ALAHADY 13 JAN 2019

image_pdfPDF

Lioka 23:40-41 : « Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza? Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin'ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza ».

Mahatahotra Andriamanitra Tompo.

Tantara somary manahirana ny tantara nomena antsika amin’ity Alahady ity satria olo-meloka, voalaza fa jiolahy no itaoman’ny tenin’Andriamanitra antsika ianarana. Ary raha ny perikopa androany no jerena dia ivon’ny fitantarana mihitsy izany. Hianatra avy amina toetra na fihetsika asehon’ny jiolahy anankiray niova fo ; manahirana izany. Kanefa na dia manahirana aza, dia tantara mamelom-panantenana satria na izay ao anatin’ny tontolo manahirana indrindra, azo lazaina hoe faran’izay maizina indrindra satria am-bavahoana ny fahafatesana no mbola manam-panantenana, mbola avotra ihany. Ilay jiolahy niova fo dia nahazo naoty tsara tamin’i Jesoa raha izany no ilazana azy : « Anio no hihaonanao Amiko any Paradisa » : mamelom-panantenana izany. Angamba mety tsy izaho ihany no hanao hoe « sambatra izy ». Fa ny fanontaniana tsy maintsy apetraka dia hoe : fa inona no nataony, na ny tsy nataony ka nahatonga azy nahazo teny mamy tahaka an’izany teo anatrehan’ny Tompo ? Ny valiny ry havana, fepetra tokana sady fototra dia ny fahatahorana an’Andriamanitra. Hoy izy nananatra ny namany teo : « Moa ianao koa tsy mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza? ».

Ny olona manana ny toe-panahin’ny fahatahorana an’Andriamanitra, manao ahoana moa izany ?

Fahamarinana 1 : NY OLONA MANANA NY TOE-PANAHIN’NY FAHATAHORANA AN’ANDRIAMANITRA DIA MIALA AMIN’NY FANIRATSIRANA AN’ANDRIAMANITRA

Ity anankiray voalohany, tsy tahotra tsy henatra, fa maneso, mandatsa, maniratsira an’i Jesoa Kristy : « Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay ». Miteniteny sahisahy ; azo ambara koa hoe miteniteny foana, miteniteny tsy am-piheverana amin’ny zavatra izay tsy fantany loatra akory ny antony ; azo ambara fa tsy fantany mihitsy aza, kanefa izany no nataony.

Fa ilay anankiray kosa izay ampianaran’ny Tompo antsika, hakana modely mety ianarana eto, dia nananatra ny namany izy. Ahoana ny fananarany ? « Moa ianao koa tsy mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza? Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin'ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity (Jesoa izany) kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza ». Teny am-pahendrena, teny amin’ny fandinihana lalina tokoa, ary teny izay maneho fahatahorana an’Andriamanitra ka mitaona ny namany hatahotra an’Andriamanitra. Teny mitsara marina ny feon’ny fieritreretany koa ; satria moa isika olombelona ry havana nomen’Andriamanitra ny feon’ny fieritreretana izay tsy azontsika fitahina fa mahalala ny miafina indrindra eo amin’ny fiainantsika. Ary iza moa no sahy fa tsy mahalala ny rariny sy ny hitsiny raha ny feon’ny fieritreretan’ny olona salama no ao aminy ao, tsy hahalala ny marina sy ny diso, ny mety sy ny tsy mety ; ary izany no mivoaka eto. Ilay feon’ny fieritreretana madio dia tena maneho ny marina. Koa ity lehilahy ity dia ekeny marimarina fa rariny ny nanamelohana azy, hoybny Soratra Masina eto hoe : valin’ny nataontsika » . Fa ilay Kristy Jesoa izay nihantona niaraka tamin’ireto jiolahy, dia tsy mba nisy heloka vitany akory aza ; ary haintsika ny tantara fa fialonana anie no tao ambadika tao e ; ny herinandro masina, mandalinaban’izany ny Fiangonana. Ny tsy finoany anie no nahatonga an’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana e, ary dia neken’i Jesoa Kristy izany ho fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra, fa tsy sanatria tsy mahavita na inona na inona Izy, araka izay heverin’ity jiolahy anankiray hoe : « vonjeo ny tenanao sy izahay ». Sanatria, tsy hoe tsy mahavita na inona na inona Izy, fa fanekeny hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Koa mananatra ny namany ity jiolahy ity hatahotra an’Andriamanitra.

Ry havana malala rehetra ao amin’ny Tompo, ny toe-panahy voalohany amin’ny fanehoana ny fahatahorana an’Andriamanitra : fadio ny faniratsirana an’Andriamanitra. Aza miteniteny foana amin’izay tsy fantatra, indrindra indrindra amin’ny fomba fiasan’Andriamanitra izay mirakitra tsiambaratelo lalina mandrakariva, raha mahita olo-marina mijaly, raha mahita olo-marina toa voa mafy. Ary marina anie izany e : matetika ny olo-marina, ny tena mankatoa an’Andriamanitra dia miaritra hirifiry ; aoka ho tsapa, aoka ho tsaroana fa misy fomban’Andriamanitra lalina miafina ao ambadika ao. Ary izay moa no hazavain’i Petera ao amin’ny 1Petera 2 :12-17, fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo, ka namela fianarana ho anareo mba hanarahinareo ny diany, Izay tsy nanota akory, ary tsy nisy fitaka teo am-bavany : raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva. Naverin’i Petera nosoratana ny Isaia 53. Ankehitriny izao ry havana, dia Andriamanitra izay maneho ilay fahamarinany ao amin’i Jesoa Kristy, Andriamanitra te hahita antsika hanana ilay toe-panahin’ny fahatahorana an’Andriamanitra, satria ny olana matetika dia misy ny tsy dia matahotra loatra an’Andriamanitra, na dia amin’ny zavatra tsy fantany aza, amin’izay fomba fiasan’Andriamanitra sarotra hazavaina ; dia alaim-panahy haniratsira. Tamin’ny andro taloha raha natahoran’ny ntaolo mafy tokoa izany Zanahary ambonin’ny loha izany, « aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampin’ny loha », fa ankehitriby, tahaka ny tany tsy misy Andriamanitra intsony, ka ahasahiana miteniteny foana amin’ny zavatra samihafa izay tsy tokony aloaky ny vava akory aza. Ka mahatonga heloka ho an’ny fiainantsika tsirairay avy, eny hatramin’ny fiainan’ny firenena aza.

Ampianarin’ny tenin’Andriamanitra hatahotra an’Andriamanitra isika, ka hanome lanja, hampisy vidiny, ary indrindra indrindra tsy haniratsira an’Andriamanitra.

Zavatra faharoa, tsy Andriamanitra ihany fotsiny anefa no mety hotsiratsirain’ny olona, fa ny mpanompon’Andriamanitra. Ary misy izany. Ilay mpanompon’Andriamanitra nirahiny, nitokisany, izzy solontenany ety ambonin’ny tany. Misy ny maneso, misy ny mandatsa, misy ny manarabiraby raha misy voa mafy ireny mpanompon’Andriamanitra ireny, raha misy toa miaritra ny mafy, ary tojo izao loza rehetra izao. Tsy ny mampahery no ataon’ny sasany, fa ny mifanohitra amin,’izany.

Ry havana malala rehetra ao amin’ny Tompo, ry Fiangonana, toe-javatra fandinika sy fihevitra amin’ny fiandohan’ny taona toy izao, ny hitandrina amin’izay hotenenin’ny vava, satria ahazoana heloka eo anatrehan’Andriamanitra izany. Kanefa koa, izay tenenin’ny vava dia afaka hanehoana ny fahatahorana an’Andriamanitra ka handraisana valim-pitia lehibe amin’ilay Andriamanitra, toa izay mitranga eto : « Anio no hihaonanao Amiko any am-paradisa ».

Matahora an’Andriamanitra, ialao ny faniratsirana mivantana na ny mpanompon’Andriamanitra ; aoka hampiasa tsara ny feon’ny fieritreretana isika, indrindra isika Fiangonana, ka hahafantatra ny marina sy ny diso, ny mety sy ny tsy mety, ny rariny sy ny tsy rariny ka hitsara marina amin’izay rehetra miseho sy mitranga, indrindra indrindra amin’ny tontolon’ny asan’Andriamanitra izay tanterahina eo anivon’izao tontolo izao.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, matahora an’Andriamanitra ka ialao ny miteniteny foana. Ny tontolo iainantsika ankehitriny dia tontolo manahirana, satria tsy ny basy aman-tafondro avy any an-dafy ihany no mety hahafaty sy hanimba antsika, fa ilay fitenin’ny zatovo, mamelà ahy hiteny an’izany : ilay basin’ny vavantsika e. Ka mahatonga ny olona maratra fo. Firifiry moa ny olona miakatra tosi-drà ; firifiry moa no simba ny fahasalamany noho ny feo sy ny teny izay notenenina , tsy mitondra fampaherezana na fananarana, fa sanatria mitondra faisana, ka mahatonga fahavoazana ho an’ny hafa.

Raha te hanasitrana ny tany isika, raha te hitondra aina sy fahavelomana eo anivon’ny mpiara-belona amintsika, raha te hanome voninahitra an’Andriamanitra, dia andao atomboka amin’ny fampiasana ny vava sy ny fitenenana ka ahatsiaro fa ny antony naharian’Andriamanitra izany taova izany, dia anehoana fahatahorana Azy, kanefa koa, ahafahana mananatra ny mpiara-belona.

Fahamarinana 2 : NY OLONA MANANA NY TOE-PANAHIN’NY FAHATAHORANA AN’ANDRIAMANITRA DIA MANATONA AN’ANDRIAMANITRA

Ny tahotra an’Andriamanitra ry havana, tsy tahotra mampandositra sanatria, tahaka ny tahotra biby masiaka, fa tahotra mampanatona an’Andriamanitra.

Hoy ny tenin’ilay jiolahy anankiray : « Jesoa o, tsarovy aho rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao ». Ity teny hoe « tsarovy » ity dia manan-karena ara-kevitra tokoa. Azo ambara ao anatin’izany hoe «  ento manaraka anao aho raha ho any amin’ny fanjakanao Ianao ». Azo adika koa hoe « Antsoy hiaraka aminao aho, atao mba ho isan’ireo manaraka anao aho ». Ary azo takarina ry havana fa manana fotoana lava hivelomany ity jiolahy ity ka raha vao mifanerasera amin’i Jesoa Kristy, ilay teny hoe « Tsarovy aho » dia azo tenenina hoe « ataovy ho isan’ny mpianatrao aho ary ekeo ny hanarahako dia anao ry Jesoa Kristy o ». Toa olona efa nahay teolojia sahady ba nahalala sahady ny momba an’i Jesoa Kristy. Ny mpanao heviteny moa dia nihevitra fa na dia nanao asan’ny jiolahy aza ity namana ity, dia mety mba mandre ihany ny lazan’ity Jesoa Kristy ity. Koa eto ny fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainany, ary eo anatrehany mivantana Jesoa Kristy, na dia samy eo amin’ny hazo fijaliana aza, dia ekeny ary inoany fa manana ilay fanjakana aoriny ity Jesoa Kristy ity. Ary izay moa no iraka lehiben’ny Tompo raha tonga tety an-tany, nambaran’i Jaona mpanao batisa izany, dia ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra izay lavin’ireo sasany izay manohitra izany kanefa ivon’ny toritenin’i Jesoa Kristy ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra. Koa ity jiolahy izay niova fo ity dia ny hanatona an’i Jesoa Kristy, ny hiara-monina amin’i Jesoa Kristy no zava-dehibe taminy ; ary izay ilay tahotra mampanatona fa tsy tahotra mampandositra teo. Tsy ataony ho anarana maneso izay voasoratra mivandravandra ho fanehoana an’i Jesoa Kristy ; raha mikisaka kely eo amin’ny and.38 mantsy isika dia hoe : « Ity no Mpanjakan’ny Jiosy » : tsy nataony  anarana maneso izany fa tena nianteherany sy nitokisany tokoa ka nahatonga azy niantoraka amin’i Jesoa Kristy : « Tsarovy aho » : maniry fatratra ny hanatona, ny hampifandraisina amin’i Jesoa Kristy ilay niova fo, satria fantany sy tsapany ary ekeny fa ilay Zanak’Andriamanitra dia tsy mba nanota, ary io no hanorina ny fanjakany. Ka ny fahatahorana Azy, ny fanehoana ny fahatahorana Azy dia ny fanekena ho isan’ny olona ao amin’ny fanjakany.

Ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy fanjakana mbola ho avy ihany ; haintsika soa aman-tsara izany : fa fanjakana efa manomboka ary fanjakana efa tanteraka tamin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy. Fanjakana efa natombok’i Jesoa Kristy izany. Koa ho anao izay eo akaikin’i Jesoa Kristy, mandre ny tenin’i Jesoa Kristy, dia tsy ho amin’ny ho avy ihany izany. Izay ilay teolojia malaza hoe : «  déjà là et pas encore » : sady efa manomboka no mbola ho avy. Koa Jesoa Kristy ilay nankalazaina tamin’ny krismasy vao herinandro vitsivitsy izay, Ilay Imanoela, Andriamanitra ao amintsika, dia Andriamanitra efa nanorina ny fanjakany ary ianao koa, sitrany hiaina ao anatin’izany fanjakany izany. Ka ny fanatonana an’io Andriamanitra io, dia ny fanatonana Azy, ny fanekena ho eo ambany fifehezany, ary hankato ilay herin’ny fanjakan’Andriamanitra ka ho isany izay ho ao Aminy.

Izany fanjakan’Andriamanitra efa manomboka izany no tanteraka amin’ny fahafenoany, kanefa ny fanatrehan’Andriamanitra dia ilay « anio » an’Andriamanitra no azo hanombohana an’izany, na iza na iza, na aiza na aiza, ary na oviana na oviana, ka inona na inona toe-java samihafa atrehiko sy atrehinao.

Ry havana malaka ao amin’ny Tompo, miankina amiko sy aminao ny sisa. Tsy ilay jiolahy ihany ni hitenenan’ny Tompo hoe « anio », fa na ianao izay mpanompon’Andriamanitra aza, na ianao izay naniry hihaona amin’ny Tompo aza dia hanome lanja ny fikatsahana an’izany. Irio sy tadiavo ary katsaho fatratra ny hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary izay moa no anatra nataon’i Jesoa Kristy : Matio 6:33 : « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany ». Irio ny ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ; aoka ho vonona hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao. Meteza ry havana hanapa-kevitra anio ho tena ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny sakramentan’ny batisa. Ary amin’izao fiandohan’ny taona izao, raha mbola tsy mpandray ny fanasan’ny Tompo ianao, meteza hianatra katekomena ho marika hita maso ny fidirana, ny fitsofoana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Rehefa vonona koa ka mankatoa, meteza hanompo Azy. Ho anao izay efa ao anatin’ny fanjakany, ny hoe « tsarovy aho rehefa avy amin’ny fanjakanao » dia tahaka ny maniry hanompo an’Andriamanitra misimisy kokoa. Ny fanontaniana azo apetraka ry havana amin’izao fiantombohan’ny taona izao, ho anao izay efa ao anatin’ny fanjakan’Andriamanitra dia hoe : Mbola mafana ve ? Mbola misy risi-po ve ao anatinao amin’izany fanompoana an’Andriamanitra izany ? Ary raha hobavy ny fifidianana, ny fanavaozana, amin’izao faramparan’ny mandat izao : mbola mirehitra tsara ve ilay hafanana tamin’ny fanokanana ho isan’ny mpitarika ao amin’ny sampana, ny Fiangonana, ny vaomiera samihafa ?

Irio ny hanitatra ny fanjakan’Andriamanitra ihany koa ho anao izay efa ao anatiny. Tsy ho kristiana tia tena sanatria. Ka hoe izay hamonjy ahy ihany no fantatro ; ka na ny vady aza dia hoe an an an, izay hamonjy ahy ihany no fantatro. Tsy izany no tena fivavahana marina. Ilay jiolahy eto ary dia mbola miala nenina amin’ny namany, nananatra ny namany. Ary moa va tsy mamelona ato amiko sy ao aminao ny asa fitoriana ny filazantsara izany, ahatonga hijery ny hafa ? Tsy ny tenanao izay resy lahatra sy manana eritreritra madio ihany, fa na dia izay heverina fa manao atsimo sy avaratra amin’izay heverinao aza, dia adidiko sy adidinao izany.

Ora sy minitra farany sisa no hananan’ity jiolahy ity kanefa nampiasaina nitoriana ny fiilazantsara amin’ny namany. Fa izaho sy ianao, nomen’Andriamanitra taona vaovao indray, ity 2019 ity, izay mariky ny fitokisan’Andriamanitra ka hanirahany antsika hanatanteraka ny asany. Manana, tsy minitra fotsiny fa mety ho andro, volana, taona maro, 70 taona na 80 taona : ora firy, volana firy no atokanao hanaovana ny asan’Andriamanitra ? Ary izany no vinan’ny FJKM, Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara : mandray anjara amin’izany ve ianao ? Araraoty ny fotoana.  Ankatoavy ny baikon’ny Tompo manao hoe : « Mandehana, ataovy mpianatra ny firenena rehetra, mitoria ny filazantsara amin’ny olona rehetra, ianareo no vavolombeloko, ahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo ary ho vavolombeloko eran’i Jodia sy Samaria hatramin’ny faran’ny tany ». Ka raha azo atao ary ny manao vy very ny aina amin’ny fitoriana filazantsara, mba hananatra sy hanoro hevitra ireo izay mbola lavitry ny vala na tsy ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Ho fandinihan-tena dia teboka telo no tiako hosaintsainina sy heverina, ho antsika manatrika izao fanompoam-pivavahana izao :

  1. Ianao ve efa ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra sa tsia ?
  2. Ianao ve izao efa manatona an’Andriamanitra, mampanatona olona amin’ny fanjakan’Andriamanitra ? Firy no efa nampanatoninao an’i Kristy ?
  3. Ianao ve izao efa vonona hankato ny fepetran’ny fanjakan’Andriamanitra ?

Raha fehezina izay rehetra voalaza izay, inona no azo ambara ? Mahatahotra Andriamanitra Tompo. Mitaky fahatahorana Azy izany. Ahoana ny anehoana ny fahatahorana Azy ? Lesona lehibe ankehitriny izay nomen’ity voaheloka kanefa niova fo, hevim-panahy lehibe 2 no nambara taminao teo :

  1. Mialà amin’ny faniratsirana an’Andriamanitra : ity vava e ! Ampy izay. Fadio ny maniiratsira an’Andriamanitra, eny fa na ny mpanompon’Andriamanitra izay solontenany eto an-tany mitory ny amin’ny hazo fijalian’i Jesoa Kristy.
  2. Fantaro ny asan’Andriamanitra ; tsy ampy intsony ny mino fotsiny amin’izao ; fa rehefa mahalala, mahafantatra ny sakany sy ny lavany, ny ahavony sy ny ahalaliny ny amin’i Jesoa Kristy, mba ho voatahiry ilay finoana, ka hanakaiky an’Andriamanitra, hankatoa an’Andriamanitra ary hanitatra ny ambaindahin’ny fanjakan’Andriamanitra

Izao perikopa omena antsika androany izao, mamoha indray ny antson’Andriamanitra ho an’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra tsy misy havakavaka, hahatonga azy hitory ny filazantsara amin’ny fotoana rehetra.

Vaovao izao ny taona, ny firariantsoa ho anao dia tsy ho ny taona ihany no vaovao fa izaho sy ianao no ho vaovao satria tian’Andriamanitra hanana ny toe-panahin’ny fahatahorana an’Andriamanitra, ny fahatahorana an’Andriamanitra, ilay fahendrena voalohany indrindra ; ary izany no ampianarin’ny Tompo ny FJKM, hanana an’izany fahendrena voalohany izany, hahatanteraka ny fikasany sy ny iraka ampanaoviny amin’ity taona vaovao ity. Izany fahendrena fototra izany no vohizina sy ampianarina ary hananarina.

Ho Andriamanitra irery anie ny voninahitra, ho amintsika mandrakariva anie ny fahasoavany. Amena.

 

image_pdfPDF