Salamo 81 :8 : « Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao ». MIHAINOA. Izy tsy hanambara aminao na inona na inona raha tsy mihaino ianao e. Misy olona mitaraina : « Pasitera an,mba mamaky mofon’aina ihany aho fa maina be ». Ka ianao tsy vonona hihaino ko. Salamo 81 :11 : « Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankatò Ahy". Salamo 81 :13 : « Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin'ny lalako ny Isiraely ».

Mampieritreritra satria milaza ny fontsika ry havana sy ny fombantsika ny and.12 : « Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan'ny tenany ».

Ka dia navelako nanaraka ny ditry ny fony izy. Ny fontsika io : maditra io. Maditra i9 fontsika io. AZA ATAO AO AM-BAVANAO INTSONY, NA TENENINA AMIN’NY NAMANAO INTSONY NY HOE : « SUIS TON CŒUR », « ECOUTE TON CŒUR ». Aoka izay ny miteny an’izany ry havana ô. Jeremia 17 :9 : « Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra ». Mamitaka io fonao io. Teneninao ilay olona hoe: « suis ton cœur » : voafitaka ilay olona e.

Ary eto Andriamanitra dia tena hoe : rehefa miziriziry ianao tsy hihaino Azy, tsy hanaraka Ahy, tsy hitandrina ny teniko : avelako ianao hanaraka ny ditry ny fonao. Olona manaraka ny ditry ny fony : efa famaizana izany.

Fa izay ilay fahamarinana eto, hoy ilay and.8 hoe : MIHAINOA.

Jereo izany fitiavan’Andriamanitra antsika : « ny andrasako aminao izay manana fiainana focalisé Amiko : mihainoa ».  Malahelo Andriamanitra eo amin’ny and.11 : « Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko ». Malahelo Izy. Fa Andriamanitra mamindra fo, dia hoy ilay and.13 hoe : « Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko ». Miteny Izy hoe « mihainoa », dia manao constat Izy, malahelo fa tsy nihaino izy. Fa mbola misahirana Izy, mahari-po Izy : « Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko ».

Andeha isika handinin-tena ny amin’ny fihainoana an’Andriamanitra. Andeha hifona isika ny amin’ny nanarahantsika ny fontsika. Andeha hifona isika ny amin’ny tsy fihainoana an’Andriamanitra.