IZA NO MATAHOTRA AN’I JEHOVAH

Salamo 25:12a : « Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? »

Ilay fanontaniana koa dia hoe : Iza no vehivavy matahotra an’i Jehovah ? Ho antsika rehetra izany ilay izy. Iza no matahotra an’i Jehovah ?
Nisy mpitoriteny anankiray niteny hoe : « Connaitre Dieu, c’est reconnaitre qu’il est Saint ». Rehefa manao Setela, Sefala… dia afaka miteny hoe : « je connais Dieu, je connais qu’il est Saint ». Ny 1.700 paroissiens tonga mivavaka eto Isotry Fitiavana rehefa Alahady, ils connaissent que Dieu est Saint. Mahafantatra izy hoe Andriamanitra dia Masina. Fa amin’ny teny frantsay dia hoe : « est-ce qu’ils reconnaissent qu’il est Saint ? ». MIAIKY VE IANAO FA MAZANA IZY ? Miaiky ve ianao tamin’ny expérience-piainanao fa hoe tena Masina Izy ? « Connais-tu que Dieu est Saint ou reconnais-tu qu’il est Saint ? ». Ianao ve afaka mijoro vavolombelona fa tena Tsitoha, Tompon’ny hery rehetra Andriamanitra ?
Izay ilay hoe : « Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? » Rehefa miaiky ny olona iray fa ni-expérimenté an’Andriamanitra teo amin’ny fiainany ary mahatsapa fa Andriamanitra Masina Izy, Andriamanitra Tsitoha Izy. Ahoana no ahafantarana hoe miaiky an’izay ianao ? Ohatran’i Isaia mpaminany : nifanatri-tava tamin’ny fahamasinan’Andriamanitra dia hoe : « Indrisy fa lehilahy maloto molotra aho, monina eo amin’ny firenena maloto molotra aho», olona miaiky fa mpanota, ary tora-kovitra miankohoka eo anatrehan’Andriamanitra. Tant que hoe parfait ilay connaissance-nao momba an’Andriamanitra, fa tsy niaiky ianao hoe mpanota ianao, ary nandohalika ianao niankohoka eo anatrehany, tsy mahalala an’Andriamanitra ianao dia tsy matahotra an’Andriamanitra ianao. Fa matahotra orana ianao ( satria avy ny orana dia tsy tonga nanatrika ny Mpanandratra Tehina).
Isaorantsika ny Tompo izay fahalalantsika Azy, ny toetrany ; noho ny toe-javatra teo amin’ny fiainantsika dia tena ekentsika, tena reconnaissiavantsika fa tena izany Izy, Masina, Tsitoha, Hendry, Mahitsy, Marina Izy. Ary surtout ny tena fahafantarana fatratra dia hoe tena mampiaiky fa hoe tsy masina aho ary dia mangovitra aho, mandohalika aho anatin’ny tahotra sy hovitra. Andao isika angataka an’Andriamanitra izany fanahin’ny fahatahorana izany.