RESAKA FINOANA HO FAMONJENA NY FANAHY

1 Petera 1 :8-9 : « Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy ».

Hoy ny and.9 hoe : « mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy ». Milaza izany ny Soratra Masina eto hoe ny anton’ny finoantsika, dia ny famonjena ny fanahy. IZANY VE NO ANTON’NY FINOANAO, FAMONJENA NY FANAHY ?

Mampahatsiahy antsika an’izany ny Tompo ry havana, hoe : ny anton’ny finoana, ny antony ankanesantsika aty am-piangonana, ny anton’ny finoana, dia ny famonjena ny fanahy. Raha adika amin’ny teny hafa izany ny famonjena ny fanahy dia hoe ny fiainana mandrakizay.

Ny fanahy, averina indray, ny fanahy ao amin’ny olona tsirairay, tsy mety maty ; fa rehefa tonga ny fahafatesan’ny tena, raha modimandry ao amin’i Jesoa ilay olona, dia lasa mankany amin’Andriamanitra ; any izy no misitraka ny fiainana mandrakizay amin’ny fahafenoana. Raha tsy modimandry ao amin’ny Tompo ilay olona anankiray, iny fanahy iny, eo noho eo ihany dia lasa any amin’ny helo, na any amin’ny fahaverezana mandrakizay. Izay izany ilay anton’ny finoantsika : famonjena ny fanahy, na lazaina amin’ny voambolana hafa, hoe : fiainana mandrakizay.

Ity ry havana mba tsetsatsetsa tsy aritra mba zaraiko amintsika. Maty Fafa tamin’ny Alahady. Dia mamaky gazety eo alatsinainy, évidemment ny gazety rehetra miresaka an’i Fafa. Fa ny tena nahavariana ahy dia hoe : izao no hira nahafantarana azy, izao ny hira nahafantarana azy. Dia gaga aho hoe misy titre anankiray ankamamian’ny olona maro, apparemment, hoe : « Tsy misy ny doria ». Dia mamaky gazety eo ianao dia taitra, dia mijery amin’ny internet hoe ahoana ny tonin’izany hoe : « Tsy misy ny doria », fa ilay titre aza, efa hafahafa. Dia mamaky ianao, dia ny zavatra misongadina ao dia hoe : « Ny vitana sy ny anjara no mamaritra ny dia ». Ry havana ô, miverina in-telo, aman’efatra ao anatin’ilay tononkira izany hoe : « Ny vitana sy ny anjara no mamaritra ny dia ». Tena mifanohitra tanteraka amin’ny fanambaran’ny Soratra Masina, hoe : Andriamanitra no mametra ny isan’ny androntsika ety, Andriamanitra no mametra ny isan’ny volana ety. Andriamanitra ry havana ô, no manendry sy mametra an’izany, tsy ny vintana sy ny anjara. Gaga ianao hoe, maro be izany ny mpanaraka Mahaleo, izany izany no hoe foto-kevitra vohiziny. Ary ao anatin’ilay tononkira, dia gaga ianao, manao hoe : « ny ho avy tsy voatery ho tonga lafatra satria tsy misy ny doria ». Asa moa raha misy mankafy an’iny hira iny, fa dia aza hiraina intsony iny hira iny, raha manana CD an’iny dia poteho, satria tena hoe tononkira tolo-tsaina avy amin’ny devoly. Ahoana no hoe avy amin’ny devoly ? Satria manohitra frontalement ny fampianaran’ny Soratra Masina ry havana ô.

Andeha isika handinin-tena ny amin’izay, hoe : ny anton’ny finoako Jesoa, dia isaorako anao, hoe, famonjena ny fanahiko ; ka rehefa miala eto aho izany, raha hoe raalina aho no hodimandry, dia ny antenaiko dia hoe nodimandry ao Aminao, ka lasa any amin’ny fiainana mandrakizay eo anilanao. Andao isila handinin-tena amin’izay.