TENENO JESOA HOE: “JE T’AIME, ETERNEL”

Salamo 118. Rehefa halaninina ilay teny, dia tena mitolagaga ianao ny amin'ny hamamin'ilay teny, ny amin'ny halanin'ilay teny, ny amin'ny hahasarobidin'ilay teny.

Rehefa jerena ny titre-ny Salamo 18 dia hoe : « Fitantaran'i Davida ny namonjen'Andriamanitra azy ». Izay izany ity Salamo ity. Novonjen'Andriamanitra i Davida, dia hoe : « Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah, izay nilaza tamin'i Jehovah ny tenin'ity fihirana ity tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony ». Saoly mpanjaka nifofo ny ain’i Davida ; novonjen’Andriamanitra i Davida. Izany ny anton’ity Salamo ity ry havana ô. Dia hoe : « Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah, izay nilaza tamin'i Jehovah ny tenin'ity fihirana ity tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tanan'i Saoly ». Raha mbola eto amin’ity tany ity isika : voadidina fahavalo. Izay isika ry havana. Dia ao anatin’izany hoe fanafihan’ny fahavalo izany, dia miteny Davida eo amin’ny and.1 hoe : « Mamiko indrindra Ianao, Jehovah Heriko o ». MAMIKO INDRINDRA. Amin’ny dikanteny Segond, hoe : JE T’AIME ÉTERNEL.

Ao anatin’ny fanafihan'ny fahavalo, anatin’ny fizahan-toetra, tsy miteny Davida hoe : « Jehovah ô, arovy aho » ; fa miteny izy hoe : « Je t’aime, Éternel »., « Mamiko indrindra Ianao, Jehovah ô ». Ary izy miteny hoe : « Heriko Ianao ». Izany hery izany, dia hery tsy hahaketraka ahy izany ; tsy ankanesako any amin’ny psychologue, sy ny psychiatre sy ny izao sy izao sy izao ; fa ampaherezinao aho hiatrika ny situation ampandalovinao : mamiko indrindra Ianao. Mamiko indrindra ianao.

Nahafinaritra ny teny-na mpanompon’Andriamanitra anankiray, hoe : izay mpino capable miteny anaty fizahan-toetra hoe « Mamiko indrindra Ianao », dia mpino tsy hoe manana relation personnelle amin’Andriamanitra, fa mpino manana relation intime amin’Andriamanitra. Manana relation intime amin’Andriamanitra. Izany no fampandinihan-tena ho antsika amin’izao hariva izao ry havana ô. Isika, haintsika ny hoe manana relation personnelle Aminy. Fa manana relation intime Aminy ve isika ? Iza no hanananao relation intime ? Ary mihoatra an’izany ve ny relation-nao amin’i Jesosy ry havana ? Misaora an’Andriamanitra ianao tonga eto androany hariva, Mba henoy izany. Tsy fitsaràna izany, tsy fanakianana izany ry havana, fa famporisihina anao izany e, hanana relation intime amin’i Jesoa. MANÀNÀ RELATION INTIME AMIN’I JESOA. Ary ny fatrany dia izay relation intime-nao ety an-tany, na vady izany, na namana izany, na zanaka izany…

Ny Fihirana FFPM 1 :1 dia ho : midera an’Andriamanitra satria Masina Izy. Ao amin’ny Baiboly ry havana, dia lazaina hoe Andriamanitra : Masina ;iray izay ; Masina ; roa izay ; Masina ; telo izay. Fa tsy lazaina mihitsy hoe Fitiavana, Fitiavana, Fitiavana. Nefa mihoatra noho izay fahamasinan’Andriamanitra izay ny fitiavany, satria Ilay Masina indrindra nanolotra ny Zanany ho ahy sy ho anao, teo amin’ny hazo fijaliana. Izany no tiany hpe hahatonga saina ahy sy anao amin’izao hariva izao : tia antsika Izy ary miandry valinteny, miandry setrin’izany fitiavany izany. « Tena tia anao Aho amin’ny fitiavana intime indrindra izay fantatrao ».

Ny hoe Andriamanitra Masina dia tsy mitovy amin’ny andriamanitra rehetra. Ilay Andriamanitra Masina dia hoe Andriamanitra parfait. Masina Izy,Masina, Masina, parfait ;fa mihoatra noho izany : Fitiavana Izy. Angatao ny Fanahy Masina ampidina ao am-ponao Romana 5 :5, izany fitiavana itiavan’Andriamanitra anao izany. Ary rehefa izany, dia ho tia Azy ianao amin’ny fitiavana faran’izay intime, Romana 5 :5.

Izay ny hafatry ny and.1 hoe : Raha te hanana fiainam-piderana an’i Jesoa ianao, c’est très simple : teneno Izy hoe : « Tena tiako ianao ary te hanana relation intime Aminap aho. Tiako ianao ary te hanana relation intime Aminao aho ». Raha izay no tadidinao androany hariva ry havana ô : sambatra ianao ; hoe : « Jesoa an, tiako Ianao. Je t’aime Jésus ». Ilay hoe « mamiko », « mamiko indrindra », tsy haiko tsara ny tena dikan’izany, fa hoe : « Je t’aime Jésus et je veux avoir une relation intime avec toi ».