Mandinika lohahevitra vaovao indray ny FJKM ry havana amin’izao volana Desambra izao, araka ny henontsika teny amin’ny fitarihina ny fotoana teo, sy teny amin’ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora ihany koa. Fa andeha iarahantsika miredona izany e, mba hahatsiarovantsika fa izany no lohahevitra dinihintsika amin’ity volana Desambra ity, sy ieritreretantsika tsara ny hafatra izay omen’ny tenin’Andriamanitra. Inona hoe ilay lohahevitra ? IAINO NY FIADANAN’NY TOMPO.
Fa Alahady voalohany amin’ny advento koa androany ; izany hoe Alahady iray amin’ireo Alahady 4 andinihan’ny Fiangonana, fiomanan’ny Fiangonana amin’ny fankalazana ny fahaterahan’ny Mpamonjy, dia Jesoa Kristy, izay Andrian’ny fiadanana. Ka raha ny lohahevitra araka ny ilazan’ny mpaminany an’i Jesoa Kristy izany, dia fiadanana no resahintsika androany. RESAKA FIADANANA
Raha ny fiaraha-monina, eny fa na isika koa aza, tafiditra ao anatin’izany no anontaniana hoe : « manao ahoana izany fiadanana izany ? », dia izao no ataontsika, ataon’ny olona matetika : « efa miadana ry anona fa tafita ny zanany, manana an’izao sy izao izy, manan-katao izy, manana trano be izy… ». Fa tena izany tokoa ve no fiadanana ? Dia afaka mahatsiaro ilay tenin’i Jesoa ao amin’ny Lioka 19 : 42 isika hoe : « Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin'ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! ». Fa ho fantatsika izany fiadanana izany sy ny momba azy, avy amin’ny hafatra raisintsika avy ao amin’ny Isaia 57 : 15-21, ary ny Jakoba 2 : 14-20. Ireo andinin-tsoratra Masina ireo no iresahintsika mikasika ny atao hoe fiadanana, ary fahamarinana 3 no tsoahintsina ao anatin’izany.
Ny Fahamarinana 1 : MANANA FIADANANA IANAO RAHA MONINA AO AM-PONAO ANDRIAMANITRA, RAHA MONINA AO AM-PONAO JESOA KRISTY. Ny fahamarinana 2 dia hijerevantsika indray ny sakana mahatonga anao tsy hanana fiadanana na tsy iaina izany fiadanana izany. NY FIEREMANA, IZAY MAHA-TEZITRA AN’ANDRIAMANITRA, NO SAKANA TSY HANANANAO NA TSY HIAINANAO NY FIADANANA. Ary ny fahamarinana 3 farany, rehefa anananao ny fiadanana ka iainanao, MAMBOLY FIADANANA IANAO RAHA MANOME NY SOA HO AN’IZAY MILA AZY.
Fahamarinana 1 : MANANA FIADANANA IANAO RAHA MONINA AO AM-PONAO ANDRIAMANITRA, RAHA MONINA AO AM-PONAO JESOA KRISTY.
Ny Isaia 57 :15b no vakiantsika miaraka mba hahazoantsika manakatra tsara sy manazava izany fahamarinana 1 izany. : « Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena ». Ilay Andriamanitra Masina ry havana, mitoetra any amin’ny fitoerana avo sady masina, no manaiky honina ao aminao, ao amin’ny fon’ny torotoro fo. Ary rehefa monina ao Izy, dia mitondra fiadanana. Ary ny endrik’izany fiadanan entiny izany, dia famelombelomana ny fanahy. Izany fiadanana ho entiny izany koa dia mitondra fanasitranana, manasitrana, and.18a ary eo amin’ny and.19. Ary izany fiadanana ho entin’Andriamanitra ao amin’ny torotoro fo izany dia mitondra fiononana na mitondra fampiononana, and.18b. Ary farany, raha tsy hilaza afa-tsy izany isika araka ny ambaran’ny Isaia 57, ny fiadanana ho entin’ Andriamanitra monina ao amin’ny torotoro fo, dia fampihavanana Aminy, and.19b : « Fiadanana, fiadanana ho an'izay lavitra sy ho an'izay akaiky! ». Rehefa vita fihavanana amin’Andriamanitra, dia mety monina Izy ary mitondra fiadanana.
Fa inona moa izany hoe « torotoro fo » ry havana ? Ny torotoro fo, raha tena adika amin’ny fomba tsotra, dia hoe : fo mangorakoraka ; mangorakoraka noho ny fahotan’ny tenany, sy nohon’ny fampahorian’ny fahavalo. Ny fahavalo mampahory ny zanak’Andriamanitra, dia voalohany : satana, faharoa : izao tontolo izao, ary fahatelo : ny tenany ihany. Noho nybfampahorian’izany fahavalo izany, noho ny fahotan’ny tenany, dia mangorakoraka izy. Ary rehefa mangorakoraka dia mitaraina amin’Andriamanitra ka mitady fanafahana avy amin’izany Andriamanitra izany. Raha tena adikantsika amin’ny fomba tena tsotra izany rehetra izany ry havana : ny fo mangorakoraka dia ilay fo miaiky ny fahotana ka miaiky izany fahotana izany eo anatrehan’Andriamanitra. Miaiky ny amin’izany fahotana izany, dia mifona. Ary rehefa izany, dia mampiditra an’i Jesoa ao am-pony mba ho Tompony sy Mpamonjiny. Izany ny fo torotoro tian’Andriamanitra ho heno. Fa rehefa manao izany ianao, dia vonona hiditra ao aminao Izy. Efa nataonao ve izany ry havana : niaiky ny fahotanao dia nifona teo anatrehan’Andriamanitra ary nanokatra ny fonao mba hidiran’i Jesoa Kristy mba ho Tomponao sy Mpamonjinao ? Raha efa nataonao izany, avaozy amin’ity anio ity. Fa hitanybhoe torotoro ny fonao dia honina ao Izy, ka hanana fiadanana ianao. Fa raha mbola tsy nataonao, dia ataovy, fa mandondona ao am-ponao Izy ankehitriny, te hiditra, te honina, mba hanananao fiadanana. « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko ». Ary tsy hiara-hisakafo fotsiny Izy, fa hitondra fiadanana ho anao. Fa Izy ilay Andrian’ny fiadanana, ary ahatonga anao hiaina sy hanana fiadanana.
Fahamarinana 1, iarahantsika miredona : MANANA SY MIAINA FIADANANA IANAO RAHA MONINA AO AM-PONAO JESOA KRISTY. Ohatrany tsotra an ! Fa inona ary ny sakana mahatonga anao tsy hiaina na tsy hanaan an’izany fiadanana izany ? Inona no sakana ? Andeha vakiantsika ry havana ny Isaia 57 :17a : « Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy ». Inona hoe no naha-tezitra an’Andriamanitra ? Ny fieremana.
Fahamarinana 2 : NY FIEREMANA, IZAY MAHA-TEZITRA AN’ANDRIAMANITRA, NO SAKANA TSY HANANANAO, NA TSY HIAINANAO NY FIADANANA
Izay ilay fahamarinana 2. Ny fieremana, izay betsaka no andikana azy, fa anankiray amin’ny andikan’ny teny vahiny, na ny teny frantsay azy, dia ilay hoe : « cupidité », izay andeha adikantsika amin’ny hoe « fitiavam-bola, fitiavan-karena ». Ary izany famaritana izany dia amafisin’izay voalaza ao amin’ny Jeremia 6 :13-14, izay mifanindran-dalana amin’ny Isaia 56 sy 57 vakiantsika izao. Andeha hiarahantsika mamaky, Jeremia 6 :13-14 : « Satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena avokoa; Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa. Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ ny oloko zanakavavy tamin’ ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona! ». Fatra-pila harena, fatra-pila vola, na ny mpisorona na ny mpaminany tamin’izany andro izany, ka nanjary nampahory ny zanak’Isiraely. Nanaonao foana, namitaka, nilaza hoe : fiadanana, fiadanana, nefa tsy izany. Izany no zava-mitranga manomboka any amin’ny Isaia 56 :9 – Isaia 57 :1-14. Ary manomboka eo amin’ny and.15 dia fampiononana ho an’ny zanak’Isiraely no nampitondraina an’i Isaia mpaminany.
Ny fieremana ry havana, raha adikantsika hoe fitiavam-bola, fitiavan-karena, maha-tezitra an’Andriamanitra. Ary ny fieremana koa, raha adikantsika amn’izany fitiavam-bola izany dia avy amin’ny fo. « Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra », araka izay voasoratra any amin’ny 1 Timoty 6 :10. Fa ny ratsy rehetra koa, araka ny Matio 15 : 19, dia miainga avy amin’ny fon’ny olona : « Fa avy amin’ ny fo no ivoahan’ ny sain-dratsy, dia ny vonoan’ olona, ny fakam-badin’ olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy », dia azo tohizana izay mety ho karazan-dratsy rehetra. Ary azo heverina aza fa tafiditra ao anatin’izany ratsy izany, ateraky ny fitiavam-bola, ny fahihirana.
Ry havana, izany no maha-tezitra an’Andriamanitra, satria tsy araky ny sitrapon’Andriamanitra izany. Ary ny zavatra atao tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra dia tsy hananana fiadanana, araka izay voasoratra ao amin’ny Isaia 57 novakiana tamintsika ny and.21 hoe : « Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy ». Ny ratsy fanahy, raha ny Soratra Masina no milaza azy, dia izay rehetra tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra. Hitantsika amin’izany, fa ny fitiavan-karena, ny fieremana na fitiavam-bola dia fototry ny ratsy rehetra. Fa ny ratsy rehetra dia miainga avy amin’ny fon’ny zanak’olombelona.
Teo amin’ny fahamarinana 1, voaresaka fa raha monina ao amin’ny fo torotoro Jesoa, dia miaina sy manana fiadanana isika. Fa ny sakana eto izany dia mbola ny fontsika indray, satria io no mahatonga fieremana. Ary raha ny Jeremia 17 :9-10 no vakiantsika, dia mazava tsara ny tenin’Andriamanitra : « ny fo dia manana aretina tsy azo sitranina ». Manana aretina tsy azo sitranina ny fo, fa Izy Andriamanitra, ilay mpandinika ny fo sy ny voa ihany no afaka manasitrana azy. Ka inona ary no ho atao raha tiana ho sitranina ny fo, ka afaka ny fieremana, dia ho afaka ny sakana tsy ahafahantsika miaina ny fiadanana ? Andao atolotra an’Andriamanitra ny fontsika e mba ho sitraniny. Izany rahateo no ambaran’ny Ohabolana 23 :26a : « Anaka, atolory Ahy ny fonao ». Atolory an’i Jesoa Kristy, atolory an’Andriamanitra ny fonao, fa Izy no afaka hanafaka, hanapotipotika, handrava ny fieremana ao anatinao, dia hanana fiadanana ianao, ary iaina amin’izany fiadanana izany.
Ny fahamarinana 1 : Miaina sy manana fiadanana ianao raha monina ao am-ponao Jesoa Kristy. Ny fahamarinana 2 : Ny fieremana, izay maha-tezitra an’Andriamanitra, no sakana tsy hanananao fiadanana. Andao ary hiaraha-manaiky fa manaiky an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjinao ianao, dia sokafanao ny fonao idirany dia monina ao Izy. Natolotrao Azy koa ny fonao ho sitraniny. Dia inona no vokatr’izany ? Andeha vakiantsika ny Jakoba 2 : 14-16 : « Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan-andro, ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin’ ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an’ ny tenany, inona moa no soa azo amin’ izany? ».
Fahamarinana 3 : MAMBOLY FIADANANA IANAO REHEFA MIZARA SOA HO AN’IZAY MILA IZANY
Ny Jakoba 2 ry havana manomboka eo amin’io and.14 io dia miresaka ny amin’ny hoe finoana sy asa, finoana sy asa, ary indraindray mihazohazo ny hevitry ny kristiana ny amin’izany. Fa andeha tsorintsika amin’izao, hoe : ny finoana marina dia tokony hiteraka asa ; ary indrindra raha mahatsiaro ny famonjen’i Jesoa Kristy, ny famonjena nataony taminao tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ianao, dia tokony hanao asa miaraka amin’izany. Ny Efesiana 2 :8-10 no vakiantsika hanamafy sy hanamarina izany : « Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra; tsy avy amin’ ny asa, fandrao hisy hirehareha. Fa asany isika, voaforona tao amin’ i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’ Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy ». Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia novonjena isika tamin’ny alalan’i Kristy, ary nohariany hanao asa tsara. Ary isan’ny asa tsara ry havana ny fizarana ny soa, ny fizarana ny fiadanana ho amin’ny hafa, indrindra rehefa miaina izany fiadanana izany ianao, manana an’izany, dia tery ianao hizara an’izany ho an’ny hafa.
Fa rehefa mizara fiadanana ianao, aza zaraina amin’ny teny fotsiny, fa zarao amin’ny asa koa e. Izany no ambaran’izao Jakoba 2 izao eo amin’ny and.16. Raha misy olona tonga ao aminao tsy manan-kohanina, tsy manan-kitafy, dia hoy ianao aminy hoe : « mandehana amin’ny fiadanana, mivokisa, sns… », inona moa ny fiadanana ho azony amin’izany ? Fa tena izany tokoa anie isika matetika e, indrindra fa izahay mpiandry. Raha mba misy olona tonga ao aminay, mba mila fanampiana : vary no tadiaviny ; fa ny mahamaika anay dia : « mibebaha, atolory ny Tompo ny fonao », dia lasa ilay olona, sorena : zavatra hafa no tadiaviny dia zavatra hafa no ambara, dia sorena ilay olona. Fa raha tena te haneho an’izany ianao dia zarao ny fiadanana amin’ny endrika hita maso.
Tantara niseho tamina tokantrano anankiray no isarihina ny saintsika amin’izany fiadanana izany. Vary 4 kapoaka no ampy an’ity tokantrano anankiray amin’ny sakafo atoandro. Ary tsy fantatra izay zavatra nitranga, fa dia vary 4 kapoaka tokoa sisa tao. Talohan’ny nandahoana sakafo anefa, nandalo tao amin’io tokantrano io, mpangataka anankiray, dia ilay faralahy no tao niaraka tamin’ny mpanampy : mpangataka ô, mpangataka ô ; dia tsy hitan’ilay faralahy ny natao, izy moa tsy dia mahazo resaka tsara : lasa nangalany 1 kapoaka ilay vary 4 kapoaka nomeny ny mpangataka. Tonga ny mpisakafo ny atoandro, gaga ilay raim-pianakaviana : fa maninona izany vary izany no toa ohatrany kely e, toa tsy ampy izy izany. Dia tsy nisy dahy niteniteny teo, dia farany nivaky ihany ilay mpanampy hoe : nisy mpangataka nandalo teo dia nomen’ilay zanakareo faralahy azy ny 1 kapoaka ; Saika hiaka-pofona ramose hoe fa ahoana no zaraina, fa izao manjary kely no hohanina. Fa notsindrian’ny Fanahy Masina izy, dia hoe : oay, misaotra ny Tompo fa na dia banga 1 kapoaka aza ny tato an-trano, nihinana ihany isika, ary mba nihinana koa ny hafa. Isika niadana, fa mba niadana koa ny hafa, vokatr’ilay 1 kapoaka. Izany ry havana ny endriky ny fizarana. Mamboly fiadanana ianao rehefa mizara ny soa amin’izay mila izany. Vary no nalainy ? omeo azy aloa ny vary. Fa azo tohizana izany amin’ny fomba hafa. Tantara anankiray niseho tamina toram-piasana anankiray indray no isarihina ny saintsika amn’izay hanohizana azy. Ramose anankiray izay, nankao amin’ny toeram-piasana iray satria miasa tao amin’io toeram-piasana io hono ny zokiny, izay mba nanana ny maha-izy azy, tompon’andraikitra ambony tao amin’io toeram-piasana io. Roa arivo no notadiaviny tamin’ilay zokiny, Ariary an, fa tsy nanome ilay zokiny. Dia ilay zokiny kristiana, dia izao no mba nataon’ilay zokiny, hoe : « tsy misy r’se an, mivavaha, fa ianareo tsy mivavaka io ihany no tsy mahazo anareo, mangataka lava, 2.000Ar, andao fa tsisy ». Dia nangasihasy ilay ramose nivoaka ; fa alohan’ny nivoahany an’ilay toeram-piasana anefa, nahita olona anankiray izy, izay tsy fantatra, fa angamba hitany teny amin’ny endrik’ilay olona io ny fiadanana. Dia nanatona izy : « hono hoa ramose, ianao mba afaka mandray ahy », dia hoy ilay ramose : « ie, afaka mandray anao aho fa inona kay no atao anao izay ? » ; « Izaho ramose tato amin’ilay zokiko tato amin’ity toeram-piasana ity, i anona no anaran’ilay zokiko, fantatrao angamba izy, nangataka 2.000Ar aho dia tsy nomeny. Fa sao dia mba manana 2.000Ar ianao ». Dia nomen’ilay ramose ilay 2.000Ar. « Inty ary ny 2.000Ar e ». Fa lasa fanaon’io zalahy io ny mangataka 2.000Ar amin’io ramose io isan-kerinandro, tapa-bolana. Dia hoy ilay ramose : ohatrany tsy mety fa angataka eto foana, fa inona no ataoko Jesoa ô. Nisy an’ireny filzantsara kely mangamanga fanomen’ny gideona iraisam-pirenena tao amin’ilay ramose tao, dia rehefa tonga ity rangahy ity, asa tamin’ny fanindiminy na fanieniny, mbola hangataka 2.000Ar ihany, dia hoy ilay ramose : « zandry an, tsy manana 2.000Ar omena anao aho androany, fa ity misy zavatra mihoatra ny 2.000Ar omeko anao : ao anatin’ity Jesoa Kristy, ilay Andrian’ny fiadanana. Somary nalahelo ihany ilay rangahy satria 2.000Ar no nantenainy, zavatra hafa no nomena azy. Fa lasa izy. Afaka herinandro na tapa-bolana, niverina izy, dia tsy niditra intsony izy an, fa eo amin’ny varavaran’ilay nanome ilay boky kely izy no nitazana : « tsy angataka intsony aho androany e, fa hitako ilay izy ». Hitany Jesoa Kristy, ilay Andrian’ny fiadanana.
Ry havana, mamboly fiadanana ianao rehefa mizara ny soa amin’izay mila izany. Mety amin’ny endrika fanomezana izany, fa azonao tohizana tsara amin’ny fizarana ilay tena fiadanana, dia ilay Andrian’ny fiadanana.
Miaina sy manana ny fiadanana ianao rehefa monina ao am-ponao Jesoa Kristy : ilay fonao torotoro, mangorakoraka noho ny fahotanao, mangorakoraka noho ny fampahorian’ny fahavalonao. Dia sokafanao honenan’i Jesoa Kristy, ilay Andrian’ny fiadanana, dia miaina ny fiadanana ianao. Ary rehefa ao anatinao Izy, dia potehiny, ravany, ilay sakana tsy hanananao izany fiadanana izany. Inona moa ilay sakana tsy hananana fiadanana ? Ny fieremana. Andao averintsika tsara ary ilay fahamarinana 2 e : Ny fieremana, izay maha-tezitra an’Andriamanitra no sakana tsy hanananao ny fiadanana. Ary rehefa afaka ny sakana, dia mamboly fiadanana ianao rehefa manao inona ? Mamboly fiadanana ianao rehefa mizara ny soa ho an’izay mila izany.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.