ALAHADY 26 JAN 2020

image_pdfPDF

« Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra ». Kolosiana 1 :28

Mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra. Ry havana ô, ry havana ô, tia anao ny Tompo, ary izany no hafany ho anao, izany ny programany ho anao androany : ny ho tanteraka ianao ao amin’i Jesoa, ny ho tanteraka ianao ao amin’i Jesoa.

Raha fintinina ilay hafatra ry havana, faran’izay tsotra, dia hoe : METEZA HO TANTERAKA – EKEO NY HO PARFAIT- EKEO NY HO MATOTRA. Izany ny programan’ny Rainao ho anao : METEZA HO TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY.

Ny Fahamarinana 1 ry havana, ho an’ny olona izay hoe mety ho tanteraka ao amin’i Kristy, dia ny hoe : METEZA ANARINA

Hanarin’ny inona ry havana ? Hanarin’ny toriteny.

Hanarin’ny inona ry havana ? Hanarin’ny fampianarana isan-karazany atao ao am-piangonana. « Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra ». Raha te hiroso amin’ny fahatanterahana ianao ry havana ô, meteza, meteza, meteza anarina.

Ilay fahatanterahana ry havana mahazo roa : ilay fahatanterahana ety an-tany aloa, mazava be izany, iza no tsy mitady an’izany perfection izany ? Iza no tsy mitady an’izany fahamatorana izany e ? Fa ilay fahamatorana resahina eto, ilay fahamatorana ao amin’i Kristy, dia fahamatorana indrindra indrindra koa, fahamatorana, fahatanterahana, perfection spirituelle. Izany ry havana ô. Ary rehefa miteny ny Apostoly Paoly hoe : « Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka » : atolotra an’iza moa ? Atolotra an’iza moa isika raha hoe atolotra ho tanteraka ? Atolotra an’Andriamanitra. Atolotra an’Andriamanitra. Rahoviana ? Atolotra an’Andriamanitra amin’ny fotoanan’ny fitsarana. Ry Fiangonana ô, an-dalana hiatrika fitsarana isika e. Ary izany no maha-zava-dehibe ilay fetezako sy ilay fetezanao ho tanteraka, mba hahazoana miatrika amin’ny fiadanana izany fitsarana miandry antsika izany, hidirana any an-danitra ry havana ô. Ny Tompo no miteny aminao hoe : meteza, meteza, meteza ho tanteraka : meteza anarina.

Maro ry havana no mankaty am-piangonana, faly izy mankaty am-piangonana, tsy azony ny ainy raha hoe Alahady maraina la tsy hiangona izany, tena tsy azony mihitsy e. Fa tonga aty indray izy an, tsy mifantoka amin’ilay fanompoam-pivavahana. Ary ny diakona mitantara hoe mbola maro, mifona aminareo tanora aho, fa izay moa, dinidiniky ny mpianakavy ity : maro ny tanora ato amin’ny Fiangonana, mbola ilaozana manao FB, milalao téléphone, mifanao message mandritra ny toriteny. Ry tanora malala ô, tsy hahasoa anao izany e. Tsy morale izany, fa tsy hampandroso anao ho amin’ny fahatanterahana izany. Henoy ny toriteny, henoy ny toriteny manomboka izao. Ary henoy ny votoatin’ny toriteny. Rehefa miteny Paoly hoe : « Izy no torianay », dia manazava Paoly hoe : Kristy no torianay, Kristy no votoatin’ny toriteny. Ary raha mihaino tsara ny toriteny ianao, dia tena hoe hitombo amin’ny fahalalana an’i Kristy. Fa iza moa Kristy ry havana ô ? Iza moa Kristy ? Kristy dia Andriamanitra tonga nofo, lehilahy iray tao an-danitra tao, Andriamanitra tao an-danitra tao, tonga nofo Izy satria naninona ? Nanana ry rehetra rehetra Izy tao an-danitra tao, mahafinaritra izany lanitra izany, fa hoy Izy hoe zavatra iray loha no banga ato amin’ity lanitra ity, dia izaho sy ianao. Izany i Kristy ry havana ô. Tsy mety Aminy io lanitra io, raha tsy misy ahy sy misy anao. Izany no torian’ny Fiangonana isak’Alahady, asak’Alahady ; kanefa ilaozanao manao Facebook ato amin’ny téléphone. Fitiavana anie izany ry havana ô. Fitiavana ny hoe, inona izay izaho, inona izay ianao ; fa izany no niakarany teo amin’ny hazofijaliana, ilazana hoe : « tiako hiaraka amiko any an-danitra ianao, fa izao no problemanao : ny fahotanao, ny fahotanao no sakana ho anao, ary tsy manana solution ianao ; izany no nahatongavako ety an-tany ». Ary izany no votoatin’ny filazantsara : Kristy, Andriamanitra tonga nofo, lehilahy iray tena hoe adalam-pitiavana ahy sy anao dia miantso anao ho amin’ny fibebahana, hahazoany mamela heloka anao sy manamarina anao, natsangana tamin’ny maty. Izany no votoatin’ny toriteny kristiana, na mahay mitoriteny, na tsy mahay mitoriteny ilay mpandahatra ry havana ô ; izany no ilaintsika isak’Alahady. Ary mila mitandrina isika ry havana, fa indraindray, indrindra amin’izao 2020 izao, vaosodokan’ny fampianaran-diso, vaosodokan’ny fampianarana hafahafa sy ny mpampianatra sandoka, hoy Paoly Apostoly ato amin’ity Kolosiana ity : tsy mitory an’i Kristy izany, fa mitory Kristy hafa ry havana ô. Variana aho, taona vitsivitsy lasa izay, tao amin’ny palais des sports tao ; feno hiboka ny palais des sports : afrikana avy ao Afrika tao, tena mihaino azy ianao amin’ny youtube, Kristy hafa ry havana no toriany, nefa dia mahafeno hiboka palais des sports. Taona vitsivitsy talohan’izay, madama izay, rehefa dinihinao ny toriteniny, mahafinaritra ihany ilay toriteny, fa izany madama izany, 90% ny toriteniny, tsy mitory an’i Kristy, fa mitory ny tenany, mitory ny tenany, nefa mahafeno palais des sports, mahavarotra boky aman’aliny ry havana ô. Miteny anao ny Tompo androany : METEZA HO TANTERAKA, ary voalohany dia voalohany indrindra : METEZA ANARINA : meteza conseillé-na, meteza avertisé-na, meteza atoro e. Fa tsy misy olona tsy anarina sy tsy ampianarina ry havana ô, ka hahatratra an’izany fahatanterahana, hahatratra an’izany fahamatorana, hahatratra an’izany hoe perfection izany. Ataovy zava-dehibe manomboka izao ny tenin’Andriamanitra. Tsara ny mamaky biographie-ny olona mpanompon’Andriamanitra, tsara ny mamaky heviteny, fa vakio, vakio na dia hoe 5mn isan’andro monja aza ny Baiboly ry havana ô, raha te hitombo amin’ny fahatanterahana ianao. Jereo anie ny zavatra nitranga e, tany Beria, Asan’ny Apostoly 17 : 11 : « Ary ny toe-panahin’ ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia ». Hoy io and.11 io hoe ny toe-panahin’ireo kristiana tao Beria dia tsara noho ny tao Tesalonika. Ry havana ô, dia mitsara ve ny Soratra Masina rehefa miteny hoe ny toe-panahin’i ra-anona tsara noho ny toe-panahin’i ra-anona ? Ny faniriana ry havana ô, dia enga anie ka hoe mba hisy hiteny indray andro any ; ny toe-panahin’ireo kristiana ao Isotry Fitiavana ireo sy ny zanaka am-pielezana dia tsara noho ny toe-panahin’ny any an-kafa ry havana ô. Izany no hitantsika ato anaty Soratra Masina. Fa tsy tongatonga fotsiny amin’izao izany. Fa hoe dinihina isan’andro isan’andro, dia sady mitombo amin’ny fahatanterahana ianao, mitombo amin’ny fahamatorana ianao, no mi-assuré izany hoe destination anao any an-danitra izany. Henontsika isan’andro isan’andro hoe feno ny Fiangonana isak’Alahady isak’Alahady, nefa izao no situation-ny firenena. Tsy mahagaga raha izao no situation-ny firenena satria kristiana tsy matotra ry havana ô no mameno ny Fiangonana, kristiana tsy tanteraka ; kristiana tsy manao ho zava-dehibe izany hoe perfection izany no mameno ny Fiangonana, na mitantana ny firenena. METEZA HO TANTERAKA : METEZA ANARINA SY AMPIANARINA.

Ny fahamarinana 2 ry havana dia izao, ho anao izay hoe mety ho tanteraka, dia hoe : FANTARO NY FAHATEZERANA AIDIN’ANDRIAMANITRA AO AMIN’NY FIAINANAO

Ezekiela 20, jerentsika anie ry havana, mampieritreritra ity Ezekiela 20 :33 ity, satria hoe Andriamanitra maneho ny tana-maheriny ; asehony tokoa ilay tana-maheriny eo amin’ny and.33 : « Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tanana mahery sy sandry ahinjitra ary fahatezerana aidina no hanjakako aminareo ».  Fahatezerana aidina. Ianao izay te hiroso amin’ny fahatanterahana, androany aloa, fantaro : sao dia misy fahatezerana aidin’Andriamanitra ao amin’ny fiainanao ry havana ô ?   Io fiainanao tsy manjary, ohatran’izao sy ohatran’izao io, manontania tena : sao dia ity tokoa ary ilay lazain’ny Ezekiela hoe fahatezerana aidina.

Inona ny zavatra hitenenan’Andriamanitra mafy ny Isiraely eto ? Hoe nareo hoy Izy, dia mijangajanga, mijangajanga tahaka ny razanareo ianareo, manompo sampy ianareo, mivavaka amin’ny hazo ianareo, mivavaka amin’ny vato ianareo, manao sacrifice d’enfant ianareo, mampandalo ny zanakareo amin’ny afo ianareo ; ary jereo tsara ry havana eo amin’ny and. 32, ny eritreritr’ireto zanak’Isiraely ireto : « Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin’ ny tany samy hafa ». Ny eritreritr’ilay zanak’Andriamanitra dia hoe, ny objectif-nay dia ho tahaka ny jentilisa : io. « Fa Izaho adalam-pitiavana aminareo » hoy Andriamanitra, «  tsy ho tanteraka. Inty Aho eto, ka raha velona koa Aho, tsy ho tanteraka izany eritreritra adala be izany hoe ho tahaka ny jentilisa». Ary izany, izany isika Fiangonana, efa hatramin’izay manadino ny privilège, ny fizintsika amin’ny maha-zanak’Andriamanitra. Iza ianao ? Zanak’Andriamanitra. Iza ianao ? Olom-boafidy. Adinontsika izany. Fa ny mahamay antsika, dia ny hoe haka tahaka an’izao tontolo izao, Ezekiela 20. Izaho sy ianao io ry havana ô. Ary tsy azontsika ny haintsika raha tsy maka tahaka ny fanaon’ny jentilisa. Heverintsika fa hoe izany no tena intelligence sy perfection sy fahamatorana : maka tahaka ny fomban’ny jentilisa amin’ny fiakanjo, amin’ny fanaovana volo, amin’ny hira henoina sy ny karazany. Hoy Andriamanitra hoe : « Raha velona koa Aho, dia aidiko aminao ny fahatezerako ». Isika ary efa mahita an’izany. Eo ilay olona tena hoe mifankatia, mifankatia be. Dia rehefa manao ny tsy mety ny anankiray dia tena hoe mirehitra ny fahatezerana, fahatezeran’ny olona tia mahita an’ilay hoe adalana ataon’ilay olona tiana. Adalam-pitiavana amin’Isiraely Andriamanitra eto ry havana, ary izany no hitenenany hoe : « aidiko aminareo ny fahatezerako, fa tsy ho foana akory e, izany hoe nifidianako anareo ho firenena ho Ahy ary Izaho ho Andriamanitrareo. Raha velona Aho, tsy ho foana izany, izany fifidianana izany. Maintenant, aidiko aminareo ny fahatezerako, ary ny tana-mahery no ampidina aminareo ny fahatezerako ».

Ahoana moa izany hoy Ezekiela izany Andriamanitra mampidina ny fahatezerany amin’ny zanany, amin’ny Fiangonany izany ? Hoy ny and.34 : « Ary amin'ny tanana mahery sy ny sandry ahinjitra ary amin'ny fahatezerana aidina no hitondrako anareo mivoaka avy any amin'ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo ». Inona no nataon’Andriamanitra raha nampidina ny fahatezerany tamin’ny zanak’Isiraely Izy ? Naheliny tany Babylona ny zanak’Isiraely. Dia hoy Izy hoe : « naheliko any ianareo, fa ho averiko ; fa naheliko any aloa ». Anisan’ny boky malaza nosoratan’i Lotera ry havana, ilay mpanitsy fivavahana, hoe : « la captivité babylonienne de l’église». Inona no lazainy amin’izany ? Ezekiela 20. Mivavaka isika, fa any Babylona. Ny zanak’Isiraely raha hoe natao sesitany tany Babylona, nampielezana tany Babylona, dia lavitry ny taniny, lavitry ny tempoliny, izay tena hoe maha-zanak’Andriamanitra azy. Tena hoe tsinontsinona mihitsy izy. Fa ry havana ô, hoy izy hoe ianao izay mety ho tanteraka, fantaro ny fahatezeran’Andriamanitra aidin’Andriamanitra aminao : sao dia ianao, sao dia ianao izany any Babylona izany ? Araka ilay notenenina teo, mba miditra am-piangonana ihany nefa ilaozana mamadibadika téléphone ato am-piangonana ; any Babylona ianao ry havana ô. Diakona ianao, mpiandry ianao, service ianao fa ilaozanao manao week-end ary an’anona ary : any Babylona ianao ry havana ô, any Babylona ianao. Tsy mety anarina ianao, tsy mety hianatra tenin’Andriamanitra ianao, manao vavaka raitra be ianao : malahelo aho miteny aminao, any Babylona ianao e, any Babylona ianao ry havana ô. Izany : manana anarana ho mpivavaka, mpiandraikitry ny Fiangonana, nefa any Babylona araka ny tenenin’i Ezekiela amintsika Fiangonana. Meteza ho tanteraka, meteza anarina e. Fantaro io hoe fahatezerana aidin’Andriamanitra aminao io, fa fahatezeran’Andriamanitra adalam-pitiavana anao io ry havana ô. Ary tsy hamelany ianao raha tsy miverina ao Aminy ka mahafantatra hoe Izy no hany Mpamonjy te hampiditra anao any an-danitra ry havana ô. Sao dia any Babylona ianao ? Izay no tenenin’Andriamanitra voalohany raha hoe mampidina ny fahatezerany amin’ny olona. Ilay toetra ratsy nolazaina teo izany an : ianao izany responsable-sampana, miandry anao ny sampana, fa manana programme personnel ianao, dia adabokao ny sampana : any Babylona ianao. Ilay maha-any Babylona io izany endrika voalohany amin’ilay fahatezerana aidin’Andriamanitra.

Inona ilay endrika faharoa amin’ilay fahatezeran’Andriamanitra ? And.35 : «Dia ho entiko ho any an'efitry ny firenena ianareo. ». Ho entina any an’efitra. Nalefa tany Babylona, nafahana tany Babylona, tokony entina miverina any Kanana, dia maninona ary no tenenina hoe : rehefa afaka any Babylona ianareo, and.35 dia hoe : «  ho entiko any an’efitry ny firenena ». Ilay firenena moa izany dia jentilisa. Mahavariana tokoa ry havana, rehefa nokarohina kely, hoe avy any Babylona ve ny olona dia averin’Andriamanitra any Kanana, satria any Kanana io efitry ny firenena io, ao Kanana io ry havana ô. Kanana mantsy, nony nalaina tao ny zanak’Isiraely nalefa tany Babylona, dia navelan’Andriamanitra hisy jentilisa nipetraka ao ; tonga ny zanak’Isiraely avy any Babylona, miara-monina amin’ny jentilisa. Dia toy ny any an’efitra izy ry havana ô. Toy ny any an’efitra izy satria maninona ? Hanjakanjakan’ny jentilisa, hanaparan’ireto jentilisa lasa nonina tao, rehefa tafaverina tao ny zanak’Isiraely. Mahita ny firenentsika eto ry havana, isika anie malagasy e, tompon-tany e, tompon-tanindrazana e, hitanareo ny karana, hitanareo ny vahiny isa-karazany manjakazaka eto amin’ity firenena ity, manao ny tsy rariny, tsy maty mamota etc…tsy refesi-mandidy : ohatran’izay tsy misy hafa ity hoe ao amin’ny efitry ny firenena : tafaverina any Kanana nefa mbola ao amin’ny efitry ny firenena. Ianao ry havana ô, diniho ihany sao dia hoe ianao izany ao amin’ny efitry ny firenena izany, ao amin’ny ankohonanao, ao amin’ny ankohonanao. Izay foana moa ny antsika Isotry Fitiavana. Mba manana an’izay ilaina, mba manana an’izay ilaina amin’ny rehetrarehetra, amin’ny lafiny matériel nefa toy ny any amin’ny efitry ny jentilisa ianao, any amin’ny efitry ny firenena ianao satria, asa, ny vadinao, ny zanakao, ny ray aman-dreninao manitsakitsaka anao izay mba te hoe hivavaka ianao. Misy fahatezerana aidin’Andriamanitra eo, fa ianao : mahereza sy matanjaha fa Andriamanitra tia anao no mampandalo anao amin’izany, lalanao mankany amin’ny fahatanterahana izany ry havana ô.

Izay izany ny zavatra hitantsika teto : meteza ho tanteraka. Meteza Anarina. Fantaro ny fahatezerana aidin’ny tana-maherin’Andriamanitra amin’ny fiainanao.

Farany ry havana, ao amin’ny Matio 8 :3 : « Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova hianao. Dia nadio tamin’ ny habokany niaraka tamin’ izay izy ». Fahamarinana 3 : NY OLONA METY HO TANTERAKA DIA OLONA METY HIDIO

Mety hidio. Mety hidio izy : tsy izy no manadio tena, fa Jesoa no manadio azy. Fa matoa izy diovin’i Jesoa, satria niaiky izy fa maloto, izay ilay izy. Ary izay no hamintinana azy amin’ilay hoe : METEZA HIDIO – METEZA HIDIO.

Anisan’ny tena hoe areti-mandoza ry havana, na aretina grave indrindra, mba tsy ilazana hoe io no grave indrindra ao amin’ny Baiboly, ny habokana. Ary dia efa voalaza teo ny momba ny habokana ry havana. Fa izao, fa izao : ao amin’ny Baiboly koa ilay habokana ry havana dia sarin’ny fahotana tsotra izao, teny entina ilazana ny fahotana. Ary raha any amin’ny Testamenta taloha izy, ilay habokana koa ary dia azo ilazana hoe ny hatezeran’Andriamanitra amin’ny olona izay hoe tsy manoa Azy, mandà ny teniny. Tonga amintsika ry havana ity perikopa ity, tonga amintsika ity perikopa ity, dia miteny aminao Andriamanitra hoe : tonga Aho ampahafantatra anao fa io boka resahina ao amin’ny Matio 8 io, ianao io amin’izao maraina izao. Mety tsy boka ny hoditrao ivelany ry havana ô, fa ilay fahabokana mahazo anao, satria sarin’ilay fahotana ilay fahabokana, dia hoe : fahabokan’ny fanahinao, fahabokan’ny fonao, fahabokan’ny sainao. Ary mamitaka hono ity aretina antsoina hoe habokana ity, satria izy rehefa manomboka dia zavatra mibontsina kely, rehefa manomboka izy dia tâche kely mibontsina eo amin’ny hoditrao, dia mitombo moramora tsy ampoizinao ilay izy ry havana ô. Izay ilay habokana. Ary ohatran’izany tsy misy hafa ry havana ny fahotana. Ary alaivo sary an-tsaina anie ity habokana ity e : teo amin’ny zanak’Isiraely an, ny olona boka dia tsy maintsy nitoka-monina, tsy mahazo miditra am-piangonana, tsy mahazo mitoetra ao an-tanàna, fa any ivelan’ny tanàna izy. Tena hoe mitoka-monina. Izany hoe tsy manana fifandraisana amin’Andriamanitra ao amin’ny tempoly ary tsy manana fifandraisana amin’ny mpiara-mivavaka. Tsy manana fifandraisana ihany koa amin’ny ankohonany na ny fianakaviany. Angamba mety hiteny amintsika raha hiteny aho hoe, hiteny amintsika kokoa raha mieritreritra isika hoe asa moa, ity lehilahy ity, izay momba ny ankohonany : fa hoe rehefa boka ianao tsy mahazo mitoetra ao an-tranonao anie ianao e ; rehefa boka ianao, tsy mahazo mamihina ny vadinao anie ianao e. Boka ianao : tsy mahazo mamihina ny zanakao anie ianao e etc… Izany rehefa azon’ny habokana ianao. Fa hoy isika hoe isika indray ry havana, isika indray habokana ara-panahy, habokana ara-tsaina, habokan’ny fo no mahazo antsika ; ary miresaka ny ankohonana ihany, miresaka ny fianakaviana, Alahadin’ny taranaka moa androany, sy ny ankohonana, sy ny zanaka am-pielezana, hitanao io fifandraisana tsy mety miravona, hitanao ianareo hoe hakamban’ny Fiangonana androany nefa sanatria an’izany misy ato tsy mifampiditra an-trano, misy ato tsy mifamela eo anivon’ny fianakaviana izay vory eto : izay ilay habokana ry havana ô, manimba an’ilay fifankatiavana, manimba an’ilay fiombonam-po, habokana mety nanomboka tamin’ny tâche kely na tamin’ny fibontsonana kely teo amin’ny fifandraisana, dia nitombo, nitombo, nitombo, namono an’ilay fifandraisana. Ry havana ô, ry havana ô, hoy isika hoe : METEZA HO TANTERAKA – METEZA HIDIO. Aza miteny mihitsy hoe : « Ka i anona mihitsy Pasitera no nanimba ny fihavananay tato amin’ity fianakaviana ity e » : ianao no tian’Andriamanitra, ianao ry havana ô, no tian’Andriamanitra hidio, ary raha olona mpihaino toriteny ianao, raha olona mety anarina ianao, raha olona mety ampianarina ianao, dia fantatrao mihitsy fa ianao ilay boka tian’ny Tompo hokasihina amin’izao maraina izao, ka hitenenany hoe : « Mety Aho, madiova, madiova ianao ».

Rehefa mikasika ny olona Jesoa amin’iny tana-maheriny iny ry havana, rehefa mikasika ny olona Izy, dia manisy ao ny Fanahy Masina, hanavao ny Fanahy, hanavao ny saina, hanavao ny fo, mba hananantsika fifandraisana vaovao, fifandraisana salama amin’Andriamanitra ; ary fifandraisana vaovao, fifandraisana salama amin’ny mpiara-belona amintsika ry havana ô. Meteza e, meteza hokasihin’Andriamanitra amin’izao maraina izao. Manatona Azy miaraka amin’izao habokanao izao, manatona Azy, aza miteny mihitsy hoe : « ka tsy fantatr’i Pasitera e, izaho matahotra fa izao anie ny zavatra vitako e ». Hoy ny Tompo hoe : « Te hikasika anao amin’io tana-maheriko io Aho, ary mety Aho hanadio anao ». Ary tsy hoe mety Izy hanadio anao fotsiny, fa ny tena zava-dehibe ho an’ny olona matotra sy te hitombo amin’ny fahamatorana, dia hoe tiany ianao hitoetra amin’izany fahadiovana izany. Tsy hoe manadio fotsiny Izy, raha hoe manadio Izy amin’izao Alahady izao ; fa te hampitoetra anao amin’izany fahadiovana izany. Ary mmiverina amin’ny tenin’ny Apostoly ao amin’ny Kolosiana, hoe : mitomboa amin’ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra, fihainoana toriteny e, meteza hampianarina tenin’Andriamanitra ry havana ô. Satria io tenin’Andriamanitra io, teny madio ; ary io teny madio io no hampiditra eritreritra madio, hampiditra fisainana madio, hampiditra fitondran-tena madio ao aminao izay te hitombo amin’ny fahatanterahana ry havana ô. Inona ny zavatra mitranga ? Malaina ianao mamaky teny, malaina ianao hanokatra Baiboly, dia inona no mitranga ? Fa mahafaly anao io télé io, io internet lava io, io youtube io, sy ny karazany ; loto isan-karazany, zaoridira isan-karazany eto amin’izao tontolo izao, gohanao, gohanao ry havana ô. Aiza ianao no tsy hanova fitondran-tena ? Aiza ianao no tsy ho boka ara-panahy ? Fa miteny aminao ny Tompo hoe : avelao Aho hikasika ny fonao, hanadio ny fonao amin’izao maraina izao e, fa izany no antony nahatongavako, nidinako avy any an-danitra.

Faranana izao teny izao ry havana, faranana izao teny izao : Kristy no torian’ny Apostoly Paoly, ary Kristy tena tia anao e ! Tena tia anao. Tsy niantso anao avy any an-danitra Izy ; nidina tety Izy handray anao, handray ny tananao. Ho raisinao ve iny tanany iny amin’izao maraina izao? Mahafinaritra ahy ny mamerina ilay hoe : ho Azy, tsy mi-intéressé Azy izany lanitra tsy misy anao any izany. Tsy mi-interessé an’i Jesoa ny hitoetra any amin’ny lanitra tsy misy anao izany, nidinany tety ry havana ô. Ary dia miteny aminao Izy hoe : METEZA HO TANTERAKA – METEZA ANARINA – FANTARO NY FAHATEZERANA AIDINY EO AMIN’NY FIAINANAO FA TSY FOINY IANAO – ARY METEZA HIDIO.

Ho aminareo ny fahasovan’ny Tompo. Amena

image_pdfPDF