RESAKA ANTSO

« Ary raha nahare izany Jesoa, dia nanao taminy hoe:
Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota ». Marka 2 :17

Tsy tonga hiantso ny marina Aho, hoy Jesoa, fa ny mpanota. Ry havana o, ianao izay mahafantatra hoe tonga Jesoa avy any an-danitra hiantso ny mpanota : efa namaly ny antsony ve ianao ? Ianao izay mahay tsianjery ny hoe Jesoa tonga hiantso ny mpanota : ianao ve efa namaly ny antsony ?
Ny olona izay milahatra ho isan’ny mpanota ihany, ary sarotra, sarotra, sarotra izany ; ny olona izay milahatra ho isan’ny mpanota ihany no mahay mamaly izany antso izany. Ary rehefa mahatsiaro tena ho mpanota ianao, dia hoe mahatsiaro tena ho marary ianao. Manaiky ny fampianaran’ny Soratra Masina ianao hoe io fahotana io anie ka tahaka ny aretina e. Ary dia hoe tsy misy dokotera hafa mahasitrana anao ; tamin’ny andron’ny jiosy dia lazaina hoe ny fariseo sy ny mpanora-dalàna dia dokotera tsy mahasitrana. Fa amin’izao fotoana izao dia lazaina ianao fa tsy misy afa-tsy i Jesoa no mahasitrana an’io aretinao io. Ary io aretina io, rehefa dinihina, dia hoe ratsy kokoa noho ireny hoe cancer izay mampatahotra antsika ireny. Ny cancer anie hoe mety mahafaty, possible mahafaty ; fa raha voaomana ianao, atolotrao ho an’ny Tompo ny fanahinao, ilay cancer dia tetezamita ho any an-danitra. Fa ilay fahotana ry havana, ratsy lavitra noho ny cancer satria ilay fahotana rehefa tsy nositranina, dia tetezamita ho any amin’ny fahaverezana. Fa vitsy ny olona mahatakatra an’izany. Rehefa misy olonq hoe mahazo cancer, dia tena hitanao mihitsy miova ny fiainany : mampalahelo i anona fa zao… Fa rehefa hoe ny fahotantsika, na ny fahotan’ny tsirairay, hita hoe maro no tsy rototra.
Hoy ny mpanompon’Andriamanitra iray izay ny amin’ny maha zava-doza ny fahotana : io fahotana io hoy izy, dia hoe mahatonga ny olona ho biby mihitsy, na ho devoly aza, alohan’ny hiampitany any amin’ny fahaverezana.

Fandinihan-tena : Andeha isika hangataka ny Fanahy Masina mba tena hiasa hampiaiky antsika ho mpanota marina, hampahafantatra antsika hoe ianao io mararin’ny aretim-pahotana io, raha tsy asan’ny Fanahy Masina no raison antsika, dia tsy hanaiky isika. Ary dia hanaiky isika fa Izy no dokotera tonga avy any an-danitra hanasitrana, hanao fahariana sy hanao antsika ho olona vaovao.