NY TENA TENY AVY AMIN’ANDRIAMANITRA DIA AFO MANDORO SY MANDEVONA

« Tsy tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah ». Jeremia 23 :29a

Ny tena teny avy amin’Andriamanitra ry havana dia teny toy ny afo mandoro sy mandevona. Izay ilay vokatry ny teny izany. Ary normal izany ry havana ô, satria toetran’Andriamanitra mihitsy, Izy Andriamanitra, dia hoe afo mandevona

Deoteronomia 4 :24 : « Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona ». Ary normal io Andriamanitra io rehefa miteny, ary izay no mbola maha-samy hafa Azy amin’ny sampy ; Izy miteny, dia rehefa mihaino ny teniny ianao, dia mahare hoe : izay ilay afo mandevona, izay ilay afo mandoro.

Zakaria 13 :9 : « Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro ». Ilay afo io ry havana, dia afon’ny mpandrendrika : rehefa mihaino ny teniny ianao, mahafantatra hoe tenin’ilay Andriamanitra mandevona io, dia manadio anao amin’izay mahaloto anao ilay tenin’Andriamanitra. Maloto ianao, dia diovin’Andriamanitra amin’ny teniny izany, doran’Andriamanitra amin’ny teniny izany. Ary mampatsiahy eto, fa tsy misy zavatra tsy masina hiditra any amin’ilay tanàna masina.

1 Korintiana 3 :12-13 : « Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin'ny fanorenana, dia haseho avokoa ny asan'ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin'afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra, amin'ny afo ny asan'ny olona rehetra ». Ilay problema izany dia hoe : io afo io manampy antsika handinin-tena hatrany ry havana ô ; diovina isika amin’ny afon’ny mpandrendrika ; eto indray, ny asantsika no zahan-toetra amin’ny afo : toy ny volamena, toy ny volafotsy ve ny asantsika ? Sa toy ny hazo, toy ny mololo, toy ny bozaka ny asantsika ? Raha ilay asa toy ny bozaka, toy ny mololo, mbola tsy dia maninona, fa hoe doran’Andriamanitra izany, miditra any an-danitra ianao, tsy hahazo valil-pitia ianao, tsy grave izany, fa voavonjy ihany ianao. Fa raha ianao mihitsy no toy ny bozaka, toy ny mololo, zava-doza izany.

Andeha isika hisaotra an’Andriamanitra amin’ny ampahafantarany hoe Izy dia afo mandevona ; raha miteny amintsika, toy ny afo mandoro sy mandevona sy manadio. Ary rehefa tsy taitra ianao mihaino ny tenin’Andriamanitra, fa mihaino Azy amin’ny routine sy fahazarana, amin’ny tsy firaharahiana sy ny indifférence, mieritreretà ihany ianao ry havana ô. Andeha isika handinin-tena ny amin’izay hoe tenin’Andriamanitra afo izay.