TANDREMO NY FIAVONAVONANA – TANDREMO NY FIHEVERAN-TENA HO ZAVATRA

« Fa na dia avo aza Jehovah dia mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny. — Salamo 138 : 6

Mampitandrina antsika ny Tompo ny amin’ny fiavonavonana. Mampitandrina antsika ny Tompo ny amin’ny fiheveran-tena ho zavatra.

Ilay miavonavona, ilay mihevi-tena ho zavatra, dia mihevitra izy fa tsy mila an’Andriamanitra. Izany ilay avonavona : mieritreritra izy hoe noho ny antony tahak’izao, noho ny fahalebiazan’ny intelligence-ko, noho ny fahalebiazan’ny expérience-ko, noho ilay fahalebiazan’ny capacité d’analyse-ko, dia tsy mila an’Andriamanitra. Hoy ilay mpanompon’Andriamanitra anankiray izay, hoe : « l´orgueilleux éblouit par sa fausse grandeur ». Sao dia misy olona ébloui ato par sa fausse grandeur ? Dia mieritreritra izy hoe tsy mila an’Andriamanitra. Dia mahafinaritra ny fitenin’i Davida azy an : ary ny mpiavonavona fantatr’Andriamanitra eny lavitra eny. Fantany eny lavitra eny. Tsy mi-intéréssé Azy ireny, tsy mi-interessé Azy ireny. Eny lavitra eny ianao, tsy mi-interessé Azy e. Fa izao : ny hitany sy jereny, and.6, dia « ny ambany toetra ». Tsy vitan’ny hoe jereny ; fa Andriamanitra rehefa mijery, tahaka ny nijereny an’ilay tovolahy mpanankarena ; mijery Izy dia maninona ? Tia azy.

Mijery Izy, dia tia. Ary mijery Izy an, dia tena hoe mi-honoré, manome voninahitra. Ilay ambany toetra : honoré-n’Andriamanitra. Isaia 57 : 15 : « Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo ». Aiza ny fonenany ? Any amin’ny fitoerana avo sy masina. Ary aiza koa ny fitoerany ? Ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena. Torotoro fo noho ny inona, manetry tena noho ny inona ? Noho ny fahambanian-toetrany. Tena mbola mahatsiaro loatra izany hoe fahatsontsany, tsy fahamendrehany. Mety ohatran’izao izy eo amin’ny fiaraha-monina, fa fantany tsara eo anatrehan’ny Tompo an, ny tsy fahamendrehany ; olona tsy mendrika. Ary dia eo anilan’izany Izy no mitoetra. Tsy hoe mijery azy lavitra fotsiny Izy ; fa eo anilany Izy no mitoetra, manao ny fitoerany. Ary izay no mahatonga ilay Hira FFPM 514 :3 hanao hoe : « Gaga izahay ». Toerana avo sy masina sy manerinerina no itoeranao, nefa any amin’izay manetry tena sy torotoro fo noho ny fahotana.

Derao Izy.