OLON-KANDALO ISIKA

« Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe: Izaho efa handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy ». 1 Mpanjaka 2 :1-2

OLON-KANDALO ISIKA

Mananatra ny zanany i Davida dia mampita aminy zavatra essentiel : olon-kandalo isika. Izay no lazain’i Davida amin’i Solomona eo amin’ny and.2 hoe : « handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra ». Hoy ny Joba 14 :5 : « Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan'ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana » ; ary hoy ny Joba 14 :1 : « Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana ».

Ry havana o, olon-kandalo isika, aleteo ao an-tsainao izany. Ary fantaro fa amin’ny lalan-kalehantsika olombelona, dia Andriamanitra no mamaritra ny halavan’izany ; Andriamanitra no mametra ny androntsika ety an-tany, Andriamanitra no manendry ny isan’ny volana iainantsika ety, ary ao aloha ao ry havana o, misy fefy tsy azontsika ihoarana. Ary Andriamanitra, Izy irery no mametra an’izany.

I Davida dia lazaina eto fa fantany fa antomotra ny andro hahafatesany. Fa isika, tsy fantatsika hoe afaka adiny iray ve isika no ho faty ; fa ny anjarantsika dia ny miomana. Vitsy ny olona mahafantatra hoe antomotra ilay fotoana andehanany, fa isika, dia hoe tokony hisaina mandrakariva fa olon-kandalo isika ary tokony hampita an’izany amin’ny zanatsika ihany koa, hoe olon-kandalo isika. Ary ny fanontaniana dia hoe : ianao ve vita fihavanana amin’Andriamanitra ? Izay no essentiel ry havana : vita fihavanana amin’Andriamanitra. Ka rehefa vita fihavanana amin’Andriamanitra ianao, na afaka adiny iray aza ianao no tojo amin’ilay fefy tsy azo ihoarana, dia alefan’Andriamanitra ao ambadik’io fefy io, any amin’ny fiadanana mandrakizay.

Fandinihan-tena : Olon-kandalo isika ary ny lalana handehanan’ny olombelona dia misy fefy