SAO DIA DISO FILAZA AN’ANDRIAMANITRA ISIKA?

« Ary rehefa voalazan'i Jehovah tamin'i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin'i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy ». Joba 42 :7

Mampandinin-tena antsika ny Tompo ry havana sao dia hoe diso filaza an’Andriamanitra isika. SAO DIA DISO FILAZA AN’ANDRIAMANITRA ISIKA ? SAO DIA TSY MARINA NY FILAZANTSIKA AN’ANDRIAMANITRA ? Ka rehefa tsy marina ny filazantsika an’Andriamanitra dia mirehitra amintsika ny fahatezerany.

SAO DIA DISO FILAZA AN’ANDRIAMANITRA ISIKA ?

Nahoana no nirehitra tamin’ireto naman’i Joba 3 lahy ireto ny fahatezeran’Andriamanitra ? Tsotra ny antony : ilay fitsapana nahazo an’i Joba, ho azy 3 lahy, dia hoe famaizana an’i Joba noho ny fahotany. Izay ilay hoe diso conception an’Andriamanitra. Tsy hoe rehefa misy famaizana dia hoe noho ny ota izay. Izay no ilazan’Andriamanitra hoe diso filaza ianareo, diso filaza Ahy ianareo.

Rehefa jerena ny Joba 42 :5 : « Fandrenesan'ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao ». Aty amin’ny toko 42 isika io ; izany hoe ilay fizahan-toetra tao amin’ny toko 1 sy toko 2 dia hoe hampitomboana an’i Joba amin’ny fahalalana marina an’Andriamanitra ry havana o, amin’ny fahalalana bebe kokoa an’Andriamanitra. Tsy hoe misy ota nofaizin’Andriamanitra tao amin’ny fiainan’i Joba ; izay no naha-diso filaza azy 3 lahy ary izay no nahatezitra an’Andriamanitra izany. Fa raha ny tany am-boalohany an, dia hoe nandre izy, mandre toriteny i Joba, mandre tenin’Andriamanitra i Joba ; fa taorian’ilay hoe fizahan-toetra dia toa ny mahita an’Andriamanitra izy, akaiky an’Andriamanitra kokoa izy, isehoan’Andriamanitra amin’ny fomba manokana izy. Izany ilay tena hoe mahita, ny masony mahita an’Andriamanitra ry havana o.

Asain’ny Tompo mandinin-ten isika e, sao dia mba hoe isika koa no diso filaza an’Andriamanitra, tahaka ny sasany, hoe : ny tena zanak’Andriamanitra dia manan-karena : diso filaza azy isika ; ny tena zanak’Andriamanitra dia hoe raha tena ivavahana dia sitrana, ilay théologie de la santé : diso filaza isika ry havana o ; hoe Andriamanitra, raha vao mivavaka ianao dia mahazo valim-bavaka ary automatique ny miracle : diso filaza ianao, ary maha-tezitra an’Andriamanitra ianao. Fa misy fotoana Andriamanitra mampandalo anao fizahan-toetra, satria tiany ianao hitombo amin’ny fahalalana Azy ary hanana relation intime amin’Andriamanitra.

Fandinihan-tena : Inona no mbola hoe hevi-diso ao amintsika momba an’Andriamanitra ? Inona no maha-diso filaza antsika momba an’Andriamanitra ? Ary raha ohatra isika ao anaty fizahan-toetra izao, n’inon’inona endrika fizahan-toetra, dia hoe, tahaka an’i Joba, taloha aho nandre, fa hoy Andriamanitra hoe fa ankehitriny ianao tahaka an’i Joba, ny masonao no tiako ahita Ahy.