ALAHADY 12 SEP 2021

1 Petera 3 :18 : « Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’ Andriamanitra, ka novonoina tamin’ ny nofo, fa novelomina tamin’ ny fanahy ».

Ny Fahamarinana 1 ry havana, izay omen’ny Tompo antsika Fiangonana amin’izao maraina izao, dia hoe : MIFALIA AMIN’NY FAHORIANAO. Tsy hoe : ekeo ny fahorianao ; tsy hoe : misaora amin’ny fahorianao. Fa ampiana hoe : MIFALIA AMIN’NY FAHORIANAO. Rehefa mety fahoriana dia hifalio.

Izay no Fahamarinana 1 : MIFALIA AMIN’NY FAHORIANAO. Izany no ataon’ny olona te hiorina ao amin’ny Tompo ry havana ô : mifaly amin’ny fahoriana. Filipiana 1 :29. Mahavariana ity texte ity rehefa imasoana manokana tahak’izao ry havana : « Fa hianareo efa nomena noho ny an’ i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy ». Fahazarana eto moa, ilay mampahatsiahy an’ilay teny frantsay amin’ny version Segond, hoe : « Car il vous a été fait la grâce, non seulement de croire en Christ, mais encore de souffrir pour Lui ». Inona moa no lazain’i Paoly ry havana ? Manamafy ny zavatra lazain’i Petera : matoa izaho mino an, matoa ianao mino : tsy hoe hendry kokoa noho ny hafa ianao, tsy hoe matanja-tsaina kokoa noho ny hafa ianao, na mana-tsaina kokoa noho ny hafa, dia hoe : hino aho ; an an an ; fahasoavana nomena anao izany, grâce-n’Andriamanitra izany. Dia hoy Paoly ao amin’ny Filipiana 1 :29 hoe ny fahasoavana nomena anao : tsy hino an’i Jesoa ihany, fa ny hiharam-pahoriana noho ny Aminy. Izany ny Fahamarinana ampahatsiahivina antsika. Inona moa no dikan’izany ? Maninona no ampahatsiahivina ao amin’ny fiandohan’ny perikopa hoe : Kristy koa aza efa nijaly ? Ianao mijaly ry havana, dia tena hoe tombokase izany fa tena manana finoana marina. Ianao mijaly ry havana, dia manana antoka ianao, n’inon’inona fijalianao, n’inon’inona fahorianao, fa manara-dia an’i Kristy ianao. Izay lalàna nizoran’i Kristy tety an-tany dia izoranao rehefa mijaly ianao, rehefa ao anaty fahoriana ianao. Ary mieritrereta ihany ry havana ô, raha milamina be ny fiainanao, raha lavi-pahoriana ny fiainanao. Mandinia tena ny amin’ny finoanao. Nahoana no atao hoe : mifaly aho amin’ny fahoriana ? Satria faly aho fa tena kristiana izany e. Faly aho fa tena manara-dia an’i Kristy izany e, noho io fahoriana atrangany eo amin’ny fiainako io ry havana ô. Ka tsy hoe manaiky fotsiny aho ; tsy hoe misaotra fotsiny aho ; fa mifaly : faly aho Jesosy fa tena mpianatrao, tena disciple-nao, faly aho Jesosy fa tena zandrikelinao an.

Nisy Pasitera izay nandeha retraite tany Etats-Unis tany, dia izy io noho ny nandraisany ny antson’ny Tompo ho Pasitera, dia nanao fianarana Comptabilité. Dia rehefa ren’ny tao am-piangonana fa andeha retraite Pasitera nefa mbola salama, mavitrika Pasitera, dia notenenina olona vitsivitsy tompo-na orinasa, hoe : maninona raha manao comptable ao aminay ianao, fa mila olona mahatoky, mila olona manao ny marina izahay ? Dia nanaiky ilay Pasitera. Inona ny zavatra nitranga anefa ? Inona ny zavatra nitranga ? Hay ilay olona niantso azy, ilay tompon’ilay orinasa, ilay associé amin’ilay orinasa tena olona tena ratsy fanahy, manao izay tsy fahamarinana rehetra izao. Ka rehefa tonga ny enquête-ny polisy, ilay Pasitera no tratra farany teo, ilay Pasitera no nigadra ; fa ilay tompon’ilay orinasa tsy voaroiroy noho ny hafetseny. Dia nigadra ilay Pasitera. Nijoro vavolombelona ilay Pasitera, ary ny niara-nigadra taminy nahita an’izany : tsy mbola nahita olona faly ohatran’izany taty am-pigadrana. Satria naninona ? Nifaly izy tamin’ilay fahoriana, faly izy tamin’ilay fahoriana. Dia tany am-pigadrana : tsy be koretaka teo izy na naninona, fa hoe : nataony toerana itoriana filazantsara ilay prison iray manontolo. Ary faly izy fa hoe : « izany kay ny sitrapon’ny Tompo amiko », amin’izany fisotroany ronono izany : tsy hanao comptabilité-na entreprise fa mbola hoe hitory filazantsara hatramin’ny fara-fofon’ainy mba ho fampidirana olona any an-danitra ry havana ô.

Izay ny Fahamarinana 1 : MIFALIA, MIFALIA AMIN’NY FAHORIANA N’INON’INONA FAHORIANA ; FA MARIKA IZANY FA MANAHAKA AN’I KRISTY IANAO.

Jerentsika anie ny Asan’ny Apostoly 8 e, hamaranana an’izay Fahamarinana 1 izay. Asan’ny Apostoly 8 :1 : « Ary tamin’ izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin’ ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin’ ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany ». Maninona no tsiahivina io texte io ry havana ? Petera izay manafatra antsika, hoe : MIFALIA AMIN’NY FAHORIANA : tsy manao catéchisme izy an, izy nosamborina an, dia nogadraina an, notsaraina an ; tena niainany izany fanenjehana izany. Fa jereo tsara ny vokatr’ilay fanenjehana tao Jerosalema : nandositra ilay tena kristiana, nandositra fanenjehana. Fa iny fandosiran’ny kristiana iny an, nahatonga ny filazantsara niely niala tao Jerosalema, fa nanerana an’i Jodia, nanerana an’i Samaria. Izany hoe nahatanteraka ilay programa fitoriana ny filazantsara. Ry havana ô, MIFALIA AMIN’NY FAHORIANA. Ary tsarovy mandrakariva fa tsy ny mpampahory anao no tompon’ny teny farany, fa Kristy izay milaza aminao, hoe : MIFALIA AMIN’NY FAHORIANA.

Izay no Fahamarinana 1 ry havana.

Ny Fahamarinana 2 dia izao : IALAO IZAY MAMPIGADRA

Andao averintsika vakiana ny and.18 sy 19 : « Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’ Andriamanitra, ka novonoina tamin’ ny nofo, fa novelomina tamin’ ny fanahy, (Kristy izany io hoe novonoina tamin’ny nofo io, fa novelomina tamin’ny Fanahy)  izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ ireo fanahy tao an-trano-maizina ». Misy Fanahy izany eto amin’ity perikopantsika ity, izay ao an-trano-maizina. Dia hoy isika amin’ilay Fahamarinana 2 hoe : IALAO IZAY METY MAHATONGA ANAO ANY AN-TRANOMAIZINAIALAO IZAY MAMPIGADRA ANAO.

Ilay figadrana resahana aloha dia mazava ho azy, raha maka ny fiainantsika andavan’andro, hoe : ialao izay mahatonga anao ho any Antanimora, na ho any Tsiafahy ; quoi que : eto Mada, izaho tsy mpitsara fa mpamaky gazety : indraindray hafahafa ihany ny fitsarana. Fa ialao, ialao.   

Fa eto an, tranomaizina hafa ity resahana eto ity. Ary io no tena trano-maizina ialana ry havana, io no tena tranomaizina ialana. Aiza ity tranomaizina ity ? Ity trano-maizina ity dia toerana antsoin’ny Baiboly hoe : fiainan-tsy hita. Rehefa maty ny olona dia midina any amin’ny fiainan-tsy hita. Dia mizara 3 io fiainan-tsy hita io araka ny Baiboly:

  • Ao izany an, ilay olo-marina izay maty talohan’ny nahatongavan’i Kristy. Io ilay paradisa resahan’i Jesoa. Asa raha tsaroanareo, ilay tenin’i Jesoa tamin’ilay jiolahy nibebaka tamin’ny minitra farany teo anilany teo amin’ny hazo fijaliana, nitenenany hoe : « anio no hihaonanao Amiko any paradisa ». Tsy ilay Paradisa any an-danitra io ; fa paradisa ato amin’ny fiainan-tsy hita.
  • Dia misy hantsana ; izay ny partie faharoa.
  • Dia ny helo. Io ilay trano-maizina misy an’ireto fanahy ireto.

Izany hoe :

  • Ato izany ireo olom-bavonjy talohan’i Kristy noho ny finoany an.
  • Ilay hantsana mampisaraka, izay tsy azo iampitàna
  • Dia ity ilay trano-maizina misy an’ireto olona izay itorian’i Kristy teny ireto.

Izay ilay izy an : « novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy, izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ ireo fanahy tao an-trano-maizina ». Inona moa izany no lazaina, dia mba hazava tsara ? Rehefa miteny isika amin’ny fanekem-pinoana isaky ny Alahady hoe : « nidina tany amin’ny fiainan-tsy hita » ; io izy io ry havana : « nidina tany amin’ny fiainan-tsy hita ». Iza no nidina tany amin’ny fiainan-tsy hita ? Jesoa. Fa maninona Petera no miteny hoe : « novelomina tamin’ny fanahy » ? Ilay fotoana nidinan’i Jesoa tany amin’ny fiainan-tsy hita, dia ilay fotoana nitoerany tao am-pasana. Ny tenany tamin’ny andro fahatelo no nitsangana tamin’ny maty ; fa Izy ilay hoe novelomina tamin’ny fanahy io, hoe ry havana: ny fanahin’i Jesoa no nandeha nidina tany amin’ny fiainan-tsy hita nitory tamin’ireto olona tao an-trano-maizina ireto. Izay ilay fandehany izany : ny faanhin’i Jesoa, fa tsy ny vatany, no nitory tamin’ireto olona ireto ; ny vatan’ireto olona ireto koa mbola tany am-pasana nitory tamin’ny fanahiny. Inona moa izany no notoriany tamin’ireto olona ireto ? Rehefa mamaky hevi-teny ianareo ry havana, dia hoe : ity verset 18 sy 19 ity no versets sarotra indrindra ao amin’ny Baiboly. Be dia be ny zavatra tsy takatra, fa izay takatra aloha dia ambara. Izay ilay méthode. Dia hoe : « izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ ireo fanahy tao an-trano-maizina ». Iza ireo fanahy ireo ? « Dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon’ Andriamanitra tamin’ ny andron’ i Noa ». Ireo izany ilay fanahy, na ilay olona moa izany tamin’ny fahavelony, izay nitorian’Andriamanitra teny tamin’ny alalan’i Noa. Ary tsy nitoriana indray mandeha ; fa Andriamanitra manana fahari-po : mitory Izy androany 12, mitory izy rahampitso 13, mitory izy rahampitso 14, mitory Izy rahampitso 15. Fa tsy noraharahiany izany. Tsy noraharahiany ny fahari-pon’Andriamanitra. Ny olona tsy miraharaha ny fahari-pon’Andriamanitra ry havana : ny hiafarany : any an-trano-maizina. Izay no mahatonga antsika hiteny hoe : IALAO IZAY MAMPIGADRA. Ianao manao tsinontsinona ny fahari-pon’Andriamanitra io : higadra no hiafaranao.

120 ans no nanamboarana ny sambofiara. Izay 120 taona izay no faharetan’izany hoe fahara-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa izany ry havana. Ary inoana fa io Noa izay manomboka mandrafitra an’ilay sambofiara io, i Noa izay hoe manapaika maritoa, mamantsika an’ilay sambofiara io, sns… tsy hoe mandrafitra planche fotsiny izy ho an’ilay sambofiara ; fa isaky ny mandrafitra planche izy ka mahita olona maniratsira, maneso, manevateva ; isaky ny mamantsika izy, azo antoka fa izay hoe famantsihana rehetra, izay fametrahana planche rehetra dia elanelanina teny fitaomana ho amin’ny fibebahana an’ireo maniratsira azy ireo. Satria ny fanahin’ny Tompo tao am-pon’i Noé dia tena hoe : tsy tiany ho any an-trano-maizina ireo mpaniratsira ireo. Raiso au sérieux amin’izay ry havana ny tenin’Andriamanitra an. Raiso au sérieux ny tenin’Andriamanitra. Ary matoa ianao mbola velon’aina androany 12 Septembre :antony tokana, antony tsotra : mahari-po aminao Andriamanitra. Ary isaky ny mifoha maraina ianao, aza mifoha amin’ny fahazarana e, aza mifoha tahaka ny hoe mandeha ho azy izany ; fa derao Andriamanitra hoe : waouh !velon’aina aho satria mahari-po amiko ianao.

Ary Jesoa hoe mitory teny any io, tsy fantatra marina izay votoantin’ilay toriteny ; fa misy fahamarinana ihany ilay fitenenana hoe : tonga tany Izy niteny amin’ireo : « hitanareo, hitanareo » ; toy ny miteny amin’ireo fanahy ao an-trano-maizina ireo hoe : « azonareo tsara ve izany ilay adalanareo, ny ditranareo e ? ». Ary indrindra indrindra, Jesoa nidina tany ry havana, ka mametraka an’izany eo ambany masontsika, hoe : « eee, Izaho ange miteny aminareo : ialao izay mampigadra e ». Izany ny teniny amintsika amin’izao maraina izao : IALAO IZAY MAMPIGADRA ANY AMIN’NY FAHAVEREZANA MANDRAKIZAY ry havana ô. Aoka ianao ho naman’i Noa 8 mianaka : olom-bitsy nandeha tamin’ny fahamarinana.         

Nisy mpanompon’Andriamanitra anankiray izay, faran’izay mahatoky, fa teneniko izay zavatra noteneniny ; fa tsy hitako ilay source fa izy mahatoky dia inoana hoe mahatoky ny zavatra teneniny : ry Noa 8 mianaka nandeha tamin’ny fahamarinana, tsy nanivahiva ny fahari-pon’Andriamanitra. Firy ny isan’ny olona izay hoe ringana tamin’io tety ambonin’ny tany ? 8.000.000 hoy ilay mpandinika. Ianao ry havana ô, aoka hinamana amin’ireo 8, ilay an-kavitsiana. Aza miombona amin’ny fanaon’izao tontolo izao, hoe ilay 8.000.000 eto amin’izao tontolo izao manao an’izao ; eny e, Pasitera, efa reko, efa reko ; an an an : jereo ihany izay olom-bitsy ary meteza ianao ho namany. Maka ohatra aho izao e : rehefa mba miteny ianao hoe : « tsy efa mba ampy ve izay ny kolikoly e » ; « ka io Pasitera tsy avotra intsony an » : anya m-pigadrana ny hiafaranao an. Mety tsy miditra any Antanimora, any Tsiafahy ianao an ; fa any amin’ity trano-maizina ity no hiafaranao ry havana.

Izay ny Fahamarinana 2, hoe : IALAO IZAY MAMPIDITRA ANY AN-TRANOMAIZINA.

Rehefa tonga ny fara-fofon’aintsika, izay isika vao tsy hanota intsony. Fa ny angatahana amintsika isan’andro dia miezaka hanana fieritreretana tsara araka ny tenin’i Petera eto : voadio amin’izao mahaloto azy, araka ny efa nolazaina tamin’ny 5mn teo ; voadio amin’izany. Voadion’ilay rà nalatsaka teto. Izany no lazain’i Petera ry havana ô. Dia voaloto indray rahampitso, dia manadio, manadio, manadio ny eritreritro aho mba tsy hanana conscience manameloka ahy : « ianao koa mba mitory teny ohatran’io nefa jereo ity ataonao ». Izany. Rehefa tsy manao izany ianao ry havana : any an-trano-maizina no hiafaranao.

Ny Fahamarinana 3 farany eo amin’ny and.22 : « Izay eo amin’ ny tanana ankavanan’ Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery ». TSAROVY MANDRAKARIVA FA JESOA ANKEHITRINY DIA EO AN-TANAN’ANKAVANAN’ANDRIAMANITRA.

Misaotra ny Tompo moa ny amin’izay hoe fifampiarahabantsika hoe : « Nitsangana tamin’ny maty Kristy ». Dia mamaly hoe : « Eny, nitsangana tokoa Izy ». Fampatsiahivana hoe izany ny fototra e. Izany ny fototra. Be dia be ny kristiana manompo Andriamanitra maty. Na manompo Jesoa tsy nitsangana tamin’ny maty, dia izay no karazana hoe fampatsiahivana antsika ry havana. Fa izao : ny zavatra tenenina antsika androany dia hoe: aza alàna ao an-tsainao fa saino mandrakariva ry havana ô, fa Jesoa ankehitriny dia eo an-tanan’ankavanan’Andriamanitra. « Efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery ».

Ny dikan’ilay hoe eo an-tanan’ankavanan’Andriamanitra an, raha hanao séminaire un week-end aza isika tsy ho lany. Fa fahamarinana vitsivitsy : eo an-kavanan’Andriamanitra : nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery. Izay rehetra manana fahefana, any an-danitra na ety an-tany, dia eo ambany fahefan’i Jesoa ry havana. Eo ambany fahefan’i Jesoa. Io tompon’ny orinasa mampiasa anao io, ingahy Rajoelina, ingahy Ravalomanana, sy ny hafa izay tsy fantatra : eo ambany fahefan’i Jesoa izany. Izany no ambaran’ny Soratra Masina. Izy nakarin’Andriamanitra any an-danitra.

Hebreo 1 :13 ange jerentsika e : « Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? ». Raisina ho fahavalo moa izay rehetra mampahory anao, satria isika atao hoe : « mifalia amin’ny fahoriana ». Io fahavalo hitanao maso io, eritrereto amin’ny finoana hoe : efa ataon’Andriamanitra fitoeran-tongotr’i Jesoa io ry havana ô. Mampahory anao izy, possible ; fa efa ataon’Andriamanitra fitoeran-tongotra. Dia hoy Izy : « vitanao ny hiaritra fahoriana, vitanao ny hisaotra an’Andriamanitra noho ny fahoriana, vitanao ny hifaly amin’ny fahoriana ».

Romana 8 :34 : « Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ ny maty koa ka mitoetra eo amin’ ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ary mifona ho antsika ». Ary mifona ho antsika.

Ary farany, Asan’ny Apostoly 7. Ity izany an, Stefana toraham-bato ho faty. Dia efa akaiky mihitsy ilay ora, ilay minitra ialany aina. Dia hitany i Jesoa mitsangana any an-danitra ; Asan’ny Apostoly 7 :56 : « dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’ olona mitsangana eo ankavanan’ Andriamanitra ». Angaha tsy mipetraka indray Izy e ? Eo Izy : mitsangana.

Inona moa, rehefa miteny isika ry havana hoe : saino mandrakariva fa Jesoa amin’izao fotoana izao eo an-kavanan’Andriamanitra ?

  1. Manana ny fahefana rehetra.
  2. Manangona ny fahavalonao eo ambany tongony.
  3. Mifona ho anao ankehitriny.

Izany no mbola maha-velon’aina ahy :mifona ho ahy Izy. Ary rehefa tonga ny fotoana ialako ety ; raha izany ny fiainako, dia mitsangana Izy handray ny fanahiko ; mitsangana Izy handray ny fanahiko, fa tsy matimaty foana aho ry havana ô. Mba irio izany hoe manakaiky ny fotoana ialanao aina, n’inon’inona circonstance, dia mahatsiaro an’ity tantaran’i Stefana ity ianao, hoe : « waouh, fantatro fa efa mitsangana Jesoa Kristy zokiko ao an-danitra ao handray ny fanahiko ».

Izay ny hafatra ho antsika ry havana androany, izay te hampiorina ny finoantsika :

  1. Mifalia amin’ny fahoriana
  2. Ialao izay mampigadra
  3. Ary tsarovy mandrakariva fa efa mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Jesoa

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amena.