RESAKA FINOANA TSARA LAVITRA NOHO NY VOLAMENA

1 Petera 1 :6-7 : « Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany, mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesoa Kristy. »

Eo an-tenantenan’ilay and.7, miresaka ny fizahan-toetra ny finoantsika, dia lazaina hoe : « izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba ». Ny fanontaniana ry havana dia izao : IANAO MILAZA HOE MINO, AFAKA MITENY VE IANAO FA NY FINOANAO DIA TSARA LAVITRA NOHO NY VOLAMENA ?

Fantatsika tsara ny haha-sarobidin’izany volamena izany. Fa eto ny Tompo dia mampieritreritra antsika, hoe : ny finoanao ve tsara lavitra noho ny volamena ? Sambatra ianao, manan-karena ianao, raha hoe tsara lavitra noho ny volamena ny finoanao.

Ahoana ry havana no hananana an’izany hoe finoana tsara lavitra noho ny volamena izany ? Ny Tompo ihany ry havana ô, no manefy ny finoantsika ho tsara noho ny volamena. Ny and.6 dia manazava, hoy izy : « Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany ». Ilay fanadiovan’Andriamanitra ny finoantsika dia amin’ny fakam-panahy, amin’ny fizahan-toetra. Mitovy ihany ny fakam-panahy sy fizahan-toetra, hoe tsy maintsy hisy izany, ka ekeo ry havana ô. Tsy maintsy hisy izany, ka ekeo, mba hanananao finoana tsara lavitra noho ny volamena.

Mahavariana ilay fampahatsiahivan’ny Apostoly Petera nny momba ny fiainantsika. Raha jerena isika ery amin’ny and 1 ery, dia hoe : « Petera, Apostolin'i Jesoa Kristy, mamangy ny mpivahiny » ; ampatsiahivina isika hoe vahiny sy mpivahiny ety an-tany ety. Fa lazain’i Petera ihany koa hoe : tsy maintsy hisy ny épreuves, tsy maintsy hisy ny fizahan-toetra, tsy maintsy hisedra fitsapana maro karazany isika. Sambatra ianao raha mahatsiaro an’izany amin’izao anio izao, ary manaiky, vonona ho amin’izany, hoe tsy maintsy hisedra fitsapana maro karazany isika, tsy malntsy ho avy izany ; raha tsy izany ny finoantsika tsy ho tsara lavitra noho ny volamena ry havana ô.

Inona moa ireo hoe fitsapana ireo ? Inona ny fitsapana maro karazany ? Raha bangoina amin’ny teny fohy izy, dia hoe : fijaliana sy fanenjehana mitranga amin’ny fiainanan’ny zanak’olona. Manomboka ao amin’ny ankohonanao izany, eo amin’ny fianakavianao izany, mpiara-miasa aminao izany. Tsy maintsy misy fampijaliana ao, tsy maintsy misy fanenjehana ao, tsy maintsy misy fizahan-toetra, fanesoana sy ny karazany.
Izay izany ilay hoe ampiasain’Andriamanitra izany fijaliana mitranga amin’ny fiainan’ny olombelona izany hanadiovana ny finoantsika.

Fa raha jerena ry havana tamin’ny andron’i Petera, dia hoe fanenjehana nataon’ny empereur Néron, izay hoe nandoro ny kristiana velona : nodorana velona ny kristiana, nalatsaka tany amin’ny lavaky ny biby tany… Fa maninona no hpe nenjehina sy nosedraina ohatran’izany ? Satria amin’ny maha-kristiana azy, tsy nety nivavaka tamin’ny empereur. Misaotra an’Andriamanitra isika, amin’izao fotoana izao tsy misy empereur miteny amintsika hoe : ianareo vahoaka eto, mivavaha amiko. Fa izao ry havana : isika ve mbola hoe manatrika, mandray anjara, amin’ireny hoe fotoana fanompoana sampy atrehin’ny mpanjaka amin’ny nentin-paharazana ireny ? Vitanao ve ny miteny amin’ny Président, raha misy izany, ka manatrika ny Président, vitanao ve ny miteny aminy, hoe : « izaho kosa Président, izaho indray, tsy mankany aho noho ny amin’ny finoako, fa tsy tian’i Jesosiko izany » ? Fa izany no anadiovana ny finoantsika ho tsara lavitra noho ny volamena.

Andeha isika ary handinin-tena, hoe : manana finoana tsara lavitra noho ny volamena ve isika ? Satria fantatsika fa tsy maintsy ho avy ny fizahan-toetra, sedra. Ary manaiky koa ve isika, na dia hihatra, tsy hoe hihatra aman’aina directement, fa hoe hihatra amin’ny asa aman-draharahantsika sy fitadiavam-bolantsika ny tsy fiombonana amin’izany fanompoan-tsampy izany ?
Andeha isika handinin-tena, hangataka amin’ny Tompo hoe mba tena hanana finoana tsara lavitra noho ny volamena.