO, DIA MANAFATRA HOE : IANAO ZANDRIKELIN’I JESOA : ANDRANDRAO NY FANAHIN’I JESOA. Dia fenoina hoe : DIA HANORO ANAO NY LALAN’NY LANITRA IZY. Vaovao mahafaly, tenim-pitiavana ; izany no omen’ny Tompo antsika amin’izao maraina izao. Ambara ianao, na iza na iza ianao tonga eto, hoe : zandrikelin’i Jesoa ianao ry havana ô. Ary dia hoe : andrandrao, araka ilay teny ao amin’ny perikopa ao amin’ny and.7 hoe : ANDRANDRAO NY FANAHIN’I JESOA.
Maninona ry havana no zava-dehibe izany miandrandra ny Fanahin’i Jesoa izany ? Zava-dehibe izany satria ny Fanahin’i Jesoa irery ihany (ny Fanahy Masina moa izany) no mahafantatra ny sitrapon’i Jesoa, mahafantatra ny programan’i Jesoa ho ahy sy ho anao. Izay ilay izy. Ary io sitrapony io ihany no hananana fiainana vanona ety an-tany ; ary rehefa vita izay fivahiniana ety an-tany, dia miditra any an-danitra. Tsy misy olona tsy niandrandra ny Fanahin’i Jesoa ka manantena hoe hanana fiainana vanona, na hiditra any an-danitra ry havana ô. Ary tsy misy olona tarihin’ny Fanahin’i Jesoa ka tsy miandrandra an’izany Fanahin’i Jesoa izany e. Fa tsarovy, tsarovy amin’ny andro anio, tsarovy amin’ny androm-piainanao rehetra hoe : « Misaotra Jesoa ny amin’ny anaovanao ahy ho zandrikelinao ; ary izaho dia hiandrandra, tena hiandrandra ny Fanahinao aho ao amin’ny fiainako ».
Ahoana ny fiasan’io Fanahin’i Jesoa io amin’ny olona izay miandrandra Azy ? Voalohany indrindra : ny Fanahin’i Jesoa no mamonto olona ny tenin’Andriamanitra, no mamonto tenin’Andriamanitra amin’olona iray.
Izay ny Fahamarinana 1 : NY FANAHIN’I JESOA NO MAMONTO TENIN’ANDRIAMANITRA AMIN’OLONA ANANKIRAY
Ary iny tenin’Andriamanitra iny no ahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra. Ny Fanahin’i Jesoa no mamonto tenin’Andriamanitra olona anankiray.
Ny atao hoe olona vonton’ny tenin’Andriamanitra ry havana dia olona manana ilay fifandraisana manokana amin’i Jesoa ; manana fifandraisam-pitiavana. Ka ny atao hoe vonton’ny tenin’Andriamanitra dia hoe : ny eritreriny rehetra, ny sainy, ny fony, dia tena hoe feno, feno, feno, satria misy fifandraisam-pitiavana eo. Izay ilay haintsika tsianjery izay. Ary ny Fanahy no mamonto teny ary manome anao teny isan’andro.
Fa raha ohatra ianao hoe tsy vonton’ny Fanahin’i Kristy : tsy ahafantatra an’izany sitrapon’Andriamanitra izany ianao. Misy olona ihany, efa henonareo ity tantara ity : tantara-na tovolahy anankiray nahare toriteny hoatran’izao, dia hoe, asa moa izay fampianarana, fa misy fampianarana hoatran’izany ihany any an’anona any, hoe mitady tenin’Andriamanitra izy dia sokafany hoatran’izao ny Baiboly, dia napetrany teo ilay tanany, dia inona no novakiany ? « Nivoaka Jodasy niala teo, ary nananton-tena dia maty ». Dia hoy izy hoe : « an an an, inona koa izany teny izany ? Tsy hitako ny hevitr’izany teny izany : izaho koa ve dia Jodasy ? ». Izay ilay nataony hoatran’izao ilay izy (-notondroiny tamin’ny tanany). Dia nakatony indray ilay Baiboly dia nosokafany indray mandeha indray dia nataony hoatran’izao indray (-notondroiny tamin’ny tanany), dia hoy ilay teny hoe : « Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa ». Izay. Tena mampihomehy, satria mampihomehy ilay olona mba te hamaky tenin’Andriamanitra nefa tsy manana fifandraisana manokana amin’i Jesoa, tsy manana an’izay fifandraisam-pitiavana izay. Ianao ange rehefa mandray sms, mandray taratasy e: mahafinaritra anao foana ny mamaky an’iny e. Izay ilay izy ry havana. Fa izay ny hoe olona tena hoe manaiky ho vontosan’ny Fanahin’i Jesoa tenin’Andriamanitra ry havana ô. Ary izany ry Paoly eto, Paoly sy ny namany eto ; Paoly teny an-dalana ho any Damaskosy no nifanena tamin’i Jesoa. Tonga tao Damaskosy, nambaran’i Jesoa tamin’ny alalan’i Ananiasy hoe i Paoly io dia fanaka voafidy hitory ny anarako eny amin’ny jentilisa sy ny mpanjaka sy ny mpanapaka. Izany hoe vao nanomboka nandray an’i Jesoa i Paoly, dia efa hoe vonton’ny tenin’Andriamanitra izy ry havana ô, vonton’ny tenin’Andriamanitra. Ary isiky ny mandeha izy dia omen’Andriamanitra teny, omen’Andriamanitra teny.
Izay ny Fahamarinana 1 hoe : ANDRANDRAO NY FANAHIN’I JESOA, FA NY FANAHIN’I JESOA VOALOHANY INDRINDRA HAMONTO TENIN’ANDRIAMANITRA ANAO AHAFANTARANAO NY SITRAPONY.
Ny Fahamarinana 2 dia izao : MAMPIANATRA ANTSIKA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA NY FANAHIN’I JESOA KA MAMETRAKA FANDRESEN-DAHATRA ANATY AO AMINTSIKA. Izay ilay Fahamarinana 2 : ny filazan’ny teolojiana azy, hoe : « conviction intérieure ».
Ry Paoly izao rehefa jerentsika, dia hoe, eo amin’ny and.10, Asan’ny Apostoly 16 :10 : « Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin’ izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin’ ny olona any ». « Nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara any Makedonia ». Tena hoe resy lahatra. Ary izay fandresen-dahatra izay ry havana ô, izay fandresen-dahatra izay : fandresen-dahatra omen’ny Fanahin’i Jesoa ny olona izay mitady marina ny sitrapony.
Izao anefa ry havana : io « conviction intérieure du Saint Esprit » io, io fandresen-dahatra omen’ny Fanahy Masina io, jamais, jamais hanohitra ny tenin’Andriamanitra mazava. Tsy possible aho izany hiteny hoe mpiantafika, dia hoe misy tafika goavana tokony atrehin’ny Fiangonana, dia hoe ny enti-manana anefa tsisy, dia hoe : « andeha aho hamaky banky aloa ho entiko manana an’ilay tafika masina ». Tsy conviction avy amin’ny Fanahy Masina izany ry havana ô. Fa ilay conviction-ny Fanahy Masina, tena hoe sady tsy manohitra ny tenin’Andriamanitra, no mametraka anao eo afovoan’ny sitrapon’Andriamanitra. Ilay afovoan’ny sitrapon’Andriamanitra : natoron’ny Fanahy Masina an’i Paoly sy ny namany, hoe any Makedonia ianareo ; any Makedonia ianareo. Izay ilay conviction.
Fa manontany ihany ny olona ry havana hoe inona marina io fahitana hitan’i Paoly tamin’ny fahitana tao Troasy tamin’ny andro alina, izay niteny taminy hoe « mità mankaty » ? Io ry havana samy manana ny fiteniny ny mpandinika, tsy any ilay problema ; fa ny zavatra ampahafantarin’ny Tompo antsika dia izao, hoe : ilay fahitana raha ny marina, ilay fahitana, adika amin’ny teny frantsay izy hoe « vision » : vision momba ny fiainanao. Ary iny vision iny no miteraka « mission » ao amin’ny fiainanao. Ary ilay « mission » indray dia amaritanao tanjona. Izany no ambaran’ny Tompo amintsika anio, hoe : angataho amin’ny Fanahy Masina hoe inona ny mission-nao ? Inona ny vision-nao ho an’ny fiainanao ? Mbola kely ange isika dia hoe izaho rehefa lehibe dia hoatran’izao na hoatran’izao na hoatran’izao e. Izay ilay vision. Inona ny mission ? Inona no tanjona ? Ary ny Fanahy Masina sady manome no mandresy lahatra ry havana.
Nisy mpanompon’Andriamanitra anankiray izay tato Isotry Fitiavana, nangata-bavaka taminay indray mandeha, dia hoy izy hoe : « ento am-bavaka aho Pasitera fa te hi-évolué aho amin’ny asako, ary ny se présenter aho tamina recrutement-na directeur ao amin’ny Jirama ». Asa, 2 taona na 3 taona lasa angamba izay, na hoatran’izany. Dia nitantara izy hoe efa nisy premier entretien hoy izy, misy cabinet-na consultant hoy izy, tao amin’ny hôtel Colbert izahay no novoriana, 200 tany ho any izahay. Dia herinandro taty aoriana angamba, dia niantso ahy indray ilay mpanompon’Andriamanitra, dia niteny izy hoe « ento am-bavaka aoh Pasitera an, fa amin’izao étape iantsoako an’i Pasitera izao, 5 izahay sisa » hoy izy, « dia ao anatin’ireo 5 aho » hoy izy. Dia ny ampitso, niantso ahy ilay mpanompon’Andriamanitra : atsaharo ny vavaka hoy izy fa efa naneho ny sitrapony Andriamanitra, nomeny ilay conviction intérieure du Saint Esprit aho. Para rapport amin’ny vision-ko amin’ny fiainako, sy ny mission-ny fiainako sy ny tanjona amin’ny fiainako ». Ahoana izay hoy aho ? Izaho hoy izy natsoina directeur anankiray efa ao, dia izao no noteneniny ahy : ianao aloa raha voaray aho, hoy izy, mazava be fa ho tsara karama be ianao, ho tsara karama noho ny amin’izao ianao ; fa milaza aminao aho hoe tranquille be ny fiainanao, anio ianao amin’ny 6 dia efa mody, aza manantena hiala alohan’ny amin’ny 10 alina raha tafiditra ao amin’ny Jirama ianao, ary adinoy izany hoe hamonjy Fiangonana izany ny Alahady ; na ny Sabotsy ary ianao voatery hiakatra. Dia hoy ilay mpanompon’Andriamanitra : « misaotra anao niantso ahy tahak’izay, fa tsoahy ny candidature-ko ». Izay ilay conviction intérieure du Saint Esprit. Izany ny vision-ny amin’ny fiainana, hoe : natolony ho an’Andriamanitra. Ny mission-ny : hitaona ny maro ho any an-danitra. Ary ny but dia hoe ao amin’ilay asa aman-draharahany no hijoroany vavolombelona amin’izany : sady hoe hanana asa aman-draharaha mamela azy temps libre ahazoana manao ny asan’Andriamanitra. Mangataha ry havana ô, mangataha an’izany hoe conviction intérieure du Saint Esprit izany dia hoe ny lalana alehanao, na mankaiza io na mankaiza ; ny lalana alehanao dia hoe ny lalana nosafidian’Andriamanitra izoranao. Fa tsy lalana nofaritanao ka hoe na hitory filazantsara aza ianao, izay asa tsara, dia toy ny mamely rivotra, toy ny mamely rivotra, dia vizana ianao, kivy ianao, fa tsy hahita vokatra ianao.
Hoy isika hoe : Andrandrao ny Fanahin’i Jesoa, ilay Fanahin’i Jesoa miteny : izay ny fiasany. Fa ny Fanahin’i Jesoa faharoa : manome conviction intérieure na manome vision.
Ny Fahamarinana 3 farany dia hoe : NY FANAHIN’I JESOA MANDAMINA NY CIRCONSTANCE-PIAINANAO – NY FANAHIN’I JESOA MANDAHATRA NY CIRCONSTANCE-PIAINANAO HAHATANTERAHANAO NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA
Jereo anie ireto teny tsy dia mahazatra e, Asa.16 :6 : « Ary rehefa noraran’ ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy » ; dia eo amin’ny Asa 16 :7 indray hoe : « ka efa tonga tany an-tsisin’ i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan’ ny Fanahin’ i Jesosy ». Mazava ilay tenin’ny Soratra Masina hoe ny Fanahy Masina, ny Fanahin’i Jesoa and.6 nandrara azy tsy hitory teny any Asia, izany hoe any amin’ilay Turquie amin’izao fotoana izao izany, hoe : hidina any Turquie. Ny Fanahy Masina ilay nandra azy hoatran’izay io, eo amin’ny and.7 hoe : tsy namela azy andeha ho any Bitynia, any amin’ilay Urss amin’izao fotoana izao izany. Dia ianao ve dia miteny hoe : « ka inona anefa ny problème Pasitera, hitory ny tenin’Andriamanitra ka maninona ? Any koa ange mila tamin’izany e, any Turquie koa ange mila tamin’izany e ». Non, non, non. Non, non, non, non, non.
Ry zandrikelin’i Jesoa ô, andrandrao ny Fanahin’i Jesoa dia ho vanona ny fiainanao, ary izay asa ataonao, na zavatra madinika indrindra ary, satria asa nalahatr’Andriamanitra, dia tena hoe fankalazana ny voninahiny.
Fomban’Andriamanitra ry havana, rehefa miteny isika hoe mampiasa circonstance ; fomban’Andriamanitra ny hoe manidy varavarana tahak’izany. Taona vitsivitsy maromaro lasa izay, nisy train izay tratry ny attentat. Maro ny olona maty tao amin’ilay train. Dia nijoro vavolombelona ilay lehilahy anankiray : izaho, hoy izy, tokony haka an’io train io, andeha hanao entretien d’embauche any Paris ; ary satria entretien d’embauche, izy izany any amin’ny province no mipetraka ; entretien d’embauche any Paris, asa tsara be any Paris : no doubler-ko ny réveil, hoy izy, fa tsy possible aho tsy ho tafafoha ho tara train. Inona ny zavatra nitranga ? Tsy nisy naneno ireo réveil anankiroa. Izay ry havana : Andriamanitra no nanakana an’ilay réveil, fa tsy possbile izany réveil anankiroa e tsy maneno izany. Ary izay ilay hoe : mampiasa circonstance Andriamanitra : tsy sitrapony ny ankanesan’io lehilahy io amin’izany asa izany na ahoana na ahoana, mbola tsy sitrapon’Andriamanitra koa hoe ny ahafaty an’ilay lehilahy : izay ilay réveil.
Ary rehefa miteny isika hoe : « noraran’ny Fanahy Masina », « tsy navelan’ny Fanahy Masina » : tsy fantatra anie hoe inona ny circonstance napetraky ny Fanahy Masina e. Angamba nisy hoe jiosy nanohitra teny an-dalana dia nanakana an-dry Paoly sy ny namany. Asa, mety tratran’ny aretina angamba ry Paoly. Asa, nisy sakana hafa : sakana hafa ve avy amin’Andriamanitra, sakana hafa ve avy amin’ny devoly. Fa ny tontaliny dia hoe : noraran’ny Fanahy Masina ary tsy navelan’ny Fanahin’i Jesoa.
Handray katekomena moa rehefa avy eo, dia tantaraiko foana ity amin’ny katekomena ry havana, hoe ahoana moa no ahafantarako fa ity lehilahy ity na ity vehivavy ity no nomanin’i Jesoa ho vadiko sy ho rain-janako, na ho vadiko sy ho renin-janako, raha tena samy fantatra hoe efa samy nateraka indray, samy vonton’ny filazantsara ary tena hita mihitsy hoe samy mandeha eo ambany fitarihin’ny Fanahy Masina, rehefa napetraka izay profil izay, rehefa natao ny sivana, dia hoe mbola misy 3 na 4 eo tavela eo, dia iza amin’ireo 3,4 ireo ? Na hoe samy mety aza, iza no nomanin’i Jesoa ho ahy ? Dia io ilay nolazaintsika hoe ny Fanahy Masina ry havana, ny Fanahy Masina no mandamina an’ilay circonstance. Io aho fa, fa célibataire aho, dia mieritreritra an’izy 3 vavy ireo na izy efa-bavy ireo. Dia eo ary fa antsoiko, azafady raha misy Robertine ato : - « Allo Robertine, izaho ihany ity, tadidinao ve ? » - « Ohh, vao saika hiantso anao mihitsy aho fa atao fisehoana aho amin’ny Sabotsy izao ». Zay ilay izy. Dia antsoiko indray i Gudule (ato sûre aho fa tsisy Gudule) : - « Gudule an, isika mpinamana be tany amin’ny Saint Michel tany fa izao sy izao sy izao, izao sy izao sy izao… fa izaho te hiresaka aminao ». Mbola tsy tapitra akory ny resako an, dia hoy Gudule hoe : « oay, izaho hanao pot d’adieu fa izaho andeha ho any an-dafy amin’ny Sabotsy izao ». Dia efa rava ny tsena ko ; izaho eto Antananarivo eto moa izany. Dia antsoiko indray ilay fahatelo, tsy tadidiko intsony ilay anarany ; fa misy circonstance hoatran’izany. Dia io izany fa ilay faha-4 izany. Asa raha azonareo ilay izy. Fa izay : izaho manao an’izany : ny Fanahy Masina efa namonto ahy tenin’Andriamanitra ; izaho manao an’izany : efa nomena conviction intérieure du Saint Esprit aho hoe ireo samy mety. Fa ny Fanahy Masina ry havana no manome hoe iry izany ilay izy.
Ry zandrikelin’i Jesoa ô, andrandrao ny Fanahin’i Jesoa dia ho vanona ny fiainanao, dia azonao antoka ny lanitra. Ary aza kivy ianao rehefa manakatona varavarana anankiray Andriamanitra ; fa ny fomban’Andriamanitra : manakatona varavarana iray Izy, fa efa miomana ny hanokatra varavarana iray hafa, ho anao izay mitady ny sitrapony. Ary aza hoe lany andro, malahelo hoe : « fa maninona Jesoa no nakatonao ity varavarana ity », aza lany andro manome tsiny an’i Jesoa hoe « Ianao Jesoa, hay tsy tia ahy akory, maninona io no nakatonao nefa fantatrao fa tena tiako be ». An an an, andrandrao izay varavarana manaraka sokafany. Ary mety tsy eo noho eo ihany izy no hoe manidy dia manokatra ; Paoly ato amin’ity perikopa ity : nandeha niainga avy any Antiokia dia efa nandeha, araka ny filazan’ny mpandinika, nandeha l’équivalent de 1.000km izay vao hoe nahita mazava hoe noraran’ny Fanahy, tsy navelan’ny Fanahy, fa notenenin’ny Fanahy hoe : ndana ianareo mankany Makedonia. Io, rehefa ela ny ela e, Andriamanitra ry havana ô, manokatra varavarana ho anao ary mitaona ny dianao ho any amin’izany varavarana izany.
Ny varavarana farany ry havana tsy maintsy ho hidin’Andriamanitra ho antsika rehetra, dia ny varavaran’ny fiainana ety an-tany. N’inon’inona fomba hanakatonany an’izany, indray andro, afaka 70 na 80 taona, fara-fahelany : ho akatony io varavaran’ny fiainana ety an-tany io. Ny firariana ho antsika e, amin’izay fotoana izay, dia efa samy ho hita anokafan’Andriamanitra izany varavaran’ny lanitra izany isika mianakavy.
Ry zandrikelin’i Jesoa an, ANDRANDRAO NY FANAHIN’I JESOA. Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena