ALAHADY 05 JAN 2020

image_pdfPDF

Ao amin’ny Jaona 10, manazava ny amin’ny valany Jesoa, izany hoe manazava Izy ny amin’ny Fiangonany, dia ao amin’ny valan’i Jesoa, ilay valan’i Jesoa, feno ondry ao, fa misy karazana ondry anankiroa ao ; tahaka ny hoe ato amin’ity Fiangonana ity misy karazana ondry anankiroa : ny ondrin’i Jesoa, sy ny hafa izany e ; nefa samy tafiditra ao am-bala daholo, samy ao am-piangonana ao daholo. Ilay fanontaniana ry havana ô, amin’izao fiandohan’ny taona izao dia hoe : IANAO IO, ONDRIN’I JESOA IANAO SA TSIA ?  ONDRIN’I JESOA IANAO SA TSIA ? Ary henoy tsara ity toriteny ity, fa ny fiainanao no resahina eto, ny fiainanao no resahina eto ry havana ô. Andeha vakiantsika, hanombohana izao toriteny izao, Jaona 10 :27-28 : « Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako ». Mamaritra ny atao hoe ondriny Jesoa ry havana ô, dia ireo tenenina ireo hoe : mihaino feo, mahafantatra izy fa mahalala azy Jesoa, ilay ondry manaraka Azy, ilay ondry omeny fanomezana, dia ny fiainana mandrakizay izay tsy ananany, raha tsy raisiny ohatran’izay an ; izany ondry izay, eo am-pelatanany an, tsy hanalavitra Azy an, ary tsisy handrombaka azy avy eo am-pelatanany, tsy hisy fahavalo handrombaka azy eo am-pelatanany. Izany ny ondrikelin’i Jesoa ry havana ô.

Misy fanoharana anankiroa fanaon’ny mpitoriteny rehefa manazava an’itony lohahevitra itony izy. Ary mahavariana fa tena miteny ny fanoharana. Hoy ny mpitoriteny matetika hoe : raha oharina amin’ny andraimby raha oharina amin’ny aimant, raha oharina amin’ny andraimby Jesoa, dia andraimby Izy manintona automatiquement any aminy ny ondry mitovy fanahy Aminy. Fa izao kosa : manosika hiala, Izy no manosika an, manosika hiala izay tsy mitovy fanahy Aminy. Haintsika ilay Matio 7 :21, miafara amin’ny Matio 7 :23 hoe : « mialà amiko, ianareo mpanao meloka ». Izany hoe faly mihaino toriteny, faly mamaky boky sy ny karazany, fa tsy misaina azy, tsy mitandrina azy, fa hoe mijanona ato an-tsaina : « mialà amiko, ianareo mpanao meloka ». Ry havana ô, ry havana ô, raha oharina amin’ny andraimby Jesoa eo amin’ny fiainanao, tena hoe manintona anao Izy amin’ny fomba tsy hay tohainao. Raha manamarina an’izany ianao, dia ondrin’i Jesoa ianao. Sa ianao ilay hoe atosiny miala ry mpanao meloka, tsy fantany ianao.

Ilay fanoharana faharoa ry havana dia tahak’izao : hoy ny mpitoriteny hoe ny olona mitovy fanahy amin’i Jesoa, satria ondriny, fa tsy ondrin’ny hafa ; ny olona mitovy fanahy amin’i Jesoa, satria ondriny, dia tahaka ny vanja tratry ny afo, ka mipoaka ; tahaka ny vanja tratry ny fo ka mipoaka rehefa mamaky teny, rehefa mandeha amin’ny fotoam-bavaka sy ny tahak’izany, rehefa mahita ny soa nataon’i Jesoa, rehefa mahita Azy mampianatra, mba misaina ny fahagagana nataony ; tsy be fanontaniana, tsy be fandavana ohatran’ireto fariseo ireto, fa tahaka ny vanja mipoaka ary tsy hay sakanana, fa tena hoe miraikitra Aminy, talanjona Aminy, ary manaraka Azy. Tahaka ny vanja tratry ny afo ve ianao ry havana ô ? Raha mbola tsy izany ianao, fa tahak’izao, tahak’izao ny andraikitrao ato am-piangonana, izao no position sociale-nao, miteny aminao amin’ny anaran’i Jesoa : mbola tsy ondrin’i Jesoa ianao. Mety aty am-piangonana ianao mahazo place réservée, fa tsy manana place réservée ianao any an-danitra. Izay ny fampieritreretana voalohany ry havana malala. Mazava be izany, mazava izany.

Andeha ary isika hijery ohatra, ohatra ondrin’i Jesoa, ao amin’ny bokin’ny Asan’ny apostoly ry havana. Asan’ny Apostoly 12 :1-2 : « Ary tamin’ izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin’ ny fiangonana. Ary izy namono an’ i Jakoba, rahalahin’ i Jaona, tamin’ ny sabatra ». Izy namono ny ondrikelin’i Jesoa antsoina hoe Jakoba, tamin’ny sabatra. Ity Jakoba ity, raha ny tantara, izy no nitarika ny Fiangonana tao Jerosalema, lohan’ny Fiangonana tao Jerosalema. Ary dia satria ianao misongadina ohatran’izany ry havana ô, ary misongadina izy amin’ny maha-ondrikelin’i Jesoa azy, dia nenjehin’i Heroda. Heroda moa, ohatran’ny mpanao politika rehetra, izay mahafaly ny vahoaka ampiorina ny sezany sy ny fahefany no ataony, dia hoe hahafaly ny vahoaka : novonoiny, ary novonoiny tamin’ny sabatra i Jakoba ; Jakoba ondrikelin’i Jesoa ry havana ô. Ho fampaherezana antsika, ity Jakoba ity, ilay Jakoba lazaina hoe rahalahin’i Jesoa ; demi-frère moa izany. Fa tena hoe rahalahin’i Jesoa. Ary nanana demi-frère vitsivitsy Jesoa ry havana. Anisan’ireo demi-frère-n’i Jesoa ity Jakoba ity. Lazain’i Jaona fa Jakoba ity nisy fotoana tsy nino an’i Jesoa ; ao amin’ny filazantsara an’i Jaona ao ilay izy. Tsy nino an’i Jesoa ry havana ô. Mifanerasera amin’i Jesoa eo izy, fa tsy nino an’i Jesoa. Tena izay mihitsy no lazain’ny filazantsaran’i Jaona. Fa izao : namindran’i Jesoa fo izy ry havana, namindran’i Jesoa fo izy, ary ny namindran’i Jesoa fo taminy dia hoe nony nitsangana tamin’ny maty i Jesoa, dia anisan’ilay olona izay nisehoan’i Jesoa izy raha nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo ry havana ô. Niseho tamin’i Kefasy i Jesoa, niseho tamin’izy 12 lahy i Jesoa,  niseho tamin’ny rahalahy tsy omby 500 i Jesoa, niseho tamin’i Jakoba i Jesoa. Ary izany no nampiorina ny finoan’ity Jakoba ity ry havana ô. Ary hananana antoka hoe ondrikelin’i Jesoa. Dia io ary izy fa hoe samborina, gadraina, dia hoe voaheloka ho faty. Fantampatany hoe ho vonoina amin’ny sabatra izy. Azo antoka ry havana ô, azo antoka fa tsy maintsy niverimberina tao an-tsain’i Jakoba tao am-pigadrana tao, ary nataony tonom-bavaka ny hoe : « izaho Jesoa ato am-pigadrana an, izaho ato am-pigadrana, fa izaho indray dia ondrikelinao, izaho indray dia mihaino ny feonao, izaho indray dia fantatro hoe mahita ahy Ianao avy any an-danitra ato am-pigadrana ato, mahita an’izao fahoriako izao ianao ; ary ny feonao no nahatonga ahy hanaraka Anao. Nanaraka Anao aho dia nanaraka Anao : tonga aty am-pigadrana aho, fa izao : nomenao fiainana mandrakaizay aho, ary fantatro fa tsy ho very. Ary raha ny ato am-pigadrana, araka ny tenin’i Jaona teo, tsy misy maharombaka ahy eo amin’ny tana-maherinao Jesoa ô,  tsy misy haharombaka ahy eo amin’ny tana-maherinao Jesoa ô ». Dia ahoana ary izy no maty hoy ny sasany ? Normal be ilay fanontaniana : nahoana ary izy no maty ? Tena hoe, raha tsy any an-danitra isika, tsy ahafantatra an’izany ry havana ô, tsy hanambaran’i Jesoa hoe : an, fantatro ianao fa nanahirana ny sainao ilay hoe Jakoba navelako ho vonoina. Fa Izaho no nihazona an’i Jakoba teo am-pelatanako, teo an-tana-maheriko, ary namela azy ho vonoina sabatra. Andao jerentsika ny Romana ry havana, Romana 14 :8, teny ataon’ny ondrikelin’i Jesoa izao : « Fa raha velona isika, dia velona ho an’ ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an’ ny Tompo; koa amin’ izany, na velona na maty isika, dia an’ ny Tompo ihany ».  Ny ondrin’i Jesoa dia miteny hoe : « ho velona sa ho faty ». Ny ondrikelin’i Jesoa dia miteny hoe : « raha velona aho dia velona ho an’i Jesoa, ary raha maty aho dia maty ho an’i Jesoa ». ONDRIN’I JESOA IANAO SA ONDRY HAFA ? ONDRIN’I JESOA VE IANAO E ?

Efa voasoratra any an-danitra, any amin’ny boky any an-danitra any ny androntsika tsirairay ry havana ô. Ary Andriamanitra irery no manoratra izany amin’ny tana-maheriny. Fa ny adidiko, ny andraikitro, dia ny mamantatra ny tenako hoe : hamakivaky an’ity taona ity tahaka ny ondrin’i Jesoa ve izaho, sa tsia ?

Ohatra manaraka ry havana, (ato amin’ny Jaona 7 :5 ilay hoe Jakoba tsy nino, teneniko fotsiny), ny ohatra manaraka ry havana dia izao : ny ondrikelin’i Jesoa dia fatra-pivavaka ho an’ny ondrikelin’i Jesoa hafa. Ny ondrikelin’i Jesoa dia fatra-pivavaka ho an’ny ondrikelin’i Jesoa hafa. Jerentsika ny Asan’ny Apostoly 12 :3-5 : « Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an’ i Petera koa izy. (Efa mby tamin’ ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’ izany.) Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-trano-maizina ka natolony tamin’ ny miaramila enina ambin’ ny folo hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin’ ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska. Ary Petera nambenana tao an-trano-maizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin’ Andriamanitra ho azy ». Ny fiangonana nahery nangataka tamin’ Andriamanitra ho azy. Izay ilay fahamarinana eto : ny ondrikelin’Andriamanitra dia mivavaka ary maharitra mivavaka ho an’ny ondrikelin’i Jesoa izay ao anaty fahoriana ry havana ô. Misy trano anankiroa eto izay sary-na fanjakana anankiroa : ny anankiray tranomaizina, prison, izay sarin’ny fanjakan’ny devoly ry havana ; ny anankiray trano misy fivavahana, enga anie ka ny tranonao izany resahina izany, trano misy fivavahana, izay sarin’ny fanjakan’Andriamanitra. Fanjakan’Andriamanitra / Fanjakan’ny devoly ; tranomazina / trano fivavahana. Ireo no mifanandrina ry havana ô. Mifanandrina izy ato amin’ny Baiboly, fa ireo no mifanandrina ao amin’ny fiainako sy ao amin’ny fiainanao. Ary ny lesona volamena izay ampieritreretana antsika eto e : ilay Fiangonana naharitra nivavaka. Tsy hoe andao isika hanao vavaka fangatahana rehefa vita izao toriteny izao, dia vita an’izay ; fa nandritra ny herinandro maninjitra, vao fantatra hoe nogadrain’i Heroda ry Petera, dia raikitra ny fivoriam-bavaka tao am-piangonana andro aman’alina, maraina sy hariva. Izany ny fiainan’ny ondrikelin’i Jesoa ry havana ô. Fa ny ondrikelin’i Jesoa, tsy hoe rehefa andeha hankaty am-piangonana ka misy fivoriana, dia tonga izy antsasan-kadiny après, rehefa fantany hoe vita ny vavaka sy ny toriteny, ilay message. Raha izany ianao, ary misy an’izany ato, miovà ianao e, fa tsy ondrikelin’i Jesoa ianao. Fa ny ondrikelin’i Jesoa no handova izany lanitra izany ry havana ô. Fa ireto, naharitra nivavaka ry havana ô, herinandro maninjitra izy nivavaka, ary vao maraina ratsy, ny maraina an’iny hoe andro tokony hamonoana an’i Petera iny, mbola tsisy valim-bavaka ry havana ô, fa tsy nahakivy ny Fiangonana izany e. Fa ny azy ny fantany hoe ny ondrikelin’i Jesoa dia mivavaka, maharitra mivavaka, point ! Avy eo Andriamanitra maneho ny voninahiny. Raha ondrikelin’i Jesoa ianao ry havana ô, dieny anio sy amin’ny herinandro, ampitomboinao ao amin’ny fiainanao ny fiainam-bavaka e. Raha andraimby Jesoa ka hoe tarihiny marina ianao, hamonjy Etude Biblique ianao, raha manana ny fanahin’i Jesoa ianao, dia ho vanja tratry ny afo ianao, sendra namonjy cellule, dia hiverina amin’izay, fa hoe : hay ohatran’izany tokoa ny ao, ka ho ao aho, ho ao aho. Raha andraimby aminao Jesoa, raha vanja tratry ny afo ianao rehefa miaraka Aminy, ho avy ianao amin’ny 30 Avril amin’ny fiaretan-tory am-bavaka hanatevina ireo 150 mpanao fiaretan-tory am-bavaka, fa tsy hamorona antsanga tsy aman’orana ry havana ô. ONDRIKELIN’I JESOA VE IANAO E ? ONDRIKELIN’I JESOA VE IANAO E ? ONDRIKELIN’I JESOA VE IANAO RY HAVANA O ?

Madiva haraina ny andro, ny sasany angamba, raha aretina, raha oharina amin’ny aretina : « tena tsy avotra intsony io Pasitera an, tena tsisy solution intsony io ». Dia avy ny anjelin’ny devoly, ny iraky ny devoly : « ento ary an’anona ary hoy aho io, fa any mahay an’io. Ento ary amin’ny gasy ary io ». Fa izao, izaho nahafantatra olona tany amin’ny gasy, niverina taty ihany ; fa nahita fanasitranana vetivety, avy eo, fampahoriana miampy fampahoriana avy amin’ ny devoly no hiafarany ry havana ô. ONDRIKELIN’I JESOA VE IANAO RY HAVANA O ? ONDRIKELIN’I JESOA VE IANAO ? Mitomboa, mitomboa amin’ny fiainam-bavaka ahafantaranao hoe miombom-panahy marina amin’i Jesoa ve ianao.

Ny fahamarinana sy fampieritreretana farany ry havana dia izao, raisintsika eo amin’ny Asan’ny Apostoly 12 :8 : « Ary hoy ilay anjely taminy: Misikina, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany ». Ny ondrikelin’i Jesoa, hitantsika teo, dia mivavaka. Mino aho fa ny maro mahay tsianjery an’ilay lohahevitra tamin’ity hoe : « Maneho ny tana-maherin’ny Tompo Andriamanitra ». Fa ahoana no ihazonanao an’iny tana-mahery iny e ? Tsy amin’ny fahaizana tsianjery hoe : « Maneho ny tana-maherin’ny Tompo Andriamanitra » ; Amin’ny vavaka ry havana ô. Mihazona ny tana-maherin’ny Tompo aho rehefa mihazona an’izany amin’ny vavaka atao amin’ny finoana, fa tsy amin’ny fianarana tsianjery lohahevitra. Fa rehefa mivavaka ny Fiangonana, jereo ilay valim-bavaka : misy anjely, misy anjely irahin’Andriamanitra ry havana ô, misy anjely irahin’Andriamanitra. Ary ny ataon’ilay ondrikelin’Andriamanitra eto, Petera, dia hoe : manao izay lazain’ny anjely, mankatoa izay lazain’ny anjely. Eo am-pigadrana izy, fa mankatoa izay lazain’ny anjely. Tsy be kajikaly, tsy misy fisalasalana : fa miteny aminy ilay anjely hoe : « Misikina, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany ». Dia nitsangana izy, dia nandeha. Mitsangana, misikina. Petera, ondrikelin’Andriamanitra eto ry havana, sarintsika mpanota. Sarintsika mpanota izy eto. Ahoana moa no hoe maha sarintsika mpanota an’i Petera eto amin’ity tantara ity? Ily mpanota izany dia io Petera lazaina fa ao an-tranomaizina matory io. Na izy matory noho ny harerahana ; fa ilay mpanota, rehefa lazaina hoe matory ilay mpanota : matory amin’ny torimasom-panahy sy ny torimasom-pahafatesana izany. Matory izy. Dia ahoana no maha hoe sarin’ny fiainantsika Fiangonana io ondrikely Petera io ? Ilay gadra, ilay gadra mihazona azy, ilay gadra dia tsy inona fa ny fahotana izay mamatotra. Ary nasiana hoe gadra 4 : mifatotra amin’ny gadra anankiroa Petera, mbola misy gadra 2 ao ivelany ao. Impossible no ialany, ohatran’ny fahotana mamatotra antsika. Eo izany Petera matory, eo aily gadra izay hoy isika hoe ny fahotana, hamatorana antsika, ary Heroda, ny devoly, izay nandefa an’i Petera any an-tranomaizina ry havana ô. Dia inona no fampaherezana ho antsika amin’izao maraina izao? Ny Tompo maniraka anjely miteny aminareo hoe : Ny Tompo te haneho ny voninahiny, ary isika rehetra tian’Andriamanitra ho anjely ho an’izay mpanota ao anaty torimasom-panahy. Ary matoa tonga amintsika izao hafatra izao ry havana ô, mbola maro, maro no midodo be ato ara-panahy. Fa nandrea ny tenin’ilay anjely Petera, dia nankatoa. Inona no nataony voalohany ? Nisikina izy. Isika anie rehefa ao anaty tranomaizin’ny fahoriana e, rehefa ao anaty tranomaizin’ny fizahan-toetra e, mety ny fiainanao izany ohatrany tranomaizina izany : voafatotry ny fahotana isan-karazany, voafatotry ny fahazaran-dratsy, voafatotry ny avonavona ; ary matetika ny olona ry havana, matetika ny olona, arakaraky ny hitomboany, kanefa mitombo ara-pahalalana fotsiny fa tsy mitombo manahaka an’i Kristy, feno avonavom-po. Izaho mahafantatra olona, tena hoe olom-be, fa modely amin’ny avonavona, modely ratsy amin’ny avonavona. Izany no mamatotra azy izany ry havana ô. Sarotra anarina, sarotra alamina, nefa mba olom-be tahak’izany. Fa raha tsy manitsaka fandaminana izy, tsy mieritreritra angamba hoe izaho olom-be, au-dessus de lois. Izany ilay fahotana mamatotra izany ry havana ô. Ny tokantranontsika ireo, maro ny tokantrano ohatrany any amin’ny tranomaizina, maro ny tokantrano ohatrany lafaoro, maro ny tokantrano ohatrany any anaty afo. Maniraka anjely ny Tompo amin’izao maraina izao, ary vao mipoitra ilay anjely dia efa nanelatrelatra teo fahazavana be, ary hoy ny mpandinika hoe : diavolana ny andro dia mazava be ny alina, fa mihoatra an’izany io : manelatrelatra ny voninahitr’Andriamanitra hanafaka anao. Ny teny omena anao dia hoe : « misikina » ry havana ô, « misikina ». Aza manaiky resy, aza mitambotsitra eo, aza mankalahelo tena eo hoe : « ity izaho moa dia izao, dia izao, dia izao ». Misikina ! Jerentsika ny 1 Petera 1 :13a : « Koa amin’ izany sikino ny sainareo ». Atanjaho ny sainao e ! Izany ny hafatra ho an’ny ondrikelin’i Jesoa anaty fahoriana, anaty tranomaizina ; n’inon’inona mety endrik’ilay tranomaizina : mety aretina mitaiza anao, efa aman-taonany ela : sikino ny sainao hoy ny Soratra Masina. Sikino ny sainao, ankatoavy ny tenin’Andriamanitra, fa izao : raha tsy misikina ny sainao ianao, mety vetivety ianao dia mihemotra, mety vetivety ianao dia mihemotra ho ao amin’ny tranomaizina. Satria maninona ? Satria ianao mbola hoe, nivoaka avy ao amin’ny cellule misy anao, mandalo fiambenana voalohany, mandalo fiambenana faharoa ; ilay fiambenana ry havana dia ohatrany hoe mandalo eo ny fiambenana voalohany ianao : ireo olon-dratsy izany niarahanao taloha, ireo sakaiza ratsy taloha ireo miteny hoe : « ho aiza lty ialahy, ialahy koa mba miseho ho masina eo, ndry koa mba miseho mivavaka eo ». Mandalo amin’ilay fiambenana faharoa ianao, dia hoe ireo fomba ratsy efa tianao ialana fa nahazatra anao taloha, ohatran’ny kolikoly izany. Mandalo amin’ireo ianao, mandalo amin’ireo ianao : « Pasitera an, hatramin’izay izay nandraisako an’i Jesoa an, épreuves miampy épreuves » ; « Ie : fiambenana voalohany, fiambenana faharoa ». Afaka ny fiambenana faharoa ianao manao hoe « ouf », non non non, mbola misy vavahady vy ao, mbola misy vavahady vy ao, fa sikino ny saina ry ondrikelin’i Jesoa, sikino ny saina. Izany ny hafatra volamena omen’ny Tompo anao amin’izao maraina izao : sikino ny saina dia haneho fahagagana ao amin’ny fiainanao ny Tompo.  Ary ny fahagagana voalohany ataony aminao dia ianao ilay ondry, ovainy ho ondrin’i Jesoa.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.

image_pdfPDF