TSY MAINTSY HO AVY NY ANDROM-PAHORIANA

Salamo 138 : 7 : « Na dia handeha eo amin'ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Ianao; Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran'ny fahavaloko Ianao Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana ».

Davida, lehilahy araka ny fon’Andriamanitra. Davida, mpanjaka. Nefa izany lehilahy izany dia mampianatra antsika, hoe : TSY MAINTSY HO AVY NY ANDROM-PAHORIANA. Tsy maintsy ho avy ny androm-pahoriana.

Misy amintsika izao, amin’izao fotoana izao, anaty fahoriana. Fa izay tsy ao anaty fahoriana ve afaka mihevitra hoe rahampitso na afak’ampitso, na amin’ny herinandro ambony, possible ao anaty fahoriana ? Izany ny fiainana ety an-tany. Fantany izy fa tsy maintsy handalo fahoriana, na mpanjaka manana ny fahefana aza, na dia olona araka ny fon’Andriamanitra aza. Inona ny zavatra tenenin’i Davida ? Inona ny zavatra ampianarin’i Davida antsika ? And.7 : « Na dia handeha eo amin'ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Ianao ». Hampahery ahy Ianao, hamelombelona ny fanahiko Ianao.

Gaga ry havana ny amin’ny isan’ny kristiana mankany amin’ny psy. Ataoko hoe isam-bolana aho mandray olona, dia hoe « tonga aty amin’i Pasitera aho fa efa avy nankany amin’ny psy ». Izany ny olona. Aza mankany amin’ny psy izany ry havana ô. Anaty fahoriana, teneno hoe : « tahaka ny namelomanao ny fanahin’i Davida mpanomponao, ary araka ny teninao, tanako amin’ny teninao Ianao : velomy aho, velomy ny fanahiko. Mitady ho kivy aho, mitady ho ketraka aho, mitady hamoy fo aho : velomy ny fanahiko ».

Mahafinaritra ilay and.7, manan-karena : « Na dia handeha eo amin'ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Ianao ». Dia inona indray no mbola ambaran’i Davida, ampianarin’i Davida, zarain’i Davida ? « Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran'ny fahavaloko Ianao ». Izy tsy niteny hoe : hahinjitrao ny tananao hanohitra ny fahavaloko. Fa indraindray impressionnant ihany ny famaritana ilay fahatezeran’ilay fahavalo, ilay fisafoakan’ilay fahavalo. Fa dia hoe : Andriamanitra maninjitra ny tanany, tsy hahakasika ahy ilay fisafoakan’ilay fahatezeran’ny fahavalo. Mety vady io, mety mpiara-manompo io, mpiara-miasa io, mpifanolobodirindrina : masiaka. Ary ny olona rehefa tezitra dia eo ny fivoahan’ilay méchanceté-ny.

Ilay « manohitra » dia hoe : tonga avy any ilay fahatezerana dia hoe : « hatreo ». Ok, teiztra ianao ; fa hatreo.

« Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran'ny fahavaloko Ianao Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana ». Mahafinaritra ilay sary e. Mahafinaritra ilay sary. « Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana ». Izany hoe : ilay tanana ankavia izany manohitra ny fahatezeran’ny fahavalo ; ilay tanana ankavanana mamonjy.

Miomàna handalo fahoriana ; fa ao anaty fahoriana, tadidio ity Psaumes 138 :7. Izay no mahatonga an’ilay Hira FFPM 514 :4 hoe : « Mpamonjy Soa, Mpamindra fo Izy » ; manavotra Izy.