RESAKA FAHARETANA

Jakoba 5 :7-8 : « Ary amin’ izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin’ ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin’ ny tany ka maharitra amin’ izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. Mahareta koa hianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian’ ny Tompo. »

Amporisihina isika haharitra amin’ny fiandrasana ny fiavian’ny Tompo. RESAKA FAHARETANA

Fahamarinana 1 : DINIHO NY TOE-TSAIN’NY MPIASA TANY

Misy vanim-potoana roa manokana ny asany : ranonorana aloha dia ny ranonorana aoriana. Ilay ranonorana aloha antsoin’ny mpandinika hoe loha-orana (Oct-Déc) ; dia ny orana aoriana indray, ilay fara-orana dia Mars-Avril. Inona ny toe-tsain’ilay mpiasa tany ? – Azony antoka fa tsy maintsy ho avy ny fotoana izay hijanjana sy hotazana.

Ka raha ny mpamboly eto amin’izao tontolo izao, afaka miandry am-paharetana ny vokatra ; maika fa isika hoy ny Tompo, hiandry am-paharetana ny lova mandrakizay. DINIHO NY TOE-TSAIN’NY MPIASA TANY. Izay ilay fahamarinana 1 ; ary ho antsika izay te hiandry am-paharetana an’ilay lova mandrakizay, jerentsika ny Hebreo 11 :27 : « Finoana no nandaozany an’ i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran’ ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy. » Naharitra : izay ilay faharetana ; ary ny anton’ny haharetany dia hoe « mahita izay tsy hita izy » ; naka ny ohatry ny mpiasa tany isika teo, tsy mbola mahita ny vokatra hojinjaina akory izy, fa maharitra toa ny mahita izay tsy hita izany.

Isika koa izany, fantatsika amin’ny alalan’ny teniny, ary azo antoka izany tenin’ny fahamarinana izany,   fantatsika fa ho avy ny Tompo : tsy misy mahita an’izany , fa maharitra isika toa izay mahita izay tsy hita.

Jakoba 5 :9 : « Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina hianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan’ ny varavarana ».

Fahamarinana 2 : AZA MIFAMPIMONOMONONA

Mazana ity fahamarinana 2 ity hoe : Aza mifampimonomonona. Ny olona miandry izany, miomana ho amin’ny fiavian’ny Tompo, tsy mifampimonomonona. Maninona no hoe mazana be ilay izy ? – Ao amin’ny Jakoba 5 isika izao, fa rehefa jerena ao amin’ny Jakoba 4 dia azo ny mahatonga an’i Jakoba manafatra hoe « aza mifampimonomonona ». Andeha hiarahantsika mamaky ny Jakoba 4 :1-3 : « Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo ? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin’ ny momba ny tenanareo ? Mila hianareo, nefa tsy manana ihany ; mamono sy mitsiriritra hianareo, nefa tsy mahazo ihany ; mifanditra sy miady hianareo; tsy manana hianareo, satria tsy mangataka. Mangataka hianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin’ ny filanareo. »  Inona no mahatonga an’ilay toetra ratsy sy fifandraisana ratsy ?  Ilay faharatsian’ny toetrantsika ry havana, izay hoe baikon’ny filàna ; ilay filàna eto an, ilay « passion »  izay miady ao amin’ny momban’ny tenantsika. Ilay famonoana : ilay fitsiriritana, ilay « convoitise ». Dia rehefa mihetsika izay ao amina mpino anankiray satria  ho an’ny mpino izao, ho an’ny mpiara-manompo izao, ho an’ny mpiara-mivavaka izao : mifampimonomonona.

Jakoba 5 :11 : « Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’ i Joba ary efa hitanareo ny faran’ ny nataon’ ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo ».

Fahamarinana 3 : IZAY MAHARITRA NO HO SAMBATRA

Maka ny exemple-i Joba : tena hoe tsy nisy olona nozahana toetra tamin’ny fizahan-toetra mahery vaika, tao anatin’ny fotoana fohy, ohatran’i Joba. Fa dia niantra sy namindra fo taminy i Jrhovah, dia jereo ny vokany ao amin’ny Joba 42 :12 : « Ary Jehovah nitahy ny niafaran’ i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman’ osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy. ». Izany no niafaran’i Joba rehefa nandalo sedra sy fizahan-toetra izy : notahiany mihoatra, satria naharitra ilay fizahan-toetra.

Na io izany ilay fahasambarana, na ilay tenenin’i Davida ao amin’ny Salamo 17 :15 : « Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin’ ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha. ». Mazava kokoa izy amin’ny Segond, hoe : « Pour moi, avec justice, je verrai ta face ; et dès le réveil, je me rassasierai de ton image ». Rehefa miteny Davida hoe : « Pour moi, avec justice, je verrai ta face », any an-danitra izany, ; « et dès le réveil, je me rassasierai de ton image », vao misokatra ny masony dia mahita ny tavan’Andriamanitra izy.  

Ho an’ny olona izay maharitra ka lazaina hoe : « sambatra izay maharitra », dia na izy tahin’Andriamanitra, ohatran’ny an’i Joba ny fiafarany, santatr’ilay fahasambarana rahatrizay ; na hoe sambatra izy satria hita voaomana tanteraka, mitsangana eo anatrehan’ny Tompo, ary rehefa tonga any izy, manao ohatran’i Davida, hoe : « je verrai ta face ; et dès le réveil, je me rassasierai de ton image ».