RESAKA “MIKOROSY FAHANA”

« Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin'ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo? Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza ». 1 Korintiana 6 :7-8

Ny dikan-teny DIEM amin’ilay and.7 manao hoe : ankehitriny, dia « mikorosy fahana » ianareo izay manana ady : mikorosy fahana. Fantaro ry havana fa olona mikorosy fahana izany olona manana ady izany ao am-piangonana.
Inona ny zavatra ampatsiahivin’ny Apostoly Paoly ? Fomban’ny olona mikorosy fahana, ary ny version segond dia miteny hoe efa défaite izany hoe hisian’ny ady tsy voalamina izany ao am-piangonana ao. Ilay fisian’ilay ady tsy voalamina fotsiny dia efa signe izay hoe mikorosy fahana ilay olona, ary mety mikorosy fahana miaraka aminy ny Fiangonana. Manarak’izany, ilay fitondrana azy any amin’ny tribonaly, n’inon’inona verdict, dia efa hoe perte spirituelle, perte spirituelle. Fa ahoana hoy Paoly ery amin’ny and.7 ? Nahoana, tsy aleo ve mandefitra ny tsy rariny aza e, nahoana, tsy aleo maharitra ambakaina aza ianareo.
Aleo ry havana miaritra perte matérielle hoy Paoly, aleo ambakaina ianao ; toy izay ho any amin’ny tribonaly fa perte spirituelle izany ; grave lavitra noho ilay perte matérielle.

Andeha isika handinin-tena ry havana, fa sao dia isika no fototr’olana, na fototra fifanolanana ao amin’ny Fiangonana misy antsika. Andeha isika koa hivavaka ho an’ny Fiangonana mba tsy hikorosy fahana ny Fiangonana, dia hoe, hanana, ery amin’ny and.5 ery, hanana olon-kendry, olon-kendry ara-panahy, hahay handamina ny olona ao am-piangonana. Ary isika koa, hianatra izany fahendrena hoe aleo maharitra ambakaina toy izay handeha ifampitarika any amin’ny tribonaly.