ALAHADY 30 JON 2019

image_pdfPDF

« Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra. Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy ». Romana 8 :8-9a

Manampy antsika ilay dikan-teny iombonana norenesintsika teo. Eo amin’ilay and.8 dia mamaky ny dikanteny iombonana hoe : Ary izay ao amin’ny nofo dia « tsy mety ho sitrak’Andriamanitra ». Ny dikanteny Segond, ilay hoe « tsy mety ho sitrak’Andriamanitra » dia ataony hoe : « ne peuvent plaire à Dieu ».

Ry havana o, misaotra ny Tompo isika ny amin’ny hafatra omeny antsika Fiangonana amin’izao maraina izao. Ilay hafatra dia faran’izay tsotra, dia hoe : KATSAHO AMIN’IZAY RE E NY HO SITRAK’ANDRIAMANITRA, KATSAHO AMIN’IZAY RE E, NY MBA HO SITRAK’ANDRIAMANITRA IANAO. Andao isika Fiangonana hiara hanapa-kevitra mba hi-plaire à Dieu.

Lazao ary ilay voisin anao dia amin’izay mba mitoriteny ianao, ary mba lazao amin’ny fandresen-dahatra moa fa aza menamenatra miteny aminy e, hoe : MBA TADIAVO AMIN’IZAY RE E NY HO SITRAK’ANDRIAMANITRA. Ary fantatro fa maro ny mahay teny frantsay, dia hoe : MBA TADIAVO AMIN’IZAY E NY HI-PLAIRE A DIEU.

Raha misy havanao sendra tsy tafangona, dia hoe inona kay ny toriteny teo, dia hoe : TADIAVO AMIN’IZAY NY HO SITRAK’ANDRIAMANITRA. Izay ry havana o, izay.

Dia manoro antsika ny Soratra Masina, tsotra kely ilay toriteny : izay ao amin’ny nofo dia tsy mety ho sitrak’Andriamanitra. Iza no tsy mety ho sitrak’Andriamanitra ? Izay ao amin’ny nofo. Ahoana indray hoy ny and.9 ? Fa izay ao amin’ny Fanahy no sitrak’Andriamanitra. Iza no sitrak’Andriamanitra ? Izay ao amin’ny Fanahy. Izay ilay izy ry havana o. Dia ny fahamarinana fahatelo, hoe : Koa mibebaha ary dia handeha ao amin’ny Fanahy ianao. Ahoana ilay fahamarinana fahatelo ? Koa mibebaha ary dia handeha ao amin’ny Fanahy ianao. Izay ilay toriteny. TADIAVO AMIN’IZAY RE E NY HO SITRAK’ANDRIAMANITRA.

Fahamarinana 1 : AO NY OLONA, EO AMIN’NY AND.5 HOE « ARAKA NY NOFO » ; EO AMIN’NY AND.8 HOE  «  AO AMIN’NY NOFO »

Mitovy ihany ny zavatra lazain’ireo ry havana, sokajin’olona iray ihany ireo. Fa izany hoe misy faha-samihafana kely. Ilay hoe olona « araka ny nofo », dia araka ny tenin’i Paoly eo amin’ny and.5, dia hoe tsy manao afa-tsy mihevitra izay zavatry ny nofo, ny fahafinaretan’ny nofo, ny zavatra eto amin’izao tontolo izao ; izany no mibahana ao an-tsainy. Izany no hironan’ny sainy, hoy ny DIEM, dikanteny iombonana. Izany no préoccupation-ny, hoy ilay dikanteny teny frantsay izay. Misy olona ve eto, any an-kafa ny sainy, any an-kafa ny préoccupation-ny, fa ny vatabe-ny fotsiny no eto ? Sao dia ianao izany araka ny nofo izany ry havana o ? Izay ilay izy, izay ilay préoccupation anao : momba ny nofo ety an-tany. Dia eo amin’ny and.8 dia miresaka indray Paoly hoe : olona ao amin’ny nofo.

Rehefa jerena ilay fandaharan’ny Apostoly Paoly an’ilay fampianarana, dia hoe : azo lazaina fa na hoe mitovy aza ny hoe « araka ny nofo » sy « ao amin’ny nofo », ilay « ao amin’ny nofo » azo lazaina fa mafimafy kokoa. Ilay « ao amin’ny nofo » dia tena hoe ilay olona tena roboka amin’izany nofo izany, roboka ka tena hoe anjakan’ny nofo tanteraka ny fiainany, tapahan’ny nofo tanteraka ny fiainany, ny lalan’ny nofo no mandidy azy. Ilay hoe mandeha araka ny nofo, tonga saina ihany ilay olona : « marina ihany anie ny tenin’i Pasteur Ammi hoe tokony hiala amin’ity fandihizana ity, fa tena tsy vitako e, manao ihany aho indraindray na dia tsy mandeha boite aza , manao ihany aho indraindray », ohatra izany. « Tena nitroatra aho, tena nahasosotra ahy ny nahita an’ilay mpiara-miasa amiko iray, tena nitroatra aho, tena nanao fihetsika tsy mety mihitsy aho » etc… « Izaho manao ny service-ny diakona tena te hiala amin’izany aho fa mbola tsy aritro mihitsy ilay misehoseho, ilay hampitombo laza, ilay hampitombo voninahitra ao am-piangonana ». Izay ilay olona mandeha araka ny nofo. Fantany fa tsy mety ilay izy, fa indraindray izy mbola latsaka ao ihany. Fa ilay olona « ao amin’ny nofo » dia tena hoe roboka ao mihitsy, tena hoe roboka ao ry havana o. Manao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra, manao zavatra tsy sitrak’Andriamanitra. Ity ilay hoe mandeha « araka ny nofo » ity mantsy an, io ilay ataon-dry zareo tanora hoe « manao fiainana », « manao la vie » : « fa maninona ianareo 2 ireto no mbola tsy mivady ? Eny e, mbola tsy tena tapa-kevitra Pasitera an, izaho koa mbola te hanao la vie aloa e ». Izay ilay zavatra. Faly aho fa miteny aminareo ilay « manao la vie » izay. Fa hoy ilay Pasitera anankiray izay : ianao mandeha araka ny nofo io, ianao ao amin’ny nofo io, fantaro fa hoe : tsy « manao la vie » ianao, fa « manao la mort » ianao ry tanora malala o ; « manao la mort » ianao e. Ary tsy misy tanora misaina ato ka manaiky an’izany hoe rehefa jeren’ny mpiara-mivavaka aminy, n’inon’inona fanamarinan-tenany, ka tenenina hoe ireny ilay mpanao la mort. Nefa dia araka ny tenin’i Pasteur Mampionona teo, fy ery anie ilay la mort e, fy ery ilay izy. Dia hiverenana ilay izy. « Manao la mort » ianao satria mandrafy an’Andriamanitra, izay hoe fototry ny fiainana. « Manao la mort » ianao satria rava ny fihavananao amin’Andriamanitra, raisinao ho fahavalo Andriamanitra, mandrafy Azy ianao, araka ilay tsinajery nianarantsika tao amin’i Jakoba tamin’ny farany teo ry havana o.

Izay no hafatra voalohany ho antsika ry havana o : asain’ny Tompo mandinin-tena isika hoe sao dia isika izany hoe mbola ao amin’ny nofo izany, ka ny nofo, ny vola aman-karena, ny fitadiavana laza sy voninahitra, ny fitadiavana sitraka amin’ny olombelona, ny fitadiavana an’izay hoe hampamirapiratra ny tenantsika, sao dia izany no mbola mandidy sy manapaka ny fiainantsika ? Ny olona ao amin’ny nofo arak’izany dia tsy sitrak’Andriamanitra. Ary ny olona ao amin’ny nofo arak’izany dia tsy hitoetra ao amin’ny fiainana, efa nolazaina teo, tsy hitoetra ao amin’ny fiadanana, tsy hahita fahasambarana. Ary aza afangaro ny atao hoe fahasambarana sy fiadanana amin’ny fahafinaretana ry havana o.

Fahamarinana 2 : IANAREO AO AMIN’NY FANAHY

Hoy ny and.9 miresaka antsika izy, dia hoe : ianareo ao amin’ny Fanahy. Efa tery ambony tery koa Paoly no niteny hoe « araka ny Fanahy ». Dia eto indray izy miteny hoe : « ao amin’ny Fanahy ». Iza moa ilay olona « ao amin’ny Fanahy » ry havana ? Ilay olona nandray an’i Jesoa ho Tompony sy Mpamonjiny, dia hoe velomin’ny Fanahy Masina ilay Fanahiny. Ny olona rehetra manam-panahy daholo, fa amin’ilay fotoana hiovanao fo no miasa ao amin’ny Fanahinao, mamelona, manaitra ilay Fanahinao izay natoritory, mamelona ny Fanahinao izay tao anaty torimasom-pahafatesana ry havana, ka tsy nanananao fifandraisana tamin’Andriamanitra. Izany ny olona hoe « araka ny Fanahy », ary «  ao amin’ny Fanahy ».

Eo moa tsy dia tena mitovy ny fitenin’ny mpitoriteny, na samy manana ny Tompo ary izy. Ny sasany milaza hoe ianao tamin’ilay nandray an’i Jesoa iny dia hoe nahazo ny fahasoavan’Andriamanitra manokana, nandray manokana ny fahasoavan’Andriamanitra, dia iny dia hoe ampy hahatonga anao ho masina sy ara-panahy. Misy miteny an’izany. Misy indray miteny hoe an an an, io, asa ataon’ny Fanahy Masina miandalana ilay hoe fanovana, ilay fanamasinana sy ilay fampitoviana endrika antsika amin’i Jesoa. Samy marina izany ry havana ary tsy any ilay problema. Fa ilay problema dia hoe : ny olona «  ao amin’ny Fanahy », na ahoana na ahoana, dia tsy maintsy misy zavatra tsy ara-panahy ariany sy esoriny ao amin’ny fiainany.

Raha miato kely ary aho izao, dia mamela anareo kely segondra vitsivitsy : diniho kely ary hoe ry havana, diniho vetivety hoe, raha mandre an’izany toriteny izany ianao hatreto, inona no zavatra heverinao fa hoe tokony ho esorina, tokony ariana ao amin’ny fiainanao ? Andao isika handinin-tena vetivety.

Misaotra ny Tompo ny amin’izay segondra vitsivitsy izay. Inoako tanteraka ry havana fa misy olona vitsivitsy maromaro ovain’ny Tompo noho ny fankatoavany an’izay teny izay ry havana o. Ary ho marina ara-bakiteny aminy ilay filazana, indraindray karazana pli vava fotsiny, hoe tsy tahaka izay nidirany tato no ivoahany avy ato an-tranon’Andriamanitra anio maraina.

Fa ny olona « ao amin’ny Fanahy » izany, dia araka ilay ara-nofo teo ihany, mandeha araka ny Fanahy izy, « ao amin’ny Fanahy » izy, misaina ny zavatry ny Fanahy izy, mirona any amin’ny zavatry ny Fanahy izy, mi-se préoccuper ny amin’ny zavatry ny Fanahy izy. Izay ry havana ilay « ao amin’ny Fanahy » izany : misaina, mirona, manome lanja. Ahoana moa izany hoe misaina ny zavatry ny Fanahy izany ? Misaina izay hoe an’i Kristy izy, misaina ny momba an’i Kristy mandrakariva izy, mieritreritra an’izany hoe nahatongavan’i Jesoa ho olona izany, misaina hoe maty Jesoa fa tsy hoe maty fotsiny Jesoa ; misaina izy ambara-pahananany faharesen-dahatra hoe maty ho ahy teo amin’ny hazo fijaliana teo Jesoa. Izany ny olona ao amin’ny Fanahy izany ry havana o ; fa tsy katekisma fotsiny izany hoe Andriamanitra tonga nofo, Jesoa teraka dia maty teo amin’ny hazo fijaliana, ary nitsangana tamin’ny maty. Fa tena hoe misaina, misaina, misaina ny an’i Jesoa. Misaina ny zavatra tian’ny Fanahy. Ny zavatra tian’ny Fanahy ry havana dia ny vavaka, ny vavaka. Raha tsy fantatrao hoe zavatra tian’ny Fanahy izany, hahantra ohatran’io ihany ny fiainam-bavakao ry havana o, hahantra ohatran’io ihany ny fiainam-bavakao. Misaina ny zavatry ny Fanahy izy ka tsy miteny fotsiny manao pli vava hoe misaotra anao izahay Jesoa ny amin’ity Baiboly vakianay amin’ny teninay ity ; fa tena hisakafoanana isan’andro, hiveloman’ny Fanahy isan’andro isan’andro io Baiboly io ; izany ny olona misaina ny Fanahy ry havana o. Ny olona misaina ny Fanahy dia hoe : fantany fa olon-kandalo izy eto amin’ity tany ity, ary ny tena izy dia ny lanitra ry havana o, ny tena izy dia ny lanitra.  Ka ny olona misaina ny Fanahy, ny olona « ao amin’ny Fanahy », ny olona mirona any amin’ny zava-panahy : mahita ny volany izy dia ampiasainy io volany io hanampiana amin’ny fitoriana ny filazantsara, hilazana eran-tany hoe : attention, ianao ao amin’ny Fanahy io anie ka tsy sitrak’Andriamanitra ary tsy hidirana any an-danitra ; izany no handaniko ny volako sy ny harenako ry havana o. Izany ny olona ao amin’ny Fanahy izany. Ary izany no andrasan’ny Tompo amintsika anio : hisaina ny Fanahy, hisaina ny zava-panahy, samy ho hita mandeha ao amin’ny Fanahy ka tarihiny, tapahiny, araka ilay louange teo, controlé-ny ; izany, izany ry havana o. Ary rehefa misaina ny zavatry ny Fanahy ry havana, ka ao ny Fanahy ao, dia hita eny ivelany izany. Hita eny ivelany ilay toetra ao anaty. Ilay fanahiko efa novelomin’ny Fanahy Masina, izaho ilay nohavaozin’ny Fanahy, hita ety ivelany izany. Rehefa misaina aho hoe tsy ataoko tsianjery fotsiny ny Galatiana 5 momba ny vokatry ny Fanahy, fa mba hoe misaina an’izany fitiavan’Andriamanitra izany aho, misaina an’izany fifaliana izany aho, misaina an’izany fiadanana izany ; hamoa voa ao aminao ny Fanahy Masina ry havana o, ary dia mba hiaina ianao an’izany hoe : « ao amin’ny Fanahy » izany, rehefa ela ny ela. Fa tsy hoe ao amin’ny Romana 8 ao izany hoe resaka « araka ny Fanahy » sy « araka ny nofo » izany, « ao amin’ny nofo » sy « ao amin’ny Fanahy » izany. Izany no andrasan’Andriamanitra amintsika ry havana o. Ary misy olona ry havana o, misy olona, manamaivana ny teny tahak’izao ; dia inona ny zava-doza mitranga ao amin’ny fiainany ? Ny zava-doza mitranga ao amin’ny fiainany : mandray an’i Jesosy izy, sincère izy amin’ny voalohany, ok ; fa ianao vao teraka iny, satria ianao nandray an’i Jesoa an, nandray ny Fanahy Masina, sady misy zavatra ara-panahy ao aminao, satria nateraka indray ianao, fa misy zavatra tsy ara-panahy koa ao aminao ; na misy zavatra ara-panahy ao aminao, fa misy zavatra ara-nofo ao aminao. Ary matetika ireny olona ireny no tena hoe saro-pantarina indrindra : atao hoe efa niova fo, ohatrany mbola tsy niova fo ; atao hoe jentilisa, toa ohatrany hoe efa nandray an’i Jesoa ihany. Kanefa ry havana o, ianao manao an’izany, mety tsy fantatry ny Pasitera, mety tsy fantatry ny mpiara-miangona aminao, hoe sady tsy ara-panahy ianao no ara-panahy, fa ny Tompo mahafantatra. Ary ny Tompo mahafantatra fa izany fombanao izany ry havana o, dia fomban’ny fahavalon’Andriamanitra izany ; ary araka ny teny teo : fahafatesana, fahafatesana no iafaran’izany. Ary izany no zava-doza, zavatra manin-doza ny Fiangonana ry havana, tsy ny FJKM ihany, fa ny Fiangonana rehetra, n’inon’inona anarany : ireo olona sady hoe ara-panahy no tsy ara-panahy ireo, satria izy nanao zava-maivana an’izany hoe misaina ny zavatry ny Fanahy izany, dia fahavalon’Andriamanitra izy. Mamaky Baiboly izy, misy fotoana izy mamaky Baiboly, fa fahavalon’Andriamanitra mamaky Baiboly. Mirotsaka katekomena izy amin’ny fandresen-dahatra, raisina mpandray izy, tsy ataony zava-dehibe ho tombon-tsoan’ny Mpandray ny fanasan’ny Tompo izany hoe mamaky Baiboly sy fanatrehana ny fanasan’ny Tompo izany, araka ny fanekena atao eto anatrehan’ny hazo fijaliana eto ry havana o. Mpandray ny fanasan’ny Tompo izy, fa Mpandray ny fanasan’ny Tompo fahavalon’Andriamanitra. Dia manaraka ny lalam-piainana izy, Diakona izy eo amin’ny faha-25 taonany, faha-30 taona, diakona mitafy akanjo-na Diakona ry havana o, fa Diakona fahavalon’Andriamanitra. Mety Diakona izy, fa tsy Diakon’Andriamanitra ; mety Mpiandry izy, fa tsy Mpiandrin’Andriamanitra ry havana o, satria Mpiandry fahavalon’Andriamanitra, tsy misaina ny zavatra ara-panahy, fa misaina ny zavatry ny tany sy ny zavatry ny nofo.

Misaotra ny Tompo isika e, misaotra ny Tompo isika satria teneniny mafy, ary tenim-pitiavana, satria tiany isika, tiany isika hiova amin’izay ry havana o, mba hoe ho lehilahy sy vehivavy sitrak’Andriamanitra, tena hoe mi-plaire an’Andriamanitra. Fa ny olona sitrak’Andriamanitra ihany no handova ny lovany any an-danitra ry havana o, ny sitrak’Andriamanitra ihany.

Ka inona ary no andrasan’Andriamanitra amintsika rehefa teneniny isika hoe ny olona ao amin’ny nofo dia tsy sitrak’Andriamanitra ; ny olona ao amin’ny Fanahy no sitrak’Andriamanitra ? Inona no andrasan’ny Tompo amiko amin’izao maraina izao ? Mibebaha ry havana o, mibebaha, mibebaha ianao.

Fahamarinana 3 : MIBEBAHA

Inona moa no atao hoe fibebahana ry havana ? Ny fibebahana dia zavatra faran’izay tsotra : fiovan-tsaina izay mahafoaka ny sitrapo sy ny faniriana rehetra. Fibebahana no ilainao fa tsy fomba fombam-pivavahana bebe kokoa ry havana o. Fibebahana, fiovan-tsaina, fiovam-po.

Nahafinaritra ahy ny teny-na mpitoriteny anankiray izay, manohitra antsika izay ao amin’ny nofo ary ny hiafarany araka ny notenenina teo an dia tafasaraka amin’Andriamanitra izay foto-piainana, ary mitahiry fahalovana dia tsy maintsy hiafara any amin’ny fahafatesana. Hoy ilay mpitoriteny anankiray izay : kristiana maro hoy izy dia azo oharina amin’ny voankazo tsara tarehy. Dia iny voankazo tsara tarehy iny hoy izy, raha apetraka eo ambony latabatra iny, afaka 3 andro iny, tsy hetsehinao eo, afaka 3 andro, 4 andro, afaka herinandro iny an, lo iny. Iny voankazo iny indray, raha ohatra apetraka ao anaty frigidaire, dia ela ela kokoa iny vao lo ; fa tsy maintsy ho lo foana iny e, tsy maintsy ho lo foana iny. Dia ohatran’izay hoy izy ilay kristiana. Ilay kristiana hoe any anaty frigidaire, ohatrany hoe ilay frigidaire izany ilay Fiangonana : te hitombo amin’ny fombam-piangonana izy : izao ny fomba e, izao ny foto-dalàna e, izao no fanao rehefa misy fankalazana e. Kristiana any anaty frigidaire ianao ry havana o, fahalovana sy fahafatesana no iafaranao. Tsy fombam-pivavahana bebe kokoa no ilain’ny Tompo aminao, fa fibebahana ry havana o : fiovan-tsaina mahafoaka fiovana sitrapo sy fiovana faniriana.

Ry Fiangonana o, miteny aminao ny Tompo e : aoka izay ny fomba ivelany, aoka izay ny fomba ivelany, aoka izay ny fomba ivelany. Miovà fo ianao, tapaho ny hevitra amin’izao maraina izao hoe : « Jesoa an, inty aho manatona anao, tapaka ny hevitro, hiova aho ». Izay fotsiny no andrasana aminao, izay no andrasana aminao. « Fa izaho te ho sitrakao, mazava ny teninao, izaho te ho sitrakao, izaho te hiaina ao anaty fiadanana, izaho te hanana fiainana be dia be ; tiako ho santarina ety an-tany izany fiainana be dia be izay ho sitrahiko amin’ny fahafenoana izany any an-danitra, ary natolotrao ho an’ny olona sitrakao. Te ho sitrakao aho e, tapahiko ny hevitra, hiova aho ».

Dia inona ry havana ny zavatra mitranga rehefa manapa-kevitra ohatran’izany ianao ? Araka ilay hirantsika teo : manatrika antsika eto Jesoa, hitany ny asan’ny teniny ao am-ponao. Hamboly alahelo marina Izy, hamboly alahelon’ny faharatsiana, alahelo noho ny fahotana nataonao. Tsy nisy olona hoe nandray an’i Jesoa ka tsy nitomany sy nalahelo momba ny fahotany ry havana o, tsy mi-existe izany. Olona nanaraka fombam-pivavahana, raha tsy nalahelo noho ny fahotany izany. Fa izany no tian’ny Tompo atao : te hiasa ao aminao Izy hampiaiky heloka anao, hanome an’izany hoe alahelo noho ny fahotana izany, alahelo mody fibebahana, alahelo mody fiovana, hoy ny Apostoly Paoly. Tsy hoe alahelo, misy olona malahelo be noho ny fahavoazana ety an-tany, misy olona malahelo be noho ny vokatry ny fahadalany ka simba ny tokantrano, voaroaka amin’ny asany ; tsy izay loatra ilay alahelo resahina eo ; fa amin’izay ianao, raha hoe, misy alahelo vokatry ny fahadalana, misy alahelo vokatry ny zava-doza nahazo anao ka nisy mpanompon’Andriamanitra manoro anao hoe kapoka avy amin’Andriamanitra io, ary ny zanaka tiana no anarina sy faizina : io trano may io, mari-pitiavana avy amin’Andriamanitra ho anao izany, fa miovà ianao, miovà ianao. Izany no andrasan’ny Tompo ry havana o. Miovà ianao, ary dia ny Tompo ho avy handrotsaka ny Fanahy Masina ho ao aminao. Tsy ho Fanahy handalo fotsiny, fa Fanahy hitoetra, Fanahy honina ao aminao. Tsy Fanahy hoe hiserana fotsiny fa Fanahy te ho tompon-tranon’ny fonao e. Dia hiasa ao aminao, hitarika anao, hampitoetra anao ao amin’ny Fanahy Masina.

Ry havana o, ry havana o, mbola andron’ny fahasoavana izao ary dia manome fotoana ny Tompo hibebahana. Izany no mbola antony ahavelomako sy ahavelomanao amin’izao maraina izao, mba hahazoanao mibebaka ka hivelona tahaka ny olona sitrak’Andriamanitra, ho voninahiny irery ary ho fahasambarantsika sy fiadanantsika.

Amena

image_pdfPDF