MPINO NIANATRA AN’I KRISTY VE IANAO ?

Efesiana 4 :20-21 : « Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an'i Kristy, raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin'i Jesoa ».

Miresaka amintsika ny Tompo eto, dia amintsika izay lazaina hoe « nianatra an’i Kristy ». Izay ilay and.20.

MPINO NIANATRA AN’I KRISTY VE IANAO ?

Mino aho fa samy tany am-pianarana daholo isika mianakavy ireto, fa ilay fianarana anontaniana antsika eto dia hoe : nianatra an’i Kristy ve ianao ?

Ilay teny grika hoe nianatra dia nahatonga an’ilay voambolana hoe « disciple », (mathetes). Rehefa miteny ny Tompo ao amin’ny Matio 28 :19 hoe : « mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra » : ity ilay lazain’i Paoly ity hoe « nianatra an’i Kristy ».

Rehefa mianatra ianao izany ry havana, dia hoe mianatra tahaka ny disciple.

Raha ilay profil, raha izay no ilazana azy no jerena, hoy ny and.21 hoe : « raha Izy tokoa no renareo » ; ny disciple izany dia hoe mandre. Ny fomban’ny disciple, jerentsika ny Ohabolana 4 :20 :« Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako ». Ny olona mandre, araka ny tenin’i Paoly ato amin’ny Efesiana, dia hoe olona tena manongilana ny sofiny izany e, fa tsy hoe mihainohaino fotsiny. Tazana ihany ry havana mandritra ny fanompoam-pivavahana rehefa amin’ny toriteny, olona, sady milalao telefaonina, no mihaino toriteny. Asa moa na ny vatabe-ny fotsiny no eo fa ilay telefaonina no maha-may azy etc…

Ampianarina isika, afarana isika : Aoka isika hanongilana sofina rehefa mihaino tenin’Andriamanitra na mahare tenin’Andriamanitra.

Dia fahatelo, hoe, and.21 : « raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo », rehefa miteny ny Tompo ao amin’ny Matio 28 :19-20 hoe : « koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo », ilay and.19, « koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra », hafa ilay voambolana grika eo, hoy isika hoe manao disciple. Fa eto amin’ny and.20, hoe « mampianatra azy », ireo olona hoe atao disciple ireo, mbola ampianarina. Ampianarina hoe izao izany fiainana disciple izany, izao izany tokantrano-na disciple izany, izao izany mpandraharaha disciple izany, izao ny fiaraha-monina ao am-piangonana : mila mianatra. Ary ny tanjona dia hoe mianatra mba ho modelim-piainana ho an’ny hafa.

Mianatra mba ho disciple aloa, dia mianatra ho modely ho an’ny hafa. Tsy misy olona modely ho an’ny hafa, raha tsy disciple izy aloa ry havana. Mazava be ilay hiérarchie, ilay chronologie ao amin’ny Soratra Masina.

Fandinihan-tena :

Olona nianatra an’i Kristy marina ve isika ? Tena disciple ve isika ?

Angataho amin’ny Tompo mba hoe hainao ny manongilana sofina dia ho hitanao ny hamamin’ilay teny

Mahavara mianatra, mba ho modely ianao, modely ho an’ny hafa ianao.