RESAKA FAHABADOANA

« Ary lasa nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesoa; ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, ka dia nampianatra azy Izy ». Marka 2 :13

ZAVA-DOZA ARA-PANAHY NY FAHABADOANA
Jesoa nampianatra ny vahoaka. Raha ianao izao no asaina mampianatra vahoaka, vitanao ve izany ? Hainao ve izany ? Izany no fampieritreretana voalohany ry havana. Ny olona izay manohy ny asan’i Jesoa dia tokony ho capable mampianatra vahoaka. Mampianatra ny vahoaka ny famonjena izay entin’ny filazantsara, ary tiana ampitaina aminy izany. Hainao ve ny mampita an’izany ?
Firy taona ianao izao no nanao EB, nanao Fiangonana miteraka, sy ny karazany ? Efa mahay mampianatra vahoaka ve ianao ? Efa fantatrao ve ny fomba fanaratoana olona ho an’i Jesoa ? Ary raha ianao no irahina, arakarak’izay filan’ny olona eo anatrehanao, na tsy vahoaka intsony aza : hainao ve ny mampianatra Soratra Masina tandrify sy sahaza an’io olona io ?
Hoy ny mpanompon’Andriamanitra iray izay : ny habadoana hoy izy no tranomaizina iazonan’i satana ny olona tsy ho voavonjy ary ahatamana azy amin’ny fanandevozana. Ry havana o, raha ianao ve no irahina hampianatra vahoaka mba hialany amin’izany fahabadoany izany, manaiky ve ianao, ary mahomby ve ianao ?

Fandinihan-tena : izaho ity ve efa mahay mampianatra tahaka ny irak’i Jesoa ? Ianao ilay bado, sa ianao ilay efa efaka mampianatra ?