« Ary izy hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ ny rainy ». Malakia 3 :24a
Ity hafatra nentin’i Malakia mpaminany ity ry havako, izay hafatra tetezamita, tetezamita mankany amin’ny Testamenta Vaovao, manambara indrindra ny amin’ny fitondrantenan’ny olona izay miha-mitotongana sy miharatsy. Ary marina ny tenin’i Paoly Apostoly, hoe : miharatsy izao fiainana izao. Tena miha-ratsy ary miha-mitotongana, miha-ratsy andro aman’alina. Fa ao anatin’izany tontolo miha-ratsy izany, tontolo miha-rava, ao anatin’izany ny Tompo no mandefa iraka. Mandefa iraka ny Tompo. Andao indray vakiana ny and.1, Malakia 3 :1a : « Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako ». Mazava izany teny izany, fa mialoha indrindra ny andro hahatongavan’i Jehovah, ilay andro famalian’Andriamanitra, ilay andron’ny fahatezeran’Andriamanitra izay tsy maintsy hiatra amin’ny mponina ety ambonin’ny tany ; raha namaky tsara ny perikopa 3 teo isika, ho avy ny Tompo : ho avy ny Tompo hamaly ny olona rehetra araka ny asany. Ary izay ry havako no tena mampatahotra : hay kay izany ity asa ataontsika ity, misy valiny daholo, na tsara na ratsy. Fa jereo indray anie ny and.23 e : « Indro, Izaho haniraka an’ i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’ i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra ». Eto izany Andriamanitra maniraka iraka, ary asehon’ny Soratra Masina moa fa Elia izy ity, dia Jesoa manamafy hoe Jaona mpanao batisa izy io. Fa ankehitriny kosa iza no irahiny ? Iza ilay irahin’Andriamanitra, fa izay no dikan’ny hoe Malakia. Ny dikan’ny hoe Malakia dia hoe : irak’Andriamanitra. MANAIKY HO IRAK’ANDRIAMANITRA VE IANAO ?
Andao isika Fiangonana mba hanontany ny zanaka am-pielezana hoe : o ry zanaka am-pielezana ô, ianareo zanaka am-pielezana ve any am-pielezana any mba manaiky ho irak’Andriamanitra ?
Andao indray isika zanaka am-pielezana hanontany hoe : isika eto Isotry Fitiavana ve mbola irak’Andriamanitra ? Mbola irak’iza hono isika ? Irak’Andriamanitra.
Andao mba hanontanio ny eo akaikinao : IANAO VE MBA MANAIKY HO IRAK’ANDRIAMANITRA SA ILAY MPANIRAKA AN’ANDRIAMANITRA ? Ilay fanontaniana dia tsotra : IANAO VE MBA MANAIKY HO IRAK’ANDRIAMANITRA SA MPANIRAKA AN’IZA ? Iza no betsaka ry havako : ilay irak’Andriamanitra sa ilay mpaniraka an’Andriamanitra ? Ilay mpaniraka an’Andriamanitra : « Jesoa ô, mba jereo ilay marary ary amin’ny hopitaly », « Jesoa ô, jereo ireo tsy manana hanin-kohanina ». Fa ianao hanao inona fotsiny ? Mazava tsara izany fa isika no irahin’Andriamanitra ; ary androany irahin’Andriamanitra ianao. Irahin’Andriamanitra izaho, irahin’Andriamanitra ianao, irahin’Andriamanitra isika. Manaiky ho iraka sa tsy manaiky ? Fa raha manaiky anefa dia ahoana : iraka hanao inona ? Izany no fanontaniana mipetraka ry havako ô. Satria mety irahina dia hoe andao ary handeha : haninona ? ho aiza ? hilaza inona ? Izay koa ny fanontaniana mipetraka, ary izay ilay manahirana amin’ilay izy Pasitera e ! Mzava anefa hatreto ry havana, andeha averina vakiana ny and. 24a : « Ary izy hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ ny rainy ». Ianao izany izao ilay « izy ». Irahina hamerina – Irahina hanarina – Irahina hanentana. Ireo iraka 3 ireo no ampanaovina antsika ry havako. Ary izay ilay izy : « Ary izy hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ ny rainy ».
- IRAHINA HAMERINA NY OLONA HO AO AMIN’ANDRIAMANITRA ISIKA
Irahina hamerina ny olona ho ao amin’Andriamanitra isika. Ary izay ry havana, tadidio tsara : mila azontsika antoka aloa mialohan’ny ialana eto amin’ity toerana ity ny hoe : izaho ve tena ao amin’Andriamanitra sa tsy ao ? Raha miteny Izy eto amin’ny Apokalipsy, hoe : « Izaho no Alfa sy Omega, ilay fiandohana sy fiafarana », Izy izany no point de départ ary Izy koa no point d’arrivée. Mazava izany. Fa ao anatin’ilay lalana ve isika ? Sa mijoro ho spectateur fotsiny ? Fa haverina ao amin’ny Tompo isika. Mialohan’ny ialantsika eto ry havana dia mila mahazo antoka isika aloa hoe : izaho ao amin’ny Tompo, ary ny Tompo ato amiko. Ary izay ilay tenenina eto : « hampody » ; « ary izy hampody ». Ny dikan’ny « hampody » : hamerina amin’ny laoniny, mamerina amin’izay niaingana. Mila miverina ao amin’i Jesoa Kristy aloa isika, mba ho ny Tompo ho ao anatintsika. Izany no antsoantso nataon’ilay iraka, dia i Jaona mpanao batisa raha vao tonga izy, afaka nitory teny izy, na dia tany an’efitra aza, niantsoantso mafy izy hoe : mibebaha fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.
Mila miverina amin’Andriamanitra ny olona, mila mibebaka ny olona. Ary izay ilay fibebahana voalohany indrindra ry havako : ny famerenana amin’ny laoniny ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Mila averina amin’ny laoniny ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Mila averina ho matotra tsara ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Dia tena miverina tokoa ary ve ? Tena matotra ny fifandraisana amin’Andriamanitra ve ? Paoly Apostoly ry havako dia manamafy, ka miteny hoe : « Koa dia iraka solon'i Kristy izahay, toa an'Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon'i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin'Andriamanitra anie ianareo ». Ny dikan’izany : aoka ho ao amin’Andriamanitra ianareo, aoka ho vita fihavanana amin’Andriamanitra ianareo. Dia andao isika handinin-tena ry havako : ao amin’ny Tompo marina tokoa ve isika ? Ary tena mahatsapa tena ve fa ny Tompo ato anatintsika ? Misy kilalaon-teny eto ataon’ilay teny : «Ary izy hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ ny rainy». Ny dikan’izany : mifamatotra ary mifameno ilay Ray sy ny zanaka ; tsy afa-misaraka ilay Ray sy ny zanaka. Ny zanaka tsy afaka miala ao amin’ny Ray, ary ny Ray tsy afaka miala ao amin’ny zanaka.
Ry havako, ny fandraisana an’i Jesoa Krsity irery ihany no hamerina antsika ho ao amin’Andriamanitra marina tokoa. Ny fandraisana an’i Jesoa ihany. Izao no tenenin’i Jesoa : « Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy », izany hoe ny mpandray ny fanasan’ny Tompo dia mazava fa mitoetra ao amin’i Jesoa izy, ary Jesoa mitoetra ao aminy. Ny mpandray ny fanasan’ny Tompo no afaka miteny hoe : « tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko ». Fa tena izany tokoa ve ? Tena Kristy tokoa ve no velona ao anatintsika ? Dia nahoana no mbola manaraka ny fanaon’izao tontolo izao isika ? Fa raha Kristy no velona ao anatintsika ry havako, ny sitrapon’i Kristy no ataontsika. Dia amin’izay fotoana izay tanteraka ilay vavaka nampianarin’ny Tompo hoe : atao anie ny sitraponao ety an-tany ka hatrany an-danitra. Fa tsy hoe hatreto am-piangonana ihany iny, dia hatreo amin’ny tokontanim-piangonana, fa vitan’izay : ahy ny sisa. Ny zava dehibe : ny sitrapon’Andriamanitra no ataon’ny olona izay ao Aminy. Mila mamerina ny olona ho ao amin’ny Tompo aloa isika. Ary isika ve ao anatin’ilay olona sa tsy ao anatiny ? Isika mihitsy izany aloa no mila miverina ho ao Aminy. Mila miverina ho ao amin’ny Tompo isika. Androany ary, andao mba hiteny hoe : « Jesoa ô, hiditra ao amin’ny fiainanao aho, ka ianao midirà ato amin’ny fiainako ». Ary izany ry havako no zava-dehibe : mila mankao amin’ny Tompo aloa, mila manao fifanakalozana amin’ny Tompo aloa isika. Izay anie no tenenin’i Jesoa : « Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana ». Dia ny tohiny, satria ny antsika ajanona hatreo, fa hoy ny Tompo hoe : « Ento ny ziogako » ; misy fifanakalozana ao. Andao handray fiainana ao amin’i Jesoa isika, andao hiditra ao amin’i Jesoa Kristy aloa mba hidiran’i Jesoa Kristy ao amin’ny fiainantsika.
- IRAHINA HANARINA NY OLONA HO TENA ZANAK’ANDRIAMANITRA ISIKA
Hoy ny teny eto, ilay Malakia 3 :24a : « Ary izy hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ ny rainy ». Hampody ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny zanaka ho amin’ny rainy. Ny fikan’izany : ny ray mila mankao amin’ny zanaka, ary ilay zanaka mila mody ao amin’ny ray. Ary izay ry havako, tadidio tsara fa isika rehetra ireto, izay nandray an’i Jesoa Kristy dia zanak’Andriamanitra. Izay ilay teny, hoe : « Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra, dia izay mino ny anarany ». Mazava koa ilay teny hoe : « Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’ Andriamanitra ». Dia izany tokoa ve isika sa tsy izany aloa e ? Tena zanak’Andriamanitra sa tsy zanak’Andriamanitra ? Andao mba teneno ny eo akaiky : « sao dia mba tsy zanak’Andriamanitra ary ianao io ? ». Hoy ny teny eto ry havako : « hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ ny rainy ». Dieny mbola velona dia efa mody ao amin’ny ray ilay zanaka. Fa tsy rehefa modimandry soa aman-tsara, vao hoe « nantsoin’ny Ray hody any Aminy » ; fa dieny mbola velona dia efa mody ao amin’ny ray. Tsy rehefa maty isika vao mandeha mody any. Fa izao anio izao, izao andro izao, manarina antsika ny Tompo satria lavo tao anatin’izany toetra tsy maha-zanak’Andriamanitra izany isika. Lavo isika, lavo isika, ka asaina mody ho amin’ny fon’ny ray isika, asaina mody ho amin’ny ray isika, mba te hiaina ilay toetran’ilay ray. Dia tena miaina ny toetra amin’ny maha-zanak’Andriamanitra ve isika ry havako ? Tena maina ve, tena miaina ve ? Eto amin’ity Malakia ity dia misy teny hain’ny olona tsianjery, andao anie vakiantsika ny and.18 fa haintsika tsianjery io : « Ka dia ho hitanareo indray ny tsy fitovian'ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy ». Hitanareo ny tsy fitovian’ny marina sy ny inona hono ? Sy ny meloka ; dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy. Ny toetrantsika izany , inona no maha samy hafa azy amin’ny an’izao tontolo izao : ny toetrantsika, ny fitenintsika, ny fijerintsika, ny fitafiantsika, inona no maha samy hafy azy amin’ny zanak’i Satana ? Fa tadidio ry havako : ny olona anankiray, tonga dia vakiana fotsiny eo amin’ny endriny hoe zanak’iza io. Vakiana fotsiny amin’ny toetrany hoe manahaka an’iza io. Ts’izany ve ny fombantsika ? « Mba zanak’iza ary tony ? Tena nanaha-dray ». Fa ianao ve mba anisan’ilay manahaka ilay Rainao, dia Andriamanitra ? Ary izay foana no ampianarin’i Jesoa, hoe : mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Ary izay ilay teneniny, ato amin’ny Malakia, any amin’ny Malakia 1 Izy miteny hoe : « Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? ». Fa sainga izao : isika zanaka tsy mahay manaja Ray. Zanaka maditra isika, zanaka be famaliana. Raha tsy miantso antsika ny Tompo ho andao hanao ny asany, andao hanao an’izao, be hatak’andro isika, be famaliana isika, zanaka te hiala tsy ho eo akaikin’ny Ray mandrakariva. Dia tsaroanao avy hatrany angamba ny tantaran’ilay nataon’i Jesoa fanoharana, tantaran’ilay zanaka adala ; ilay zanaka adala izay nandrasan’ny Tompo ny hiverenany. Fa androany ny Tompo miandry antsika, manarina antsika ho tena zanak’Andriamanitra.
Ataovy azonao antoka ary fa tafaverina indray ho amin’ny toeran’ny zanak’Andriamanitra ianao androany. Toeran’ny zanak’Andriamanitra. Noho izany, izay toetra rehetra mifanohitra amin’ny maha-zanak’Andriamanitra dia ialana. Manarina antsika ny Tompo satria zanaka isika. Mananatra antsika ny Tompo satria zanaka tiany ho hendry isika. Ny hendry ihany no hanarina hoy ny Ntaolo. Adalan’inona anefa isika ity ? Adalan’inona isika, raha zanaka adala no iantsoana antsika ? Adalan’inona ? Ny alika jamban’ny taolana, fa ny olona jamban’ny vola, ny vehivavy jamban’ny…, ny lehilahy jamban’ny… dia samy miteny eo daholo. Samy manana ny mampa-adala azy. Sa tsy samy manana isika ireto ? Aleo tsy hitanisa eto e ! Fa aleo ao amin’i Jesoa Kristy ilay tsy avy hiantso ny marina, fa ny mpanota hibebaka. Rehefa tonga eo isika mitanisa ny fahotantsika. Tadidio tsara, izany no tian’ny Tompo : ilay zanaka mitsotra ny fahotana no tadiavin’ny Tompo. Izay ilay zavatra : izay mitsotra ny fahotany no mahazo famindram-po, fa izay manafina an’izany tsy hambinina. Noho izany, tsory amin’ny Tompo, amin’ny maha-zanaka antsika. Fa indraindray anie isika ohatran’ilay zanaka ao an-trano e : kapohana tsy mety mifona, kapohana tsy mety mifona. Eo amin’izay : « mbola tsy hifona ihany ? ». Dia avy eo mifona fa tsy hanao intsony. Rapitso izy mbola manao indray. Andeha ry havako miverina amin’ny Tompo, hibebaka, hiaiky ny fahotantsika.
- IRAHINA HANENTANA NY OLONA HIOVA FO ISIKA
Andeha anie verenana vakiana ilay and.24a : « Ary izy hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ ny rainy ». Hampody ny inona hono ? Hampody ny fo. Ilay fo izany mila averina. Tena zava-dehibe amin’Andriamanitra ry havana ny fo. Tena zava-dehibe, sarobidy loatra io ; ary izay no mahatonga Azy miteny hoe : « Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako ». Izany no teneniny any amin’ny bokin’ny Ohabolana. Fa hoy koa Izy : « Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany ». Tena sarobidy ny fo ry havana ô. Ary anisan’ny nahababo sy naharava ny firenen’i Isiraely izao tenin’ny Tompo izao ; hoy Jesoa : « Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy ». Mety ho zanak’Andriamanitra izy, mety ho efa ao amin’Andriamanitra izy, fa ny fony kosa lavitra ny Tompo. Ary izany no fanontaniana mipetraka : manao ahoana ny fontsika ? manao ahoana ny fontsika raha tonga eto ? Satria ny Tompo, raha tonga eto, tsy mijery ny takosin’ny lokomenanao, fa inona no tena jereny ? Ny fonao. Tsy mijery ny ahavon’ny talon-nao, tsy mijery ny hatsaran’ny volonao. Fa inona no tena jereny ? Ny fo. Manao ahoana ny fontsika ? Ary izany ry havako, kanefa tsy hain’ny olombelona izany hoe hanova fo izany. « Mba miovà hoy aho ianao fo » ; tsy mety miova ihany. Tena asan’Andriamanitra, asan’ny Fanahy Masina manokana ny manova ny fon’ny olona. Tena asan’Andriamanitra. Raha mbola tsy niova ny fon’ny olona, dia mijanona amin’ny fahazaran-dratsiny sy ny toetra ratsiny ihany izy. Ka na hiteny ary isika hoe : « mba mialà hoy aho ianao amin’io taoka io, mba mialà ianao amin’io sigara io, mba mialà ianao amin’izao… », tahaka ny rano atondrako eo amin’ny lamosin’ny ganagana ihany izany, satria tsy mety miova ny fo. Izay no nahatonga an’i Davida ry havako, Davida, marina fa tsy nisy nahita ny nangalany an’i Batseba, tsy nisy nahita ny tetik’adiny hamono an’i Oria, fa ny vavaka nataony dia niteny hoe : « Amorony fo madio aho Andriamanitra ô ; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko ». Ary izany koa ry havako no tokony angatahintsika amin’ity andro ity : « Amorony fo madio ». Ilay fo salama. Amin’izao fotoana izao mantsy dia tena malaza ny aretim-po : « matin’ny inona hono ? Matin’ny AVC », « marary inona hono ? Marary fo ». Fa tadidio ry havako ô, hanentana ny olona hanana fo vaovao isika. Hanentana ny olona hiova fo isika , izany no tanjona ; ka tsy hisy fo vaovao sy fiovam-po hita ivelan’i Jesoa Kristy.
Ry havana malala, tadidio ny tenin’i Jesoa, tonga eto amin’ny tranony isika : « Sambatra ny madio am-po, fa izy no ahita an’Andriamanitra ». Dia andao anie mba handinika kely hoe ahoana ny fontsika izany izao. Manao ahoana ny fahalotoany sy ny fahadiovany. Fa Andriamanitra marina, azo hanafenana ve sa tsy azo ? Ny angatahan’ny Tompo amintsika dia isika mitsotra sy miaiky ; fa rehefa mangataka Aminy isika hoe amorony fo madio, dia manome Izy, ka miteny amintsika hoe : « Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.Ary nyFanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy ». Amin’ity andro ity, inona ny olana ? Andeha aloa hangataka fo vaovao, fo madio amin’ny Tompo. Fa rehefa manana fo vaovao isika, dia tenenin’ny Tompo hoe : « Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ». Androany izay. Rahampitso : « Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ». Efa olona tranainy ve izy ? Olom-baovao foana izy, na afaka herintaona, na afaka 10 taona : olom-baovao izy. Andro farany izao ry havako, andro isehoan’ny tahotra sy ny horohoro ary ny faharatsiana rehetra. Ianao, izaho, isika dia takiana ho madio fo manoloana an’izany andro farany izany. Tao anatin’ny propagandy ho an’ny fifidianana ben’ny tanànà iny, nisy ny fifanaratsiana samihafa : andeha mifona amin’ny Tompo. Fa nifandoto fo isika. Andeha mangataka fo vaovao amin’ny Tompo mba hahatonga antsika hiova fo ka hanentana ny olona mba hiova fo koa. Aiza ihany no misy an’ilay fiovam-po ry havako ? Ao amin’i Jesoa Kristy.
Iraka isika. Iraka isika asaina manentana. Tsy afaka manova fon’olona isika, fa manentana ny olona fotsiny hiova fo. Kanefa tsy afaka ny hiova fo izy, raha tsy tonga zanak’Andriamanitra aloa. Tsy afaka ho zanak’Andriamanitra izy, raha tsy ao amin’ny Tompo aloa. Rehefa ao amin’ny Tompo izy, manan-jo ho zanak’Andriamanitra. Ary rehefa zanak’Andriamanitra izy, ovain’ny Tompo ny fony ho fo vaovao. Dia mampandinin-tena izany ry havako : tena zanak’Andriamanitra madio fo ve isika ? Misy tantara kely ananliray izay tian’ny zanako, tena tiany izy ity. Rehefa misy tezitra ao an-trano dia izao no teneniny : « eh, tandremo fa idiran’ny papillon eo ». I papillon dia mahay manararaotra ny olona malahelo sy ny olona tezitra. Miditra ao anatin’ilay olona i papillon, maniraka papillon kely any izy miditra ao anatin’ny olona, dia lasa mandravarava amin’izay ilay olona tezitra teo. Dia izany foana no tenenin’ilay zanako, hoe : « eh, tandremo fa sao dia idiran’ny papillon ». Ohatrany marina ilay teny. Kanefa mampitandrina antsika, satria na ny Soratra Masina aza miteny hoe : « aza manome fitoerana ho an’ny devoly ».
Lesona 3 no nianarana teo ry havako. Hiala eto ianao rehefa avy eo, azonao antoka ve fa tena zanak’Andriamanitra ianao ? Ary raha mbola tsy azonao antoka, fotoana izao, mbola manatsotra ny tanany ny Tompo mandray anao indray, satria tiany ho zanany daholo isika rehetra. « Fa toy izap no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny zanany lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay ». Fa rehefa zanak’Andriamanitra ianao, ovain’Andriamanitra indray ny fonao androany. Andeha mba manentana, mitaona ny olona ho ao amin’ny Tompo. Dieny mbola velona izy dia taomy ho ao amin’ny Tompo ; dieny mbola velona izy, hanaro, hareno mba ho tonga iaina ny fiainan’ny zanak’Andriamanitra ; ary dieny mbola velona izy dia ataovy miova fo, entano amin’izany izy.
Hanontany izao ny any an-trano any rehefa tonga any ianareo, « taiza ianareo ? ». « Avy nivavaka ». « Inona no tao am-piangonana ? ». « Alahadin’ny zanaka am-pielezana ». « Inona indray izany ny sermona an-drapasy tao ? ». Tsotra ny teninao :
- Irahina isika mba hamerina ny olona ho ao amin’Andriamanitra
- Irahina isika mba hanarina ny olona ho tena zanak’Andriamanitra
- Irahina isika mba hanentana ny olona hiova fo
Amena