"Ary ho halan’ ny olona rehetra hianareo noho ny anarako. Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ ny lohanareo aza. Amin’ ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo". Lioka 21:17-19
"Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho". Matio 18:19-20
"Ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny". Apokalypsy 22:3b-4
"Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy". Jakoba 4:4