ALAHADY 11 JOL 2021

image_pdfPDF

Miarahaba ny Fiangonana, miarahaba manokana anareo STK Zandriny ato amin’ny Fitandremana, izay entina am-bavaka amin’izao maraina izao. Ny hafatra ho anareo, ny hafatra ho an’ny Sampana, dia izao ry havana, sady fiarahabana no firarian-tsoa ho anareo : AOKA IANAREO HO TANORA ZANDRIKELIN’I JESOA – METEZA IANAREO HO TANORA ZANDRIKELIN’I JESOA. Izany no vavaka ho anareo, izany no firarian-tsoa ho anareo, izany no fiarahabana anareo : ny tanora tsirairay ato amin’ity Fitandremana ity, izay manatrika eto, ho zandrikelin’i Jesoa ; ary ny KTZ hitaiza ny tanora ao aminy ho zandrilelin’i Jesoa ry havana ô.

Ilay hoe « Zandrin’i Jesoa » an, milaza fiziana. Ny hoe fiziana dia avy amin’ny hoe « iza ianao » ; fiziana fa tsy hoe fisiana. Milaza ny identité-nao : iza ianao : zandrin’i Jesoa ianao. Ary ny hoe « Zandrikelin’i Jesoa » an, dia milaza ny fitiavan’i Jesoa anao zandrikeliny. Izay ilay hafatra androany ry havana ô : ho tanora zandrikelin’i Jesoa ianareo zandry, zanaka.

Andeha ary hoe ho jerentsika ny teny avy ao amin’ny perikopa ahazoanareo mandinin-tena ary ahazoanareo mampitoetra, mampiorina izany antso ho zandrikelin’i Jesoa izany. Raha fintinina ilay toriteny androany maraina dia misy fahamarinana 3, 3 fohy hoe :

  • Ny zandrikelin’i Jesoa dia miditra
  • Ny zandrikelin’i Jesoa dia mizara
  • Ny zandrikelin’i Jesoa dia tsy complexé

Misaotra ny Tompo : mazava be ilay hafatra. Andao ary hazavaina kely, hazavaina fohy ireo.

Jaona 10 :9 : « Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina ».

Ilay Fahamarinana 1 dia hoe : MIDITRA – MIDITRA AO AMIN’I JESOA

Izay izany ilay Fahamarinana 1 : miditra ao amin’i Jesoa, na miditra amin’ny vavahady ; mitovy ihany izany. MIDITRA AO AMIN’I JESOA

Mipasoka ny efa malama aho, nefa moa izay no asain’ny Fanahy Masina averina. Ahoana izany miditra ao amin’i Jesoa izany ry havana ? Ny miditra ao amin’i Jesoa dia hoe : manaiky an’i Jesoa ho lalam-pamonjena, ho hany lalam-pamonjena voatendrin’ny Ray. Dia ny olona miditra amin’izany vavahady izany an, manaiky an’i Jesoa ho lalam-pamonjena, dia zavatra 2 no ataony amin’izany lalam-pamonjena izany: mibebaka sy mino.

Mibebaka : mifona. Tsy mora izany tanora izany amin’izao 2021 izao. Betsaka ny fakam-panahy hiova lalana ; betsaka ny fakam-panahy eny an-dalana, dia mibebaka, mibebaka, mibebaka. Dia mino. Inona no atao hoe mino ? Matoky an’i Jesoa. Safidiko Izy ho lalam-pamonjena : matoky Azy aho eny an-dalana.

Izay izany ilay hoe miditra amin’ny vavahady, miditra ao amin’i Jesoa : misafidy Azy ho lalam-pamonjena voatendrin’ny Ray. Dia misy teny fampanantenana omen’i Jesoa, hoe : « dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina ». Hovonjena ; vonjena amin’inona ? Hovonjena amin’ny fahotana, hovonjena amin’ny vokatry ny fahotana, dia ny fahaverezana mandrakizay. Izany. Enga anie ka ho izany ianareo tanora ato e : zandrikelin’i Jesoa samy ho hita efa niditra tamin’ny vavahady antsoina hoe : Jesoa. Tsy samy ho hita hoe efa vita batisa fotsiny, na Mpandray ny fanasan’ny Tompo fotsiny, fa tena hoe niditra tamin’ny vavahady ary vonjena tamin’ny fahotana, ny vokatry ny fahotana, dia ny fahaverezana mandrakizay.

Dia inona ilay hoe « hiditra sy hivoaka » ? Io, ohatrany hoe : tanora ianareo, ny ankamaroanareo mbola ao an-tranon’ny ray aman-dreny, dia miditra sy mivoaka ao an-tranon’ny ray aman-dreny : tena faran’izay malalaka. Matetika mantsy ny tanora, ny zavatra tena tsy tian’ny tanora dia hoe izany teriterena izany. Teriterana : « tsy misy iainana ianareo ». Hoy Jesoa : midira amin’ny vavahadiko fa hiditra sy hivoaka, hihaona Amiko ianareo dia hivoaka malalaka ianareo, hitory ny hatsarako ianareo, araka ilay hira teo ry havana ô. Izany no aoka ho fizianareo zandrikelin’i Jesoa : mpiditra ao am-bala, mpiditra aty am-piangonana, dia rehefa mivoaka avy aty am-piangonana dia mandeha mitory ny lalam-pamonjena.

« Dia hahazo hanina ». Tsotra be ilay « hahazo hanina » : hanana fahavokisam-panahy. Izaho tamin’ny mbola tany ampitan-dranomosina tany, misy tanora faran’izay mahay ; mahavariana ny malagasy rehefa mianatra any ampita any dia tena mahay, anisan’ny mahay ; fa izao : maina ilay fiainany, tsy manana fahavokisam-panahy satria tsy niditra tamin’ilay vavahady antsoina hoe Jesoa.

Izay izany ilay Fahamarinana 1 ry havana, hoe : MIDITRA AO AMIN’I JESOA IZAY HANY LALAM-PAMONJENA.

Ny Fahamarinana 2 dia hoe : MIZARA

Jaona 10 :10 Andao, miala tsiny aho aloha, somary mananona kely, fa ny tanora ihany no mba miara-mamaky amiko e. Izay an. Fa izao : ny tanora miara-mamaky amiko satria STK androany, fa ianareo ray aman-dreny an, ho anareo ilay hafatra : tezao ny zanakareo mba ho zandrikelin’i Jesoa ; raha tsy izany maty antoka ianareo amin’izay sacrifice nataonareo rehetra itaizana ny zanakareo ireo ry havana ô. Jaona 10 :10 : « Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be ».

Dia ilay hoe « mizara » dia hoe : tanora mizara fiainana. Tanora mizara fiainana.

Ilay voalohany : MIDITRA AMIN’NY VAVAHADY NA MIDITRA AO AMIN’I JESOA. Ny faharoa : MIZARA FIAINANA.

Ka rehefa miditra ao am-bala izy, rehefa niditra tamin’ny vavahady izy, rehefa niditra izy tao amin’i Jesoa, dia nandray fiainana be dia be avy tamin’i Jesoa ry havana. Nandray fiainana be dia be. Ary ny olona mandray an’izany fiainana be dia be izany, dia automatiquement, automatiquement mizara fiainana. Hitanareo, ohatra ireny hoe, ahoana re izany e, atao hoe vera e ; vera feno. Rehefa feno ilay vera dia mi-déborde ho azy. Izay. Ary ilay fiainan’i Jesoa, ilay fiainana be dia be io : fiainana mora mi-déborde io, ohatran’ny ronono mandroatra, mandroatra ho azy io, raha ilay fiainana be dia be ry havana ô. Izany no ahafantarana fa niditra tamin’ny vavahady ilay tanora anankiray : mizara fiainana izy satria nandray fiainana be dia be.

Mampieritreritra ry havana ny tenin’i Jesoa rehefa vakiana tsara : Jaona 10 :10 : « Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be ». Ampifangarihan’i Jesoa ny fombany sy ny fomban’ny mpangalatra. Rehefa tsy mety hoe zandrikelin’i Jesoa ianao ry tanora, rehefa tsy mety ho zandrikelin’i Jesoa ianao, dia hanao ny fomban’ny mpangalatra, dia ho zandrin’ny mpangalatra ianao. Izany no lazain’io Jaona 10 :10 io. Ary izay ilay hoe ampioreno ny antsonao : antsoina ho amin’ilay fiainana be dia be ianao e. Raiso, midira amin’ilay vavahady e, dia zarao izany fiainana izany. Dia rehefa zandrikelin’i Jesoa ianao, dia manao ny fanaon’i Jesoa, mizara fiainana. Fa rehefa tsy zandrikelin’i Jesoa ianao, dia manao fomban’ny mpangalatra.

Inona no kendren’ny mpangalatra hoy Jesoa ? Inona no kendren’ny mpangalatra hoy Jesoa ? Ny hangalatra, ny hamono, ny handringana. Atomboka ao amin’ny ankohonana izany. Mampalahelo ange ny mahita ray aman-dreny e, mamono, mandringana ankohonana e. Misy izany e, misy izany e, misy izany e. Ao amin’ny Fiangonana : satria tsy zandrikelin’i Jesoa : amin’ny Fiangonana ankapobeany izany, misy izany hoe mpangalatra, mpamono, mpandringana izany e. Tsy raharahany izany hoe hizara fiainana izany ; fa ny mahamay azy, ny hizara fahafatesana, Jaona 10 :10. Eo amin’ny firenena : ny tenany ihany ; ny hafa vonoina, ny hafa hangalarana ; fa ny tenany ihany, ny tenany ihany. Ary normal ka, normal izy rhaa mangorona eo amin’ny fitondrana satria tsy manana ilay fiainana be dia be manome fahafaham-po ny rehetra. Izany ange ity fiainana ity ry havana e. Izay ialy izy. Fa miteny aminareo tanora aho : ianareo no ho avin’ity firenena ity : meteza ho zandrikelin’i Jesoa, nandray ilay fiainana be dia be, nandray an’ilay fiainam-panahy avy amin’i Jesoa, ary mpizara an’izany fiainana izany. Ny zavatra eto, dia hoe : Jesoa manome fiainana. Ary rehefa manome Jesoa ry havana ô, rehefa manome Jesoa dia tsy mitsitsy. Rehefa manome Jesoa : tsy mitsitsy Izy ; fa ianao no tsy mandray, dia matimaty ny finoanao tanora.

Izay izany : ny Fahamarinana 1 : MIDITRA AMIN’NY VAVAHADY NA MIDITRA AO AMIN’I JESOA LALAM-PAMONJENA ; ny Fahamarinana 2 dia hoe : MIZARA FIAINANA FA TSY MPANGALATRA, TSY MPAMONO, TSY MPANDRINGANA.

Ny Fahamarinana 3 farany : TSY COMPLEXE

Ny zandrikelin’i Jesoa ry havana ô, tsy complexé izany. Tsy complexé. Sady tsy manana complexe d’infériorité izy an, no tsy manana complexe de supériorité. Tsy complexé izy. Tsy complexé izy.

Andao jerentsika ao amin’ny tantaran’i Mosesy, ijerena an’izany hoe : zandrikelin’i Jesoa tsy complexé izany. Eksodosy 3 : 11 : « Fa hoy Mosesy tamin’ Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin’ i Farao sy hitondra ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy any Egypta? ». Iza moa aho ? Eo ilay lazaina hoe mety misy complexe. Nahoana moa ? Compexé izy miteny hoe : « iza moa aho ? » ; « fa iza aho, iza moa aho no ho any amin’i Farao ? ». Tsy mahatsiaro capable izy ho any amin’i Farao. Izay ilay hoe complexe : tsy mahatsiaro capable. Izay ny Eksodosy 3 :11.

Andao indray jerentsika ny Eksodosy 4 :13 : « Fa hoy izy : Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina ». An an an, aza izaho no irahina. Iraho izay tianao hirahina. Teo, hoe : tsy mahatsiaro capable izy. Eto izy an : tsy manana motivation amin’izany. Tsy manana motivation : iraho izay hirahinao. Izay ilay izy. Tsy manana motivation.

Eksodosy 5 :23 : « Fa hatrizay nankanesako tao amin’ i Farao mba hiteny amin’ ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin’ ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao ». Inona indray ny zavatra hita eto ? Hoe : mitodika amin’ny lasako aho, hoy Mosesy, tsisy mba hoe fahombiazana teo amin’ny fiainako, tsisy réussite tao amin’ny fiainako ; mba efa tany ihany anie aho e, efa tany ihany aho, hoy izy, vokatr’ilay iraka nampanaovinao ahy : nahatonga loza ho an’ny Zanak’Isiraely aho. Izay ilay izy. Izay Mosesy izany.

Jerentsika indray Eksodosy 4 :1 : « Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah ». Ohatrany hoe : eo anatrehan’i Farao aho tsy hanana fahefana, tsy hanana fahefana, tsy hanana fahefana.

Ary ny zaavtra jerentsika farany angamba, dia ao amin’ny Eksodosy 6 :12 : « Ary Mosesy niteny teo anatrehan’ i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak’ Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan’ i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra? ». Izaho tsy voafora molotra. Ohatrany hoe : izaho ange ka tsy mahay mandahatra Jehovah. Ahoana no hihainoan’i Farao ahy ? Ny Zanak’Isiraely aza tsy nihaino ahy : izaho tsy mahay mandahatra.

  • Tsy mahatsiaro izy manana capacité.
  • Tsy manana izy motivation.
  • Tsy manana fahombiazana tamin’ny lasa, ilazany hoe : hitanao ny tamin’ny lasa.
  • Milaza izy fa tsy manana fahefana.
  • Milaza izy fa tsy mahay mandahatra.

Dia jereonareo ny vokatr’izany fandaharan’i Mosesy izany, jereonareo tanora tsara : Eksodosy 4 :14. Hafa ny fijerein’i Jehovah anao tanora : aza complexé ianao : aza manana complexe de supériorité, aza manana complexe d’infériorité. Eksodosy 4 :14 : « Dia nirehitra tamin’ i Mosesy ny fahatezeran’ i Jehovah ». Fa naninona no nirehitra tamin’i Mosesy ny fahatezeran’i Jehovah ? Ohatrany hoe ireo zavatra rehetra nalahatr’i Mosesy ireo, na mety, mety, mety, mety ho marina aza, amin’ny fijerin’ny olombelona : tsy fantatr’i Mosesy, fa ireo indrindra, ireo lazainy fa fahalemeny sy kilemany ireo, ireo no niantsoany azy. Izay no maha-tezitra Azy eo ry havana. Ary tena hoe hafatra sahaza ho anareo tanora ity tantaran’i Mosesy ity e. Hafatra sahazo anareo zandrikelin’i Jesoa : aza complexé ianareo e. Ny zavatra hita eto : tsy nny diplaoma no zava-dehibe ; ilaina ny diplaoma an, ataovy izay ahafaham-panadinana an ; mandany vola aman-karena ny ray aman-dreny an : ataovy izay ahafaham-panadinana ; fa tsy ny diplaoma no zavatra, fa ilay antson’Andriamanitra. Ary ianao izay mba afaka nianatra, ianao izay manana diplaoma : aoka ianao tsy hanana complexe de supériorité ; ary ianao izay tsy nianatra : aoka ianao tsy hanana complexe d’infériorité. Fa ny zava-dehibe : ilay antson’i Jesoa ho anao e : « Atoroko anao, atoroko anao fa Izaho miantso anao ho zandrikeliko ». Ary raha ampiharina androany 11 Juillet 2021 ity toriteny ity : mila anao zandrikeliko Aho, hoy Jesoa, fa araka ilay noteneniny teo, jereo amin’ny masoko ny manodidina anao eto Madagascar, jereo ny fahorian’ny oloko, jereo ny alahelony, henoy ny alahelony, jereo izay mamesatra azy ary irahiko ianao, antsoiko ianao hiara-hanafaka an’ity firenena ity. Izaho no miantso anao, tsy antokom-politika no miantso anao : jereo ny fahorian’ny oloko eo amin’ny fiaraha-monina ary henoy ny fahorian’ny oloko rehefa miangona izy : olona vesaran’ny fahoriana isan-karazany no miangona ato. Ary izany no iantsoako anao sy hanefeko anao ary hanabeazako anao ho zandrikelin’i Jesoa ».

Ary enga anie ka ho izany ianareo ry tanora malala : zandrikelin’i Jesoa niditra tamin’ny vavahady, nandray fiainana be dia be ; zandrikelin’i Jesoa niara-natsangana tamin’ny maty taminy ka velona ao aminareo Jesoa, velona ao aminareo Jesoa nitsangana tamin’ny maty ; ka na iza na iza mifanena aminareo, n’inon’inona havesatry ny alahelony sy ny fahoriany, dia mizara fiainana ianareo satria mizara an’ilay Jesoa nitsangana tamin’ny maty.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amen.      

image_pdfPDF