MISEHOA HO LEHILAHY

« Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe: Izaho efa handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy ». 1 Mpanjaka 2 :1-2

MISEHOA HO LEHILAHY

Ny ampitain’i Davida amin’i Solomona zanany dia hoe : Misehoa ho lehilahy.

Hoy ny 1 Korintiana 16 :13 : « Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza ». Hafatra miverimberina io ao amin’ny Soratra Masina : aoka ny lehilahy hiseho ho lehilahy, aoka ny lehilahy hitombandahy fa tsy hitombambavy izany.

Ahoana ary izany lehilahy miseho ho lehilahy izany, ahoana izany lehilahy mitombandahy izany ? Miteny Paoly eto hoe : « Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana ». Ilay hoe miambena tsara amin’ny teny grika dia azo adika hoe : aoka ianareo hanana fahazotoana, hanana fahavitrihana ho an’Andriamanitra : lehilahy manana zèle, hanana fahazotoana, hanana fahavitrihana ho an’Andriamanitra, ho an’ny asany.

Dia eo koa, tenenin’i Paoly hoe : « tomoera tsara amin'ny finoana ». Ny lehilahy mitombandahy, miseho ho lehilahy, dia lehilahy matotra, tsy miovaova,hoe mbetika mino, mbetika tsy mino ; fa hoe matotra.

Ary ao anatin’ilay hoe « tomoera tsara amin'ny finoana », dia hoe : tsy miovaova koa amin’ny teniny : rehefa eny dia eny ; rehefa tsia dia tsia.

Ary satria Davida no miteny an’izany amin’i Solomona zanany, dia hoe, ny ohatry ny fahamatorana hita eo amin’i Davida koa dia hoe : rehefa manao ny tsy mety, dia manetry tena, dia miaiky heloka. Izany ny lehilahy miseho ho lehilahy, mitombandahy ry havana :

  • Manana zèle ho an’Andriamanitra
  • Matotra amin’ny finoana
  • Matotra amin’ny teny
  • Matotra, ka hoe rehefa nanao ny tsy nety dia miaiky

Fandinihan-tena ho an’ny lehilahy : Efa izany ve ianao ?

Fandinihan-tena ho an’ny vehivavy : Mahafantatra lehilahy ianareo, vady, zanaka, anadahy : mivavaka ho azy ianareo mba hiseho ho lehilahy izy, mba hitombandahy