TIAN’ANDRIAMANITRA IANAO HO MPANOMPO ANKASITRAHANY KA HENOINY VAVAKA

« Koa ankehitriny makà vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin'i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy ». Joba 42 :8

Ry havana, manambara ny programan’ny Tompo aminao Izy, ary dia tiany ianao ho mpanompo ankasitrahany ka henoiny vavaka tahaka an’i Joba. TIANY IANAO HO MPANOMPO ANKASITRAHANY KA HENOINY VAVAKA.

Raha misy olona anankiroa eo samy mivavaka, enga anie ka tsy hiteny Izy hoe : « an an an, mankanesa eo amin’i anona fa … tsy henoiko vavaka ».

Fa maninona moa i Joba ry havana no henoin’Andriamanitra vavaka ? Efa voalaza teo, ary amafisin’ny and.8 izany hoe satria marina ny filazan’i Joba an’Andriamanitra. Nampandalovin’Andriamanitra tamin’ny fitsapana sy fizahan-toetra mivaivay i Joba, mba hitomboany amin’ny fiombonam-panahy amin’Andriamanitra.

Fa ny zavatra faharoa ry havana hita eto amin’ny Joba 42 eto, dia ilay fanetren-tenan’i Joba. Joba 42 :3 : « Iza no mahatakona ny fisainanao amin'ny tsy fahalalana?
Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko ».
Na Joba ary ry havana, an Joba aza, teo anatrehan’ny fitantanan’Andriamanitra, teo anatrehan’ny fombàn’Andriamanitra, nisy fotoana izy hoe nilaza izay tsy fantany, nilaza izay tsy takatry ny sainy. Raha lazaintsika amin’ny fitenintsika andavan’andro dia hoe mientsonentsona foana tao i Joba. Ohatran-tsika e. Aoka izay ny mientsonentsona foana ry havana.

Izay izany ny toe-po nankasitrahan’Andriamanitra teo amin’i Joba : manaiky ny fitantanany sy ny fanefeny azy izy, ary tao anatin’izany fitantanana sy fanefena an’i Joba izany, no tonga saina i Joba hoe : « mifona aho Andriamanitra o, nilaza izay tsy fantatro e, ary mifona aho milaza ny teny izay hoe tsy takatry ny saiko ».

Fandinihan-tena : Andao isika handinin-tena tsara hoe oviana isika no mientsonentsona foana, na amin’ny fiainana ara-panahy, na eo amin’ny fiaraha-monina, any am-piasana, any am-pianarana : mientsonentsona foana, milaza zavatra tsy fantatra, mitompo teny fatratra, na hoe milaza izay tsy takatry ny saina. Hoy ny Tompo hoe : tsy fomban’ny olona henoin’Andriamanitra vavaka izany.