RESAKA ATTACHEMENT

« Ary nony nandalo Izy, dia nahita an'i Levy, zanak'i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra; ka hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy ». Marka 2 :14

Ny anaran’i Levy ry havana, amin’ny teny frantsay izy dia adika hoe : « Attachement ». Manontany anao ny Tompo ankehitriny : io fonao io, attaché amin’inona ?
Izany hoe Levy izany dia anarana mpanompon’Andriamanitra sy mpisorona ; kanefa ny asa ataon’i Levy tena hoe mifandaka amin’izany ; fa tsy manompo an’Andriamanitra izy, fa mpanompon’ny vola. Attaché amin’inona ny fonao ? Ary manontany anao ny Tompo, sanatriaan’izany, ny asa ataonao, sao mifandaka amin’ny maha-zanak’Andriamanitra anao ? Attaché amin’inona ny fonao ? Tsy mpanompon’Andriamanitra i Levy eto alohan’ny ahitan’i Jesoa azy, fa mpanompon’ny vola ; tsy mpanompon’Andriamanitra ary mpisorona i Levy alohan’ny nahitany an’i Jesoa, fa andevon’ny fahalotoana.
Ary hoy ilay mpanompon’Andriamanitra teo ihany, ato amin’ny Marka 2 mantsy mitantara an’ilay lehilahy mararin’ny paralysisa, ary ny fiainan’i Levy hoy izy, tsy mifankaiza amin’ilay lehilahy mararin’ny paralysisa : tsy tompon’ny tenany izy fa andevon-javatra, tsy tompon’ny tenany izy fa voafatotry ny fitiavam-bola, tsy tompon’ny tenany izy fa andevon’ny fahalotoany. Ary fahagagana, io mandalo io Jesoa, dia mitsangana, tahaka ilay mararin’ny paralysisa natsangany noho ny antson’i Jesoa. Ry havana o, attaché amin’inona ny fonao ? Na attaché amin’iza ny fonao ? Sao dia ianao, no mba hoe mandray andraikitra ihany aty am-piangonana, mba ohatran’izao sy ohatran’izao, ka rehefa antsoin’i Pasitera, antsoin’ny biraon’ny sampana misy anao, ny mpiandraikitra misy anao dia hoe tsy afaka aho tompoko fa efa raikitra. Raikitra amin’inona ? Raikitra amin’ny fitadiavana vola ? Raikitra amin’ny fahafinaretana ? Raikitra amin’ny fahalotoana ?
Attaché amin’inona ny fonao ?

Fandinihan-tena : Attaché amin’inona ny fontsika ? Sao dia ny fiainantsika, ny asantsika koa, mifandaka amin’ny maha zanak’Andriamanitra sy mpanompon’Andriamanitra antsika ?